Seminera sy Institiota
Lesona 11: Fiomanana ho amin’ny fanambadiana mandrakizay


Lesona 11

Fiomanana ho amin’ny fanambadiana mandrakizay

Fampidirana

Rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo tanora tokan-tena, dia afaka miandrandra ny ho avy izy ireo sy miaina amim-panantenana. Hanoro lalana azy ireo ny Ray any An-danitra amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo momba ny fanambadiana mandrakizay rehefa mikatsaka fitarihana avy Aminy . Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hieritreritra ny fanambadiana amin’ny fahatokiana lehibe kokoa , rehefa mahafantatra fa afaka mahazo fanampiana masina avy amin’ny Tompo .

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40

Fiomanana ho amin’ny fanambadiana

Asaivo mananga-tanana ireo mpianatra raha efa nanao lisitra ireo toetoetra izay tadiavin’izy ireo ao amin’izay ho vadiny any aoriana izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny toetoetra amin’ny lisitr’izy ireo.

Asehoy ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Misy tanora sasany toa manana ny lisitry ny toetoetra izay tian’izy ireo hananan’izay ho lasa vadiny sy mandrefy ny fahafaha-manaony: ‘Ianao ve manana ny zavatra rehetra izay takiko?’ Raha manantena ny hanana namana mandrakizay izay manana toetra tsara ara-panahy ianao, dia tsy maintsy miezaka ny hanana ireo toetra tsara ara-panahy ireo ao anatinao. Avy eo dia ho voasarika hanatona anao ny olona iray izay manana ireo toetra tsara ireo” (“Understanding Heavenly Father’s Plan,” LDS.org).

  • Inona no fitsipika ianarantsika avy amin’ny teny nataon’ny Loholona Bednar? (Ataovy izay ahitan’ny mpianatra ity fitsipika manaraka ity: “Raha manantena ny hanana namana mandrakizay izay manana toetra tsara ara-panahy ianao, dia tsy maintsy miezaka ny hanana ireo toetra tsara ara-panahy ireo ao anatinao.”)

Asao ny mpianatra hamaky nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40, ka hitady ny fomba hanohanan’ity andinin-tsoratra masina ity ilay fitsipika izay vao hitany teo.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ampiharan’ny olona izay miezaka ny hanambady ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny niharan’ireo fahamarinana ao amin’io andininy io teo amin’ny safidy nataon’ireo tanora mikasika ireo namany?

Asaivo eritreretin’ireo mpianatra ireo toetra izay tian’izy ireo ho hita ao amin’ny vadiny any aoriana. Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo ka manana ireo toetra tsara ireo na tsia. Asaivo dinihin’izy ireo ny fomba mety ampiasany ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40 mba hiomanany tsaratsara kokoa ho amin’ny fanambadiana.

Marka 5:35–36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36

“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no andrandrainao amin’ny fanambadiana?

  • Inona ireo zavatra vitsivitsy izay mety hahatonga ny tanora hatahotra ny fanambadiana? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.)

Asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asaivo henoin’ny mpianatra rehetra ireo antony mahatonga ny tanora sasany hatahotra ny fanambadiana.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Amin’ny fitrangany ratsy indrindra [ireo tanora] dia matahotra hoe efa hifarana amin’ny rà mandriaka sy loza mahatsiravina izao tontolo izao —toe-javatra izay tsy tiany hiainan’ny vady na zanaka. Amin’ny fitrangany tsy dia ratsy loatra, izay mahazatra kokoa, dia matahotra izy ireo hoe hihasarotra kokoa ny fiainana eo amin’izao tontolo izao, ho sarotra ny mitady asa, ary tokony hahavita fianarana sy ho afa-trosa, hanana asa tsara sy trano ny olona iray alohan’ny hieritreretany fanambadiana. …

“Fanampin’izany, dia maro ireo tanora niresahako no matahotra fa raha manambady izy ireo dia hampitombo fotsiny ny antontanisan’ny fisaraham-panambadiana. … Atambaro amin’ilay fanimbazimbana tsisy fahalalam-pomba sy feno fahadalana ary indraindray aza asan-devoly mihitsy izay atao amin’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fanajana vady ary ny fiainam-pianakaviana izay asehon’ny horonantsary sy ny fahitalavitra ombieny ombieny izany tahotra momba ny fahombiazan’ny fanambadiana izany dia ho hitanareo hoe inona ilay olana” (“Be Not Afraid, Only Believe” [evening with Elder Jeffrey R. Holland, feb. 6, 2015], lds.org/broadcasts).

  • Firy aminareo no mahafantatra olona izay matahotra ny hanambady noho ny iray amin’ireo antony izay volazan’ny Loholona Holland?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 ka handinika ny fomba iantefan’ilay torohevitra nomen’ny ny Tompo an’i Oliver Cowdery amin’ny fiomanana amin’ny fanambadiana mandrakizay. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Marka 5:35–36. Hazavao fa i Jaïro, ilay mpanapaka ny synagoga, dia nankany amin’i Jesoa satria nantenainy fa hanasitrana ny zanany Izy. Asaivo eritreretin’ireo mpianatra ny fomba azo ampiharana ny fankaherezan’ny Mpamonjy an’i Jaïro amin’ireo izay miomana ny hanambady.

  • Nahoana no hanampy antsika ny mibanjina ny Tompo “amin’ny eritreritra rehetra” rehefa mieritreritra ny hoavintsika isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay torohevitra nomen’ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery sy Jaïro ireo olona izay matahotra ny hanambady? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy am-pinoana isika, dia afaka mandresy ny tahotra ary manana fahatokiana amin’ny hoavy.)

Zarao ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity: Asaivo henoin’ny mpianatra ny antony nahatonga ny Loholona sy ny Rahavavy Holland nila finoana mba hisafidy ny hanambady tamin’izy ireo nanao izany.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Tamin’izaho sy [Rahavavy Holland] nivady dia samy mbola mpianatra tao BYU izahay, ary tsy afaka nanampy anay ara-bola ny ray aman-dreninay, tsy azo nalaina sary an-tsaina ny fianarana ambony izay mbola niandry anay, ary tao anatin’izany toe-javatra izany izahay dia tsy nanana afa-tsy 300 dôlara tamin’ny andro nanambadianay! Mety tsy izay no fomba tsara indrindra hanombohana ny fanambadiana, kanefa nahafinaritra tokoa ilay fanambadiana ary maty antoka tokoa izahay raha niandry na dia andro iray monja aza rehefa nahafantatra izahay fa mety taminay ny nanambady. … Mampangovitra ahy ny mieritreritra hoe inona avy no ho very raha toa izahay ka naka ‘torohevitra avy aminny ny tahotray,’ araka ny nolazain’ny Filoha James E. Faust tamiko foana foana foana’ taty aoriana fa izaho ihany fa tsy ny olon-kafa no tokony hanao izany” (“Be Not Afraid, Only Believe” [Aza matahotra, Minoa fotsiny ihany]).

  • Inona no itovizan’ny toe-javatra niainan’ ny Loholona sy Rahavavy Holland amin’ny toe-javatra iainan’ny tanora maro ankehitriny?

  • Inona ny dikan’ny hoe maka torohevitra avy amin’ny tahotrao? Nahoana izany no fomba tsy mety handraisana fanapahan-kevitra?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity fijoroana ho vavolombelona sy fampanantenana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, aza matahotra. Matokia. Mamiratra toy ny finoanareo ny hoavy” (Thomas S. Monson, “Matokia,” Ensign na Liahona, mey 2009, 92).

  • Inona ny eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny hoavy rehefa misaintsaina io famporisihan’ny mpaminany io ianao?

Ampio ireo mpianatra handinika ny fomba mety ampiharan’izy ireo io ampahan’ny lesona io amin’ny fanasana azy ireo hieritreritra hoe manana tahotra ny hanambady izy ireo sa tsia. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba azon’izy ireo hanoloana ny tahotra momba ny hoavy amin’ny finoana ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9; 11:12–14

Mitady fitarihana avy amin’ Andriamanitra amin’ny fisafidianana izay olona ho vadiana.

Asehoy ity teny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity (1910–2008), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny fisafidianana izay olona hovadinao no ho fanapahan-kevitra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao. Tsy misy zavatra afaka manolo ny fanambadiana any amin’ny tempoly. … Manambadia ilay olona iray tena izy any amin’ilay toerana tena izy amin’ny fotoana mety indrindra hanaovana izany” (“Life’s Obligations,” Ensign, feb. 1999, 2).

  • Ahoana no ahafahanao mandray araka ny tokony izy izany fanapahan-kevitra manan-danja indrindra izany momba ny olona tokony ho vadiana?

Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Omeo ny mpianatra mandeha tsiroaroa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hiarahany mamaky: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9; 11:12–14. (Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ohatra maneho ny fiverimberenan’ny lohahevitra mikasika ny fomba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana, izay hita ao amin’ny fizarana maro amin’ny fiantombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. “Ireo lohahevitra dia mibahana sy miverimberina ary mampiray ireo toetra na hevitra” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patan’ny Brigham Young University, 4 feb. 2007), 6, speeches.byu.edu].)

Asaivo mieritreritra ity tantara namboarina ity ireo mpianatra rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy ireo: Alaivo sary an-tsaina hoe nampiaraka tamin’ny olona iray elaela ny namanao ary manatona anao izy haka torohevitra hoe tokony hanambady io olona io izy sa tsia. Inona no ho atoronao ilay namanao mba hataony?

Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ny mpianatra dia asao ny iray avy amin’ireo mpianatra mandeha tsiroaroa mba hanao toy ny hoe izy ilay namana izay nampiaraka. Angataho ilay mpianatra iray hafa namany hanazava ny fomba hanampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo io namana io mba handray fanapahan-kevitra. Rehefa vita io asa ampanaovina io, dia ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra ireto fitsipika manaraka ireto momba ny fandraisana fanapahan-kevitra: Tokony “handinika” fanapahan-kevitra iray ao an-tsaintsika isika, mandray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra azontsika raisina, ary avy eo dia mangataka amin’ Andriamanitra raha mety izany fanapahan-kevitra izany. Raha tonga ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika avy eo ny fiadanana sy fifaliana, dia fanapahan-kevitra tsara ilay izy. Antitrantero ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo isika rehefa mandray fanapahan-kevitra, dia hiteny an-tsaintsika Izy ary hameno ny fanahintsika amin’ny fiadanana sy fifaliana rehefa mety ny safidintsika.

  • Ahoana no nahafantaranao ny fahamarinan’ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana?

Angataho ireo mpianatra mba hieritreritra ny mety ho fihetsik’izy ireo manoloana izao tantara namboarina izao: manazava aminao ny olona nampiarahanao hoe nanaraka ireo dingan’ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo izy ka nahatsapa fa tokony hivady ianareo roa.

Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Efa nahare imbetsaka aho hoe nisy zatovolahy iray nilaza tamin’ny zatovovavy iray fa tokony hanambady azy izy satria naharay fanambarana izy fa tokony ho vadiny mandrakizay ilay zatovovavy. Raha fanambarana marina izany, dia hohamafisina avy hatrany amin’ilay vehivavy raha mikatsaka ny hahafantatra izy. Mandra-piandry izany, dia tsy voatery hanaraka ilay izy akory izy. Tokony hikatsaka ny fitarihana ho azy manokana izy ary manapaka hevitra. Ilay lehilahy dia afaka mandray fanambarana mba hitarika ny zavatra ataony, fa tsy afaka mandray araka ny tokony ho izy fanambarana hitarika ilay vehivavy izy. Tsy ao anaty fitandremany ilay vehivavy” (“Revelation” [Brigham Young University devotional, sept. 29, 1981], 6, speeches.byu.edu).

Mijoroa ho vavolombelona fa hahatsapa fiadanana ireo mpianatra rehefa miandrandra fanambadiana mandrakizay amim-pinoana izy ireo. Amporisiho izy ireo hampiasa ireo fitsipika izay noresahina tamin’ity lesona ity mba hiomanany amin’ilay fahafahana feno voninahitra ny hanao fanambadiana mandrakizay.

Vakitenin’ny Mpianatra