Seminera sy Institiota
Lesona 2: Manambara amim-boninahitra ireo Mpaminany sy Apôstôly


Lesona 2

Manambara amim-boninahitra ireo Mpaminany sy Apôstôly

Fampidirana

“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia manomboka amin’izao teny izao: “Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra …” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ireo mpaminany amin’ny fotoam-pitantanana rehetra dia manana andraikitra hanambara ny sitrapon’ny Tompo sy hampitandrina ny amin’ny vokatry ny fahotana. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ireo mpaminany noho izy ireo mpitily izay mampitandrina antsika.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ezekiela 33:1–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–5, 11, 14

Ireo mpitily eo amin’ny tilikambo

Sary
tilikambo

Asehoy an’ireo mpianatra ny sary iray maneho tilikambo, ary anontanio izy ireo raha toa ka afaka mahita ilay tilikambo ao amin’ilay sary. Hazavao fa ilay tilikambo dia alaina tahaka avy amin’ny tilikambo taloha. (Fomba iray hafa azonao hitondrana azy koa, raha misy amin’ny fiteninao, ny mandefa ny iray minitra voalohany amin’ilay horonantsary “Watchman on the Tower,” lds.org/media-library.) Anontanio ireo mpianatra hoe karazana zavatra inona no mety hotadiavin’ny mpitily ary nahoana no zava-dehibe amin’izy ireny ny manatanteraka ny andraikiny.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Ezekiela 33:1–3 ka hitady andraikitra iray sahanin’ny mpitily .

  • Inona no anjara asan’ny mpitily? (Mampitandrina ny olona amin’ny loza manambana.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Ezekiela 33:4–7.

  • Inona no andraikitra nomen’ny Tompo an’i Ezekiela ?

  • Inona no hitovian’ny mpaminany amin’ny mpitily eo amin’ny tilikambo? (Mety hanampy ireo mpianatra ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–5, 11, 14 mba hahatakarany fa ireo mpaminany maoderina dia manao ny asan’ny mpitily. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny Ezekiela 33:4–7. Hazavao fa ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa, “Amin’ny maha Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo anay, dia andraikitray ny ho lasa mpitily eo amin’ny tilikambo” [“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 62].)

Mijoroa ho vavolombelona momba ity fotopampianarana manaraka ity: Niantso mpaminany amin’ny andro farany ny Ray any An-danitra mba hampitandrina antsika amin’ny loza manambana.

Mba hanamafisana io fotopampianarana io, dia asehoy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Toa tsy manam-pahataperana ny fanirian’ny Mpamonjy hitarika antsika ho any amin’ny toerana azo antoka. Ary tsy misy fiovana ny fomba fanehoany ilay lalana. Miantso amin’ny fomba mihoatra ny iray Izy mba hahatongavan’izany any amin’ireo izay vonona hanaiky izany. Ary tafiditra mandrakariva ao anatin’ireo fomba ireo ny fandefasana hafatra amin’ny alalan’ny vavan’ireo mpaminaniny isaky ny mendrika ny hanana mpaminanin’Andriamanitra eo anivony ny olona. Omena andraikitra hampitandrina ny olona hatrany ireo mpanompo nahazo lalana ireo mba hilaza amin’izy ireo ny lalana mankany amin’ny toerana azo antoka” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 24).

  • Oviana ianao no nahatsapa fa voaro noho ny fanarahanao ny torohevitry ny mpaminany?

  • Inona no torohevitra efa renao tamin’ny apôstôly sy mpaminany maoderina izay afaka mitondra fiarovana ara-panahy ho an’ny fianakaviana?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha feon’ny fampitandremana avy amin’ny Ray any An-danitra ilay fanambarana momba ny fianakaviana?

Amosa 3:6–7

Manampy antsika hahatakatra ny fomba fijerin’ny Tompo ny fianakaviana ireo mpaminany sy apôstôly.

Zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asao ireo mpianatra hitady ireo fomba izay mahatonga ireo mpaminany hahafantatra ireo loza misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Reko fa ny olona sasany dia mihevitra fa miaina ao anatin’ny ‘tontolo iray tsy mifandray amin’izao tontolo izao’ ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ny zavatra adinon’izy ireo dia ny hoe lehilahy sy vehivavy manana traikefa maro izahay, efa niaina tany amin’ny toerana maro samihafa, ary niara-niasa tamin’ny olona maro samy hafa fiaviana. Ireo asa ampanaovina anay amin’izao fotoana izao dia tena mahatonga anay hitety an’izao tontolo izao tokoa, izay hihaonanay amin’ireo mpitondra eo amin’ny sehatry ny pôlitika, sy ny fivavahana, sy ny raharaham-barotra, ary ny fanampiana olona manerana izao tontolo izao. Na dia nitsidika [ireo mpitondra tao amin’ny] Maison Blanche ao Washington, D.C. sy ireo mpitondra firenena sy mpitondra fivavahana manerana izao tontolo izao aza izahay, dia notsidihinay ihany koa ireo [fianakaviana sy vahoaka] sahirana indrindra eto ambony tany. …

“Rehefa mieritreritra amim-pisainana tsara ny fiainanay sy ny asa fanompoanay ianareo dia mety tena hanaiky fa mahita an’izao tontolo izao sy miaina ao anatin’izany izahay amin’ny fomba izay hiainan’ny olom-bitsy hafa an’izany. …

“… Kanefa dia misy zavatra mahakasika ny fahendren’ny tsirairay sy ny fahendrena iraisan’ireo [mpitarika ny Fiangonana] izay tokony hahazoana toky. Efa niaina zavatra maro tokoa izahay, ao anatin’izany ny vokatry ny lalàna sy ny fitsipika eo anivon’ny fanjakana, ny fahadisoam-panantenana, ireo loza, ary ireo fahafatesana eo anivon’ny fianakavianay tsirairay avy. Takatray ny zava-miseho eo amin’ny fiainanareo.” (“Mijanòna ao anaty sambo dia mamikìra!” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 90.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny zavatra marobe niainan’ireo mpitarika ny Fiangonana ho lasa fanampiana ho azy ireo amin’ny anjara asa maha-mpitily azy?

Hazavao fa ireo mpaminany dia afaka mahazo zavatra manan-danja lavitra noho ny traikefa eo amin’ny fiainana mba hanampy azy ireo hanatanteraka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Amosa 3:6–7. Lazao amin’ireo mpianatra fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia nanova ny teny hoe “nahatonga” ho lasa hoe “nahafantatra” ao amin’ny andininy 6 sy ny teny hoe “raha tsy” ho lasa “raha tsy efa” ao amin’ny andininy 7 . Mety ho fotoana tena mety aminao ity fifanakalozan-kevitra ity mba hamporisihana ireo mpianatra hampiasa ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy mandritra ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.

  • Inona no zavatra ampianarin’ny Amosa 3:6–7 momba ny mpaminany?

Zarao amin’ireo mpianatra ity famaritana manaraka ity: Ny mpaminany dia “olona izay nantsoin’Andriamanitra sy miteny ho Azy. Mandray didy, faminaniana ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny maha-mpitondra hafatr’Andriamanitra azy. … Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany,” scriptures.lds.org).

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity Kisary manaraka ity:

Sary
Kisary maneho ny fomba fijery

Omeo fotoana fohy ireo mpianatra hisaintsainana sy hifanakalozana hevitra momba ilay kisary. Azonao atao ny manazava fa ilay kisary dia maneho ny fomba mahatafiditra ny fiainana talohan’ny fahaterahana sy ny fiainana ety an-tany ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana ao anatin’ny fijerin’Andriamanitra ny fianakaviana. Amin’ny alalan’ny fanambarana dia mandray fomba fijery mivelatra kokoa ireo mpaminany, ary izy ireo kosa indray dia manampy antsika hampitombo ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’io kisary io ny antony mety hilazana fa hendry isika raha mandalina ny fanambarana momba ny fianakaviana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Afaka mianatra ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra ny fianakaviana isika amin’ny fandalinana ny fanambarana momba ny fianakaviana.)

Asaivo avoakan’ireo mpianatra ny tahadikan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” any aminy. Antitrantero ilay andian-teny voalohany hoe: “Izahay Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra. …” Omeo minitra vitsy ireo mpianatra handinihana ilay fanambarana momba ny fianakaviana, ka hitady porofo izay maneho fa ny fomba fijerin’Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy mitovy amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany, ary tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1-5

Ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia hahatonga antsika hijanona ho voaro.

Asao ny mpianatra handinika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–3 mba hahitana izay nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Inona no nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith? (Ny fanalahidin’ny fanjakana izay maneho ny zon’ny fiadidiana, na ny fahefana hitantanana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.)

  • Iza no mihazona ireo fanalahidy ireo ankehitriny? (Ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa azon’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Mpaminany. (Nilaza ny Tompo fa ny Fiangonana dia handray “fanambarana.”) “ ”

  • Inona no fampitandremana izay nomen’ny Tompo ny Olomasina ao amin’ny andininy 5?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’izany fampitandremana izany? (Tokony haneho ny fahatakarana ity fitsipika manaraka ity ny valinteny: Raha toa ka hamaivanintsika ireo fanambarana omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia ho solafaka sy hianjera isika. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izanyeny amin’ny solaitrabe .)

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Rahavavy Carol F. McConkie ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy manerantany sy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Carol F. McConkie

© Busath.com

“Afaka misafidy ny tsy hiraharaha na hanamaivana na hanambany na hanohitra ny tenin’i Kristy ambaran’ireo mpanompo voatendriny isika. Saingy nampianatra ny Mpamonjy fa ireo izay manao izany dia hoesorina tsy ho eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanany [jereo 3 Nefia 20:23]” (Carol F. McConkie, “Miaina araka ny Tenin’ireo Mpaminany,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 79).

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Hitako taratra nandritra ny asa fanompoana nataoko fa ireo izay nivily lalana [sy] very hevitra dia mazàna no ireo izay matetika no … nanadino fa rehefa miteny ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka miray feo dia feon’ny Tompo izany amin’io fotoana io. Mampahatsiahy antsika ny Tompo hoe: ‘Na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany’ [F&F 1:38]” (M. Russell Ballard, “Mijanòna ao anaty Sambo dia Mamikira!” 90).

  • Inona no mety ho famantarana vitsivitsy maneho fa ny olona iray dia manamaivana ny torohevitra ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana?

  • Inona no fitahiana efa noraisinao na norasin’ny hafa noho ny fitandremana ny torohevitra ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana?

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny mpaminany amin’ny andro farany izay azonao zaraina amin’ny mpianatra?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanambarana momba ny fianakaviana dia fanambarana nentanim-panahy avy amin’ny firaisam-peon’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara dimy ambin’ny folo. Amporisiho ireo mpianatra hanararaotra mandritra ity fandaharam-pianarana ity hivavaka mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona lalindalina kokoa ny amin’ireo fahamarinana hita ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana.

Vakitenin’ny Mpianatra