Seminera sy Institiota
Lesona 9: Ny Anjara asa sy andraikitra masin’ny lehilahy


Lesona 9

Ny anjara asa sy andraikitra masin’ny lehilahy

Fampidirana

Ampahany iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra ny nanendreny ny lehilahy ho lasa vady sy ray. Mifantoka amin’ny andraikitr’izy ireo ity lesona ity: “Araka ny drafitr’Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nov. 2010, 129).

Vakiteny Enti-mandalina

  • Richard G. Scott, “Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 94–97.

  • D. Todd Christofferson, “Let Us Be Men,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 46–48.

  • Linda K. Burton, “Hiara-hivoatra isika,” Ensign na Liahona, mey 2015, 29–32.

  • Howard W. Hunter, “Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, nôv. 1994, 66–70.

  • “The Sacred Callings of Fathers and Mothers,” toko faha 15 ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 191–96.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Efesiana 5:25

Ireo lehilahy dia tokony hanambady sy hitia ireo vadiny

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe:

  • Iza avy ireo lehilahy izay nahay nandresy lahatra sy nitarika ny safidinao teo amin’ny fiainanao? Nahoana no nandaitra taminao toy izany ny fitaoman’izy ireo?

Hazavao fa ity lesona ity dia hiresaka momba ny anjara asa nomen’Andriamanitra ny lehilahy. Tsy misy anjara asa manan-danja kokoa ho an’ny lehilahy mihoatra ny anjara asa amin’ny maha-vady sy ray. Rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ireo andraikitra ireo amim-pahamarinana ny lehilahy, dia lasa mihamitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra izy ireo.

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny Efesiana 5:25.

  • Inona no fitsipika ianaranao avy amin’io soratra masina io mikasika ny tokony ho fomba fihetsiky ny lehilahy manambady? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony ho hitany ity fitsipika ity: Tokony hitia ny vadiny tahaka ny nitiavan’i Jesoa Kristy ny Fiangonana ireo lehilahy manambady.)

  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ny Fiangonana?

  • Inona no azon’ireo lehilahy manambady atao mba hanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy eo amin’ny fomba hitondran’izy ireo ny vadiny?

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Tena tian’i Kristy tokoa ny fiangonana sy ny olona ao anatin’izany hany ka dia niaritra fanenjehana an-tsitrampo Izy ho azy ireo, nijaly noho ny fanimbazimbana mampihetry Izy ho azy ireo, nizaka fanaintainana sy fampijaliana ara-batana tamim-pitoniana Izy ho azy ireo, ary farany nanome ny ainy sarobidy Izy ho azy ireo.

“Rehefa vonona ny hitondra ny ao an-tokantranony amin’ny fomba takaha izany ny lehilahy manambady iray, dia tsy ny vadiny ihany fa ny fianakaviany manontolo no hanaraka ny fitarihany” (“Home, the Place to Save Society,” Ensign, jan. 1975, 5).

  • Inona no ao anatin’ny eritreritrareo rehefa mandinika ny tenin’ny Filoha Kimball ianao?

  • Amin’ny fomba ahoana no anaovan’ny raim-pianakaviana fahafoizan-tena ho an’ny fianakaviany amin’izao fotoana izao?

Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Ray any An-danitra ireo lehilahy mba hiezaka ny ho vady feno fahamarinana.

Efesiana 5:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–46

Tokony hitarika amim-pahamarinana ny raim-pianakaviana

Asaivo halalinin’ireo mpianatra ny andiam-pehezanteny faha fito ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” mba hianarany ny zavatra andrasan’ny Ray any An-danitra amin’ny raim-pianakaviana.

  • Inona no dikan’ ny teny hoe: mitarika? (Manome fitarihana sy torolalana ho an’ny hafa.)

  • Nahoana no hanampy ny lehilahy iray hanatanteraka ny andraikitra nomen’Andriamanitra ny raim-pianakaviana ny fitadidiany ilay andian-teny hoe “araka ny drafitr’Andriamanitra”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba tokony hitarihan’ny raim-pianakaviana ao an-tokantrano, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 5:23. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hafa hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Nanazava i Paoly Apôstôly hoe: ‘ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana’ (Efesiana 5:23; nampiana soramandry). Izany no ohatra tokony harahintsika amin’ny anjara asa ananantsika amin’ny fitarihana ny tokantrano. Tsy mahita ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonana amin’ny fomba lozabe sy feno haratsiana isika. Tsy mahita ny Mpamonjy manamavo na manamaivana ny fitondrany ny Fiangonany isika. Tsy mahita ny Mpamonjy mampiasa hery famoretana mba hanatanterahana ireo tanjony isika. Na aiza na aiza isika dia tsy mahita ny Mpamonjy manao zavatra ankoatra izay mankahery, mampatanjaka, mampionona sy manandratra ny Fiangonana. … Izy no maodely tokony harahintsika rehefa mitarika ny fianakaviantsika ara-panahy isika” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 196).

  • Ahoana no fomba mety ilazanao amin’ny fiteninao manokana ny fitsipika iray izay ampianarin’i Paoly Apôstôly sy ny Filoha Benson? (Tokony hilaza fitsipika iray tahaka izao manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mampiasa ny fisoronana amim-pahamendrehana ao an-tokantranony ny lehilahy iray, dia afaka mitaona ny vady aman-janany amim-pahamarinana izy. Ho fanampin’izay dia zarao amin’ireo mpianatra ity fitsipika ity: Rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ireo anjara asan’ny vady sy ny ray amim-pahamarinana ny lehilahy, dia lasa mihamitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra izy ireo.)

Mba hanazavana bebe kokoa ny fomba tokony hitarihan’ny lehilahy manambady sy manan-janaka ny tokantrano, dia zarao ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95):

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Apetraka eo amin’ny mpihazona ny fisoronana avy amin’ny fanendren’Andriamanitra ny andraikitra hitarika ny tokantrano (jereo ny Mosesy 4:22). Ny vehivavy dia nataon’ny Tompo ho mpanampy sahaza ny lehilahy (ny hoesahaza dia midika hoe mitovy)—izany hoe namana mitovy sy ilaina ao anatin’ny fifandraisana feno. Ny fitarihana amim-pahamarinana dia ilàna andraikitra ifampizaran’ny mpivady; miara-miasa ombam-pahalalana sy fandraisana anjara amin’ny zavatra rehetra mahakasika ny fianakaviana ianareo. Ho an’ny lehilahy iray, ny manao zavatra tsy miankina amin’izay mety hoe fahatsapana sy torohevitra ananan’ny vadiny na tsy mandraharaha izany eo namin’ny fitarihana ny fianakaviana dia fampiasana fanapahana tsy rariny” (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, ôv. 1994, 50–51).

Asao ny mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–46. Toroy hevitra izy ireo hampifandray ny Efesiana 5:23, 25 amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Ampio ireo mpianatra hampitombo ny fahaiza-mandalina ny soratra masina mikasika ny fampifandraisana azy ireny amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hitady manokana ireo andinin-tsoratra masina ho ampifandraisina ireo amin’ny mahamety izany.)

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra handalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–39, ka handinika hoe amin’ny fomba ahoana no mampifanohitra ny fomba fitarihana voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fitarihana nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny ohatra nomeny.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “ireo zon’ny fisoronana” ? (Rehefa mandray ny fisoronana ny lehilahy iray, dia omen’Andriamanitra zo sy fahefana izy. Tsy afaka mampiasa ireo zo ireo ilay lehilahy raha tsy rehefa manao izany amim-pahamarinana.)

  • Inona no mitranga rehefa tsy miaina amim-pahamarinana ny mpihazona ny fisoronana iray? (Esorin’Andriamanitra amin’izany lehilahy izany ny herin’ny lanitra, ary tsy afaka mampiasa ny fahefan’ny fisoronana intsony ilay lehilahy; tafintohina ny Fanahy Masina.)

Mba hahatakarana ny fomba tokony hitarihan’ny raim-pianakaviana ny fianakaviany dia mangataha mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46.

  • Inona ireo toetra sasany tahaka ny an’i Kristy izay voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana araka ny eritreritrao no afaka hahazo ny herin’ny lanitra ny raim-pianakaviana izay manana ireo toetra ireo ?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo ny raim-pianakaviana mba hitarihany ny fianakaviany? (Azonao atao ny manazava fa ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo dia tokony hananan’ny vehivavy ihany koa.)

  • Fariparito hoe mety hanao ahoana izany hoe vady na zanaky ny lehilahy iray izay mikatsaka ny hanaraka ny ohatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany eo amin’ny fomba fitarihany ny fianakaviany.

Asehoy sy zarao ity teny manaraka ity izay nosoratan’ny Kôlejin’ ny Apostoly Roambinifolo tamin’ny taona 1973:

“Ny maha-ray dia fahaiza-mitarika, io no karazana fahaiza-mitarika manan-danja indrindra. Efa toy izany foana izy io ary mbola ho toy izany hatrany foana izany. Ry raim-pianakaviana, mitarika ny tokantranonareo ianareo miaraka amin’ny fanampiana sy ny torohevitra ary ny famporisihan’ny vadinareo mandrakizay. jNy anton’izany dia tsy hoe ianareo no mendrika indrindra na mahay indrindra, fa ny tena antony dia lalàna sy fanendrena [avy amin’ Andriamanitra] izany” (“Father, Consider Your Ways,” Ensign, ona 2002, 16).

  • Ry Rahavavy, inona no azonareo atao mba hamporisihana ireo zatovolahy hanatanterahany tsara ireo anjara asa sy andraikitra masina ananany ao amin’ny fianakaviany any aoriana?

  • Inona no azon’ny tsirairay aminareo—na ny lahy na ny vavy—atao ankehitriny mba hiomananareo bebe kokoa hitarika ny fianakavianareo any aoriana?

Matio 2:13–16; 1 Timoty 5:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:28; 83:2, 4

Ireo raim-pianakaviana dia tokony hamelona sy hiaro ny fianakaviany

Angataho ireo mpianatra hamaky ny 1 Timoty 5:8 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:28; 83:2, 4, ka hitady andraikitra iray hafa manan-danja ananan’ny raim-pianakaviana. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no andrasan’ny Tompo amin’ny raim-pianakaviana ny hanomezan’izy ireo izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny fiainana? Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia hazavao fa ho an’ny tokantrano tsy misy afa-tsy renim-pianakaviana, dia afaka manome izay ilain’ny fianakaviany ilay renim-pianakaviana.)

  • Inona no mety ho hevitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho an’ny zatovolahy iray izay tsy mbola manambady?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008):

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Miezaha handranto fianarana. Araho izay fiofanana rehetra azonao arahina. Hanome malalaka ny karama izay heveriny ho sahaza anao ny olona. … Adidinao voalohany indrindra ny manome izay ilain’ny fianakavianao” (“Living Worthy of the Girl You Will Someday Marry,” Ensign, mey 1998, 50).

Antitrantero amin’ireo mpianatra fa mba ho antoky ny fiainan’ny fianakavian’izy ireo any aoriana, dia tena ilain’ny zatovolahy sy ny zatovovavy ny manararaotra izao fotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo izao mba hanovozana fianarana sy fiofanana arak’asa araka izay vitany.

Hazavao fa ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana, dia mampianatra ireo mpitarika ny Fiangonana fa ny ray no tokony manome izay ilain’ny fianakaviany sy miaro azy.

  • Inona avy ireo loza manambana ny fianakaviana amin’izao fotoana izao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao raim-pianakaviana marin-toetra niaro ny fianakaviany?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Ny raim-pianakaviana iray marin-toetra dia miaro ny zanany ka manome ny fotoany sy ny fanatrehany mandritra ireo zavatra atao sy andraikitr’izy ireo eo amin’ny fiaraha-monina, any am-pianarana ary amin’ny ara-panahy” (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, nôv. 1994, 51).

  • Ahoana no mety hampiharanao io torohevitra io ao amin’ny fianakavianao any aoriana na ao amin’ny fianakavianao ankehitriny?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba iezahan’izy ireo hanamafy orina ny hiaro ny fianakaviany ary avy eo dia hanoratra ny zavatra tsapany.

Hazavao fa isika dia afaka mianatra fitsipika manan-danja avy amin’ny fikarakaran’i Josefa an’i Jesoa zaza. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 2:13–16, ka hitady ny zavatra nataon’i Josefa mba hiarovana an’i Kristy tamin’ny loza.

Lazao amin’ireo mpianatra fa na dia mety tsy hifindra toerana azy izy ireo mba hiarovana ny fianakaviany, dia afaka mampitovy na mampihatra ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny tenany izy amin’ny famakafakana zavatra kely vitsivitsy manan-danja:

  • Inona no nampahafantarin’ny Tompo an’i Josefa ao amin’ny andininy 13?

  • Oviana ary ahoana no namalian’i Josefa izany fampitandremana izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo raim-pianakaviana manaraka ny ohatra nasehon’i Josefa amin’ny fiarovana ny fianakavian’izy ireo? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra ity fitsipika ity: Rehefa mikatsaka sy manaraka ny fitarihana avy amin’ny Tompo ireo raim-pianakaviana, dia afaka miaro bebe kokoa ny fianakaviany izy.)

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia tokony hanatanteraka ny drafitry ny Tompo

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Raha toa ianao tovolahy eo amin’ny taonan’ny fanambadiana ka tsy manambady, dia aza mandany fotoana amin’ny fanaovan-javatra tsy misy dikany. Aoka ianao hivoatra eo amin’ny fiainana ary mametraha tanjona mba hanambady. Aza iainana fotsiny tsy hanaovan-javatra izao vanimpotoan’ny fiainana izao. Ry zatovolahy! Mandehana manao asa fitoriana am-pahamendrehana. Ary dia ataovy ho toy ny laharam-pahamehanao ambony indrindra ny fitadiavana ilay namana mendrika sy hiaraka aminao mandrakizay. …

“… Ny fanambadiana dia manome sehatra tonga lafatra mba handresena ny fironana any amin’ny fitiavan-tena na ny fizahozahoana. Mieritreritra aho fa ny iray amin’ireo antony hamporisihana antsika mba hanambady aloha eo amin’ny fiainana dia ny mba hisorohana ny fivelaran’ireo toetra tsy tsara izay sarotra ovaina” (“Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 95–97).

  • Amin’izao tontolo ankehitriny izao, inona ireo faneriterena mihatra amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy ka mahatonga azy hanemotra ny fanambadiana?

  • Nahoana ny fahavalo no mikatsaka izay handrebirebena ny zatovolahy sy ny zatovovavy mba tsy hitady fiarahana izay afaka hitondra any amin’ny fanambadiana sy ny fiterahana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo mpitarika ny Fiangonana no manoro hevitra hatrany ireo zatovolahy mba hikatsaka amim-pahazotoana ny fiarahana izay afaka hitondra any amin’ny fanambadiana?

(Fanamarihana: Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity, dia tandremo fa misy zatovolahy sasany ao amin’ny kilasinao izay mety tsy hanambady mihitsy na tsy ho lasa raim-pianakaviana mihitsy noho ny toe-javatra izay tsy azony hanoharana.)

Rehefa mamarana ianao, dia eritrereto ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao. Inona no fanamby azonao ampanaovina ireo mpianatra lehilahy mba hanatanterahany ireo adidiny ho lasa vady sy raim-pianakaviana marin-toetra? Azonao atao ny manasa ireo mpianatrao rehetra hifantoka amin’ny fiezahana hanana toetra tsara iray tahaka ny an’i Kristy, toy ny faharetana na fanehoana fitiavana amin’ny hafa, izay hitondra soa ho an’ny fianakavian’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra