Seminera sy Institiota
Lesona 28: Manindraindra ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina


Lesona 28

Manindraindra ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina

Fampidirana

Nanambara ireo mpaminany maoderina hoe: “Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny sy ireo olona ao amin’ny fitondram-panjakana na aiza na aiza misy azy izahay mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra mba hahatakatra ny fomba hanarahany sy hiarovany ity torohevitra avy amin’ny mpaminany ity.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 43:9, 30, 45, 48

Ny adidintsika hiaro ny fotopampianarana sy ny fototra ara-pitondrantenan’ny fianakaviana

Omano amin’ity lesona ity ny mpianatra amin’ny filazana amin’izy ireo fa mifantoka amin’ny andraikitsika mba hiaro ny fianakaviana izany. Zarao izao teny manaraka izao izay naton’ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Bruce D. Porter

“Ny Fiangonana dia fikambanana kely raha ampitahaina amin’izao tontolo amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia tsy tokony hanamaivana ny herin’ny ohatra asehontsika na ny fahafahantsika mandresy lahatra ny hevitry ny daholobe, na hamadika ireo fironana amin’ny ratsy, na hanasa ireo fanahy izay mikatsaka marina mba hiditra eo amin’ny vavahady sy handeha amin’ny lalana nofinidin’ny Tompo ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny maha-vahoaka azy. Tokony hanome ny ezaka tsara indrindra vitantsika isika, miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ireo olona na fikambanana mitovy hevitra amintsika, mba hiaro ny fianakaviana sy hanandratra ny feon’ny fampitandremana sy fanasana ho an’izao tontolo izao” (“Defending the Family in a Troubled World,” Ensign, jona 2011, 18).

  • Inona ireo eritreritrao momba ny andraikitry ny Olomasin’ny Andro Farany mba hiaro ny fianakaviana ao amin’izao tontolo ankehitriny izao?

Lazao amin’ny mpianatra fa imbetsaka no norahonan’ny Lamanita mikasika ny fahafahana ara-pivavahana sy ireo soatoavin’ny fianakaviana ny Nefita. Afaka mianatra fitsipika izay azo ampitoviana amin’izao androntsika izao isika rehefa mandalina ny zavatra niainan’izy ireo. (Fahaiza-mandalina ny soratra masina izay azonao antitranterina ato anatin’ity lesona ity ny fampitoviana ny soratra masina amin’ny tenantsika.) Hazavao fa voarakitra ao amin’ny Almà 43 ny iray amin’ireo zavatra niainan’ny Nefita.

Soraty hoe Almà 43:9, 30, 45, 48 eny amin’ny solaitrabe, ary angataho ny mpianatra mba hitady ireo teny sy andian-teny izay manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ireo soatoavin’ny fianakaviana sy ireo fahafahana ara-pivavahana amin’izao tontolo ankehitriny izao. Toroy hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny sy fehezanteny ireo.

  • Inona ireo teny sy andian-teny izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fiarovantsika ireo soatoavin’ny fianakaviana sy ireo fahafahana ara-pivavahana? Inona no fitsipika nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovantsika ireo soatoavin’ny fianakaviana sy ireo fahafahana ara-pivavahana? (Tokony ahitana izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny manindraindra sy miaro ny fianakaviana any amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo?

  • Ahoana no ahafahanao manindraindra sy miaro ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana?

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Tiantsika ny handrenesana ny feontsika izay manohitra ireo fomba fiaina diso sy hafa izay miezaka manolo ny rafitry ny fianakaviana izay Andriamanitra Izy Tenany mihitsy no nametraka izany. Tiantsika ihany koa ny handrenesana ny feontsika amin’ny fanohanana ny fifaliana sy ny fahafaham-po izay entin’ny fianakaviana nentin-drazana. Tsy maintsy tohizantsika ny fanehoana izany feo izany manerana an’izao tontolo izao amin’ny fanambarana ny antony maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny antony mahatonga ho tena manan-danja mandrakariva izany” (“Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, mey 2015, 42).

  • Araka ny Loholona Perry, inona no tokony ambarantsika mikasika ny fianakaviana?

  • Inona no tsikaritrao fa ataon’ny hafa mba hiarovana sy hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana na mba hiarovana amin’ireo fanafihana atao amin’ny fianakaviana? (Mariho fa ny fiarovana ny fianakaviana dia ahitana ny fanabeazana fianakaviana matanjaka tahaka ny fiarovana ampahibemaso ny fianakaviana koa rehefa ilaina izany.)

Vakio izao zavatra niainana manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Vao haingana aho no niresaka tamin’ny zatovovavy Ravintsara iray avy eto Etazonia. Izao no nolazainy tao amin’ny taratasy mailaka nalefany:

“‘Nanomboka nanoratra ny hevitr’izy ireo mikasika ny fanambadiana tao amin’ny Facebook ny sasany amin’ireo namako tamin’iny taona lasa iny. Betsaka ireo nanohana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy, ary zatovo Olomasin’ny Andro Farany maro no nanindry ny hoe “tiako” teo amin’ireo soratra. Tsy naneho hevitra aho.

“‘Nanapa-kevitra aho ny hanambara tamim-pitandremana ny finoana ijoroako, dia ny fanambadian’ny lehilahy iray amin’ny vehivavy iray.

“‘Nampiako soratra hoe: ‘Mino ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray aho’ teo amin’ny sary famantarana ahy. Fotoana fohy monja taorian’izay dia nanomboka naharay hafatra aho. “Tia tena ianao.” “Be tsikera ianao.” Nampitaha ahy tamin’ny tompona andevo ny olona iray. Dia naharay ity hafatra ity avy amin’ny namako iray izay mpikamban’ny Fiangonana matanjaka tokoa aho: ‘“Mila manaraka ny toetr’andro ianao. Efa niova ny zavatra maro ary tokony hiova araka izany ianao.”

“‘Tsy namaly aho,’ hoy izy ‘saingy tsy nofafako ireo teny nambarako.’

“Nofaranany tamin’ny hoe: ‘Indraindray, araka ny nolazain’ny Filoha Monson dia “Mila sahy mijoro irery” ianao. Enga anie isika tanoran’ny Fiangonana mba hiara-hivondrona amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy amin’ireo fampianaran’ny mpaminaniny velona’” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 19–20).

  • Inona ireo traikefa izay nanananao tamin’ny fanindraindrana sy fiarovana ny fianakaviana?

  • Inona no fiantraikan’ny teninao na ny asa nataonao teo amin’ny hafa?

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manana fitaomana tsara eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika isika ka hampandroso ireo fikasana ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra rehefa manindraindra sy miaro ireo fitsipika izay mampahatanjaka ny fianakaviana.

Almà 46:10–13, 16; 48:7–13

Miaro ny fianakaviana miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra sy fanajana ny hafa

Lazao amin’ny mpianatra fa ireo toko 46 sy 48 ao amin’ny Almà dia mirakitra fa norahonan’ny Lamanita indray ny Nefita. Zarao roa ny mpianatra. Asao ny antsasaky ny mpianatra handalina ny Almà 46:10–13, 16,ary ny antsasany ambiny handalina ny Almà 48:7–13. Angataho ny mpianatra mba hamantatra ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Kapiteny Môrônia amin’ny fomba mety mba hanindraindrana ireo fitsipika izay mihazona sy mampahatanjaka ny fianakaviana. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza izany dia ampio ny mpianatra mba hampitovy ireo andian-tsoratra masina ireo amin’izao androntsika izao amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahana mampitovy ireo ezaka nataon’i Amalekià sy ireo mpanara-dia azy amin’ireo ezaka ataon’ireo izay manafika ny fianakaviana amin’izao fotoana izao?

  • Inona no afaka hianarantsika avy amin’ny asa nataon’ny Kapiteny Môrônia? (Ampio ny mpianatra mba hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra sy miezaka mampiasa ireo loharano rehetra ananantsika isika dia hahazo fahendrena sy tanjaka mba hiarovana ny fianakaviantsika sy ny fivavahantsika ary ireo fahafahantsika.)

  • Inona ireo fomba mety izay ahafahantsika manindraindra ireo fitsipika mba hampatanjahana sy hiarovana ny fianakaviana?

Ampiasao ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) sy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanampiana ilay resadresaka momba ilay fanontaniana etsy aloha:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Aoka isika mba handray anjara amin’ireo hetsika tsara eo amin’ny fiaraha-monina. Mety hisy toe-javatra misy izay tsy ahafahantsika manao fifampiraharahana mikasika ny fitsipika rehefa resahina ireo olana goavana ara-pitondrantena. Kanefa amin’ny toe-javatra toy ireny dia afaka ny mandà amim-panajana isika ka tsy voatery ho mahatezitra. Afaka miaiky isika ny amin’ny hitsim-pon’ireo izay tsy azontsika ekena ny heviny. Afaka miresaka momba ireo fitsipika isika fa tsy ireo olona akory” (Enseignement de Gordon B. Hinckley [1997], 131).

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa manindraindra ny heviny ampahibemaso ny mpino dia tokony handefitra hatrany izy ireo momba ny hevitra sy toeran’ireo izay tsy mizara ny finoan’izy ireo. Tsy maintsy miresaka amim-pitiavana sy mampiseho faharetana sy fahatakarana ary indrafo amin’ny fahavalony hatrany ny mpino. Ny mpino Kristiana dia eo ambanin’ny didy mba hitia ny namany (jereo ny Lioka 10:27) sy hamela heloka (jereo ny Matio 18:21–35). Tokony hotsaroan’izy ireo hatrany ny fampianaran’ny Mpamonjy mba ‘[h]ivavaka ho an’izay manenjika [azy ireo], [h]anao soa ho an’ireo izay mankahala [azy ireo], sy [h]ivavaka ho an’ireo izay maniratsira [azy ireo], sy manenjika [azy ireo]’ (Matio 5:44)” (Dallin H. Oaks, “Balancing Truth and Tolerance,” Ensign, feb. 2013, 30–31).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahanao mampihatra ireo fitsipika izay nampianarain’ny Filoha Hinckley sy ny Loholona Oaks?

Hamafiso izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manindraindra ireo fitsipika mba hiarovana sy hampatanjahana ny fianakaviana isika dia tokony hampiseho fanajana amin’ny hafa sy fandeferana mikasika ny hevitr’izy ireo.

Manindraindra ireo fitsipika izay mampahatanjaka ny fianakaviana

Asehoy ity teny manaraka ity ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany.

“Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny sy ireo olona ao amin’ny fitondram-panjakana na aiza na aiza misy azy izahay mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Lazao amin’ny mpianatra fa tamin’ny janoary 2015 dia nanao fihaonana ôfisialy tamin’ny mpanao gazety ireo mpitarika ny Fiangonana ka nandritra izany dia niantso ireo tomponandraikitra ao amin’ny governemanta izy ireo mba hamoaka lalàna izay hiaro ireo fahafahana ara-pivavahana sy hitandro ny fahamasinan’ny fianakaviana. Hazavao fa na dia miresaka manokana ny fiarovana ireo fahafahana ara-pivavahana aza ireo mpitarika ny Fiangonana ato anatin’ity fanambarana ity dia miantefa amin’ny fiarovana ireo soatoavin’ny fianakaviana ihany koa ny tenin’izy ireo. Fahafahana ara-pivavahana maro no mifandray mivantana amin’ny fianakaviana, tahaka ny fahamasinan’ny fanambadiana.

Zarao amin’ny mpianatra izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ho famintinana ny zavatra natolotra tamin’izany fihaonana tamin’ny mpanao gazety izany:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manambara ireto fitsipika manaraka ireto araka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ho fahamarinana ho an’ny rehetra, ka anisan’izany ireo olon’ny finoana:

“1. Ambaranay fa ny rehetra dia manana ny zo nomen’ Andriamanitra sy araka ny lalàna mba hiaina ny finoany araka izay tononon’ny feon’ny fieritreretan’izy ireo manokana ka tsy hanisy ratsy amin’ny fahasalamana na ny fiarovana ny hafa.

“2. Ekenay ihany koa fa izany fahafahana araka ny feon’ny fieritreretana izany dia tsy maintsy mihatra amin’ireo lehilahy sy vehivavy amin’ny toerana rehetra mba hanaraka ny finoany ara-pivavahana araka izay safidiny, ary tsy hanaraka na inona na inona finoana ara-pivavahana raha izany no safidiny.

“3. Mino izahay fa ireo lalàna dia natao mba hanatanterahana fifandanjana eo amin’ny fiarovana ny fahafahan’ny olona rehetra sady manaja ireo izay manana soatoavina tsy mitovy amin’izany.

“4. Lavinay ny fanenjehana sy valifaty na ahoana na ahoana endrik’izany, anisan’izany ny fananjehana araka ny volon-koditra, foko, finoana ara-pivavahana, toe-javatra iainana ara-ekônomika na ny tsy fitoviana eo amin’ny fironana eo amin’ny lafiny ara-nofo” (Dallin H. Oaks, “Transcript of News Conference on Religious Freedom and Nondiscrimination” [27 jan. 2015], mormonnewsroom.org/article/publicstatement-on-religious-freedom-and-nondiscrimination).

  • Inona no nianaranao avy tamin’izany fanambarana izany izay afaka manampy anao hanindraindra ireo fitsipika izay mampahatanjaka ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina? (Ho anisan’ity fifanakalozan-kevitra ity dia hamafiso fa ny fitaizana ny ankizy amin’ny fomban’ny Tompo, ny fanohanana ireo fianakaviana hafa, ny fanatanterahana ireo antso any am-piangonana, ary ny fampatanjahana ireo fiaraha-monina misy antsika dia fitsipika izay manindraindra ny fianakaviana avokoa.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra azony atao mba hanindraindrany ireo fitsipika izay mampahatanjaka sy miaro ny fianakaviana.

Vakitenin’ny Mpianatra