Seminera sy Institiota
Lesona 27: Fampitandremana avy amin’ireo mpaminany mikasika ny fianakaviana


Lesona 27

Fampitandremana avy amin’ireo mpaminany mikasika ny fianakaviana

Fampidirana

Ireo mpaminany maoderina dia efa nampitandrina fa “ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Ity lesona ity dia manamafy fa ireo fianakaviana izay mankatò ny didin’ Andriamanitra dia ho voaro. Ampanantenaina ireo ray aman-dreny marina ny hery ara-panahy mba hanampy azy ireo hanabe ireo zanany amin’ny andro farany.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Timoty 3:1–7, 13

Rehefa atao tsinontsinona ny fianakaviana dia ho tonga ireo voka-dratsy

Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ohatra amin’ireo toe-javatra na toerana izay antenain’ny olona iray mba hahitana fampitandremana izay mibaribary eny rehetra eny (ohatra mety ho hita amin’izany ireo jiro telo loko ho an’ny fifamoivoizana, amin’ny tavoahangim-panafody, amin’ireo fitoeran-javatra ahitana zavatra mampidi-doza ao anatiny.)

  • Inona ireo vokany sasany azo heverina fa ateraky ny fanaovana tsinontsinona ireo fampitandremana ireo?

  • Inona avy ireo fampitandremana sasantsasany izay efa nomen’ireo mpaminany momba ireo zavatra mampidi-doza amin’ny ara-batana sy ny ara-panahy izay misy amin’izao androntsika izao?

Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 3:1–7 sy 13 raha hitady ireo zavatra mampidi-doza izay nampitandreman’ny Apôstôly Paoly fa hisy amin’ny andro farany ny iray kilasy.

  • Inona amin’ireo zavatra mampidi-doza ireo izay faritan’i Paoly no efa hitanareo na renareo?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo zavatra mampidi-doza ireo amin’ny tsirairay na amin’ny fanambadiana na amin’ny fianakavina?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo antony mahatonga an’i Satana mifantoka mafy amin’ny fanimbana ny fianakaviana.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Noho ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana eo amin’ny drafitra mandrakizain’ny fahasambarana dia manao ireo ezaka rehetra i Satana mba hanimbana ny hasin’ny fianakaviana, hampidinana ny lanjan’ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy, handrisihana amin’ny tsy fahadiovana ara-pitondrantena sy ny fandikana ny lalàna masin’ny fahadiovam-pitondrantena ary hanakivina ireo ray aman-dreny tsy hanao lohalaharana ambony indrindra ny fiterahana sy ny fanabeazana ireo zanaka.

”Fototra tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjena ny fianakaviana tsy mivaky izay nanambaran’ Andriamanitra fampitandremana fa “ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny” (“Ny Fianakaviana Mandrakizay,” Ensign, Nôvambra. 1996, 65).

Hamafiso ireto fitsipika manaraka ireto: “Ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ity fampitandremana ity dia avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Faharavan’ny fianakaviana

Vokany

Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo porofo hitan’izy ireo momba ny “faharavan’ny fianakaviana” izay mitranga manerana izao tontolo izao. (Mety ho hita ao anatin’izany ireto manaraka ireto: fitomboan’ny fisaraham-panambadiana, fanalan-jaza, fanararaotana, fahavitsian’ny fanambadiana sy ny zaza ateraky ny mpivady ara-dalàna ary ireo fikorontanana maro izay misy ao amin’ireo fianakaviana.) Asao izy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo porofo eo ambanin’ilay lohahevitra hoe “Ny faharavan’ny fianakaviana.”

Asao ireo mpianatra hieritreritra ohatra amin’ireo vokatra miseho amin’ny tsirairay na amin’ny fiaraha-monina izay mety ho tonga noho ny faharavan’ny fianakaviana Mety ho hita ao anatin’izany ireto manaraka ireto: fahaverezan’ny Fanahy, alahelo sy tsy fifaliana, fiakaran’ny tahan’ny herisetra, sy fahaverezan’ny fiadanana sy ny firindrana eo amin’ny fiaraha-monina. Asao izy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo ohatra eo ambanin’ilay lohahevitra hoe “vokany.”

Ary avy eo dia anontanio izao manaraka izao:

  • Ahoana no ahafahan’ny fifikirana amin’ireo Fotopampianarana hita ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ireo hanampy ny tsirairay, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina sy ny firenena hisoroka ireo voka-dratsy ireo?

1 Nefia 14:14–17; 22:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–28

Misy ny fanantenana ho an’ny fianakaviana.

Hazavao amin’ny mpianatra fa na dia eo aza ny faharatsiana izay mirongatra amin’izao fotoana izao dia tsy mbola tara mihitsy ny manao izay hampatanjaka ny fianakaviana. Izy ireo dia afaka mampisy fiovana tsara eo amin’ny fianakaviana na ny paroasy na ny sampana na ny fiaraha-monina misy azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa misy ny fanantenana ho an’ny tsirairay sy ho an’ireo fianakaviana izay mitandrina ny didin’ny Tompo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–28 ary hitady ireo zavatra azontsika atao mba hialana amin’ny famalian’ny Tompo sy ireo voka-dratsy ateraky ny ota. (Hazavao tsara fa ao amin’ireo andalana ireo ny hoe Ziona dia manondro Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.) Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny hoe raha isaky ny miseho ao anatin’ireo andininy ireo izany. (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fanavahana ny antony-vokany na ny raha izao/dia izao dia fahaizana mandalina soratra masina tena manampy betsaka.)

  • Ahoana no hamintinanao ireo andininy ireo amin’ny filazana tsotra ny fitsipika iray? (Tokony hahitana taratra ireto fitsipika manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra: Raha toa ka mankatò ny didy rehetra isika dia afaka handray ireo fitahiana lehibe sy ho afaka amin’ny famalian’ny Tompo.)

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Tsy milaza isika fa ireo olomasina rehetra dia ho voatsimbina sy ho voavotra amin’ny andron’ny fandravana lehibe. Fa milaza kosa isika fa tsy misy ny fampanantenana amin’ny fialofana sy ny fampanantenana amin’ny fiarovana afa-tsy ho an’ireo izay tia ny Tompo sy mikatsaka ny hanao izay rehetra andidiany. …

“Ary noho izany dia manandratra ny feo fampitandremana isika ka milaza hoe: Mampandria sofina; miomàna; mitandrema sy mivonòna. Tsy misy fomba hafa ahitana fiarovana ankoatra ny làlan’ny fankatoavana sy ny fanarahana ireo fenitra misy ary ny fahamarinana.

“Fa izao no lazain’ny Tompo: ‘Ny antambon’ ny Tompo dia hianjady na alina na andro, ary ny tatitra momba izany dia hampahory ny olon-drehetra; eny, ary tsy hatsahatra izany ambara-piavin’ ny Tompo; …

“‘Kanefa i Ziona dia ho afaka amin’izany raha toa izy ka manatanteraka ny zavatra rehetra nandidiako azy’ [F&F 97:23, 25]” (“Stand Independent above All Other Creatures,” Ensign, Mey 1979, 93–94).

  • Ahoana no fomba mety hanampian’ity fanambarana ity ny fianakaviana iray hanana zotom-po hankatò ny didin’ny Tompo?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nahita fahitana vitsivitsy mikasika ny andro farany i Nefia. Tao amin’ireo fahitana ireo dia nahita izy fa ho voaro ireo marina.

Asao ny mpianatra hamaky ao amin’ny 1 Nefia 14:14–17 sy ny 22:16–17, ka hitady ireo fomba hiarovana ireo Olomasina. (Fanamarihana: Ireo andalana ireo dia mampisongadina ny lohahevitra mateti-pitranga ao amin’ny soratra masina fa ny fankatoavana dia mitondra fampanantenana amin’ny fiarovana avy amin’ny Tompo. Ny Loholona David A Bednar dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fikarohana ireo “fifandraisana, maodely, sy lohahevitra” misy ao amin’ny soratra masina [“A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patana ho an’ny tanora nataon’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 4 Feb 2007), 3, lds.org/media-library]. Ity lohahevitra na maodely ity dia hita matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ahoana no hanomezan’ireo teny nosoratan’i Nefia ireo anao fanantenana?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra hihaino ireo fitahiana izay homena ireo ray aman-dreny mahatoky amin’ny andro farany:

Sary
Loholona Bruce D. Porter

“Na inona na inona mety ho avoakan’ny ampitso, Andriamanitra dia efa nanendry fa ireo ray aman-dreny ao amin’ny Fiangonana dia homena hery mba hanampy hanavotana ny zanak’izy ireo amin’ny fahamaizinana manodidina azy ireo amin’ny fotoam-pitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. Ny fon’ny ray sy ny an’ny reny rehefa hitodika amin’ny fon’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka hitodika amin’ny fon’ny ray aman-dreniny, aoriana kely dia ho vavolombelona isika fa nanangana taranaka iray izay voadio sy voaomana hihaona amin’ny Mpamonjy amin’ny fiaviany. Ny fandresen’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany dia fandresena tsy an’ny Fiangonana ihany amin’ny maha fikambanana azy, fa an’ny arivony maro amin’ireo fianakaviana tsirairay izay efa nandresy izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny finoana” (“Fiarovana ny fianakaviana ao anatin’ny tontolo mikorontana,” Ensign, Jona 2011, 18).

  • Inona ireo fitahiana ampanantenaina ireo ray aman-dreny izay mikatsaka ny mitaiza ny zanany ao amin’ny fahamarinana amin’ity fotoam-pitantanana ity?

  • Ahoana no efa nahitanao ny Tompo nanome hery ireo ray aman-dreny tamin’ny ezak’izy ireo hampahatanjaka sy hiaro ny zanany amin’ny fahamaizinan’izao tontolo izao?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra misarika na ny hery izay miezaka ny handrava ny fianakavian’izy ireo sy ny fomba ataon’i Satana mba hanakanana azy ireo amin’ny ezaka izay mifantoka amin’ny fananan’izy ireo ny fianakaviany manokana amin’ny hoavy. Ankaherezo ny mpianatra handinika ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hahazoana ny fanampian’ny Tompo mba hampatanjahana azy ireo sy hiaro ny fianakaviany.

Vakitenin’ny Mpianatra