Seminera sy Institiota
Lesona 21: Mitaiza ny zanaka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana


Lesona 21

Mitaiza ny zanaka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana

Fampidirana

“Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Manampy amin’ny fanatanterahana izany adidy izany ny ray aman-dreny rehefa maneho ny fitiavan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny teny sy ny fihetsika ka manangana ireo fahazarana mahazatra amin’ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy sy vavaky ny mpianakavy ary fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 15:11–20; Efesiana 6:4

Ny andraikitry ny ray aman-dreny mba hitia sy hikarakara ny zanak’izy ireo

Zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Fony efa-taona ny zanakay vavy dia nody tany an-trano avy nanao ireo adidy tany amin’ny hopitaly aho somary efa harivariva ihany. Hitako fa tena reraka tanteraka ny vady malalako. … Ka dia nanolo-tena ny hampiakanjo ilay zanakay efa-taona aho mba ho vonona ny hatory. Nanomboka nibaiko aho: ‘Esory ny akanjonao, ahantony izany. Anaovy ny akanjo fanaovanao rehefa matory; borosio ny nifinao; ataovy ny vavakao’ sy ny sisa, sady nandidy tamin’ny fomba mitovy amin’ny ataon’ny miaramila serza hentitra iray any tafika. Natodiny tampoka ny lohany sady nijery ahy tamin’ny maso feno fahamatorana izy ka niteny hoe: ‘Dada, anao angaha aho?’

“Nampianariny lesona iray tena manan-danja aho. … Tsia, tsy tompon’ny zanatsika isika. Ny tombontsoantsika amin’ny maha-ray aman-dreny dia ny hitia azy ireo, hitarika azy ireo, ary hamela azy ireo handeha” (“Listen to Learn,” Ensign, mey 1991, 22).

  • Inona no fitsipika nampianarin’ny Loholona Nelson tamin’izany zavatra niainany izany? (Manana tombontsoa hitia sy hitarika ny zanany ireo ray aman-dreny.)

Vakio na asehoy izao manaraka izao izay avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana, ka angataho ny mpianatra mba hamantatra ireo teny sy andian-teny manan-danja: “Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany. … Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Asao ny mpianatra mba hizara ireo teny izay manaitra azy ireo sy ny anton’izany. Raha ilaina dia anontanio hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ampiasaina mba hamaritana ireo andraikitra sy adidin’ny ray aman-dreny ny teny hoe “feno voninahitra” sy “masina”?

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Tompo dia nampianatra fanoharana iray izay mampiseho fa ny zaza izay notaizana tamim-pitiavana dia mitohy mahatoky ao anatin’ireo fifandraisany amin’ny fianakaviany. Asao ny mpianatra mba hamaky ny Lioka 15:11–20, ka hitady porofo izay mampiseho fa fantatr’ilay zanaka adala fa tian’ny rainy izy. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay raim-pianakaviana ao anatin’ilay fanoharana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Mahita lesona mahery vaika ho an’ny fianakaviana ary indrindra ho an’ny ray aman-dreny isika ao anatin’ilay fanoharana momba ilay zanaka adala. Rehefa ‘nody ny sain’ ilay zandriny [Lioka 15:17], dia nanapa-kevitra ny hody izy.

“Ahoana no nahafantarany fa tsy handà azy ny rainy? Satria fantany ny rainy. Nandritra ireo tsy fahazoan-kevitra, disadisa ary hadalan’ilay zanaka zandriny dia azoko sary an-tsaina teo ilay rainy niaraka tamin’ny fo mahatakatra sy feno famindram-po, valinteny malefaka, sofina mihaino ary fihina amim-pamelan-keloka. Azoko sary an-tsaina ihany koa ilay zanany lahy izay nahafantatra fa afaka nody izy satria fantany ilay karazana tokantrano izay niandry azy” (“With All the Feeling of a Tender Parent: A Message of Hope to Families,” Ensign na Liahona, mey 2004, 90).

  • Inona ireo fanehoam-pitiavana avy tamin’ilay ray izay hitan’ny Loholona Hales? Inona koa ireo fihetsika hafa ataon’ny ray aman-dreny izay mitarika amin’ny tontolo feno fitiavana sy fiahiana ao an-tokantrano? (Ampiasao ny Efesiana 6:4 mba hanampiana ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny iray kilasy momba izany fanontaniana izany.)

  • Inona ireo ohatra tsara efa hitanao avy amin’ny ray aman-dreny izay mampiseho fitiavana ho an’ny zanany?

  • Inona no zavatra ataonao ankehitriny mba hiomananao hitia sy hikarakara ireo zanakao any aoriana any?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28; 93:36–40

Mitaiza ny zanaka amim-pahamarinana

Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny ankizy kely iray, mety ho ny sarin’ny zanakao mihitsy izany.

  • Inona ireo fampianarana manan-danja izay ilain’ny ankizy iray mba hitomboany ara-panahy?

Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina izany fanontaniana izany rehefa mandalina sy mampitaha ireo fampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36–40 sy 68:25–28 izy ireo. (Fanamarihana: “Matetika no mazava ny andinin-tsoratra masina na fotopampianarana na fitsipika iray rehefa ampitahaina” amin’ny soratra masina hafa [Fampianarana sy fianarana ny filazantsara (2012), 22].)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ireo andraikitry ny ray aman-dreny? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho takatr’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Mankatò ny didin’ny Tompo ny ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany amin’ny fahazavana sy fahamarinana. Hazavao fa ato anatin’ny sahan-kevitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ny “fahazavana” dia milaza ny fahalalana ara-panahy sy ny fahatakarana ireo fitsipika marina.)

  • Nahoana no manan-danja ho an’ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantrano?

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia zarao ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny soratra masina dia miresaka momba ‘ny ampingan’ ny finoana,’ izay nolazain’ny Tompo fa ‘hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra alefan’ ilay ratsy’ (F&F 27:17).

“Ny ampingan’ny finoana dia tsara indrindra raha vokarina ao amin’ny orinasan’ny taozavatra ao an-tokantrano]. Raha toa ka azo atao manjelanjelatra ao amin’ireo kilasy any am-piangonana sy ao amin’ireo fiaraha-mientana ilay ampinga, dia natao ho amboarina any an-tokantrano ka hifanaraka amin’ny olona tsirairay kosa izany” (“Do Not Fear,” Ensign na Liahona, mey 2004, 79).

  • Ahoana no nahitanao ray aman-dreny izay nampianatra ny zanany tamim-pahombiazana ireo fitsipika marina izay mitarika azy ireo amin’ny fahazavana sy fahamarinana?

  • Inona no voka-dratsy voatonona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25 ho an’ireo ray aman-dreny izay tsy mahavita mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny zanany? (Ampio ny mpianatra mba hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Ireo ray aman-dreny izay mahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho tompon’andraikitra amin’ Andriamanitra raha toa ka tsy mahavita mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny zanany.)

Hazavao fa ireo mpitarika ny Fiangonana dia namerimberina nilaza ireo fomba fanao marina izay tokony ampidirin’ny ray aman-dreny ao an-tokantrano mba hahafahany mampianatra ny zanany ireo fitsipiky ny filazantsara.

Sary
taratasy zaraina, ireo fitahiana avy amin’ny vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy

Zarao amin’ny mpianatra tsirairay ilay taratasy zaraina hita any amin’ny faran’ny lesona ary vakio ireo torolalana eo amin’ilay taratasy zaraina. Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra sy araka ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia mametraha fanontaniana toa an’ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no nahazoanao tombontsoa avy tamin’ireo fomba telo fanaon’ny fianakaviana ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mikolokolo ireo fahazarana mivavaka, mandalina ny soratra masina, ary manao takarivan’ny mpianakavy mialoha ny hanambadianao sy hanombohanao manana zanaka?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa misy toe-javatra miseho hafa ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny zanak’izy ireo dia zarao ireto teny manaraka nataon’ny Loholona isany David A. Bednar sy Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny ray aman-dreny dia tokony ho malina sy mailo ara-panahy, hanararaotra ireo fahafahana tampoka hizara fijoroana ho vavolombelona amin’ireo zanany. Izany fotoana izany dia tsy voatery ho voarindra, voalamina ara-potoana, na voasoratra. Raha ny marina, dia arakaraky ny maha tsy voarindra sy tsy voalamina mialoha ny fizarana fijoroana ho vavolombelona toy izany no maha-lehibe kokoa ny fahafahana mitondra hery ara-panahy sy fiantraikany maharitra. …

“Ohatra, ny firesadresahana tonga ho azy eo anivon’ny fianakaviana mandritra ny fiaraha-misakafo hariva dia mety ho fomba tsara indrindra ho an’ny ray aman-dreny hitantarana sy hijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana manokana izay noraisiny nandritra ny asa mahazatra nataony tamin’iny andro iny” (David A. Bednar, “Miambena amin’ny faharetana rehetra,” Ensign na Liahona, mey 2010, 42).

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ankatoavy mibaribary araka izay vitanareo ireo fitsipiky ny filazantsara. Tandremo ireo fanekempihavanana izay fantatry ny zanakareo fa nataonareo. Manomeza tsodranon’ny fisoronana. Ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo! Aza atao fotsiny hoe tsy maintsy hisy hiampita any amin’ny zanakareo ho azy eo ireo finoanareo. …

“… Fantatry ny zanatsika ve fa tia ny soratra masina isika? Mahita antsika mamaky izany sy manisy marika ao amin’izany ary mankafy ny zavatra hita ao anatin’izany eo amin’ny fiainantsika isan’andro ve izy ireo? Efa nanokatra varavarana tsy nahy ve ny zanatsika ka nahita antsika nivavaka teo am-pandohalihana? Efa naheno antsika ve izy ireo ka tsy nivavaka niaraka tamin’izy ireo fotsiny isika fa nivavaka ho azy ireo koa noho ny fitiavan-dray aman-dreny fotsiny? Fantatry ny zanatsika ve fa mino ny fifadian-kanina isika … ? Fantatr’izy ireo ve fa tia mankao amin’ny tempoly isika … ? Fantatr’izy ireo ve fa tia sy manohana ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpitarika ny Fiangonana maneran-tany isika na dia tsy tonga lafatra aza izy ireo … ? Fantatr’ireo ankizy ireo ve fa tiantsika amin’ny fontsika manontolo Andriamanitra ary tsy andrintsika ny hahita ny endrika—sy hiantoraka eo amin’ny tongotr’—ilay Zanany Lahitokana? Mivavaka aho mba hahafantaran’izy ireo izany” (Jeffrey R. Holland, “A Prayer for the Children,” Ensign na Liahona, mey 2003, 86–87).

  • Ahoana no nahitanao ny ray aman-dreninao na ireo ray aman-dreny hafa nanararaotra ireo fahafahana tampoka mba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny ray aman-dreny ny miaina mibaribary ny filazantsara?

  • Inona no ataonao ankehitriny mba hahatonga ny fahalalanao ny filazantsara ho lalim-paka ka ho afaka ny hampianatra ny fahazavana sy ny fahamarinana amin’ny zanakao ianao?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny ray aman-dreny dia afaka “mitaiza ny zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana” amin’ny fitarihana azy ireo hiverina ho any amin’ny Rainy any An-danitra amin’ny alalan’ny fitiavana azy ireo sy fampianarana azy ireo ireo fitsipiky ny filazantsara ary fanaovana ohatra tsara.

Vakitenin’ny Mpianatra

Taratasy zaraina

Sary
taratasy zaraina, ireo fitahiana avy amin’ny vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy

Ireo fitahiana avy amin’ny vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra, Ny Fianakaviana Mandrakizay—Lesona 21

Rehefa mamaky ireto fampianarana manaraka avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana ireto ianao dia asio tsipika ireo fitahiana azo avy amin’ny fanaovana vavaky ny mpianakavy sy fandalinana ny soratra masina isan’andro ary takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro.

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

“Ry ray aman-dreny, ampio ny zanakareo mba ho voaro amin’ny fanomezana azy ireo fiarovana izay azo avy amin’ny vavaky ny mpianakavy isa-maraina sy isak’alina. … Arovy amin’ireo fitaoman’izao tontolo izao isan’andro ny zanakareo amin’ny fanafiana hery azy ireo amin’ny alalan’ireo fitahiana mahery vaika izay ateraky ny vavaky ny mpianakavy. Tokony ho laharampahamehana tsy azo iadiana varotra eo amin’ny fiainanareo andavanandro ny vavaky ny mpianakavy.

“… Ataovy ho lafin-javatra manan-danja eo amin’ny fiainanareo andavanandro [ny soratra masina]. Raha tianareo hahafantatra sy hahatakatra ny bitsiky ny Fanahy ny zanakareo ary handray andraikitra mifanaraka amin’izany bitsika izany dia tsy maintsy miara-mandalina ny soratra masina amin’izy ireo ianareo. … Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina isan’andro no hahitanareo fiadanana eo anivon’ireo disadisa manodidina anareo sy hery hanoherana ny fakam-panahy. Hanana finoana matanjaka ianareo ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary hahafantatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahatonga ny rehetra ho tomombana araky ny fotoan’ Andriamanitra” (“Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 93–94).

Nampianatra i Linda S. Reeves, avy ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

“Tsy maintsy mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka isan’andro ary ny takarivan’ny mpianakavy. Ireo no tena fomba fanao izay hanampy hanala ny fikorontanan-tsaina, hanoro ny fomba hitantanana ny fiainantsika ary hitondra fiarovana fanampiny ho an’ny tokantranontsika” (“Fiarovana amin’ny pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 16–17).”

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Ny vavaky ny mpianakavy no fisorohana lehibe indrindra ny fahotana, ary mpitondra fifaliana sy fahasambarana tena mahomby indrindra noho izany” (“Hallmarks of a Happy Home,” Ensign, nôv. 1988, 69).

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza amin’ireo fitahiana ireo no efa niainanao tao amin’ny fianakavianao na hitanao tao amin’ny fianakaviana hafa?

  • Inona no azonao atao amin’izao mba hahazo feno kokoa ireo fitahiana ireo?