Seminera sy Institiota
Lesona 13: Manatsara ny fanatrehana ny tempoly


Lesona 13

Manatsara ny fanatrehana ny tempoly

Fampidirana

Ny fitsaohana any amin’ireo tempoly masina dia manomana antsika ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa, ary ireo “ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy [any] no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanao izay hahatonga ny tempoly ho “ilay marika lehiben’ny maha-mpikambana azy ireo” (“The Great Symbol of Our Membership,” Ensign, Ôôkt. 1994, 2). Ao amin’ity lesona ity, dia hianatra ireo fomba hanatsarana ny fanatrehany ny tempoly ireo mpianatra, ka amin’izany dia hitondra fitahiana bebe kokoa ho an’ny fiainan’ny fianakaviany izy ireo.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Richard G. Scott, “Fanatrehana ny tempoly: loharanon’ny tanjaka sy hery amin’ny fotoan-tsarotra,” Ensign na Liahona, mey 2009, 43–45.

  • L. Lionel Kendrick, “Enhancing Our Temple Experience,” Ensign, May 2001, 78–79.

  • Miomana hiditra ao amin’ny tempoly masina (kiboky, 2002)

Sosokevitra Enti-mampianatra

Salamo 24:3–5; Jaona 2:13–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:10–13, 20–22

Fahamendrehana hidirana ny tempoly

Asehoy ny sarin’ny tempoly akaiky indrindra ny fonenanao. Hazavao fa ilay andian-teny hoe Hamasinina ho an’i Jehovah dia voasokitra eo ivelan’ny tempoly rehetra. Asao hamaky ny Jaona 2:13–16 ireo mpianatra ka hieritreritra ny fomba hanehoan’io tantara io ny toetra masin’ny tempoly.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’io tantara io ny fihetsika tokony asehontsika manoloana ny tempoly?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanehoan’ny olona tsy fanajana ny tempoly amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:20 izay ampahany amin’ny vavaka fanokanana ho an’ny Tempolin’i Kirtland:

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony hahitana ity fitsipika ity ny valintenin’ireo mpianatra: Nandidy Andriamanitra mba tsy hamelana ny zavatra tsy madio hiditra ny tranony. Hazavao fa ao amin’ny soratra masina, ny tempoly dia fariparitana hatrany ho toy ny toeran’ny fahadiovana, ny tsy fisiana pentina, ny fahamasinana ary fahamendrehana. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hijery izany fifandraisana izany rehefa mamaky mikasika ny tempoly izy ireo.)

  • Inona avy ireo fenitra vitsivitsin’ny fahamendrehana izay tokony hananan’ny olona alohan’ny hidirany ny tempoly?

Omeo fotoana fohy ireo mpianatra handalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:10-13, 21–22, sy ny Salamo 24:3–5 ka hitady ireo fitahiana izay mifandray amin’ny fanatrehana ny tempoly amim-pahamendrehana. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona avy ireo fampanantenana omena ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho an’ireo izay miditra ny tempoly amim-pahamendrehana? (Ny voninahitry ny Tompo dia hitoetra eo amin’ny vahoakany; ireo izay miditra ny tempoly dia hahatsapa ny herin’ny Tompo sy hanaiky fa toerana nohamasinina izany; ao amin’ny tempoly, ny Tompo dia hametraka ny anarany eo amintsika, ary ho voatafy ny heriny isika rehefa miala ao; ary ao amin’ny tempoly isika dia afaka mahazo ireo fitahiana sy fahamarinana avy amin’ny Tompo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miankina amin’ny fahamendrehantsika ireo fampanantenana ireo?

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay manontany tena hoe ilaina ve ny miezaka ny hahazo ny fahazoan-dalana hankany amin’ny tempoly na tsia?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. … Takatr’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly no hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary ho tafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony izay mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 92).

  • Inona avy ireo fahasoavana azonao rehefa nandray anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ianao?

Entano ny mpianatra mba haka sy hihazona fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly manan-kery mandritra ny fiainan’izy ireo. Antitrantero fa rehefa mitsaoka ny Tompo amim-panetrentena ao amin’ny tempoliny izy ireo, dia handray ireo fitahiana izay natao ho an’ireo mahatoky ao amin’ny tranony masina irery ihany.

3 Nefia 17:1–3

Manatsara ny fanatrehantsika ny tempoly

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao ary anontanio ny mpianatra hoe ahoana no hamenoan’izy ireo ilay fehezanteny:

Ny zavatra azontsika avy amin’ny tempoly dia hiankina amin’ny .

Rehefa misy maromaro manome valiny, dia asehoy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny zavatra izay azontsika avy amin’ny tempoly dia hiankina be dia be amin’izay zavatra entintsika mankany amin’ny tempoly, mahakasika ny fanetren-tena sy ny fanehoana fanajana ary ny faniriana hianatra. Raha manaiky ho ampianarina isika dia ho ampianarin’ny Fanahy, ao amin’ny tempoly” (The Holy Temple [1980], 42).

  • Amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no hiovan’ny zavatra iainanao ao amin’ny tempoly raha toa ianao ka mandeha miaraka amin’ny fanahin’ny “fanetren-tena sy ny fanehoana fanajana ary ny faniriana hianatra”? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mankany amin’ny tempoly amim-panetrentena sy fanehoana fanajana ary faniriana hianatra isika, dia hampianatra antsika ny Fanahy Masina.)

Hazavao amin’ireo mpianatra fa rehefa namangy ireo Nefita ny Mpamonjy, dia nampianatra azy ireo ny lamina iray mba hahatakarana ireo zavatra masina Izy izay azontsika arahina rehefa mankany amin’ny tempoly isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 17:1–3.

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy mba ho ataon’ireo izay mihaino azy ka hanampy azy ireo hiomana ny hahatakatra zavatra masina?

  • Ahoana no ahafahantsika manaraka io lamina io mba hanatsarantsika ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly? (Tokony hisaintsaina ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly isika, sy hivavaka mba hahazo fahatakarana, sy hiomana mba hanatrika amin’ny fotoana manaraka, ary hiverina matetika arakaraka ny fahafahana omen’ny toe-javatra misy.)

Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona L. Lionel Kendrick ao amin’ny Fitopololahy ity, ary asaivo henoin’ireo mpianatra ireo andian-teny izay milaza ny fomba ahafahantsika manatsara ny fanatrehantsika ny tempoly.

Sary
Loholona L. Lionel Kendrick

“Misy fahasamihafana eo amin’ny hoe manatrika fotsiny ny fotoana any amin’ny tempoly sy ny heoe mahazo traikefa mafonja ara-panahy. Ny tena fitahiana avy amin’ny tempoly dia azo rehefa manatsara ny traikefantsika azontsika any amin’ny tempoly isika. Mba hanaovana izany, dia tokony hahatsapa ny fanahin’ny fanehoam-panajana isika ho an’ny tempoly sy ny fanahin’ny fitsaohana. …

“Ny hoe maneho fanajana dia tsy hoe mangina fotsiny ihany. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafantarana izay zavatra mitranga. Tafiditra ao anatin’izany ny fanirina masina ny hianatra sy ny handray ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiezahana mafy mba hahazo fanampim-pahazavana sy fahalalana. Ny tsy fanehoam-panajana dia tsy vitan’ny hoe tsy fanajana an’ Andriamanitra fotsiny, fa mahatonga ihany koa ny Fanahy Masina tsy ho afaka hampianatra antsika an’ireo zavatra izay mila fantarintsika” (“Enhancing Our Temple Experience,” Ensign, mey 2001, 78).

  • Inona ireo andian-teny manana heviny manokana aminareo ao amin’io teny nambara io? Nahoana?

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asaivo henoin’ireo mpianatra ireo torohevitra azon’izy ireo ampiharina rehefa mankany amin’ny tempoly izy ireo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“•Ezaho takarina ny fotopampianarana mifandraika amin’ny ôrdônansin’ny tempoly, indrindra ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

“• Rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ianao, dia diniho ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy sy ny fifandraisany amin’ny Raintsika any An-danitra. Izany fihetsika tsotra izany dia hitarika any amin’ny fahatakarana bebe kokoa ny maha-masina ireo ôrdônansin’ny tempoly.

“• Asehoy am-bavaka hatrany ny fankasitrahana ireo fitahiana tsy manam-paharoa izay azo avy amin’ny ôrdônansin’ny tempoly. Isan’andro dia manàna fiainana izay hahafahana manaporofo amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malalany fa tena manan-danja aminao tokoa ireo fitahiana ireo.

“• Manaova fandaharam-potoana hitsidihana matetika ny.

“• Manomàna fotoana ampy mba tsy hikoropahana rehefa ao anatin’ny rindrin’ny tempoly.

“• Ovaovao ny zavatra ataonao mba hahafahanao mandray anjara amin’ireo ôrdônansy rehetra ao amin’ny tempoly.

“• Esory ny famataranandronao rehefa miditra ao amin’ny tranon’ny Tompo ianao.

“• Henoy tsara ny fampisehoana ireo ampahany rehetra amin’ilay ôrdônansy ary amin’ny fo sy saina vonona handray.

“• Aoka ianao hieritreritra matetika ireo olona hanatanterahanao ireo karazana ôrdônansy isoloanao azy ireo. Mivavaha indraindray ho an’io olona io mba hahatsapany ny maha-zava-dehibe an’ ireo ôrdônansy ary mba ho mendrika izy na hiomana ho mendrika ny handray tombontsoa amin’izany” (“Fanatrehana ny tempoly: loharanon’ny tanjaka sy hery amin’ny fotoan-tsarotra,” Ensign na Liahona, mey 2009, 43–44).

  • Iza amin’ireo hevitra ireo no tena hahasoa anao indrindra ny hampihatra azy?

  • Inona no nataonao na ireo hafa mba hanomezana lanja bebe kokoa ny fanatrehana ao amin’ny tranon’ny Tompo? Inona no miova rehefa manao ireo zavatra ireo ianao? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, dia resaho ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany: “Rehefa mahita ny anaran’ireo razambeny ireo mpikamban’ny Fiangonana ary mitondra izany mankany amin’ny tempoly mba hanatanterahana ordônansy, dia afaka hitombo be tokoa ny traikefa azo avy any amin’ny tempoly” [Taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, 8 Ôkt 2012].)

Amporisiho ireo mpianatra hanoratra ireo zavatra tsapany fa tokony hataony mba hanatsarany ny traikefany any amin’ny tempoly. Amporisiho izy ireo hahatanteraka ny zavatra nosoratany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:8

Toeran’ny fanambarana

Hazavao fa namariparitra ny sasany amin’ireo tanjon’ny tempoly ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ilay vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Asao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:8 ireo mpianatra. Hazavao fa ny iray amin’ireo tanjona dia ny ho lasa “tranon’ny fianarana.”

  • Inona no mety ho andrandraintsika mba hianarana any amin’ny tempoly?

Asehoy ity teny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ity trano masina ity dia lasa toeram-pianarana momba ireo zavatra mamy sy masin’Andriamanitra. Ao amin’ny tempoly no hahitantsika topimaso mikasika ny drafitry ny Ray be fitiavana ho an’ireo zananilahy sy zananivavy amin’ny taranaka rehetra. Ao amin’ny tempoly no hamariparitana amintsika ilay dia lehibe mandrakizain’ny olona manomboka amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka mamakivaky ny fiainana ety an-tany hatrany amin’ny fiainana any an-koatra. Ampianarina mazava tsara sy amin’ny fomba tsotra mba ho takatr’ireo izay mihaino ireo fahamarinana manan-danja sy fototra” (“The Salt Lake Temple,” Ensign, mar. 1993, 5–6).

  • Amin’ny fomba ahoana no anampiana antsika hianatra ireo fahamarinana lehibe sy manan-danjan’ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fandraisantsika anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampiana antsika hianatra bebe kokoa mandritra ny fotoana hijanonantsika ao amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fanarahana ilay maodely ao amin’ny 3 Nefia 17:1–3?

Asehoy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Maro ny olona izay nankany amin’ny tempoly tamin’ny fanahin’ny fifadiankanina sy vavaka mba hitady fitarihina avy amin’ Andriamanitra tamin’ny fotoana nampitebiteby saina sy rehefa nisy fanapahan-kevitra sarotra tsy maintsy noraisina ary rehefa nisy olana nampiasa saina izay tsy maintsy novahana. Maro no nijoro ho vavolombelona fa na tsy re aza ny feon’ny fanambarana, dia nahazo fahatsapana mikasika ny lalana tokony hizorana izy ireo tamin’izany fotoana izany na tatỳ aoriana izay lasa valin’ny vavak’izy ireo” (“The Salt Lake Temple,” Ensign, mar. 1993, 6).

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara ny eritreritra sy fahatsapana ananany na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny tempoly. Antitrantero fa ireo mpianatra dia ao anatin’ny fotoana tena manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo, izay fotoana tokony handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra maro. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mahatsapa ny Fanahin’Andriamanitra sy mahatsapa fampaherezana ary fitarihana ao ny tranon’ny Tompo ireo mpianatra.

Vakitenin’ny Mpianatra