Seminera sy Institiota
Lesona 6: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra


Lesona 6

Ny Fianakaviana no ivon’ny Drafitry ny Ray any An-danitra

Fampidirana

Ireo mpaminany maoderina dia nanambara fa “ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ( Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita fa rehefa lasa “[m]azoto sy [m]ikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano” (F&F 93:50) izy ireo dia afaka manao izay hahatonga ny fianakaviana ho fototry ny fiainan’izy ireo bebe kokoa.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Robert D. Hales,Robert D. Hales, “The Eternal Family,” Ensign, nôv. 1996, 64–67.

  • David A. Bednar, “Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 17–20.

  • Manuel 2: Administration de l’Église [2010], 1.1.1, 1.1.4, sy 1.4.1 (raha misy).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra

Lazao amin’ireo mpianatrao fa tamin’ireo lohahevitra rehetra voalaza nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany, dia ny fianakaviana no anisan’ny lohahevitra voaresaka imbetsaka indrindra.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miresaka momba ny fianakaviana imbetsaka toy izany ireo mpitarika ny Fiangonana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity izay avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana, ary asaivo zarain’ny mpianatra izay heverin’izy ireo fa hevitra fonosin’izany:

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba mahatonga ny fianakaviana ho fototry ny anjara mandrakizaintsika, dia omeo ireo mpianatra ny tahadikan’ilay taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ity lesona ity. Zarao ho vondrona kely maromaro ireo ankizy. Asaivo mamaky ny iray amin’ireo fizarana telo ao amin’ilay taratasy zaraina ny vondrona tsirairay sy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana izay hita ao. Ataovy izay hahavoazara ny fizarana tsirairay mba hovakin’ny mpianatra.

Sary
taratasy zaraina, Ny fianakaviantsika talohan’ny nahaterahana, sy ety an-tany ary mandrakizay

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra iray farafahakeliny izay nasaina namaky ny fizarana tsirairay amin’ilay taratasy zaraina mba hamintina ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona misy azy amin’ny mpianatra rehetra. Mijoroa ho vavolombelona momba ity fahamarinana manaraka ity: Ny fianakaviana dia fototry ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ety an-tany ary mandrakizay.

  • Inona avy ireo traikefa nanampy anao hahatsapa ny tena maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39–50

Manao ny fianakaviana ho laharam-pahamehana

Ampiomany ireo mpianatra mba hianatra avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 amin’ny alalan’ny fanazavana fa io fizarana io dia mirakitra, ankoatra ny zavatra hafa, ny torolalana nomen’ny Tompo momba ny maha-zava-dehibe ny manabe ny ankizy ao amin’ny “fahazavana sy ny fahamarinana” sy ny manao ny fianakaviantsika ho laharam-pahamehana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39-43

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:44

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:45-48

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:50

Asaivo mamaky farafahakeliny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra (ataovy izay hahavoazara ny andinin-tsoratra masina rehetra mba hovakin’ny mpianatra iray farafahakeliny). Asaivo karohin’ireo mpianatra hoe iza no niresahan’ny Tompo ary inona no torolalana nomeny. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hilaza ny zavatra nianarany. Ataovy izay hahafantaran’ireo mpianatra fa ireo lehilahy efatra izay niresahana dia ny Fiadidiana Voalohany sy ny evekan’ny Fiangonana tany Ohio; noho izany, ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampahatsiahy an’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, eny fa na ireo izay mpitarika aza, mba hanao ny fianakaviany ho laharam-pahamehana. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra miverimberina na ny ohatra arahina hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo—Ireo mpikamban’ny fiangonana dia tokony “handamina” ny ankohonany (jereo ny andininy 43, 44, sy 50).

  • Araka ny ao amin’ny andininy 42, 48, sy 50, dia inona no azontsika atao mba handaminana ny fianakaviantsika? (Tokony hahita izao manaraka izao ireo mpianatra: mampianatra amin’ny zanaka ny fahazavana sy ny fahamarinana, mibebaka, miala amin’ny zavatra tsy marina, mazoto sy mikarakara kokoa ao an-tokantrano, ary mivavaka mandrakariva.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manampy amin’ny fanatanterahana ny didin’ny Tompo mba handamina ny ankohonantsika isika rehefa mazoto sy mikarakara kokoa ao an-tokantrano.

  • Inona no azon’ny tanora iray atao mba hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano?

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nalaina tao amin’ny taratasy nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny taona 1999, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny tokantrano no fototry ny fiainana marina, ary tsy misy fitaovana hafa afaka maka ny toerany na afaka mahatontosa ny anjara asany manan-danja eo amin’ny fampandrosoana io andraikitra nomen’ Andriamanitra io.

“Manoro hevitra ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka izahay mba hametraka ho laharam-pahamehana voalohany indrindra ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana sy fampianarana ny filazantsara ary ny fanaovana fiaraha-mientana mahasoa ny mpianakavy. Na dia tsara sy mendrika ho atao tahaka izany aza ny zavatra na fiaraha-mientana hafa dia tsy tokony havela izany hanolo toerana ireo andraikitra masina manokana izay ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana ihany no afaka manatanteraka azy tsara” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 11 Feb. 1999, voalaza ao amin’ny Manuel 2: Administration de l’Eglise [2010], 1.4.1).

  • Raha jerena avy amin’ny zavatra niainanao, dia inona ireo “anjara asa manan-danja” sy “ireo andraikitra nomen’Andriamanitra” vitsivitsy izay ao amin’ny fianakaviana no afaka hanatanterahana azy tsara?

Asehoy ity teny manaraka izay nambara ity, ary amporisiho ireo mpianatra handinika ireo fitahiana izay azo rehefa samy mikatsaka ny hanatanteraka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana:

“Na aiza na aiza onenan’ ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia tokony hanorina tokantrano izay hitoeran’ny Fanahy izy ireo. …

Ny tokantrano iray izay misy ray aman-dreny feno fitiavana sy marina no rafitra mahomby indrindra hanomezana fahafahampo ireo filàna ara-panahy sy ara-batan’ireo zanaka. Ny tokantrano iray mifantoka amin’ i Kristy dia manome toerana iray ho fiarovana amin’ny fahotana, fialofana eo anatrehan’ izao tontolo izao, fahasitranana amin’ ireo ratra ara-pihetsehampo sy ratra hafa, ary fitiavana marina sy feno fanoloratena ho an’ireo olon-dehibe sy ireo zanaka” (Manuel 2: Administration de l’Eglise, 1.4.1).

  • Amin’ny fomba ahoana no hitondranao fanampiana amin’ny fanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy ho an’ny fianakavianao?

  • Inona no zava-baovao entin’izany ao amin’ny fianakavianao?

Asehoy ity fteny nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Avelao izay zavatra rehetra ataonareo any ivelan’ny tokantrano mba ho fanampiny sy hanohanana ny zavatra miseho ao anatin’ny tokantranonareo. Tadidio ny torohevitry ny Filoha Harold B. Lee hoe ‘Ny asa manan-danja indrindra … izay ho ataonareo hatramin’izay dia ny asa izay ho ataonareo ao an-tokantranonareo manokana’ … ary ilay torohevitry ny Filoha David O. McKay izay manan-kery mandrakizay manao hoe ‘Tsy misy fahombiazana hafa afaka manonitra ny tsy fahombiazana ao an-tokantrano’” (“Mba Ho Hita Indray Izay Very,” Ensign na Liahona, mey 2012, 99).

Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratany zavatra vitsivitsy izay azon’izy ireo atao mba hazoto sy hikarakara kokoa ao an-tokantrano ary hanao izay hahatonga ny fianakaviany ho zavatra fototra hifantohana bebe kokoa eo amin’ny fiainany. Amporisiho hametraka tanjona ireo mpianatra mba hanaraka ny iray amin’ireo hevitra izay nosoratany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manatratra ny tanjony ireo mpianatra, dia hanamafy orina azy ireo ara-panahy ny Tompo sy hanampy azy ireo hahita ny fomba hanamafisana orina ny fianakaviany noho ny asa ataon’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra

Handout

Sary
handout, Our Premortal, Mortal, and Eternal Families

Ny fianakaviantsika talohan’ny nahaterahana, sy ety an-tany ary mandrakizay

Ny fianakaviana mandrakizay—Lesona 6

Ny fianakaviantsika talohan’ny nahaterahana

“Ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra. Io no rafitra manan-danja indrindra amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay. Na dia talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany aza dia tao anatin’ny fianakaviana iray isika. Isika tsirairay ‘dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra’ ary manana ‘toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra’ (‘Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao Tontolo izao,’ Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129]. Andriamanitra no Raintsika any An-danitra, ary niaina teo anatrehany isika amin’ny maha-isan’ny fianakaviany antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tany isika no nianatra ireo lesontsika voalohany ary nomanina ho an’ny fiainana an-tany (jereo ny F&F 138:56)” (Manuel 2: Administration de l’Eglise [2010], 1.1.1).

“Mivavaka amin’ilay Andriamanitra lehibe izay nahary izao rehetra ary izao isika. Izy no Raintsika any An-danitra. Nisy isika noho Izy; zanany ara-panahy isika. Nitoetra niaraka Taminy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika ary fianakaviany. Fantatsika Izy toy ny fahafantarantsika akaiky sy lalina ireo raintsika ety an-tany mandritra izao fisiantsika izao” (Bruce R. McConkie, How to Worship, Brigham Young University Speeches of the Year [20 jolay, 1971], 2).

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-ampahany fototra ny fianakaviana tamin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana?

  • Nahoana no manampy ny mahafantatra fa Andriamanitra dia Rainao ary ianao dia anisan’ny fianakaviany izay tiany tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana?

  • Mety ho toy ny ahoana araka ny eritreritrao ny fifandraisanao tamin’ireo Ray Aman-dreninao any An-danitra?

Ny fianakaviantsika ety an-tany

“Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Raintsika Any An-danitra ny hoe teraka tao anaty fianakaviana isika. Namorona fianakaviana Izy mba hitondrana fahasambarana ho antsika, mba hanampiana antsika hianatra fitsipika marina ao anatin’ny tontolo feno fitiavana, ary hanomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

“Manana andraikitra lehibe ireo ray aman-dreny amin’ny fanampiana ny zanak’ izy ireo hiomana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Manatanteraka izany andraikitra izany ireo ray aman-dreny rehefa mampianatra ireo zanany hanaraka an’ i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany” (Manuel 2: Administration de l’Eglise, 1.1.4).

“Andriamanitra no mpahary ny fianakaviana. Ny fikasany dia ny tokony hahatongavan’ny fahasambarana lehibe indrindra, ny lafiny mahafapo indrindra eo amin’ny fiainana, ary ny hafaliana lalina indrindra ao anatin’ny fiarahantsika miasa sy ny fifampikarakarantsika amin’ny maha-ray sy reny ary zanaka antsika” (Gordon B. Hinckley, “What God Hath Joined Together,” Ensign, mey 1991, 74).

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-ampahany fototra ny fianakaviana amin’ny fiainantsika ety an-tany?

  • Mety ho hafa manao ahoana ny fiainantsika ety an-tany raha toa isika ka nalefa tety an-tany tsirairay fa tsy nisy fianakaviana—tsisy ray, reny, iray tampo, razambe, na taranaka?

  • Inona ireo traikefa izay nanampy anao hahatakatra ny anjara asa sy ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana ety an-tany?

Ny fianakaviantsika mandrakizay

“Ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatra ny fasana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ( Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

“Raha toa ny famonjena antsika tsirairay ka miankina amin’ny fankatoavantsika manokana, dia zava-dehibe mitovy amin’izany koa ny fahatakarantsika fa isika tsirairay dia ampahany manan-danja sy tena ilaina ao amin’ny fianakaviana ary ny fitahiana ambony indrindra dia tsy azo raisina raha tsy ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay ihany. Rehefa mandeha araka ny namolavolan’Andriamanitra azy ny fianakaviana, dia ny fifandraisana misy ao no sarobidy indrindra amin’ny fiainana an-tany. Ny drafitry ny Ray dia ny hitohizan’ny fifankatiavana sy ny fiarahan’ny fianakaviana any amin’ny mandrakizay. Ny firaisan-kina ao amin’ny fianakaviana dia mitondra andraikitra goavana amin’ny fikarakarana, fitiavana, fampaherezana, ary fampatanjahana ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hahafahan’ny rehetra maharitra am-pahamarinana hatramin’ny farany ary hitoetra miaraka any amin’ny mandrakizay. Tsy ampy ny mamonjy ny tenantsika. Manan-danja toy izany koa ny hahavoavonjy ny ray aman-dreny sy ireo mpiray tampo amintsika ao amin’ny fianakaviantsika. Raha miverina irery any amin’ny Raintsika any An-danitra isika dia hanontaniana hoe ‘aiza ny sisa amin’ny fianakavianao?’ Izany no antony hampianarantsika fa ny fianakaviana dia mandrakizay. Ny toetra mandrakizain’ny olona iray dia lasa toetra mandrakizain’ny fianakaviana” (Robert D. Hales, “The Eternal Family,” Ensign, nôv. 1996, 65).

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-ampahany fototra ny fianakaviana amin’ny anjarantsika mandrakizay?

  • Inona avy ireo asan’ny fahamarinana vitsivitsy azon’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao mba hifanavotan’izy ireo?

  • Oviana no nisy olona iray ao amin’ny fianakavianao nankahery na nampatanjaka anao hany ka naniry ny haharitra hatramin’ ny farany ianao?