Seminera sy Institiota
Lesona 19: Manorina fiainana sy tokantrano mifantoka amin’i Kristy


Lesona 19

Manorina fiainana sy tokantrano mifantoka amin’i Kristy

Fampidirana

Nampianatra ireo zanany lahy ny mpaminany Helamàna fa raha toa ka manorina ny fiainany eo ambonin’ny fototra azo antoka an’i Jesoa Kristy izy ireo dia tsy hanana hery handringanana azy ireo i Satana (jereo ny Helamàna 5:12). Hifanakalo hevitra momba ny fomba hanorenana ny fianakaviany eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy ny mpianatra ato anatin’ity lesona ity. Rehefa mampifantoka ny fiainan’izy ireo amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka manamboatra sy mampahatanjaka ireo fifandraisana izy ireo ka hahita fahasambarana lehibe kokoa.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 15:1–5, 10–11; Helamàna 5:12

Manorina fiainana sy tokantrano mifantoka amin’i Kristy

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana sarin’ny trano tsotra eny amin’ny solaitrabe. Mifanakaloza hevitra amin’ny mpianatra momba ireto manaraka ireto:

  • Inona no lanjan’ny fototra amin’ny trano na rafitra hafa?

  • Nahoana ireo fitaovana fananganana trano sasany no mahatonga ny fototry ny trano ho mafy kokoa noho ny hafa?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa miaina fahasahiranana samy hafa ny fianakaviana rehetra, ary mikatsaka ny handrava ny fianakaviana rehetra i Satana. Mianatra fomba azo antoka iray mba hampihena ny fitaoman’i Satana eo amin’ny fianakaviantsika isika avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Angataho ny mpianatra mba handalina ny Helamàna 5:12, ka hitady izay ampianarin’izany momba ny fototra iray.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azon’ny fianakaviana iray atao mba hanorina eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy? (Ahitana izao manaraka izao ireo valinteny mety ho azo: mandalina sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy, mankatò ireo didin’Andriamanitra, ary miantehitra amin’ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy.)

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampanantenana ao amin’ny Helamàna 5:12 mihatra amin’ireo fianakaviana izay mikatsaka ny hanorina ny fototr’izy ireo eo ambonin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy? (Tokony hampiseho ny fahatakarana izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: Rehefa manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy ny fianakaviana dia tsy hanana hery handravana azy ireo i Satana.)

Hazavao fa fotoana fohy talohan’ny fahafatesan’ny Mpamonjy dia nanome fanahafana iray izay afaka manampy ny fianakaviana hahatakatra ny fomba hanorenany ny fototra eo Aminy ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra maromaro mba hamaky mafy ny Jaona 15:1–5, 10–11. Asao ny iray kilasy mba hanaraka ny vakiteny ka hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mihatra amin’ireo fianakaviana izay miezaka manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Raha i Jesoa Kristy no voaloboka ary isika no sampana, mety maneho inona ny voa? (Ny voa dia afaka maneho ireo asa sy fihetsika tsara ataon’ireo mpianatr’i Kristy.)

Ampio ny mpianatra mba hahafantatra fa nampiasa ny teny hoe “tomoera” imbetsaka ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 15:4–10. Hazavao fa ny teny hoe tomoera ato anatin’ity sahan-kevitra ity dia midika hoe mitoetra sy “mijanona—kanefa mijanona mandrakizay,” ka milaza fa tokony hijanona ho voafatotra mafy sy maharitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany isika (Jeffrey R. Holland, “Abide in Me,” Ensign na Liahona, mey 2004, 32). Azonao atao ny manazava fohifohy amin’ny mpianatra fa fomba iray enti-mandalina ny soratra masina izay azon’izy ireo ampiasaina ao amin’ny fandalinany manokana ny famantarana ireo teny miverimberina. Ny famerimberenana ny teny iray ao anatin’ny soratra masina dia matetika no midika fa manamafy hevitra mandan-danja iray ilay mpanoratra.

  • Araka ny andininy 5 sy 11, inona ireo fitahiana vokatry ny fitoerana ao amin’ny Mpamonjy? (Raha toa ka mitoetra ao amin’ny Mpamonjy isika dia afaka hitondra voa maro sy hahazo ny fifaliana feno.)

  • Inona ireo fitahiana mety ho azon’ny fianakaviana araka ny eritreritrareo rehefa miezaka ny mitoetra ao amin’ny Mpamonjy ireo olona amin’ny fianakaviana?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Na inona na inona toe-javatra iainanao dia afaka mampifototra ny tokantranonao sy ny fiainanao amin’i Jesoa Kristy Tompo ianao satria Izy no loharanon’ny fiadanana marina eto amin’ity fiainana ity” (“Mba Hahazo Fiadanana ao An-tokantrano,” Ensign na Liahona, mey 2013, 29).

  • Ahoana no hamaritanao ny tokantrano iray izay mifantoka amin’i Jesoa Kristy? Inona ireo toetra mahatonga ny tokantrano iray hifantoka amin’i Kristy?

Entano ny mpianatra handinika izay zavatra azon’izy ireo atao mba hitoerana tanteraka kokoa ao amin’ny Mpamonjy ka hanasa ny fitaomana ananan’ny Mpamonjy ho ao amin’ny tokantranon’izy ireo noho izany. Amporisiho ny mpianatra mba hieritreritra momba ireo fiovana afaka entin’izy ireo ao amin’ireo fifandraisany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany.

Helamàna 14:30–31; 3 Nefia 11:29–30

Mifehy ireo fihetseham-pontsika amin’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy amim-pahamarinana

Miampità amin’ny ampahany manaraka ao amin’ny lesona amin’ny fanamafisana indray fa miatrika olana avokoa ny fianakaviana rehetra. Na dia rehefa miezaka ny hampifantoka ny fiainan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy aza ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia mety hiatrika toe-javatra miseho izay hifanohitra amin’ireo faniriany araka ny fahamarinana izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

“Nahatezitra ahy ianao!”

“Nahatonga ahy hisafoaka ianao!”

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka araka ny fahamarinana ireo teny ireo.

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 14:30–31. Asao ny iray kilasy mba hieritreritra ny fomba ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ireo teny voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no fahamarinana manan-danja izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka mihatra amin’ireo fifandraisantsika amin’ny hafa? (Hamafiso izao fahamarinana manaraka izao: Satria nanome antsika ny fahafahana misafidy ny Ray any An-danitra dia afaka misafidy isika raha toa ka ho tezitra na tsia. Hazavao fa ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe: “Safidy atao amim-pahatsiarovan-tena ny ho tezitra, fanapahan-kevitra iray; noho izany, afaka misafidy ny tsy ho tezitra isika. Isika no misafidy!” [“Agency and Anger,” Ensign, mey 1998, 80].)

  • Inona ireo olana vokatry ny finoana fa ireo asa sy fihetsiky ny hafa dia “mahatonga” antsika ho tezitra?

Asao ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny 3 Nefia 11:29–30. Mariho ilay fampianaran’ny Mpamonjy fa tokony “hampitsaharana” ny fifandirana (3 Nefia 11:30). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fikitakitana sy ireo fitondrantena tsy mendrika hafa, toy ny herisetra ara-pihetseham-po sy ara-batana dia tsy omen-drariny na oviana na oviana.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo zavatra azony atao mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hisafidy ny tsy ho tezitra. Asao izy ireo mba hizara ny heviny. Angataho ny mpianatra mba hanolo-tena ny hampiasa ny fahafahany misafidy amim-pahamarinana amin’ny fisafidianana ny tsy ho tezitra, indrindra eo anivon’ny fianakaviana.

3 Nefia 12:22–24; Môrônia 7:45, 48; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11; 88:119, 123–25

Afaka manasitrana ireo fifandraisan’ny mpianakavy izay rava ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao:

“Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”

Lazao amin’ny mpianatra fa izany fehezan-teny izany dia avy ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny sasany amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy izay afaka mitondra fahasambarana bebe kokoa ho an’ny fianakaviana dia angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119, 123–25. Toroy hevitra izy ireo mba hanisy marika na hampisongadina ireo fampianarana manan-danja. Dia angataho ny mpianatra mba hifanakako hevitra momba ny fomba hampatanjahana ny fianakaviana rehefa miaina ireo fampianarana hita ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo olana sy fahasahiranana dia matetika no mitranga ao amin’ny fianakaviana rehefa tsy raharahiana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Efa nisy hatrany am-piandohan’ ny fisian’ ny olombelona ny fifandraisana sarotra dia sarotra sy rava. … Ataoko angamba fa ny olona tsirairay eto an-tany dia efa niharan-javatra tamin’ ny fomba samihafa avy tamin’ ilay toe-tsaina tia fifandirana, feno lolom-po ary mifono valifaty. Ary mety misy mihitsy aza fotoana ahatsapantsika ny fisian’ izany toetra izany ato anatintsika.” (“Izay miantra no hiantrana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 70).

  • Inona ireo fampianaran’ny Tompo Jesoa Kristy izay afaka manampy anao hanasitrana ireo fifandraisana sarotra dia sarotra sy rava mihitsy aza eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny fianakaviana?

Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto: Hazavao fa ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahitana ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka mampahatanjaka ireo fifandraisan’ny mpianakavy.

3 Nefia 12:22–24

Môrônia 7:45, 48

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11

Asao ny mpianatra mba hamaky ireo andian-tsoratra masina ireo ary hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona ireo fampianarana avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay afaka manasitrana ireo fifandraisan’ny mpianakavy izay ravan’ny fifandirana, na haratsiam-panahy na ireo fihetsika hafa?

  • Ahoana no nahitanao fa nampivoatra ireo fifandraisan’ny mpianakavy ny famelan-keloka?

  • Nahoana no sarotra kokoa ny mamela heloka ireo olona ao amin’ny fianakaviana miohatra ny olon-kafa?

Asehoy ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf sy ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95), ary miangavia mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy misy amintsika izay tsy manota. Manao fahadisoana isika tsirairay ary tafiditra ao anatin’ izany izaho sy ianao. Efa samy voaratra isika rehetra. Efa samy nandratra ny hafa isika rehetra.

“Amin’ ny alalan’ ny sorona nataon’ ny Mpamonjy antsika no ahafahantsika mahazo fisandratana sy fiainana mandrakizay. Rehefa manaiky ny fombany isika ary mandresy ny avonavontsika amin’ ny alalan’ ny fanalefahana ny fontsika dia afaka mitondra ny fampihavanana sy ny famelana eo amin’ ny fianakaviantsika sy ny fiainantsika manokana” (Dieter F. Uchtdorf, “Fanalahidy iray hananana fianakaviana sambatra,” Ensign, ôkt. 2012, 6).

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Na inona na inona ametrahan’i Jesoa ny tanany dia velona. Raha mametraka ny tanany eo ambonin’ny fanambadiana iray Izy dia velona izany. Raha avela hametraka ny tanany eo ambonin’ilay fianakaviana Izy dia velona izany” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Howard W. Hunter [2015], 150).

  • Nahoana no havela hametraka ny tanany eo ambonin’ny fianakaviana iray ny Mpamonjy rehefa arahina ireo fitsipika izay nifampiresahana androany?

Asao ireo mpianatra handinika ny fomba ahafahan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka manamboatra na mampahatanjaka ny fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fianakaviany manokana? Amporisiho ny mpianatra mba hanao asa avy hatrany mba hampiharana ireo fitsipika ireo eo amin’ny fifandraisany ao amin’ny fianakaviana.

Vakitenin’ny Mpianatra