Seminera sy Institiota
Lesona 16: Ny hery masina hananana zanaka


Lesona 16

Ny hery masina hananana zanaka

Fampidirana

“Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv 2010, 129). Ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mitaky antsika mba ho marin-toetra amin’ny fihetsitsika sy amin’ny eritreritsika koa. Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia tsara sy masina, ary voatendrin’ Andriamanitra ho amin’ny fananana zanaka sy fanehoam-pitiavana.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Salamo 24:3–4; Matio 5:8; Jakoba 2:31–35; Almà 39:3–5, 9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–24; 121:45–46

Ny Lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezanteny manaraka izao, ary anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoany izany:

“Ny fahotana izay miendrika valan’aretina mahazo an’ity taranaka misy antsika ity dia .”

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny fahotana izay miendrika valan’aretina mahazo an’ity taranaka ity dia ny tsy fahadiovam-pitondrantena. Izany, hoy ny Mpaminany Joseph, no ho loharanon’ny fakampanahy bebe kokoa, fisamboaravoarana bebe kokoa, ary fahasarotana bebe kokoa ho an’ireo loholon’Isiraely mihoatra noho ny hafa rehetra” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 220).

  • Nahoana io teny nambaran’ny Filoha Benson io no mihatra amin’ny fiaraha-monina misy antsika amin’izao fotoana izao?

Asehoy izao fanambarana manaraka izao avy ao amin’ny Ry tanora, mahereza, ary angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy izany. Eo am-pihainoan’izy ireo dia asaivo mieritreritra ny fomba ilazany ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ao anatin’ny fehezanteny iray ny mpianatra.

“Ny fitsipiky ny Tompo mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena dia mazava sy tsy miova. Aza manao firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana, ary aoka ho mahatoky tanteraka amin’ny vadinao aorian’ny fanambadiana. …

“… Aza mifanoroka amim-pirehetampo fatratra, na mandry eo ambonin’ny olona iray hafa, na mikasika ny faritra manokana sy masina eo amin’ny vatan’ny olona iray hafa na miakanjo izy na tsia. Aza manao na inona na inona izay hamoha ireo fahatsapana ara-nofo. Aza fohazinao mba hiseho koa amin’ny vatanao ireo fiontanam-po ireo” (Ry Tanora Mahereza [kiboky, 2011], 35–36).

  • Ahoana no fomba ilazanao ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ao anatin’ny fehezanteny iray? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso izao fotopampianarana manaraka izao avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana: “Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana” [“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv 2010, 129].)

  • Ahoana ireo fampitandremana voafaritra ao amin’ilay andiam-pehezanteny faharoa ao amin’ilay teny natao avy ao amin’ny Ry Tanora Mahereza no mety hanampy ny olona mba hisoroka ny fanaovana fahotana ara-pitondrantena goavana kokoa?

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity sary ity. Zarao ho roa ny mpianatra ary asao ny vondrona iray mba handalina ireo andinin-tsoratra masina eo ambanin’ny lohateny hoe “ireo voka-dratsy” ary ilay vondrona iray hafa mba handalina ireo izay eo ambanin’ny lohateny hoe “ ireo fitahiana.” Amporisiho ireo mpianatra mba hijery ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy rehefa manao fandalinana izy ireo.

Ireo voka-dratsin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena:

Jakôba 2:31–35

Almà 39:3–5, 9

F&F 42:22-24

Ireo fitahiana noho ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena:

Salamo 24:3–4

Matio 5:8.

F&F 121:45–46

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no maneho ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ireo voka-dratsin’ny fandikana izany didy izany?

  • Ahoana no niainanao ireo fitahiana vokatry ny fankatoavana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Asehoy izao fahamarinana manaraka izao avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana:

“Ambaranay fa ny fomba namoronana ny fiainana an-tany dia tendrin’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv 2010, 129).

  • Inona no hevitr’izany fanambarana izany aminao?

Ampiasao ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny Loholona isany Jeffrey R. Holland sy David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanampiana ny mpianatra hanjary ho lalim-paka kokoa ny fahatakaran’izy ireo izany fahamarinana izany. Miangavia mpianatra iray hamaky mafy ireo teny natao ireo, ka mandritra izany ireo mpianatra dia hihaino ny antony mahatonga ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ho manan-danja mandrakizay.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ampahany manan-danja amin’ny maha-olona ny vatana. Manamafy ny antony maha-lehibe tokoa ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ity fotopampianarana an’ny Olomasin’ny Andro Farany miavaka sy tena manan-danja ity. Manambara izahay fa ny olona iray izay mampiasa ny vatan’ny olona iray izay nomen’ Andriamanitra kanefa tsy nahazo lalana dia manararaotra ny maha-olona izany olona izany, manararaotra ny tanjona fototra sy ny dingana fototry ny fiainana ‘ilay fanalahidin’ny fiainana’ araka ny niantsoan’ny Filoha Boyd K. Packer izany indray andro. Raha manararaotra ny vatan’ny olona iray—izay midika hoe manararaotra ny fanahiny—ny olona iray dia maniratsira ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay nanavotra izany fanahy izany sy mahatonga ny fanomezana ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina” (Jeffrey R. Holland, “Personal Purity,” Ensign, nôv 1998, 76).

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy no fomba iray nahazo lalana izay hidiran’ireo fanahy any amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana amin’ny fiainana an-tany. Ny tsy fanaovana ny firaisana ara-nofo mihitsy alohan’ny fanambadiana sy ny fijanonana ho mahatoky tanteraka ao anatin’ny fanambadiana dia miaro ny fahamasinan’io fomba masina io.

“Ny hery hanan-janaka dia manan-danja ara-panahy. Ny fampiasana io hery io tsy araka ny tokony ho izy dia mikatsaka ny hanimba ny tanjon’ny drafitry ny Ray sy ny fisiantsika eto an-tany. Ny Raintsika any An-danitra sy ny Zananilahy Malalany dia mpahary ary nanankina tamintsika tsirairay avy ny ampahany amin’ny fahefan’Izy ireo mamorona. … Ny zavatra tsapantsika sy ny fomba fampiasantsika io herin’ Andriamanitra io dia hamaritra amin’ny ankapobeny ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny anjarantsika mandrakizay” (David A. Bednar, “Mino Isika fa Tokony Hadio fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 42).

  • Nahoana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena no manan-danja mandrakizay?

  • Ahoana no hamaritra amin’ny ankapobeny ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny anjarantsika mandrakizay ny hery hananana zanaka?

Omeo fotoana ny mpianatra mba hanoratana ireo fampitandremana azon’izy ireo raisina mba hanampiana azy ireo hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Matio 5:27–28; Romana 8:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16

Ireo lozan’ny pôrnôgrafia

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Matio 5:27–28; Romana 8:6; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16. Angataho ny mpianatra mba hampihatra ny fahaiza-mandalina ny soratra masina amin’ny famoronana rojon’ny soratra masina ka manomboka amin’ny andian-tsoratra masina voalohany, manoratra soratra masina mifandray eo amin’ny manaraka, ka toy izany hatrany ka hatramin’ny andian-tsoratra masina farany.

  • Inona ireo fitondrantena izay raràn’ireo andian-tsoratra masina ireo? (Fitondrantena iray izay tokony ho hitan’ny mpianatra ny fampiasana ny pôrnôgrafia.)

  • Inona ireo voka-dratsin’ny fijerena na famakiana pôrnôgrafia izay lazain’ireo soratra masina ireo?

Asehoy ireto teny manaraka ireto izao nataon’ny Loholona isany Dallin H. Oaks sy Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Rahavavy Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy izany ary asao ny iray kilasy mba hitady ireo voka-dratsy fanampiny amin’ny fampiasana pôrnôgrafia.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny pôrnôgrafia dia manimba ny fahafahan’ny olona iray hankafy ny fifandraisana ara-pihetsehampo sy ara-pitiavana ary ara-panahy araka ny tokony ho izy miaraka amin’ny vehivavy iray raha toa ka lehilahy ianao, ary lehilahy iray raha toa ka vehivavy ianao” (Dallin H. Oaks, “Pornography,” Ensign na Liahona, mey 2005, 89).

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Lasa havanana tanteraka i Satana amin’ny fampiasana ny hery fanandevozan’ny pôrnôgrafia mba hamerana ny fahafahan’ny olona iray ho voatariky ny Fanahy. Niteraka fahoriana lalina, fijaliana sy aretim-po ary faharavan’ny fanambadiana ny fanafihana mahery vaika ataon’ny pôrnôgrafia amin’ny endriny feno vetaveta sy mikiky ary manimba” (Richard G. Scott, “To Acquire Spiritual Guidance,” Ensign na Liahona, nôv 2009, 8).

Sary
Linda S. Reeves

“Mila fantatr[y ny ankizy sy ny tanora] ny loza ateraky ny pôrnôgrafia sy ny fomba hifehezan’izany ny fiainan’ny olona, ka mahatonga fahaverezan’ny Fanahy, fitiavana voatorotoro, fahadisoam-panantenana, fifandraisana simba, fahaverezan’ny fifehezan-tena ary saika tsetsefin’izany tanteraka ny fotoana sy ny saina ary ny hery” (Linda S. Reeves, “Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano Mifantoka amin’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 15–17.

Amporisiho ireo mpianatra izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia na ireo karazana tsy fahadiovam-pitondrantena hafa mba hihaona amin’ny evekan’izy ireo na ny filohan’ny sampana. Omeo toky izy ireo fa afaka hahita ny lalana miverina mankamin’ny fiadanana sy fahasambarana amin’ny alalan’ny fibebahana. Mijoroa ho vavolombelona momba izao fahamarinana manaraka izao: Hitondra amin’ny fahasambarana bebe kokoa eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay ny fialana amin’ny pôrnôgrafia. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto tranonkalan’ny Fiangonana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra izay tafalatsaka ao anatin’ny fampiasana pôrnôgrafia:

overcomingpornography.org

addictionrecovery.lds.org

Genesisy 2:21–24

Ny anjara asan’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana

Fanamarihana: Satria saro-pady ity ampahan’ny lesona ity dia miantehera amin’ireo fampianaran’ny mpaminany ary ialao ny fampianarana ankoatra izay hita ato, ka anisan’izany ny fizarana ireo antsipirihan-javatra momba ny fifandraisanao amin’ny vadinao.

Mijoroa ho vavolombelona fa masina sy araka ny tokony ho izy ary miavaka ny firaisana ara-nofo rehefa mitranga ao anatin’ny fifandraisan’ny fanambadiana izany, ilay fomba notendren’ny Tompo.

Asaivo mamaky mafy ny Genesisy 2:21–24 ny mpianatra iray.

  • Na dia tsy voalaza manokana aza izany, inona no tian’ireo andinin-tsoratra masina ireo ambara fa tanjon’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady? (Mba ho tonga iray amin’ny vadinao.)

Asehoy izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona dia natokana ho an’ny mpivady satria izany no tandindona faratampon’ny fiombonana feno, fahafenoana sy fiombonana voatendry sy narafitr’ Andriamanitra. Nanomboka tao amin’ny Sahan’i Edena ka mitohy hatrany, ny fanambadiana dia natao mba hidika hoe fikambanana tanteraky ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray—ny fon’izy ireo, ireo fanantenany, ny fiainany, ny fianakaviany, ny hoaviny, ny zavatra rehetra” (“Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 76).

  • Nahoana no manampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo tanjon’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady ny teny nataon’ny Loholona Holland? (Tokony hahatakatra izao manaraka izao ny mpianatra: Mampahatanjaka ny fatotra ara-panahy sy ara-pihetseham-po eo amin’ny mpivady ny firaisana ara-nofo.)

Ataovy ao anaty taratasy zaraina ireto teny natao manaraka ireto. Omeo tahadika ny mpianatra tsirairay, ary asaivo tsipihany ireo tanjon’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana.)

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy, ny mpivady (ary ny mpivady ihany), dia natao ho an’ny tanjona voalohan’ny fitondrana zanaka ho amin’izao tontolo izao. Ireo zavatra iainana mandritra ny firaisana ara-nofo dia tsy nataon’ny Tompo velively ho kilalao tsy misy dikany na hanatanterahana fotsiny ireo fanirian-dratsy sy fitsiriritana” (Spencer W. Kimball, “The Lord’s Plan for Men and Women,” Ensign, Okt. 1975, 4).

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany dia manana fitsipika tokana sy tsy miovaova mikasika ny fahadiovam-pitondrantena manao hoe: ny firaisana ara-nofo dia tsy azo atao raha tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny fanambadiana ihany, izay voalaza ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ny fifandraisana toy izany dia tsy zava-mahaliana tiana hofantarina fotsiny ihany, na filàna tiana omena fahafaham-po, na karazana fandaniana andro na fialamboly atao amin’ny fitiavan-tena. … Izy ireo kosa eo amin’ny fiainana an-tany dia iray amin’ireo fanehoana faratampony ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny hery anaty ananantsika ary fomba hanamafisana ny fifamatorana ara-pihetseham-po sy ara-panahy eo amin’ny mpivady” (David A. Bednar, “Mino Isika fa Tokony Hadio fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 42).

Ifampiresaho ireo tanjona izay nasian’ny mpianatra tsipika.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra nianarany momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ka hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diarin’izy ireo avy eo:

  • Nahoana no matanjaka ny fahavononanao hiaina fiainana madio ara-pitondrantena rehefa takatrao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Inona ireo antony hiainanao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika noresahina tao amin’ity lesona ity.

Vakitenin’ny Mpianatra