Seminera sy Institiota
Lesona 22: Mamorona fianakaviana mahomby


Lesona 22

Mamorona fianakaviana mahomby

Fampidirana

“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” dia mamariparitra ireo fitsipika izay tokony ampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany. Ity lesona ity dia hamelabelatra ny andraikitry ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany momba ny “fanajana, … ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy. Izany ihany koa dia hiresaka momba ny adidin’ny ray aman-dreny “mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Manampy ny ray aman-dreny hamorona fianakaviana mahomby ny fampianarana ireny fitsipika ireny.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Jereo ny Dallin H. Oaks, “Good, Better, Best,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 104–8.

  • Susan W. Tanner, “Did I Tell You … ?” Ensign na Liahona, mey 2003, 73–75.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ireo fitsipika hahazoana fianakaviana mahomby

Omano amin’ny lesona ireo mpianatra amin’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha David O. McKay (1873–1970):

Sary
Filoha David O. McKay

“Tsy misy fahombiazana hafa afaka misolo ny tsy fahombiazana ao an-tokantrano” (nalaina avy tao amin’ny J. E. McCulloch, Home: The Savior of Civilization [1924], 42; tao amin’ny Conference Report, Apr. 1935, 116).

  • Raha araka ny zavatra nianaranao tato anatin’ity fandaharam-pianarana ity, inona no sasany amin’ireo fitsipika izay mitondra anjara biriky amin’ny famoronana fianakaviana mahomby?

Mba hanampiana amin’ny famaliana izany fanontaniana izany dia asehoy sy vakio mafy izao fanambarana manaraka izao avy ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”:

“Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy voatahiry araka ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy.”

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny ankamaroan’ireo fitsipika ato anatin’ity fanambarana ity dia efa noresahina tao anatin’ireo lesona teo aloha. Mba hifantohana amin’ireo toetra izay tsy mbola noresahina dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Fanajana

Fangorahana

Asa

Fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy

Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary omeo iray amin’ireo toetra ireo ny vondrona tsirairay. Asaivo mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

Fanajana

  • Inona no sasany amin’ireo zavatra tsara izay mitranga ao amin’ny fianakaviana rehefa mampiseho fanajana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny? Rehefa mampiseho fanajana ho an’ny ray aman-dreniny ny zanaka? Rehefa mifaneho fanajana ny ray aman-dreny?

  • Inona ireo ohatra amin’ny fanehoana fanajana izay azonao zaraina avy amin’ny zavatra niainanao tao amin’ny fianakavianao?

Fangorahana

  • Inona ireo fomba vitsivitsy izay ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany mba hahatsapa fangorahana ho an’ny olona hafa ao anatin’ny fianakaviana?

  • Inona ireo ohatra momba ny fampianarana ny fangorahana izay azonao zaraina avy amin’ny fianakavianao manokana na avy amin’ireo fianakaviana izay fantatrao?

Asa

  • Nahoana ny asa no anisan’ny mahatonga ny fianakaviana mahomby?

  • Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany mba hahita fy sy fahafaham-po amin’ny asa?

  • Inona ireo ohatra momba ny fampianarana ny ankizy mba hiasa izay azonao zaraina avy amin’ny fianakavianao manokana na avy amin’ireo fianakaviana izay fantatrao?

Fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy

Lazao amin’ity vondrona ity fa rehefa tsy manana afa-tsy fotoana voafetra mba hiarahana miala voly ny mpianakavy dia tsara kokoa ny misafidy ireo fialam-boly manan-danja indrindra. Asao ity vondrona ity mba hamaky izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa eritreretintsika ireo safidy samihafa dia tokony hotsaroantsika fa tsy ampy ny hoe tsara ny zavatra iray. Tsara kokoa ireo safidy hafa, ary mbola tsara indrindra ny hafa. …

“Mikasika ny fialam-bolin’ny fianakaviana ny sasany amin’ireo safidy manan-danja indrindra. … Rehefa misafidy ny fomba hiarahantsika isika amin’ny maha-fianakaviana iray, dia tokony hitandrina mba tsy handany ny fotoana ananana amin’ireo zavatra izay zara raha tsara ka hamela fotoana kely dia kely amin’ny zavatra izay tsara kokoa na tsara indrindra. Nitondra ny fianakaviany tany amin’ireo karazana dia atao mandritra ny fialan-tsasatry rehefa fahavaratra ny namako iray, ka anisan’izany ny fitsidihana ireo toera-manan-tantara. Rehefa nifarana ny fahavaratra dia nanontany ilay zatovo zanany lahy izy hoe iza amin’ireny fialam-boly mahafinaritra mandritra ny fahavaratra ireny no nankafiziny indrindra. Nianatra avy tamin’ilay valinteny ilay raim-pianakaviana, ary nianatra toy izany koa ireo izay noresahany momba izany. ‘Ny zavatra tiako indrindra nandritra ity fahavaratra ity,’ hoy ilay zazalahy namaly, ‘dia ilay alina iray ka nitsotra teo amin’ny bozaky ny tokontany izaho sy ianao sady nijery ny kintana no niresaka.’ Mety ho tsara ho an’ny ankizy ireo fialam-boly miavaka saingy tsy tsara kokoa noho ny fotoana iarahan’ny ray na reny miaraka amin’ny iray amin’ny zanany hatrany izany” (“Good, Better, Best,” Ensign, nôv. 2007, 104–5).

  • Nahoana no afaka manampy antsika hahatakatra ny lanjan’ireo “fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy” ao amin’ny fianakaviana iray ny zavatra niainan’ity raim-pianakaviana sy ny zanany lahy ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana iray miara-miasa mba hahatonga ireo fialam-boly ho manan-danja kokoa?

Angataho ireo vondrona mba hizara ny famintinan’izy ireo ny resadresany amin’ny iray kilasy rehefa avy nomena fotoana ampy.

Omeo ny tahadikan’ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny mpianatra tsirairay, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Satria ‘tsy misy fahombiazana hafa afaka misolo ny tsy fahombiazana’ [ao amin’ny fianakaviantsika] dia mila mametraka ny ankohonantsika ho laharam-pamehana lehibe isika. Manorina fifandraisana lalina sy feno fitiavana eo anivon’ny fianakaviana isika amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra tsotra miaraka toy ny fiarahana misakafo amin’ny ankohonana, ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fiarahana miala voly. Eo amin’ny fifandraisana amin’ny ankohonana, ny fitiavana dia tena tononina mihitsy hoe f-o-t-o-a-n-a na fotoana. Fanalahidin’ny filaminana ao an-tokantrano ny fifanolorana fotoana ho an’ny tsirairay” (“Of Things That Matter Most,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 21–22).

  • Afaka mizara traikefa iray ve ianao ka nandany fotoana manan-danja niaraka taminao ny rainao na ny reninao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao?

Anontanio ny mpianatra raha toa ka misy te hizara ny eritreriny na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny hoe nahoana ho afaka mitahy ny fianakaviana ireo toetra voatanisa eny amin’ny solaitrabe na inona na inona izany.

Deoteronomia 6:4–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana134:5–6; Fanekam-pinoana 1:12

Ny adidin’ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany

Angataho ny mpianatra mba hizaha ny andiam-pehezanteny fahenina ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ka hitady ireo zavatra miavaka izay ananan’ny ray aman-dreny adidy mba hampianarina ny zanany. Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Mifankatia sy mifanompo

Mitandrina ireo didin’ Andriamanitra

Ho olom-pirenena vanona

Hamafiso izao fitsipika manaraka izao: Didiana ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany hifankatia sy hifanompo, hitandrina ireo didin’ Andriamanitra, ary ho olom-pirenena vanona.

Angataho ny mpianatra mba hanokatra ao amin’ny Deoteronomia 4:14. Hazavao fa nirakitra ireo toromarik’i Mosesy ho an’ny zanak’Isiraely momba ny fomba hitandremana ireo didin’ Andriamanitra ity toko ity. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Deoteronomia 6:4–7 ka hampitaha ilay hafatra amin’izy ireo amin’ny fanoloana ho anaran’izy ireo isaky ny milaza hoe “ianao,” na “anao” ny soratra masina.

  • Nahoana no misy fiantraikany eo amin’ny fahatakaranao ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fanoloana ho anaranao?

  • Araka ny andininy 7, isaky ny inona no tokony hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny?

Tondroy ilay andian-teny hoe “mifankatia sy mifanompo” eny amin’ny solaitrabe. Ifampiresaho ny dikan’izany andian-teny izany ka vakio izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

Sary
Filoha James E. Faust

“Saika ho ny andro rehetra no mitondra fahafahana mba hanatanterahana asa tsy tia tena atao ho an’ny hafa. Tsy voafetra ny asa toy izany ary mety ho tsotra tahaka ny teny feno hatsaram-panahy na tanana manampy, na tsiky feno haja izany” (“What’s in It for Me?” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 21–22).

  • Fahafahana firy no anananao isan’andro mba hitiavana sy hanompoana ireo olona ao amin’ny fianakavianao?

  • Inona no azonao atao mba ho lasa laharampahamehana ambony kokoa eo amin’ny fiainanao ny fanompoana ireo olona ao amin’ny fianakavianao?

Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsainana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanompoana kokoa ireo olona ao amin’ny fianakaviany ka hampiseho fitiavana ho azy ireo.

Tondroy ilay andian-teny hoe “mitandrina ireo didin’ Andriamanitra” eny amin’ny solaitrabe, ka manontania hoe:

  • Nahoana ny ray aman-dreny no ireo olona izay tompon’andraikitra voalohany mba hampianatra ny zanany momba ireo didin’ Andriamanitra?

Zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Rahavavy Susan W. Tanner, izay efa filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha. Hazavao fa nampahatsiahy ny torohevitra izay nomeny ny iray amin’ireo zanany vavy izay vao natao fanambadiana sy manomboka nanorina ny tokantranony ny Rahavavy Tanner tao anatin’ity lahateny ity:

Sary
Susan W. Tanner

“Jereo ny ohatra tao an-tokantranon’ireo raibe sy renibenao. Samy nitaiza ny ‘zanany tao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana’ (F&F 93:40) izy ireo. Tranon’ny fianarana [ny tokantrano izay nahalehibe ny rainao]. Niteny izy nandritra ny fandevenana ny rainy fa tsy nianatra fitsipiky ny filazantsara iray tany amin’ny fivoriam-piangonana na oviana na oviana izy ka tsy efa nianatra izany tao an-tokantranony. Famenon’ny tokantranony ny Fiangonana” (“Did I Tell You … ?” Ensign na Liahona, mey 2003, 73).

  • Ahoana no ahafahanao miomana mba hamorona tranon’ny fianarana—tahaka ilay nofariparitan’ny Rahavavy Tanner—ho an’ny fianakavianao? Inona ireo eritreritra izay mety anananao raha toa ka hiresaka momba izany tokantrano izay nahalehibe azy ireo izany ireo zanakao any aoriana?

Tondroy ilay andian-teny hoe “ho olom-pirenena vanona” eny amin’ny solaitrabe. Lazao ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 dia mirakitra “fanambarana iray momba ny finoana mikasika ny governemanta sy ireo lalàna” (sasintenin’ny fizarana 134). Ampio ny mpianatra mba hahatakatra ny sahan-kevitr’ity fizarana ity amin’ny fangatahana ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny sasintenin’ny fizarana. Dia asao ny mpianatra iray avy eo mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5–6 ary ny iray hafa mba hamaky ny fanekem-pinoana faharoa ambin’ny folo. Angataho ny iray kilasy mba hitady izay nampianarin’ny Tompo momba ireo lalàn’ny tany.

  • Inona ireo fampianarana momba ny governemanta sy ireo lalàn’ny tany izay manaitra anao? (Ho torolalana fanampiny dia asao ny mpianatra mba hamaky sy hampifandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21 sy ny 98:4–6.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny hoe ny tokantrano no toerana voalohany hianaran’ny ankizy mankatò ireo lalàn’ny tany?

Zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Rehefa miharatsy ny fitaizan’ny ray aman-dreny dia mitombo ny filàna ny mpitandro ny filaminana. Hisy hatrany ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny tsy fahampian’ny ray aman-dreny mahomby! Torak’izany koa, tsy ho ampy hatrany ny fonja raha toa ka tsy ampy ireo tokantrano tsara” (“Take Especial Care of Your Family,” Ensign, mey 1994, 89).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany hankatò ny lalàn’ny tany?

  • Mahafantatra olona izay mankatò amin’ny nahim-po sy mampiseho fanajana ireo lalàn’ny tany sy ireo manam-pahefana ao amin’ny governemanta ve ianao? Inona no fiantraikan’izany fitondrantena izany eo amin’ny zanak’izany olona izany araka ny eritreritrao?

Amporisiho ny mpianatra mba haka fotoana mandritra ireo andro manaraka hisaintsainana ireo fitsipika izay tsy maintsy ampianarin’ny ray aman-dreny mba hamoronana fianakaviana mahomby. Angataho izy ireo mba hanao drafitra momba ny fomba hanarahany ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao ka hampiditra izany ao anatin’izay ho fianakaviany.

Vakitenin’ny Mpianatra