Seminera sy Institiota
Lesona 7: Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra


Lesona 7

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra

Fampidirana

Nametraka ny lamina masin’ny fanambadiana izay tokony arahina niaraka tamin’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena ny Ray any An-danitra. Amin’izao androntsika izao, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy io lamina io tamin’ny filazana hoe: “Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Na dia mikasa ny hanova izany famaritana izany aza ny lalàn’olombelona, dia tsy miova mandrakizay ny lalàn’Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; Mosesy 3:21–24

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: “Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra.” Anontanio amin’ny mpianatra ny dikan’ny hoe manendry ao amin’io fehezanteny io. (Mety ahitana izao ny valinteny: mandidy na mampanao na maniraka noho ny fananana fahefana ambony kokoa.) Anontanio ny mpianatra ny fomba hanampian’io famaritana io azy ireo hahatakatra ny hevitr’ilay fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe. Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 ireo mpianatra mba hitady soratra masina iray mamerina milaza io fotopampianarana io.

Asaivo mamaky mafy ny Mosesy 3:21–24 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra rehetra hitady hoe iza amin’ireo dingana manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjena no voasoritsoritra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia hazavao fa sarin-teny ny filazana ny taolan-tehezan’i Adama—tsy tena nanaisotra ny taolan-tehezan’i Adama akory Andriamanitra. Azonao atao koa ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ity famaritana manaraka ity ho an’ny teny hoe hikambana eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo: “manorina fiombonana akaiky sy maharitra ary mafy orina.”)

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’Andriamanitra ampianarina antsika tamin’ny famaritany ny fahariana ara-batana an’i Eva araka izany fomba izany? (Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa: “Ilay taolan-tehezana, izay azo avy amin’ny tehezana, dia toa maneho fiaraha-miasa. Ilay taolan-tehezana dia sady tsy midika ho fanapahana no tsy midika ho fileferana ho ambany kokoa, fa midika kosa fifandraisana mira lentan’ny mpiara-miasa, mba hiara-hiasa sy hiara-hiana” [“Lessons from Eve,” Ensign, nôv. 1987, 87].)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Mosesy 3:24? (Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa Andriamanitra dia “nampitambatra [an’i Adama sy i Eva] ho mpivady. … Tsy misy amintsika, na olona mety maty hafa, afaka manova io lamina masin’ny fanambadiana io. Tsy zavatra noforonin’olombelona izany” [“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?” Ensign na Liahona, mey 2015, 52].)

Asehoy ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy: Asao ny iray kilasy hikaroka hevi-baovao momba ny antony nanendren’Andriamanitra hoe ny fanambadiana dia tokony hitranga eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray irery ihany.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Taorian’ny nahariana ny tany dia napetraka tao amin’ny Saha Edena i Adama. Tamin’ny fomba manan-danja, na izany aza anefa, dia nilaza Andriamanitra fa ‘tsy tsara raha irery ralehilahy’ (Mosesy 3:18; jereo koa ny Genesisy 2:18), ary lasa vady sy mpanampy sahaza ho an’i Adama i Eva. Ny fiarahana tsy manan-tsahalan’ny fahafahana ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po an’ny lahy sy ny vavy dia nilaina mba hanatanterahana ny drafitry ny fahasambarana. ‘Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy’ (1 Korintiana 11:11). Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’ny tsirairay, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno” (“Mino isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 41–42).

  • Miainga avy amin’ny fahatakaranao ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra, nahoana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no tendriny?

Mosesy 3:18; 5:1–5, 12, 16

Mpiara-miasa mira lenta ny mpivady

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fanarahana maodely rehefa manao zavatra iray toy ny hoe manjaitra akanjo?

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fandalinana ny lamina tsara indrindra an’ny fanambadiana?

Hazavao fa ny fanambadian’i Adama sy i Eva dia maneho ny lamin’ny Tompo mikasika ny hoe tokony ho toy ny ahoana izany fanambadiana izany. Asao hamaky mafy ny Mosesy 3:18 ny mpianatra iray.

  • Midika inona aminao ny hoe “mpanampy sahaza”? (Ny hoe “Mpanampy” dia nadika avy amin’ny fanakambanana teny hebreo fototra anankiroa, ny iray dia midika hoe manavotra na mamonjy, ary ny iray hafa dia midika hoe matanjaka. Ny hoe “Sahaza” dia nadika avy amin’ny teny Hebreo izay milaza hoe mety na mitovy. Noho izany, ny “mpanampy sahaza” dia namana mety aminao sy mitovy aminao izay manana hery hamonjy. Toroy hevitra ireo mpianatra hanoratra io famaritana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Mosesy 3:18. Jereo koa ny Howard W. Hunter, “Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, nôv. 1994, 51.)

  • Karazana fifandraisana manao ahoana no tian’io teny io ambara mikasika ny mpivady? (Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Notendren’Andriamanitra ny mpivady mba ho mpiara-miasa mira lenta.)

  • Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe mpiara-miasa mira lenta ho an’ny mpivady?

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra, ohatra hoe misy mpianatra telo na efatra angamba ao amin’ny vondrona iray. Asaivo mamaky ny Mosesy 5:1–5, 12, sy 16 ireo mpianatra, ka hitady ireo fomba izay niarahan’i Adama sy i Eva niasa amin’ny maha-mpiara-miasa mira lenta azy ireo, ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany amin’ny vondrona hafa.

Asehoy ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson ity(1899–1994), sy ny Rahavavy Sheri L. Dew, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Hitantsika avy amin’io rakitsoratra nentanim-panahy io [Mosesy 5:1–2, 4, 12, 16] fa i Adama sy i Eva dia nanome antsika ohatra tena tsara ny amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana natao tao amin’ny fanekempihavanana. Niara-niasa izy ireo; niara-nanana zanaka izy ireo; niara-nivavaka izy ireo; ary niaraka— nampianatra ny filazantsara tamin’ireo zanany izy ireo. Izany no lamina tian’Andriamanitra halain’ny lehilahy sy ny vehivavy marina rehetra tahaka” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 183).

Sary
Sheri L. Dew

“Saintsaino ny tantaran’i Adama sy i Eva ao amin’ny soratra masina ary jereo ny zavatra izay ho ampianarin’ny Tompo anao ka hampatanjaka ny fanambadianao [sy] ny fianakavianao. … Ny lamina napetraky ny Raintsika dia manampy antsika hiala amin’ny fahadisoam-panantenana. Mitodiha any amin’ny Tompo fa tsy any amin’izao tontolo izao mba hahazoanao hevitra sy hahafantaranao izay tsara indrindra mikasika ny lehilahy sy ny vehivavy” (Sheri L. Dew, “It Is Not Good for Man or Woman to Be Alone,” Ensign, nôv. 2001, 14).

  • Oviana ianao no nahita mpivady niara-niasa amin’ny maha-mpiara-miasa mira lenta azy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety hampiova ny hoavinao noho ny fahatakarana ilay lamina masin’ny fanambadiana?

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hanaovany lisitra anankiroa: (1) ireo fihetsika izay ananany ankehitriny ka hitondra azy ireo amin’ny fanambadiana notendren’Andriamanitra, sy (2) ireo fihetsika mila ovain’izy ireo mba hanatonany bebe kokoa izany tanjona izany. Omeo toky izy ireo fa hitahy azy ireo amin’ny ezaka ataony ny Tompo.

Môrmôna 9:9.

Ny fampianaran’ny Tompo momba ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy

(Fanamarihana: Mila mihaino tsara sy vonon-kanampy ianao raha misy mpianatra maneho hevitra hafa mikasika ity resaka ity. Ampifantohy amin’ny teny nataon’ny Manampahefana Ambonin’ny Fiangonana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianatra.)

  • Inona no mitranga amin’ny lamina notendren’Andriamanitra ho an’ny fanambadiana rehefa mamoaka lalàna mahatonga ny fitondrantena mifanohitra amin’io lamina io ho lasa ara-dalàna ny fitondram-panjakana ? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia ampiasao ny Môrmôna 9:9 mba hanehoana fa Andriamanitra sy ny lalàny dia tsy miova. Ny toetran’Andriamanitra izay tsy miova dia manampy antsika hahatoky sy hino Azy.)

Omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ireo mpianatra hitady ireo antony niresahan’ny mpitarika ny Fiangonana mikasika ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy:

“Dingana maro narahana teo anivon’ny lalàna sy fanaovana fehezan-dalàna tao amin’ny firenena maro no nanome fankatoavana ara-panjakana ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy, ary mbola ambetin-dresaky ny olona maro io fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy io hatramin’izao. Eo am-piatrehantsika izany sy ireo olana maro hafa dia mamporisika ny rehetra izahay mba hahatsiaro ny tanjon’ny Raintsika any an-danitra tamin’ny nahariany ny tany ary ny nanomezany ny fahaterahantsika eto an-tany sy ireo zavatra iainana ety amin’ny maha-zanany antsika [jereo ny Genesisy 1:27–28; 2:24]. … Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia napetrak’Andriamanitra ary fototry ny drafiny ho an’ny zanany mba ho soa ho an’ny fiaraha-monina. Ireo fianakaviana matanjaka izay tarihin’ny reny sy ray be fitiavana dia rafitra fototra hitaizana ny zanaka, hampiorenam-paka ny finoana, ary hampitana amin’ireo taranaka ho avy ireo tanjaka sy soatoavina ara-pitondrantena izay manan-danja eo amin’ny rafi-piainana ary manan-danja lehibe amin’ny famonjena mandrakizay.

“Ny fiovana eo amin’ny lalàn’ny fanjakana dia tsy afaka na oviana na oviana hanova ny lalàna ara-pitondrantena izay napetrak’Andriamanitra. Miandry antsika hanohana sy hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia eo aza ireo fomba fihevitra na fironana mifanohitra amin’izany eo amin’ny fiarahamonina. Mazava ny lalàn’ny fitondrantena nataony: tsy azo atao ny firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ara-dalàna ihany” (voalaza ao amin’ny Gospel Topics, “Same-Sex Marriage [Fanambadian’ny samy lahy na samy vavy],” lds.org/topics).

  • Nahoana no hanampy antsika hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ny fahatakarana ny drafitra sy fotopampianaran’Andriamanitra?

Omeo ny mpianatra tsirairay koa ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity izay nalaina avy tao amin’ny taratasy navoakan’ny Fiangonana mitondra ny lohateny hoe “The Divine Institution of Marriage. [Ny Rafitra Masin’ny Fanambadiana]”: Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny antony tokony hitazonana ny famaritana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao amin’ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana:

“Ny fanambadiana dia mihoatra lavitra ny fifanarahana eo amin’ny olona mba hampanan-kery ny fifankatiavan’izy ireo sy manome adidy ifanakalozana. Ny fanambadiana kosa dia rafitra tena ilaina mba hitaizana ny zanaka sy hampianarana azy ireo mba ho lasa olon-dehibe tompon’andraikitra. Niaiky sy nilaza ireo fitondram-panjakana isan-karazany nisy hatrizay nisian’ny tantara fa rafitra iray tena ilaina ny fanambadiana amin’ny fihazonana ny fiarahamonina ho mafy orina sy ny fitohizan’ny fiainana. Na notanterahina tamin’ny fombafombam-pivavahana na notanterahana tamin’ny fomba ara-panjakana ny fanambadiana, saika ho an’ny kolontsaina rehetra, dia narovana sy nankatoavin’ny mpitondra fanjakana ny fanambadiana mba hiarovana sy hamporisihana ny rafitra tena manan-danja indrindra mba hanabe zanaka sy hampianatra azy ireo ny soa toavina ara-pitondrantena izay manampy ny fivoaran’ny fiarahamonina. …

“Raha jerena ny fifandraisana izay efa nisy hatry ny ela eo amin’ny fanambadiana, ny fiterahana, ny maha-lahy na vavy, ny maha-ray aman-dreny, dia tsy azo heverina ho fanomezana ‘zo’ vaovao fotsiny ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy. Izany dia mahakasika ny fanovana ny famaritana ny tena toetry ny fanambadiana mihitsy. Izany dia manamarika fiovana fototra eo amin’ny rafitry ny fanambadiana amin’ny fomba izay mifanohitra amin’ny tanjon’Andriamanitra ho an’ireo zanany sady manimba ny tombontsoa lavitra ezaky ny fiarahamonina” (“The Divine Institution of Marriage,” mormonnewsroom.org/article/the-divine-institution-of-marriage).

  • Inona no antony vitsivitsy izay mahatonga ny fiarahamonina nankatò sy niaro ny fanambadiana teo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety amantaran’ny olona iray ny fahamarinan’ny hevitra hijoroan’ny Fiangonana momba io resaka manan-danja io?

Amporisiho ireo mpianatra handinika hoe aiza ho aiza ny hevitr’izy ireo raha ampitahaina amin’ny fampianaran’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana araka izay nampianarin’ireo mpitarika ny Fiangonana. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny mino sy manohana ny lamin’Andriamanitra ho an’ny fanambadiana dia mitondra fitahiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra