Seminera sy Institiota
Lesona 18: Ny fikolokoloana ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana


Lesona 18

Ny fikolokoloana ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana

Fampidirana

“Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Afaka mahatratra ny fahasambarana faratampony izay tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra ny mpivady rehefa mampiditra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fifandraisany sady miara-miaina ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Nurturing Marriage,” Ensign na Liahona, mey 2006, 36–38.

  • David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 82–87.

  • L. Whitney Clayton, “Ny fanambadiana: Mijere ary mianara,” Ensign na Liahona, mey 2013, 83–85.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 19:3–8; Efesiana 5:25, 28–31; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5, 13–15; 42:22

Manorina tokantrano feno fahombiazana

Asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Mitondra fahafahana lehibe kokoa hahazoana fahasambarana ny fanambadiana mihoatra noho ny fifandraisana hafa rehetra eo amin’ny olombelona. Mbola misy ihany anefa ireo mpivady no tsy tody amin’ny fahafaha-manaony feno. Avelan’izy ireo hanjary hihen-danja ny fifankatiavany, tsy mifampiraharaha izy ireo, avelany ho takon’ireo zavatra mahaliana hafa na ireo fanenenana ny fahitana hoe manao ahoana no tena tokony ho fanambadiany. Ahitana fifaliana kokoa ny fanambadiana raha kolokoloina amim-pitandremana” (“Nurturing Marriage,” Ensign na Liahona, mey 2006, 36).

  • Inona ireo fahazarana na ireo fihetsika izay eritreretinao fa mety hahatonga ny fanambadiana “hanjary hihen-danja”?

Hazavao fa ireo mpivady izay mamela ny fanambadian’izy ireo hanjary hihen-danja dia matetika no misafidy ny hamarana ny fanambadiany amin’ny fisaraham-panambadiana. Lazao amin’ny mpianatra fa nisy Fariseo sasany, nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany, izay niady hevitra fa nomen-drariny ny fisaraham-panambadiana na amin’ireo antony tsy misy dikany loatra aza, ary nikatsaka ny hanao hampamoaka an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanontaniana ny heviny mikasika ny fisaraham-panambadiana. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 19:3–8 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny fahasamihafana teo amin’ny fihetsiky ny Mpamonjy mikasika ny fanambadiana sy ny an’ireo Fariseo. Raha ilaina dia hazavao fa ny fanoratana ny fisaraham-panambadiana dia taratasy ara-dalàna fa hanolotra ny vadiny ny lehilahy iray mialoha ny handefasany azy.

  • Andian-teny inona ao amin’ny andininy 3 no maneho ny fihetsika nasehon’ireo Fariseo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana? (Nahazoana lalana ny “nisao-bady” na misara-bady “noho izay rehetra entina iampangana azy”)

  • Inona no nampianarin’i Jesoa ao amin’ny andininy 8 izay nitsipaka izany fomba fisainana izany ka nanamafy ilay toetra matotra ananan’ny fanambadiana? (Nokasain’ Andriamanitra haharitra mandrakizay ny fanambadiana nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy i Eva. Mba hanamafisana izany fotopampianarana izany dia angataho ny mpianatra mba hampifandray ny andininy 8 amin’ny Mpitoriteny 3:14 sy ny Mosesy 4:18.)

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ilay karazana fanambadiana takina hahazoana ny fisandratana—mandrakizay raha ny faharetany ary araka an’ Andriamanitra raha ny toetrany—dia tsy mieritreritra momba ny fisaraham-panambadiana. Any amin’ny tempolin’ny Tompo no atao fanambadiana mandrakizay ny mpivady. Saingy ny fanambadiana sasany dia tsy mivoatra mankany amin’izany tanjona izany. Noho ny ‘hamafin’ny fon[tsika]’ [Matio 19:8], dia tsy manamafy ireo vokatry ny fitsipika selestialy ny Tompo amin’izao fotoana izao. Avelany manambady indray ny olona izay nisara-panambadiana ka tsy voapentimpetin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena izay voalaza ao amin’ny lalàna ambonimbony kokoa izy” (“Salvation and Exaltation,” Ensign na Liahona, mey 2007, 70).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izay azon’ny mpivady atao mba hanatanterahana ilay karazana fanambadiana izay takina hahazoana ny fisandratana, dia angataho ny mpianatra mba hamaky ilay fehezanteny voalohany ao amin’ny andiam-pehezanteny fahenina ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana.

  • Inona avy ireo andraikitra hifampizaran’ny mpivady eo amin’izy roa? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ity: “Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra ny hifankatia sy hifampikarakara.”)

  • Aminao, inona no dikan’ny hoe “manana andraikitra feno voninahitra ny hifankatia sy hifampikarakara” ny mpivady?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany andraikitra izany dia asao ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5, 13–15, ary ilay antsasany hafa mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22 sy ny Efesiana 5:25, 28–31. Angataho ireo mpianatra mba hitady ireo fitsipika izay mampianatra ny fomba fikolokoloana ny fanambadiana ka hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ny solaitrabe avy eo. Rehefa nahazo fotoana ampy tsara dia angataho ny mpianatra mba hisafidy iray amin’ireo izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe ka hanazava ny dikan’izany amin’izy ireo.

Zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ary angataho ny mpianatra mba hihaino ireo hevi-baovao miavaka mikasika ny teny hoe mifikitra sy mahafoy:

Sary
Loholona L. Whitney Clayton

“Ireo fanambadiana sambatra indrindra hitako dia namirapiratra fankatoavana ny iray amin’ireo didy mahasambatra indrindra—dia ny ‘hiara-honina amim-pitiavana’ isika [F&F 42:45]. Niresaka tamin’ireo lehilahy manambady ny Tompo rehefa nandidy hoe : ‘Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ ny olona hafa’ (F&F 42:22). Mampianatra ny boky torolalan’ny Fiangonana hoe: ‘Ny teny mifikitra dia midika hoe: manolotena sy mahatoky tanteraka amin’ olona iray. Ireo mpivady dia mifikitra amin’ Andriamanitra sy mifampifikitra amin’ny alalan’ny fifanompoana sy fifankatiavana ary amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ao anatin’ny fifampitokiana tanteraka sy ny fahatokiana tanteraka amin’ Andriamanitra.’ Ireo mpivady dia ‘mahafoy ny fiainan’izy ireo fony izy ireo mpitovo, ary mametraka ny fanambadiany ho laharam-pahamehan[y] voalohany indrindra. … Tsy avelan’izy ireo hisy na iza na iza, na inona na inona, ho tonga laharampahamehana bebe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra sy izay nifanaovan’izy ireo’ [Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 1.3.1. Mijere ary mianàra: mifankatia amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ny mpivady mahomby” (“Ny fanambadiana: Mijere ary mianara,” Ensign na Liahona, mey 2013, 85).

  • Inona ireo zavatra sasany izay mety ho “hafoin’”ny mpivady mba “hifampifikiran’”izy ireo?

  • Ahoana no hanehoan’ireo mpivady fantatrao ny fitiavany sy ny fikarakarany ny vadiny?

  • Inona no zavatra ataonao ankehitriny izay hanampy anao hiomana mba hitia sy hikarakarana tsy amim-pitiavan-tena izay ho vadinao any aoriana?

Abrahama 5:15–18

Tonga iray ao anatin’ny fanambadiana

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Abrahama 5:15–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fifandraisana eo amin’ny mpivady.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no tanjona tokony ezahin’ny mpivady hotratrarina? (Ho tonga “nofo iray.”)

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

Sary
telozoron’ny fanambadiana

Omeo tahadikan’ity teny manaraka ity ny mpianatra tsirairay, teny izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezanteny voalohany raha toa ka mitady izay asehon’ilay kisary ny iray kilasy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny Tompo Jesoa Kristy no teboka ifantohana ao amin’ny fifandraisan’ny mpivady araka ny fanekempihavanana. Diniho azafady fa ny Mpamonjy no napetraka teo amin’ny tendron’ity telozoro ity, miaraka amin’ny vehivavy iray eo amin’ny zorony ambany iray ary lehilahy iray eo amin’ny zorony ambany ilany. Izao dia saintsaino ny zavatra mitranga ao amin’ny fifandraisan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy rehefa ‘manatona an’i Kristy’ sy miezaka ny ‘ho tanteraka ao Aminy’ tsirairay sy amim-pahazotoana izy ireo (Môrônia 10:32). Mifanatona ilay lehilahy sy ilay vehivavy noho ny Mpanavotra sy amin’ny alalan’ny Mpanavotra.

“Rehefa samy voasintona ho eo amin’ny Tompo ny mpivady (jereo ny 3 Nefia 27:14), rehefa mianatra mifanompo sy mifankatia izy ireo, rehefa mizara ireo traikefan’ny fiainana sy miara-mitombo ary tonga iray izy ireo, ary rehefa voatahy amin’ny alalan’ny fiombonan’ireo toetra miavaka an’ny tsirairay manokana izy ireo, dia manomboka mahafantatra ny fahatanterahana izay irian’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany. Ny fahasambarana faratampony, izay ilay tena tanjon’ny drafitry ny Ray, dia azo amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanajana ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 86).

  • Araka ny Loholona Bednar, inona no mahatonga ny mpivady hifanakaiky? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso izao fitsipika manaraka izao: Rehefa miezaka ny hanatona an’i Kristy ny mpivady dia afaka ny ho tonga iray izy ireo ao anatin’ny fanambadiany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy ny mpivady hiaraka hitombo ny fanatonana an’i Kristy?

Asaivo mamaky mafy ny andiam-pehezanteny faharoa ao amin’ny teny nataon’ny Loholona Bednar ny mpianatra iray. Manontania avy eo hoe:

  • Araka izay nolazain’ny Loholona Bednar dia inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady mba hahazoana ilay “fahasambarana faratampony” izay irian’ Andriamanitra ho azy ireo?

  • Inona ireo karazan-javatra hitanao fa ataon’ny mpivady mba hanatanterahana ny firaisan-kina sy fifaliana ao anatin’ny fanambadiana?

Vakio ary avy eo dia mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994):

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny fanambadiana mihitsy no tsy maintsy raisina ho fanekempihavanana masina eo anoloan’ Andriamanitra. Ny mpivady vita fanambadiana dia manana andraikitra tsy amin’ny izy samy izy ihany fa amin’ Andriamanitra koa. Nampanantena fitahiana ho an’ireo izay manaja izany fanekempihavanana izany Izy” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 183).

  • Nahoana no mety hanova ny fihetsiny ny mpivady rehefa mandray ny fanambadiana ho fanekempihavanana masina izay tsy nifanaovan’izy ireo ihany fa natao tamin’ Andriamanitra koa?

  • Inona no azonao atao ankehitriny mba hiomanana amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly?

Omeo fanamby ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny diarin’izy ireo manokana momba ny zavatra izay ataony ankehitriny sy ny zavatra mety ho ataony any aoriana mba hiomanana amin’ny fanambadiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra