Seminera sy Institiota
Lesona 12: Ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ny tempoly


Lesona 12

Ôrdônansy sy Fanekempihavanana any amin’ny Tempoly

Fampidirana

Nanambara ireo mpaminany amin’ny andro farany hoe: “Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra fa amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly dia afaka mahazo fitahiana masina izy ireo mandritra ny fiainana ety an-tany sy mahazo ny fiainana mandrakizay.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Boyd K. Packer, “The Holy Temple,” Ensign, ôkt. 2010, 29–35.

  • D. Todd Christofferson, “Ny Herin’ny Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, mey 2009, 19–23.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–17; 109:12–21; 124:37–40, 55

Ireo tanjon’ny tempoly

Asehoy an’ireo mpianatra ny sarin’ny tempoly tianao indrindra, ary lazao hoe nahoana no io tianao indrindra.

  • Nahoana isika no manana tempoly?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ka hitady ireo antony nanomezan’ny Ray any An-danitra tempoly:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10-17

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:37–40, 55

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona ireo antony vitsivitsy nanomezan’ny Ray any An-danitra tempoly? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Manome tempoly ny Ray any An-danitra mba hahafahan’ireo zanany mandray ireo ôrdônansy sy fahalalana tena ilaina ary miomana hitoetra eo anatrehany.)

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mampianatra fa ny tempoly dia manampy antsika hiomana hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra?

Lazao amin’ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 dia ahitana ny vavaka natao tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Asao ireo mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–21 ka hitanisa ireo fomba hanomanan’ny tempoly antsika mba hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Araka ireo andininy ireo, dia ahoana no fomba hanomanan’ny tempoly antsika hitoetra miaraka amin’ Andriamanitra? (Mety hilaza izao manaraka izao ireo mpianatra: mahatsapa ny herin’ny Tompo sy mianatra fahendrena ary mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina isika ao amin’ny tempoly; amporisihina isika ny hibebaka faingana ao amin’ny tempoly; ary angatahina isika mba hadio rehefa miditra ny tempoly. Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ny Eksodosy 19:10–14, izay mamariparitra ny fomba nikatsahan’i Mosesy ny hanomana ara-batana sy ara-panahy ny Isiraely taloha mba hankeo anatrehan’ny Tompo.)

Asehoy ireto teny manaraka nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Filoha Brigham Young ireto (1801–1877):

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hanome ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny fisandratantsika any amin’ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mitarika antsika any amin’ny Mpamonjy antsika ary manome antsika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Robert D. Hales, “Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2009, 48).

Sary
Filoha Brigham Young

“Ny fanafiana masina omena anao [any amin’ny tempoly] dia ny fandraisanao ireo ôrdônansy rehetra ireo ao amin’ny tranon’ny Tompo izay ilainao aorian’ny handaozanao ity fiainana ity mba hahafahanao handeha hiverina eo anatrehan’ny Ray sy handalo an’ireo anjely izay mijoro ho mpiambina” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 302).

  • Ahoana no hanampian’ireo teny nambara ireo anao mba hankasitraka ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19-21

Manampy antsika hitovy kokoa amin’ Andriamanitra ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay raisina any amin’ny tempoly.

Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

“Ao amin’ny Fiangonana, ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy sasany dia tena ilaina ho an’ny fisandratantsika. Antsoina hoe ôrdônasin’ny famonjena ireo ôrdônansy ireo. Ao anatin’izany ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 109).

  • Inona no maha-samy hafa ny “ôrdônasin’ny famonjena” amin’ny ôrdônansin’ny filazantsara hafa? (Ireo ôrdônansy hafa, toy ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza sy ny fametrahan-tanana ireo marary dia tsy takiana mba hahazoana fisandratana faratampony.)

Alohan’ny hanombohana, dia hazavao fa ny sasany amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena, toy ny batisa sy ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka, dia atao alohan’ny handraisantsika ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly; na izany aza, ity ampahan’ny lesona ity dia mifantoka amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena izay atao any amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny zavatra azontsika raisina rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy tanterahin’ny Fisoronana Melkizedeka isika.

  • Araka ny hevitrao dia inona no hevitry ny andian-teny hoe “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”? (Azonao atao ny manazava fa ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” dia ny hery ho lasa araka an’ Andriamanitra na mitovy amin’ Andriamanitra.)

  • Ahoana no hilazanao ny fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–21? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Afaka ny hitovy bebe kokoa amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly.)

Omeo ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo marihin’ireo mpianatra ireo teny na andian-teny izay mampianatra hoe amin’ny fomba ahoana no hanampiana antsika hitovy bebe kokoa amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisantsika anjara amin’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny fitahiana lehibe indrindra entin’ny fisoronana afaka ho azon’ny [zatovolahy sy zatovovavy] rehetra ary hita ao amin’ny tempoly. Any no hahatakaran’izy ireo ny zavatra momba an’ Andriamanitra. … Ny fifaliana mifandray amin’ny mandrakizay, izay toa lavitra erỳ rehefa tsy ao amin’ny tempoly isika, dia nanjary toa afaka ny ho tsapa tampoka teo.

“Ao amin’ny tempoly no hanazavana ny drafitry ny famonjena sy hanaovana ireo fanekempihavanana masina. Ireo fanekempihavanana ireo, miaraka amin’ny fanaovana ireo garmenta masina fanao any amin’ny tempoly, dia mampatanjaka sy miaro ireo olona nandray fanafiana masina mba tsy ho azo’ny herin’ny fahavalo. …

“Ao amin’ilay ôrdônansy ambony indrindra atao any amin’ny tempoly—ny fanambadiana mandrakizay—dia ampanantenaina ny mpivady fa, raha mahatoky izy ireo, dia hiara-higoka ny firaisan’ny fianakaviana, miaraka amin’ireo zanany, sy miaraka amin’ny Tompo mandritra ny mandrakizay. Izany no antsoina hoe fiainana mandrakizay” (“Blessings of the Priesthood,” Ensign, nôv. 1995, 34).

Mifanakaloza hevitra momba ny zavatra nasian’ireo mpianatra marika.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao noho ny nandraisanao anjara tamin’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly tamin’ny fomba mitovitovy amin’izay nofaritan’ny Loholona Hales?

Omeo fotoana fohy ireo mpianatra mba hanoratany izay zavatra mety ho ataony mba hanomezany lanja bebe kokoa ny fanatrehana ny tempoly sy hampifantohany izany bebe kokoa amin’ny fanampiana azy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

Eksodosy 19:3–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–26

Mitandrina ireo fanekempihavanan’ny tempoly

Ampahafantaro an’ireo mpianatra fa misy tanjona hafa iray manan-danja amin’ny fankanesana ny amin’ny tempoly izay mifandray akaiky amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly. Asaivo henoin’izy ireo izany tanjona izany rehefa mizara ity teny manaraka nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“ Mijoro ho vavolombelona aho fa ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ahitana ny fahefan’ny fisoronana hahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy izay ahafahantsika miditra ao amin’ilay fanekempihavanana mamatotra miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny anaran’ny Zanany masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa hitandrina ny fampanantenany aminao Andriamanitra rehefa hajainao ny fanekempihavananao Aminy” (“Ny herin’ny fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, mey 2009, 22).

  • Rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena an’ny filazantsara isika, dia manao inona?

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo toetoetra manan-danjan’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny fanekempihavanana dia fifanekena eo amin’ Andriamanitra sy ireo zanany ety an-tany, ary zava-dehibe ny mahatakatra fa Andriamanitra dia mametraka ny fepetran’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara rehetra. Tsy misafidy ny toetoetran’ny fanekempihavanana na ny zavatra hita ao anatin’izany izaho sy ianao. Fa manaiky kosa, amin’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy, ireo zavatra hifanarahana sy ireo zavatra takin’ny fanekempihavanana iray araka ny nametrahan’ny Raintsika any An-danitra azy ireny” (David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, mey 2006, 28–29).

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fanekempihavanana dia fifanarahana ara-panahy izay mamatotra, fampanantenana atao amin’ny fomba ôfisialy amin’ Andriamanitra Raintsika fa hiaina sy hieritreritra ary hanao zavatra amin’ny fomba iray voafaritra isika—ny fomban’i Jesoa Kristy Tompo Zanany. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina kosa indray dia mampanantena antsika ny fahafenoan’ny hakanton’ny fiainana mandrakizay” (Jeffrey R. Holland, “Keeping Covenants: A Message for Those Who Will Serve a Mission,” New Era, jan. 2012, 3).

  • Inona no manaitra anao ao amin’ireo teny ireo mikasika ny fanekempihavanana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe Andriamanitra no mamaritra ireo fepetran’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara rehetra? (Satria Izy no manome antsika ny fiainana mandrakizay, dia Izy no afaka mametraka ireo fepetra izay handraisana izany. Ny hany fanatitra azontsika omena Azy dia ny fahafahantsika misafidy rehefa misafidy ny hankatò isika. Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity, dia antitrantero izao manaraka izao: Rehefa manaja ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo isika, dia voatahy mandritra ny fiainana ety an-tany ary afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay.)

Asaivo miaraka tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho ny iray amin’ireo mpianatra isaky ny vondrona miara-miasa tsiroaroa handalina ny Eksodosy 19:3–6, ary ilay mpianatra iray hafa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–26. Asao ny iray kilasy hitady ireo fitahiana izay afaka ho azon’ireo izay manaja ny fanekempihavanana nataony, indrindra fa ireo fanekempihavanana any amin’ny tempoly. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asao ireo mpianatra mandeha tsiroaroa hiresadresaka momba ny zavatra hitany. (Raha ny voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Eksodosy ireo no jerena, dia ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra fa ao amin’ny tempoly masina no hanombohantsika ho mendrika ny ho lasa mpanjakalahy sy mpanjakavavy izay afaka ny ho lasa vahoaka masina indray andro any ka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra; jereo koa ny Apokalypsy1:6; 5:10; 19:16; F&F 76:55–56.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao na niarovana anao noho ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972):

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Raha mankao amin’ny tempoly isika dia manangana ny tanantsika sy manao fanekempihavanana fa hanompo ny Tompo sy hitandrina ireo didiny ary hitandrina ny tenantsika hadio tsy ho voapentipentin’izao tontolo izao. Raha mahafantatra tsara ny zavatra ataontsika isika dia ho lasa fiarovana ho antsika mandritra ny fiainantsika manontolo ny fanafiana masina—fiarovana izay tsy ananan’ny olona iray izay tsy mankany amin’ny tempoly.

“Efa nandre ny [Filoha Joseph F. Smith] raiko aho nilaza hoe tamin’ny ora fisedrana, tamin’ny ora nakàna fanahy, dia nieritreritra ireo fampananantenana izy, ireo fanekempihavanana izay nataony tao amin’ny Tranon’ny Tompo, ka lasa fiarovana ho azy izy ireny. … Izany fiarovana izany no antony nanaovana ireo fombafomba ireo, amin’ny ampahany. Mamonjy antsika izy ireny ankehitriny ary manandratra antsika any aoriana, raha toa isika ka manaja azy ireny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 235–36).

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana tonga teo aminao nandritra ity lesona ity ka tianao hozaraina amin’ireo mpianatra?

Asehoy ity teny nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fiainana ho antsika rehetra dia lalana mody mankeo anatrehan’ Andriamanitra indray ao amin’ny fanjakany selestialy.

“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no lasa fanomezan-dalana ahafahantsika miditra ho eo anatrehany. Ny fandraisana azy ireo amim-pahamendrehana no zavatra katsahina mandritra ny fiainana ary ny fanajana azy ireo aorian’izany no fanamby eto amin’ny fiainana” (“Covenants,” Ensign, mey 1987, 24).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny mandray ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly tokoa no “zavatra katsahina mandritra ny fiainana” . Ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly dia manampy antsika hahazo ireo fanomezan-dalana ilaina mba hahafahantsika miditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe laharam-pahamehana eo amin’ny fiainan’izy ireo sa tsia ny fitsaohana sy ny fandraisana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Asaivo soratan’izy ireo ny zavatra azon’izy ireo atao mba hifantohana bebe kokoa amin’ireo fanekempihavanana izay nataony na hataony any amin’ny tempoly.

Vakitenin’ny Mpianatra