Seminera sy Institiota
Lesona 4: Ny fianakaviana sy ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana


Lesona 4

Ny fianakaviana sy ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana

Fampidirana

Tamin’ny nahariana an’i Adama sy i Eva dia napetraka tety an-tany ny fianakavian’ny olombelona. Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no nahatonga ny zanaka ho azo nateraka ka tonga ety an-tany, ary ny Sorompanavotana kosa indray dia manampy antsika handresy ireo voka-dratsin’ny Fahalavoana. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiarahan’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana miasa mba ho famonjena ny fianakaviana.

Vakiteny Enti-mandalina

  • M. Russell Ballard, “The Atonement and the Value of One Soul,”Ensign na Liahona,, mey 2004, 84-87.

  • Julie B. Beck, “Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, mar. 2011, 12–17.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Mosesy 1:27–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Nianatra ny tanjon’ny nahariana ny tany i Mosesy

Mitondrà fitoeran-javatra kely iray misy fasika sy rano iray very ao an-dakilasy. Asao ny mpianatra iray hanatsoboka ny ratsantanany iray ao anatin’ilay rano ary avy eo ao anatin’ilay fasika. Angataho avy eo io mpianatra io hanombatombana hoe firy ny isan’ny fasika mipetaka amin’ny ratsantanany.

  • Firy araka ny eritreritrao ny isan’ny fasika ao amin’ilay fitoeran-javatra misy fasika? Ary firy ny eny amoron-dranomasina?

Asaivo mijery ao amin’ny Mosesy 1, izay mitantara fahitana maro hitan’i Mosesy ireo mpianatra. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Mosesy 1:27–29, ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra nasehon’ny Tompo an’i Mosesy.

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona ny zavatra hitan’i Mosesy tamin’ny fahitana?

  • Inona no mety ho eritreritra nanananao raha toa ka nahita io fahitana io ianao?

Asaivo mamaky ny Mosesy 1:30 ireo mpianatra ary hanisy marika ireo fanontaniana roa napetrak’i Mosesy tamin’ny Tompo (nahoana sy tamin’ny inona no nanaovana ny tany sy ny mponina teo amboniny). Ampio ireo mpianatra hampitombo ireo fahaiza-manao enti-mandalina ny soratra masina izay ananany amin’ny famporisihana azy ireo hitady ireo fanontaniana sy ny valiny ao amin’ny soratra masina rehefa mandalina izy ireo.

Asao hamaky ny Mosesy 1:31–33 ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba namalian’ny Tompo ireo fanontanian’i Mosesy anankiroa.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 31, dia nahoana Andriamanitra no nahary ny tontolo?

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’ny andininy 32–33 mikasika ny fomba naharian’ny Ray any An-danitra ireo tontolo? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ireo mpianatra: Nahary tany sy tontolo tsy hita isa i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ny Ray.)

Asao hamaky ny Mosesy 1:36–39 ireo mpianatra ary hamantatra ny faniriana fanampiny nananan’i Mosesy sy ny valintenin’ny Tompo.

  • Inona no tanjon’ny Ray any An-danitra tamin’ny nanorenany ny tany sy ny mponina teo amboniny? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ireo mpianatra: Nohariana ny tany mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona. Mariho fa ny tsy fahafatesana dia midika hoe miaina mandrakizay amin’ny toetra nitsangana tamin’ny maty, raha toa kosa ny fiainana mandrakizay ka midika hoe miaina tahaka ny fomba iainan’Andriamanitra, izany hoe miaina mandrakizay anatin’ny fianakaviana mandrakizay.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahariana ny tany amin’ ny fanatanterahana ny asa sy ny voninahitry ny Ray any An-danitra? (Ampisasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 mba hanehoana fa ny tany dia nohariana mba ho toerana hipetrahan’ny fianakaviana ety an-tany.)

Mijoroa ho vavolombelona fa ny tany dia nohariana mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ireo zanak’Andriamanitra. Ny rafitry ny fianakaviana dia natao hanampy antsika hahazo ny fiainana mandrakizay, izay midika fa isika dia miaina mandrakizay anatin’ny fianakaviana mandrakizay—ny fiainana izay iainan’Andriamanitra.

2 Nefia 2:19–25; Mosesy 3:16–17; 5:9–11

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia ampahany nanan-danja tao anatin’ny drafitr’Andriamanitra.

Hazavao fa nanome toromarika manokana an’i Adama sy i Eva Andriamanitra tao amin’ny Saha Edena. Asaivo mamaky mangina ny Mosesy 3:16–17 ireo mpianatra, dia manontania avy eo hoe:

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’i Adama sy i Eva raha toa izy ireo ka mihinana ilay voankazo voarara?

Hazavao fa rehefa nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy i Eva dia nitondra karazana fahafatesana roa teo amin’ny olombelona izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Fahafatesana ara-panahy = fisarahana amin’ Andriamanitra

Fahafatesan’ny vatana = fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana mety maty

Asao hamaky ny 2 Nefia 2:19–25 ireo mpianatra ary hitanisa ireo vokatra fanampiny nentin’ny Fahalavoana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga an’i Adama sy i Eva sy ny olombelona rehetra ho afaka ny hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra noho ny fihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo voarara?

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Raha tsy nizy azy io dia tsy ho nisy zanaka mety maty naterak’i Adama sy i Eva, ary tsy ho nisy fianakavian’olombelona mba hiaina ny fifanoherana sy ny fivoarana, ny fahafahana misafidy, ny fifaliana avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanavotana, ary ny fiainana mandrakizay” (“The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, mar. 2008, 35).

Vakio miaraka amin’ny mpianatra nyMosesy 5:9-11. Ampio ireo mpianatra hilaza ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fanontaniana hoe:

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaran’ i Adama sy i Eva taorian’ ny nandroahana azy ireo hiala tao amin’ ny Saha Edena? (Tokony hahatakatra ireto fahamarinana manaraka ireto ireo mpianatra: Noho ny Fahalavoana, dia afaka niteraka i Adama sy i Eva ary ny taranany dia afaka mivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo antony nahatonga antsika ho dodona ny ho ety an-tany:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Iray amin’ireo fotoana izay nampientanentana indrindra teo amin’ny fiananao—rehefa feno fanantenana sy firavoravoana ary fankasitrahana ianao—izay tsy afaka ny ho tadidinao. Izany zavatra niainana izany dia nitranga tany amin’ny fianana talohan’ny fiainana an-tany rehefa nampahafantarina ianao fa tonga amin’izay ny anjara fotoana izay handaozanao ny tontolon’ny fanahy mba hitoeranao ety an-tany anatin’ny vatana mety maty. Nahafantatra ianao fa afaka hianatra amin’ny alalan’ny traikefan’ny tenanao manokana ireo lesona izay hitondra fifaliana ety an-tany, lesona izay hitondra anao ho amin’ny fisandratana faratampony sy fiainana mandrakizay amin’ny farany rehefa lasa olona feno voninahitra sy selestialy eo anatrehan’ny Rainao Masina sy ny Zanaka Malalany ianao” (“First Things First,” Ensign, mey 2001, 6).

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakaranao ny tanjon’ny Fahalavoana sy ny fiainana mety maty amin’ny safidy ataonao eto amin’ity fiainana ity?

2 Nefia 9:6–12

Mandresy ireo vokatry ny Fahalavoana ny Sorompanavotana

Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ny fianakavianay dia niaina ny ngidin’ny famoizana an’i Nathan zafikelinay tamin’ny fianjeran’ny fiaramanidina tamin’ny volana Janoary lasa teo. Nanompo tao amin’ ny Misiônan’ i Baltika izay miteny Rosiana i Nathan. Tia ny mponina tany izy ary fantany fa tombontsoa ny manompo ny Tompo. Telo volana taorian’ny nanamasinako ny fanambadiana mandrakizan’izy sy i Jennifer malalany, dia nanaisotra ny ainy io loza io” (“The Atonement and the Value of One Soul,” Ensign na Liahona, mey 2004, 84).

Hazavao fa noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia tsy maintsy handalo traikefa mampalahelo sy mampivarahontsana toy izay nitranga tamin’ny fianakavian’ny Loholona Ballard isika. Soa ihany fa nanome fomba iray handresena ireo vokatry ny Fahalavoana ny Ray any An-danitra.

Asao ireo mpianatra handalina ny 2 Nefia 9:6–12, ka hitady ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy antsika tsirairay handresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo teny manan-danja sy ireo andian-teny ao amin’ny soratra masiny rehefa mamaky izy ireo. Dia asao avy eo ireo mpianatra mba hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fifandraisan’ny Fahalavoan’i Adama sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra izao manaraka izao: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny fomba handresena na ny fahafatesana ara-batana na ny fahafatesana ara-panahy. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra handray an-tsoratra ny fiverimberenan’ny fifandraisan’ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana ao amin’ny soratra masina rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Azonao atao ny mizara ity teny nambara ity:“Ny fifandraisana dia rohy eo amin’ny hevitra, na olona, na zavatra, na trangan-javatra. … Ny fitadiavana sy fianarana ary fisaintsanana ireny fifandraisana ireny amim-bavaka … dia mitondra hevi-baovao nentanim-panahy sy rakitsoam-pahalalana nafenina” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water”(Takariva amorom-patana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 feb. 2007), 4, lds.org/media-library].)

Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ity manaraka ity izay tohin’ny teny nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Nampitodika ny fo sy ny sainay tsirairay ho any amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo ny fahalasan’i Nathan tampoka tsy ho eo anivonay ety an-tany. …

“Ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ny fiainany, ny Sorompanavotany tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ny fijaliany teo amin’ny hazo fijaliana, ny fandevenana Azy tao amin’ny fasan’i Josefa, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra, izay sarobidy avokoa, dia samy lasa tsapanay indray fa tena nisy marina. Ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia manome toky antsika rehefa fa indray andro any koa isika dia hanaraka Azy ary hiaina ny fitsanganantsika amin’ny maty. Tena fiadanana sy fampiononana tokoa ity fanomezana lehibe izay azo avy amin’ny fitiavana feno famindram-pon’i Jesoa Kristy ity, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanak’olombelona. Noho Izy dia fantatray fa afaka ny hiaraka amin’i Nathan indray izahay” (“The Atonement and the Value of One Soul,” 84).

  • Nahoana no maneho ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy ny fianakaviana hanaiky ny vokatra faoben’ny Fahalavoana ny fihetsiky ny fianakavian’ny Loholona Ballard manoloana ny fodiamandrin’ny havany?

  • Inona no ataon’ny Sorompanavotana ho azo tanterahina ho an’ny fianakavian’i Nathan sy ho an’ny fianakaviantsika tsirairay any amin’ny mandrakizay?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ity fanontaniana manaraka ity, ary avy eo dia asao izy ireo hamaly izany:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fianakavianao handresy ireo vokatry ny Fahalavoana? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, dia hazavao fa ireo izay natao ho tanteraka tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ho afaka hiara-hiaina mandrakizay ao anatin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana.)

Farano ny lesona amin’ny fampisehoana ity teny ity, izay nataon’ny Rahavavy Julie B. Beck, filohan’ny Fiakambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany:

Sary
Julie B. Beck

© Busath.com

“Ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manana teôlôjia mikasika ny fianakaviana isika izay mifototra amin’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana. Ny Fahariana ny tany dia nanome toerana izay ahafahan’ny fianakaviana hiaina. Nahary lehilahy iray sy vehivavy iray Andriamanitra dia ireo izay silany roa ilaina ao anatin’ny fianakaviana. Efa tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra fa i Adama sy i Eva dia hofehezina ary ho lasa fianakaviana mandrakizay.

“Ny Fahalavoana dia nanome fomba ahafahan’ny fianakaviana hitombo. I Adama sy i Eva no mpitarika ny fianakaviana izay nisafidy ny hisedra ny fiainana eto an-tany. Ny Fahalavoana no nahafahan’izy ireo nanana zanakalahy sy zanakavavy.

“Ny Sorompanavotana no ahafahan’ny fianakaviana ho fehezina miaraka mandrakizay. Io no ahafahan’ny fianakaviana manana fivoarana sy fahatanterahana mandrakizay. Ny drafitry ny fahasambarana izay antsoina ihany koa hoe ny drafitry ny famonjena, dia drafitra iray noforonina ho an’ny fianakaviana” (“Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, mar. 2011, 12).

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana sy hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanasana ny herin’ny Sorompanavotana ho tonga hery lehibe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo sy eo amin’ny fiainan’ny fianakaviany.

Vakitenin’ny Mpianatra