Seminera sy Institiota
Lesona 1: Ny famoahana ny ‘Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao’


Lesona 1

Ny famoahana ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”

Fampidirana

Tamin’ny septambra 1995, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka fanambarana ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao izay mitondra ny lohateny hoe “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Mampianatra ny anjara asa masina tanan’ny fianakaviana sy ny maha-zava-dehibe azy eo amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra io fanambaran’ny mpaminany io. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe nahoana ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’ny andro farany no namoaka ity tahirin-kevitra nentanim-panahy ity.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 8:15–17; Mosesy 6:26–27, 31–36; 7:16–21

“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao Tontolo izao,” dia nosoratan’ireo mpahita

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Mosesy 6:26–27, ary asao ireo mpianatra ambiny hanaraka ny vakinteny, ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fo sy ny sofina ary ny mason’ny vahoaka.

  • Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny faharatsian’ny vahoaka?

  • Midika inona izany hoe “mihamafy ny fon[’ny vahoaka] ary mihadonto ny sofiny ary tsy mahita lavitra ny masony”?

Asaivo mamaky mafy ny Mosesy 6:31–34 ny mpianatra iray.

  • Raha teo amin’ny teoran’i Enôka ianao, dia inona no mety ho hitanao fa mapitony tao amin’ny tenin’ny Tompo?

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba hanomezan’ny Tompo hery ireo mpaminaniny?

Omeo fotoana ireo mpianatra hamakiny ny Mosesy 6:35–36.

  • Afaka nahita inona i Enôka rehefa avy nanasa ny tanimanga tamin’ny masony izy?

  • Mety haneho inona izany tanimanga izany? (Mety ho tandindon’ny rendrarendran’izao tontolo izao ilay tanimanga. Asaivo mandinika izay zavatra mety ho afaka ny ho hitany ireo mpianatra raha toa ka voasasa hiala eo imasony ireo zavatr’izao tontolo izao.)

  • Ahoana no hanampian’ny andininy 36 amin’ny famaritana ny atao hoe mpahita? (Tokony hahitana ity fahamarinana manaraka ity ny valiny: Ny mpahita dia afaka mahita ireo zavatra izay tsy hita amin’ny maso voajanahary. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hampifandray ny andininy 36 amin’ny Môsià 8:15–17.)

Mba hamaritana misimisy kokoa ny atao hoe mpahita, dia asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona John A. Widtsoe (1872–1952) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona John A. Widtsoe

“Ny mpahita dia olona iray izay mahita amin’ny maso ara-panahy. Mahatakatra ny hevitry ny zavatra izay toa maizina amin’ny hafa izy; noho izany dia mpandika sy mpanazava ny fahamarinana mandrakizay izy. … Olona iray mpahita izy, izay mandeha ao amin’ny fahazavan’ny Tompo amin’ny maso tena mibanjina tsara [jereo ny Môsià 8:15–17]” (Evidences and Reconciliations, nar. G. Homer Durham [1960], 258).

Toroy hevitra ireo mpianatra hanoratra ny ampahany amin’io famaritana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Mosesy 6:35–36. Hazavao fa ireo mpahita dia mpaminany ihany koa.

Fintino ny Mosesy 7:16–21 mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nitranga tamin’ireo izay nanaiky an’i Enôka ho mpahita ka dia nanaraka ny teniny.

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny maha-zava-dehibe ny fihainoana sy fankatoavana ireo mpaminany sy mpahita ankehitriny? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra ity fotopampianarana manaraka ity: Manampy antsika hahita zavatra amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra ireo mpaminany, ary voatahy isika rehefa mahatoky ny tenin’izy ireo.)

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo :

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ry rahalahy sy anabavy, feno 10 taona amin’ity taona ity ny fanambarana ho an’izao tontolo izao mikasika ny fianakaviana, izay navoakan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1995 [jereo ny ‘Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,’ Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129]. Antso avo mba hiarovana sy hampahatanjahana ny fianakaviana izany tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana izao. …

“Ilay fanambarana dia tahirin-kevitra avy amin’ny faminaniana, tsy noho izy navoakan’ny mpaminany fotsiny fa noho izy manan-kery na dia aty aoriana aza. Mampitandrina amin’ny ankamaroan’ny zavatra izay tena mampidi-doza sy manimba ny fianakaviana nandritra ny folo taona lasa teo izy io ary mitaky ireo laharam-pahamehana sy fanantitranterana ilain’ny fianakaviana mba hahatafavoahany ao amin’ny tontolo izay toa mihamanohitra hatrany hatrany ny fanambadiana nentim-paharazana sy ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka.

“Ny fiteny mazava sy tsotra ampiasain’ilay fanambarana dia mifanohitra tanteraka amin’ny hevitra misafotofoto sy mifanjevon’ny fiarahamonina izay tsy mahavita mifanaraka akory ny amin’izay tena famaritana ny atao hoe fianakaviana” (“What Matters Most Is What Lasts Longest,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 41).

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Loholona Ballard holazaina raha nilaza izy fa ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia “manan-kery na dia aty aoriana aza”?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanamafisan’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ny finoanao fa ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

Mijoroa ho vavolombelona fa satria tia antsika ny Ray any An-danitra ary tiany ho lasa tahaka Azy isika, dia nandefasany mpaminany sy mpahita isika.

“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”

Ny namoahana ilay fanambarana momba ny fianakaviana

Ataovy izay hananan’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (lds.org/topics/family-proclamation). (Mety ho ilainao ny mizara tahadika vita printy ho an’ireo mpianatra mila izany.) Amporisiho ireo mpianatra hitondra tahadika vita printy na hitondra amin’ny fitaovana elektrônika ilay fanambarana momba ny fianakaviana isaky ny fotoam-pianarana mandritra ilay fandaharam-pianarana. Hazavao fa ny fampahafantarana voalohany ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ho an’ny Fiangonana dia nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) nandritra ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny 23 septambra 1995.

  • Inona no ambaran’ilay lohateny amintsika mikasika ny olona nokasaina handre ity fanambarana ity?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no navoaka ho an’izao tontolo izao ity fanambarana ity fa tsy ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana fotsiny? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Miantso ireo mpaminany Andriamanitra mba hanambara ireo fahamarinany amin’ireo zanany rehetra.)

Hazavao fa hatramin’ny nananganana ny Fiangonana, dia dimy ihany no isan’ny fanambarana navoakan’ireo mpitarika ny Fiangonana. Ny iray tamin’ireo dia navoakan’ny Fiadidiana Voalohany, ny iray navoakan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, ary ireo ambiny dia niarahan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy navoaka. Ireo fanambarana dia natokana mba hamoahana ireo filazana ireo filazana manan-danja lehibe. (Raha manontany mikasika ireo fanambarana dimy ireo ny mpianatra, dia asaivo jeren’izy ireo ny Encyclopedia of Mormonism, boky 5 [1992], “Proclamations of the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” 3:1151, eom.byu.edu.)

Lazao amin’ireo mpianatra fa talohan’ny namakin’ny Filoha Hinckley ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia nilaza antony vitsivitsy izy izay nahatonga ireo mpitarika ny Fiangonana hahatsapa fitaomana avy amin’ny Fanahy hamoaka izany tahirin-kevitra manan-danja izany. Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Hinckley, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Tsy mila ampahatsiahiviko ianareo hoe tontolo feno korontana sy miovaova amin’ny hasina ijoroany ity misy antsika ity. Maro ireo feo misarika hanao zavatra iray na iray hafa mba hanimbana ireo fitsipi-piainana efa nipetraka hatry ny ela. voahozongozona mafy tokoa ireo fototra ara-pitondrantena eo amin’ny fiarahamonintsika” (“Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nôv. 1995, 99).

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Filoha Hinckley holazaina raha nilaza izy fa “voahozongozona mafy tokoa ireo fototra ara-pitondrantena eo amin’ny fiarahamonintsika”? (Azonao atao ny manazava fa ny fototra dia izay mihazona ny zavatra iray mba ho mafy orina.)

  • Ahoana no hamariparitanao ny zavatra nitranga tamin’ny “fototra ara-pitondrantena” an’ny fiarahamonina hatramin’ny taona 1995 no mankatỳ, rehefa niresaka momba ny fahasimban’ny fitondran-tena ny Filoha Hinckley?

Asehoy ity andiam-pehezanteny manaraka ity izay nalaina avy amin’ny lahatenin’ny Filoha Hinckley. Omeo fotoana ireo mpianatra hamaky izany sy hanoratra ireo teny sy andian-teny izay manazava misimisy kokoa ny olana izay hitan’ireo mpitarika ny Fiangonana teo amin’izao tontolo izao sy ireo antony namoahany io fanambarana io.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina sy hilaza mialoha manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakampanahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao . Mba hanatanterahana izany, izahay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamoaka fanambarana ankehitriny ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao mba ho fanambarana sy ho filazana indray ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao mifandraika amin’ny fianakaviana izay efa nambaranan’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ity fiangonana ity ombieny ombieny nandritra ny tantarany” (“Stand Strong against the Wiles of the World,” 100).

Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Mety ho tahaka izao no endriky ny solaitrabe:

Inona avy ireo olana hitan’ireo mpitarika ny Fiangonana eo amin’izao tontolo izao?

Habobo ambara ho fahamarinana

Famitahana mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana

Fakampanahy sy fitaomana mba hanaraka izao tontolo izao

Inona avy ireo antony vitsivitsy nahatonga ireo mpitarika ny Fiangonana hamoaka io fanambarana io?

Hampitandrina sy hilaza mialoha

Hanambarana sy hilazana indray ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao efa nampianarin’ireo mpitarika ny Fiangonana teo aloha

  • Inona no atao hoe “habobo”? (Ny habobo dia fandaharan-kevitra diso izay lazaina ho marina.) Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fampianarana ny hevi-diso ho toy ny fahamarinana izay mifandray amin’ny fianakaviana? (Azonao atao ny mijery ao amin’ny F&F 89:4 mba ho ohatra amin’ny habobo.)

  • Inona no azontsika ianarana momba ny andraikitr’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany avy amin’ny teny nataon’ny Filoha Hinckley? (Tokony ahitana ity fahamarinana manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Manana andraikitra masina ireo mpaminany ny hanambara “ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba amam-panaon’ny Tompo izay mifandraika amin’ny fianakaviana.”)

Asaivo maka minitra vitsivitsy ireo mpianatra hijery ilay fanambarana momba ny fianakaviana sy hitady ny sasany amin’ireo valinteny entin’izany ho an’ireo fanontaniana amin’izao vaninandro izao mikasika ny fianakaviana. Rehefa avy nanome fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra nianarany. Aza mandany fotoana betsaka amin’ity asa atao ity satria ireo lesona hafa dia miresaka ilay fanambarana amin’ny antsipiriany .

Mijoroa ho vavolombelona momba ireto fahamarinana ireto: Ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia feno vahaolana nentanim-panahy enti-mamaha ireo olan’ny fiarahamonina. Ilay fanambarana dia vatofantsika mafy tsara ho an’ny olona tsirairay sy ho an’ny fianakaviana ao amin’ny tontolo izay feno korontana sy miovaova amin’ny soatoavina ijoroany.

Hazavao fa taorian’ny namakin’ny Filoha Hinckley ilay fanambarana momba ny fianakaviana, dia nanambara izy hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Mitaona ny rehetra izahay mba hamaky am-pitandremana sy am-pisaintsainana ary am-bavaka ity fanambarana ity. Ny herin’ny firenena iray dia miorim-paka anatin’ireo tokantrano ao aminy. Izahay dia mitaona ny vahoakantsika na aiza na aiza misy azy mba hanamafy orina ny fianakaviany mifanaraka amin’ireo soatoavina mendri-piderana ireo” (“Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, nôv. 1995, 101).

  • Inona aminao no dikan’ny hoe mamaky amim-bavaka ilay fanambarana momba ny fianakaviana?

  • Inona no fiantraikan’ireo fitsipika izay hita ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana teo amin’ny fahatsapanao mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Ampio ireo mpianatra handinika sy hizara ny fomba mety ampiharany ny famporisihana nataon’ny Filoha Hinckley mba hianatra sy hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakavana (ohatra, manao tsianjery ny ampahany amin’ilay fanambarana). Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra, ary asao izy ireo handinika am-bavaka ny fomba azon’izy ireo hanamafisana orina ny tenany sy ny fianakaviany amin’ny fampiharana “ireo soatoavina mendri-piderana ireo.”

Vakitenin’ny Mpianatra