Seminera sy Institiota
Lesona 23: Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo


Lesona 23

Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo

Fampidirana

Andriamanitra dia mametraka eo am-pelatanan’ny tsirairay ny andraikitra amin’ny famatsiana ireo zavatra ilain’izy ireo ara-nofo sy ireo zavatra fototra ilain’ny fianakaviany. Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny hamatsy ireo “zavatra ilaina eo amin’ny fiainana” ho an’ny zanak’izy ireo (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Amin’ity lesona ity dia hianatra ny fomba ahafahan’ny fitsipiky ny fizakan-tena handray anjara amin’ny fampandehanana ireo zavatra ilaina ara-nofo sy ara-panahin’izy ireo ankehitriny sy amin’ny hoavy ireo mpianatra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • M. Russell Ballard, “Tonga mahaleo tena—Ara-panahy sy Ara-batana,” Ensign, Martsa. 2009, 50–55.

  • Robert D. Hales, “Tonga Mpamatsy Ara-batana sy Ara-panahy amin’ny fitsinjovana ny ho avy,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 7–10.

  • Marvin J. Ashton, “Iray ho an’ilay vola,” Ensign, Sept. 2007, 37–39.

  • Tranonkala momba ny Fitsinjovana ny Ho avy, providentliving.org

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 6:1–3; Lioka 2:51–52

Fizakan-tena

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: “Amin’ny fomba ahoana no nanomanan’i Jesoa Kristy ny tenany ho amin’ny asa fanompoany teto an-tany?” Asao ny mpianatra hamaky ny Marka 6:1–3 sy ny Lioka 2:51–52, ary hikaroka ireo fomba nanomanan’ny Mpamonjy ny tenany nandritra ny fahazazany mba hanao ny asa fanompoany taty aoriana. Rehefa manome ny valinteniny ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity lisitra manaraka ity:

Niara-niasa tamin’ny rainy tamin’ny naha-mpandrafitra Azy (ara-piofanana)

Nitombo tamin’ny fahendrena (ara-pahalalana)

Nitombo ara-batana (ara-batana)

Nandroso fitia tamin’ Andriamanitra (ara-panahy)

Nandroso fitia tamin’ny olombelona (ara-piarahamonina)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy amin’ireo sokajy dimy ireo hanampy anao hiomana hahatratra ny zavatra ilainao manokana sy ny an’ireo izay ho fianakavianao any aoriana?

Vakio ity fanambarana izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) manaraka ity ary asao ny mpianatra hihaino ireo zavatra izay navahan’ny Filoha Kimball ho toy ny andraikitry ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy dia nodidian’ny Tompo mba hizaka tena sy tsy hiankin-doha amin’ny hafa. (Jereo ny F&F 78:13–14.)

“Ny andraikitra amin’ny ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, ara-panahy, ara-batana na ara-toekaren’ny tsirairay, voalohany dia miankina amin’ny tenany ihany, faharoa amin’ny fianakaviany, ary fahatelo amin’ny Fiangonana raha toa ka mpikambana mahatoky izy amin’izany.

“Tsy misy Olomasin’ny Andro Farany marina rehefa manana fizakan-tena ara-nofo na ara-pihetseham-po izay hanilika ny enta-mavesany na ny fikarakarana ny fianakaviany amin’ny hafa. Araka izay tratrany, eo amban’ny fanentanam-panahin’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny asa ataon’ny tenany manokana, dia tokony hamatsy ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo ilain’ny tenany sy ny fianakaviany eo amin’ny fiainana izy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 116).

  • Inona no andraikitra hananan’ny tsirairay avy amintsika araky ny voalazan’ny Filoha Kimball?

  • Nahoana no zava-dehibe ny “mizaka tena sy tsy miankin-doha amin’ny hafa”? (Tokony hahita izao manaraka izao ny mpianatra: Rehefa tonga amin’ny fizakan-tena isika dia afaka mamatsy ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo izay ilaina eo amin’ny fiainana.)

Asao ny mpianatra hizara hoe inona no dikan’ny fizakan-tena ho azy ireo. Ary avy eo dia asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Robert D. Hales

Ny fizakan-tena dia ny fandraisantsika andraikitra momba izay hahasoa antsika manokana ara-panahy sy ara-batana sy ny fandraisantsika an’ireo olona izay napetrak’ Andriamanitra hokarakaraintsika mba ho andraikitra. Raha tsy mizaka tena isika, dia tsy afaka ny hanaraka marina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa.

“Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fizakan-tena dia fitaovana iray hanatratrarana tanjona. Ny tanjontsika faratampony dia ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy ary ho tratra izany tanjona izany amin’ny alalan’ny fanompoantsika tsy misy tambiny ny hafa. Arakaraka ny halehiben’ny fizakan-tenantsika no hitomboany na hihenan’ny fahafahantsika manompo” (“A Gospel Vision of Welfare: Finoana arahina asa,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance [boky, 2009], 1–2).

  • Inona no tanjona lehiben’ny fizakan-tena?

  • Ahoana no fomba hampihena ny fahafahantsika hanompo ny hafa raha toa ka tsy manana fizakan-tena isika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny fizakan-tena dia asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Rahavavy Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha:

Sary
Julie B. Beck

© Busath.com

“Ahoana no ahafahantsika ho lasa mizaka tena? Lasa mizaka tena isika amin’ny alalan’ny fananana fahalalana sy fandrantoana fianarana ary fahaizana mamaky teny sy manoratra ampy tsara; ary amin’ny alalan’ny fitantanana amim-pahendrena ny vola sy ny fananana, amin’ny alalan’ny fananana fiainam-panahy matanjaka, ny fiomanana amin’ny voina na olana mety hitranga tampoka; ary amin’ny alalan’ny fananana fahasalamana ara-batana tsara sy filaminana eo amin’ny ara-tsôsialy sy ara-pihetseham-po” (“The Welfare Responsibilities of the Relief Society President,” Basic Principles of Welfare and Self-Reliance, 4).

Soraty eny amin’ny farany ambony amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: fianarana, fitantanam-bola, tanjaka ara-panahy, famokarana sy fitehirizana ao an-tokantrano, fahasalamana, sy anton’asa. Ampianaro ny mpianatra fa ny fizakan-tena dia ahitana ireo sokajy enina ireo ho an’ny fiainana voalanjalanja sy mirindra (Jereo ny Providing in the Lord’s Way: Summary of a Leader’s Guide to Welfare [boky, 2009], 1–2). Makà fotoana fohifohy ho an’ny mpianatra mba hiadian-kevitra amin’ny hoe inona no zavatra azon’ny tanora tokantena atao mba hananany fizakan-tena amin’ireo sokajy rehetra ireo ka ho tsaratsara kokoa ny fahafahany hamatsy ireo zavatra ara-nofo sy ara-panahy ilain’izay ho fianakaviany any aoriana sy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety hahitana izao manaraka izao ireo hevitra misy:

  • Fianarana: Mahazo mari-pahaizana avy amin’ny oniversite na sekoly iray momba ny varotra, manatsara ny fahazarana mianatra, mianatra ireo fahaiza-manao arak’asa fanampiny, mianatra manamboatra ny simba amin’ireo fitaovana fototra ao an-tokantrano.

  • Fitantanam-bola: Mandoa am-pahamarinana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, mianatra manangana toe-bola sy hifototra amin’izany, mianatra mamehy tena, misoroka ireo trosa tsy ilaina, mandoa ireo trosan’olona, manangom-bola isaky ny fandraisan-karama.

  • Ny tanjaka ara-panahy: Mivavaka, mandalina soratra masina, mametraka tanjona rehefa mifady hanina, mandeha matetika any amin’ny tempoly.

  • Famokarana sy fitehirizana ao an-tokantrano: Mianatra ny fomba fitehirizana sakafo, manao tanimboly kely (na dia zava-maniry vitsivitsy fotsiny aza)

  • Fahasalamana: Mankatò ny Lalàn’ny Tenin’ny Fahendrena, manao fanatanjahantena matetika, misakafo ara-pahasalamana, manao ampy torimaso, mahazo ny antoka ara-pahasalamana.

  • Anton’asa: Manitatra ny fahaiza-manao arak’asa, mampitombo ny fahavononana matanjaka ara-tsaina mba hiasa, manangona ireo mari-pahaizana amin’ny ambaratonga ambony.

  • Inona no efa nataonao mba hampitomboana ny fizakan-tenanao amin’ny iray amin’ireo sokajy ireo? Ahoana no fomba nampitomboan’ity ezaka ity ireo fahatsapanao momba ny fizakan-tena sy ny tena maha-ianao anao? Ahoana no fomba nampitomboan’izany ny fahafahanao mamatsy ny tenanao sy mba hanompo bebe kokoa ao amin’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra hametraka tanjona mba hanatsara ny iray amin’ireo sokajy enina ireo.

Malakia 3:8–12; Matio 6:19–21; 1 Timoty 6:7–10; 2 Nefia 9:51; Jakoba 2:13–14, 18–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18

fitantanana ara-bola

Ampatsahivo ny mpianatra fa indray andro any izy ireo dia ho tonga tompon’andraikitra amin’ny famatsiana ny tenany na angamba amin’ny famatsiana ny fianakaviana, raha toa ka mbola tsy manao izy ireo amin’izao. Indro, izy ireo dia tsy maintsy mianatra ny ho hendry amin’ireo tombontsoa ara-nofo ananan’izy ireo.

Omeo andraikitra ny mpianatra tsirairay avy hamaky ny sasany amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ary hijery ireo fitsipika izay mifandray amin’ny fitantanana am-pitandremana ny ara-bola.

Rehefa ampy ny fotoana nanaovany izany dia asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny mpianatra. Alaivo antoka fa takatr’ireo mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipika feno fahendrena amin’ny fitantanam-bola, ny tsirairay sy ny fianakaviana dia afaka mampitombo ny fampandehanana ny ara-bolan’izy ireo sy ho vonona hanampy ny hafa. (Azonao atao ny mampisongadina fa ao amin’ny soratra masina ny Tompo dia mametraka fifandraisana eo amin’ny fahazoana harena sy ny didy mba hanampy ireo mahantra sy sahirana. Ohatra, jereo ny Jakôba 2:18–19 sy ny F&F 104:18.)

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao tamin’ny fampiharana ireo fitsipika feno fahendrena tamin’ny fomba fitantanam-bola teo amin’ny fiainanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78.

Fisorohana ny fanaovana trosa amin’ny zavatra tsy ilaina

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78. Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Tsarovy izao: ny trosa dia endriky ny fanandevozana. Izany dia mikiky ny toe-karena. Rehefa mividy zavatra amin’ny alalan’ny fitrosana isika, izany dia hanome antsika fahasambarana toy ny nofinofy ihany. Mihevitra isika fa antsika ireo zavatra ireo kanefa raha ny tena marina dia an’ireo zavatra ireo isika.

“Ny trosa sasany—ohatra amin’izany ho an’ny trano tsotra, fandaniana ho an’ny fianarana, ary angamba fiara iray voalohany izay ilaina—dia mety ilaina. Kanefa isika dia tokony tsy hiditra amin’ny fanandevozana ara-bola amin’ny alalan’ny fanaovana trosa tsy am-piheverana ireo vidiny” (“Earthly Debts, Heavenly Debts,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 40–41).

  • Nahoana ny trosa no miendrika fanandevozana? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Ny fisorohana ny fanaovana trosa ireo zavatra tsy ilaina dia manampy ny tsirairay sy ny fianakaviana ho afaka amin’ny fanandevozana ara-bola.) Ny filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra: “Tsy afaka hisy ny fizakan-tena raha toa ka misy trosa goavana miantona ambonin’ilay tokantrano. Sady tsy manana fahaleovantena na fahafahana avy amin’ny fanandevozana izy rehefa manan-trosa amin’ny hafa” (“To the Boys and to the Men,” Ensign, Nôvambra. 1998, 53).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy izao torohevitra manaraka izao avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Soroy ny filôzôfia sy ny fialan-tsiny fa ireo rendrarendra mandany vola omaly dia efa tonga toy ny zavatra tena ilaina amin’ny androany. Tsy ho tonga toy ny zavatra tena ilaina izy ireny raha tsy isika no mametraka azy ireny ho toy izany. Maro amin’ireo mpivady vao ao amintsika ankehitriny no te hanomboka amin’ny fananana fiara maromaro sy karazana trano toy ilay nisasaran’i Dada sy i Neny nandritra ny androm-piainan’izy ireo ny fahazoana azy. Vokatr’izany dia miditra amin’ny fanaovana trosa mandritra ny fotoana maharitra izy ireo izay sahanina amin’ny karaman’olon-droa. Ary angamba tara loatra ny fahitan’izy ireo fa misy ny fiovana, manan-janaka ny vehivavy, mamely ny fianakaviana sasany ny aretina, very ireo asa, mitranga ireo loza voajanahary sy ireo trangan-javatra hafa, tsy hisy intsony ny fanaovana antoka ny fananana mba hindramam-bola, mifototra amin’ny karaman’olon-droa, tsy misy fahombiazana. Zava-dehibe ho antsika ny miaina araka ireo zavatra tena ilaintsika ihany” (“Constant Truths for Changing Times,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 20).

  • Inona avy ireo voka-dratsy mety hiseho amin’ny tsirairay na amin’ny fianakaviana ateraky ny tsy fahatakarana ny maha-samy hafa ny rendrarendra sy ny zavatra tena ilaina?

  • Inona avy ireo fomba azonao hanavahana ny hoe rendrarendra sy ny zavatra tena ilaina?

Ankaherezo ny mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hanoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diariny:

  • Inona eo amin’ny lafim-piainana no mety afaka hanananao fizakan-tena bebe kokoa?

  • Ahoana no ahafahanao hitantana tsaratsara kokoa ireo tombontsoa ara-nofo anananao?

Vakitenin’ny Mpianatra