2019
Nanompo sy nihaona ary nanazava ireo Rahavavy
Mey 2019


Nanompo sy nihaona ary nanazava ireo Rahavavy

Ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia niresaka mikasika ireo fandaharan’asa fanampiana olona izay an’ny Fiangonana toy ny rano fisotro madio, ny fikarakarana ny zaza vao teraka, ny vaksiny ary koa ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana sy ny fandaharan’asa fianarana mamaky teny sy manoratra rehefa nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana izy ireo ary nanompo ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Ghana, Nigéria, ary Côte d’Ivoire.

“Ny tanjon’ny fitsidihanay dia ny hihaona amin’ireo Olomasina, hanome fampianarana vitsivitsy an’ireo rahavavy, hihaino ny olan’izy ireo, hahatsapa ny ao am-pon’izy ireo ary hamela azy ireo hahafantatra fa tianay izy ireo,” hoy ny Rahavavy Bingham.

Nanao fivoriana fampaherezam-panahy niaraka tamin’ireo misiônera tany amin’ny Misiônan’i Accra Atsimo Ghana ny Rahavavy Bingham sy ny Rahavavy Cordon. Nihaona tamin’ireo mpikambana maro tany an-tokantranony koa izy ireo. Nandray anjara tao anatin’ny fandaharan’asa fakan-tahaka mikasika ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ny Rahavavy Bingham, izay mampianatra ny olona hamaky teny sady mampianatra azy ireo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary izy mirahavavy dia samy nandray anjara tao anatin’ny fanofanana mpitarika izay nampitaina mivantana, ka niainga avy tany Accra ary niely tany amin’ny toeram-piangonana mihoatra ny 100 tany Afrika Andrefana izany. Nihaona tamin’ny vadin’ny filoham-pirenena tany Ghana izy ireo sy ny Sekretera maharitry ny Ministera misahana ny momba ny vehivavy sy ny fanalefahana ny fahantrana tao amin’ny governemantan’i faritanin’i Lagos tany Nigéria.

Rehefa avy nihaona tamin’ireo rahavavy tany Côte d’Ivoire, dia hoy ny Rahavavy Cordon hoe: “Mahatalanjona ahy ny fahatokian’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fahatakaran’izy ireo ny momba Azy sy hoe iza Izy ary inona no azony atao eo amin’ny fiainan’izy ireo.” Nilaza izy fa rehefa niresaka momba ny fananana tempoly iray ao Abidjan izy dia latsa-dranomasom-pifaliana ny rahavavy iray. “Nandao ny toerana niaraka tamin’ny fomba fijery Afrikanina izahay,” hoy Rahavavy Cordon. “Nandao ny toerana niaraka tamin’ny fitiavana vaovao izahay.”

Ny Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany dia nanolotra vola voangona tamin’ny alalan’ny fanentanana natao tamin’ny alalan’ny Hazavao izao tontolo izao tany amin’ny biraon’ireo fikambanana mpanao asa soa maro tany Manhattan, New York, Etazonia. “Maneho fanajana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izahay amin’ny alalan’ny asa fanompoana,” hoy ny Rahavavy Jones ary nilaza izy fa tena nahavariana ny nahita ny zavatra nitranga “rehefa fantatry ny olona ny fotoana tsara ahafahana manome.”

Tany Salt Lake City, Utah, Etazonia, ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanolotra ny vola voangona avy tamin’ilay “masinina mpanome” an’ny Hazavao izao tontolo izao tany amin’ny foibe mpanome sakafo maimaim-poana iray, sy tany amin’ny fikambanana mpanao asa soa izay mikarakara ny mason’ny ankizy ary tany amin’ny foibe iray ho an’ny mpitsoa-ponenana. Izany dia vola teo amin’ny 2.3 tapitrisa dôlara voangona tamin’ireo masinina tany Arizona, New York, sy Utah, Etazonia, ary tany Londres, Angleterre, sy Manille, Philippines, ary naparitaka tany amin’ireo fikambanana mpanao asa soa maneran-tany.