Seminera sy Institiota
Lesona 15: Fanambadiana Mandrakizay


Lesona 15

Fanambadiana Mandrakizay

Fampidirana

Ny fanambadiana mandrakizay dia manan-danja amin’ny fahazoana ny fisandratana ao amin’ny voninahitra avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, ary azo izany rehefa nofehezina amin’ny alalan’ny fahefana ara-dalàna any amin’ny tempoly ihany ka dia miaina araka ireo fanekempihavanana izay natao tamin’izay fotoana izay avy eo. Ity lesona ity dia hanamafy indray amin’ny mpianatra fa ny fanambadiana ilay olona tena izy ao amin’ny toerana tena izy sy amin’ny alalan’ny fahefana tena izy no fanapahan-kevitra manan-danja indrindra ho ataon’izy ireo.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “Fanambadiana selestialy,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 92–95.

  • “Honorable, Happy, Successful Marriage,” Toko faha 18 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 189–201.

  • Cree-L Kofford, “Marriage in the Lord’s Way, Part One,” Ensign, Jona 1998, 7–12.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–24

Ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay

Hazavao fa ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay dia efa nampianarina hatramin’ireo andro voalohany niandohan’ny Fiangonana. Tsy nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny rehetra anefa ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay raha tsy tamin’ny vanim-potoana tao Nauvoo. Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Parley P. Pratt (1807–57) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay mamariparitra ny fahatsapany rehefa sambany nianatra izy fa afaka ny haharitra mandrakizay ny fanambadiana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Parley P. Pratt

“Avy tamin’i [Joseph Smith] no nianarako fa ny vady andefimandriko dia afaka ny ankinina amiko mandritra ny fotoana sy ny mandrakizay manontolo. … Avy taminy no nianarako fa afaka mikolokolo ireny fitiavana ireny isika ka hihalehibe sy hitombo ao anatin’izany hatramin’ny mandrakizay manontolo; raha toa ka taranaka betsaka tahaka ny kintan’ny lanitra, na ny fasiky ny tora-pasika no vokatry ny fiarahanay tsy misy fiafarana. … Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Saingy ankehitriny aho dia nitia—tamin’ny fahadiovana tsy misy pentina—tamin’ny halehibeazan’ny fahatsapana avo sy nasandratra” (Tantaram-piainan’i Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98).

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakarana vaovao momba ny fanambadiana nananan’ny Loholona Pratt tamin’ireo fahatsapana nananany ho an’ny vadiny?

Hazavao fa hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 ny ankamaroan’ireo fampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana mandrakizay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fepetra tsy maintsy tratra mba hahatonga ny fanambadiana ho mandrakizay.

  • Inona avy ireo fepetra tsy maintsy vita mba hahatonga ny fanambadiana ho mandrakizay? (Tokony hahatakatra izao manaraka izao ny mpianatra: Mandrakizay ny fanambadiana ho an’ireo izay natao fanambadiana araka ny tenin’ Andriamanitra, sy ireo izay nofehezina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny fanambadiany, ary ireo izay mijanona ao amin’ny fanekempihavanana.)

  • Inona no dikan’ny hoe: “mijanona ao amin’ny fanekempihavanana”? (Mitandrina ireo fifanarahana sy fepetran’ny fanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana. Rehefa miditra ao amin’ny fanambadiana mandrakizay ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia manao fampanantenana amin’izy samy izy sy amin’ Andriamanitra izy ireo. Mampanantena izy ireo, amin’ilay vady, fa tsy hitsahatra ny hitia sy hanompo azy amin’ny fahatokiana tanteraka. Mampanantena marina amin’ Andriamanitra izy ireo fa hitandrina ireo fifanarahana sy fepetran’ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly.)

  • Inona no dikan’ny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana” ny fanambadiana iray? (Azonao atao ny manazava fa anisan’ireo anarana fiantsoana ny Fanahy Masina ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana. Manana anarana fiantsoana maro ny Fanahy Masina ka anisan’izany ny Mpampionona na Mpanambara. Milaza ny iray amin’ireo andraikiny manokana na ny asany ny tsirairay amin’ireny anarana fiantsoana azy ireny.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny anarana fiantsoana hoe Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia asehoy ity fanambarana manaraka ity ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany.

“Ny Fanahy Masina no ilay Fanahin’ny Fampanantenana (Asan’ny Apôstôly 2:33). Manamafy izy fa eken’ Andriamanitra ireo asa araka ny fahamarinana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana ataon’ny olona. Mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana fa ireo ôrdônansin’ny fanavotana dia notanterahana araka ny tokony ho izy ary voatandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izy ireo” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org).

  • Ahoana no hanazavan’izany fanambarana izany ny antony itakin’ny fisandratana mihoatra noho ny hoe nofehezina tany amin’ny tempoly? Inona ihany koa no tsy maintsy mitranga? (Tsy maintsy miaina fiainana araka ny fahamarinana isika sy mijanona ho mahatoky amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena rehetra, ka anisan’izany ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ireo fanendrena ho amin’ny fisoronana ary ireo ôrdônansin’ny tempoly. Rehefa mijanona ho mahatoky ihany isika vao mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray ny Fanahy Masina fa voatandrina ireo fanekempihavanana.)

Ampio ny mpianatra mba hahatakatra bebe kokoa ny fanambadiana mandrakizay amin’ny alalan’ny fampitahana izany amin’ny fanambadiana ara-panjakana ka ampiasao izao fanehoana an-tsary manaraka izao. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary ity:

Sary
fanehoana an-tsary ny fanambadiana

Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Asao ny mpianatra tsirairay ao amin’ny ekipa tsirairay mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–18 ary ny mpianatra hafa kosa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–24. Asao ny mpianatra mba handray an-tsoratra ireo teny sy andianteny izay mamariparitra ireo fepetra izay miandry an’ireo izay manao fanambadiana ara-panjakana sy ireo fitahiana izay miandry an’ireo izay manao fanambadiana mandrakizay.

Miangavia mpianatra hizara amin’ny hafa ny zavatra hitan’izy ireo rehefa avy nomena fotoana ampy. Manontania avy eo hoe:

  • Aorian’ny fahafatesana, ahoana no maha-samy hafa ny fepetra an’ireo izay manao fanambadiana ara-panjakana amin’ny an’ireo izay manao fanambadiana mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao ampiana ao amin’ilay fanehoana an-tsary eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Azonao atao ny milaza fa ireo fepetra voafaritra ao amin’ny andininy 20–24 dia mitovy amin’ireo fitahiana izay nampanantenaina ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama [jereo ny Genesisy 17:1–7; 22:17].)

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly izany fanontaniana izany dia zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Cree‑L Kofford ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Cree‑L Kofford

“Avy amin’ Andriamanitra ny fahefana amin’ireo fampanantenana ao amin’ny fanambadiana selestialy, ary ho avy amin’ Andriamanitra ihany koa ireo voka-dratsin’ny tsy fanajana ireo fampanantenana ireo. Ao amin’ny fanambadiana ara-panjakana, ny fahefana amin’ireo fampanantenana ifanaovan’ny mpivady dia ny fahamarinan-toetran’izy roa. Tsy mihoatra noho izany ilay izy. Tsy afaka ny hihoatra mihitsy. Avy amin’ny olombelona fa tsy avy amin’ Andriamanitra ny fahefan’izany” (“Marriage in the Lord’s Way, Part One,” Ensign, jona 1998, 9).

  • Inona no ao anatin’ny eritreritrareo rehefa mampitaha ireo fepetra voatanisa eny amin’ny solaitrabe ianao?

  • Inona ireo fitahiana izay tsikaritrao ao an-tokantranon’ireo izay nanao fanambadiana tany amin’ny tempoly ka miezaka miaina araka ny fanekempihavanan’izy ireo? Inona no hitanao fa ataon’ireo mpivady ireo mba hanajana ny fanekempihavanany? (Ho anisan’izao fifanakalozana hevitra izao dia azonao atao ny mizara izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fitopololahy : “Tsy misy karazana fifandraisana hafa afaka mitondra fifaliana lehibe toy izany, sy hiteraka zavatra tsara betsaka toy izany, na mamokatra fahatsaran’ny tena manokana lehibe toy izany” [“Fanambadiana: Mijere ary mianara,” Ensign na Liahona, mey 2013, 83].)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 ihany koa dia ahitana ny sasany amin’ireo toromarika avy amin’ny Tompo mikasika ny fampakaram-bady maro. Nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanatanteraka ny fampakaram-bady maro ho ampahany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:21; F&F 132:45). Nanatanteraka izany lalàna izany ny mpikamban’ny Fiangonana hatramin’ny taona 1890, rehefa nambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha Wilford Woodruff fa tsy takina amin’ny mpikamban’ny Fiangonana intsony ny manao izany. Mba hanazavana ny hevitry ny Fiangonana amin’izao fotoana izao mikasika ny fampakaram-bady maro dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910-2008):

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Raha toa ka misy amin’ireo mpikambana ao aminay hita manao fampakaram-bady maro dia roahina tsy ho mpikambana izy ireo, izay sazy henjana indrindra azon’ny Fiangonana omena. … Zato taona mihoatra lasa izay dia nambaran’ Andriamanitra mazava tamin’ny mpaminany Wilford Woodruff fa tokony hatsahatra ny fampakaram-bady maro, izay midika fa mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra izany ankehitriny. Na dia any amin’ireo firenena izay ekena ara-panjakana na ara-pivavahana aza ny fananana vady maro dia mampianatra ny Fiangonana fa tsy maintsy iray ihany ny vady ananana ary tsy ekena ho mpikambana ao aminy ireo izay mampaka-bady maro” (“What Are People Asking about Us?” Ensign, Nov. 1998, 71–72).

Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fampakaram-bady maro ny mpianatra dia asaivo mandeha ao amin’ny Gospel Topics, “Plural Marriage in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” lds.org/topics.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1-4

Ny maha-manan-danja ny fisafidianana ny fanambadiana mandrakizay

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4. Asao ny iray kilasy hitady ny antony maha-manan-danja ny manambady araka ny fomba izay navoakan’ny Tompo ho antsika.

  • Inona no fitahiana izay miandry ireo izay miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra izao fitsipika izao: Rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika dia afaka ny ho asandratra ao amin’ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Hazavao fa ato anatin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe vaovao dia midika fa vao naverina tamin’ny laoniny tato amin’ny fotoampitantanana misy antsika izany fanekempihavanana izany. Ny andian-teny hoe maharitra mandrakizay dia midika fa haharitra mandritra ny mandrakizay izany fanekempihavanana izany ary efa voatendry tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ho ampahan’ny drafitry ny famonjena izany. Ampahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hatramin’ny andron’i Adama izany. Mikasika ilay teny hoe fitomboana, nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ireo izany mahazo ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy dia “hitohy hitombo sy hanana zanaka ao amin’ny voninahitra selestialy” [ao amin’ny History of the Church, 5:391].)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny [famonjena] dia midika hoe voavonjy amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. … Ny [fisandratana] dia milaza ny toetry ny fahasambarana ambony indrindra ary ny voninahitra ao amin’ny tontolo selestialy” (“Salvation and Exaltation,” Ensign na Liahona, mey 2008, 8).

“Raha toa ka mikasika ny tena manokana ny famonjena, ny fisandratana kosa dia mikasika ny fianakaviana. Ireo izao manambady any amin’ny tempoly sy ireo izay voafehin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany ny fanambadiany no hitohy ho mpivady aorian’ny fahafatesana sy handray ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy” (“Fanambadiana selestialy,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92).

  • Nahoana no tena manan-danja ny fanambadiana mandrakizay? (Rehefa mamaly ny mpianatra, sy araka ny fitarihan’ny Fanahy, dia azonao atao ny manamafy ilay fironana mandringana amin’ny tontolo ankehitriny izay hisafidianan’ny olona ny tsy hanambady satria manome lanja loatra ny zavatra toy ny asa mihoatra noho ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra ho azy izy ireo. Rehefa mandà ny fanambadiana izy ireo dia manakana ireo fitahiana tian’ Andriamanitra omena azy ireo ankehitriny sy amin’ny mandrakizay.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manome fahafahana ho an’ny mpivady mba hahita fahasambarana lehibe kokoa ny fanambadiana any amin’ny tempoly mihoatra noho ny fanambadiana ara-panjakana na ny fiarahana mipetraka kanefa tsy natao fanambadiana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny Olomasina rehetra dia hahazo ny fitahian’ny fanambadiana mandrakizay any aoriana any raha mbola tsy manova ny fitsipika iainany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) ity:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Tsy misy fitahiana, ka anisan’izany ny an’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana mandrakizay, izay tsy homena izay olona tsirairay mendrika. Mety haka fotoana elaela izany—angamba any ankoatran’ity fiainana an-tany ity aza—mba hahatanteraka izany fitahiana izany ho an’ny sasany, fa tsy ho lavina izany” “The Church Is for All People,” Ensign, jona 1989, 76.)

  • Firy aminareo no mahafantatra olona izay maniry ny hanambady any amin’ny tempoly kanefa tsy nanana izany fahafahana izany? Ahoana no mety hanampian’ilay fampanantenana nataon’ny Filoha Hunter an’ireo olona ireo?

Farano amin’ny fanasana ny mpianatra mba hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

  • Inona ireo fanapahan-kevitra ataoko izay hitarika ahy mba ho fehezina any amin’ny tempoly?

  • Inona ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainako izay mitaky fanovana na fivoarana mba hahafahako ho vonona ny hofehezina any amin’ny tempoly?

Asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra ho ataony mba hiomanana amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataony rehefa nofehezina tany amin’ny tempoly ny mpivady dia hiaraka mandrakizay izy ireo. Zarao ny maha-fitahiana izany fahalalana izany eo amin’ny fiainanao.

Vakitenin’ny Mpianatra