2019
Jorge M. Alvarado
Mey 2019


Loholona Jorge M. Alvarado

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Jorge M. Alvarado

Tamin’ny 1977 dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Porto Rico i Miguel sy i Iris Alvarado niaraka tamin’i Jorge zanany lahy enin-taona. Natao batisa i Jorge kely roa taona taorian’izany ary nanatrika tsy tapaka ny fivoriam-piangonana isaky ny Sabata.

“Saingy niseho fony aho 16 taona ny fiovam-poko manokana,” hoy ity Fitopololahy Manampahefana Ambony vao nantsoina ity.

Nanomboka nihazona ny toeran’ny filohan’ny kilasin’ny seminera izy tany amin’ny lisea tao Ponce, ilay tananany. Nandalina ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra tamin’izany taona izany. Nanosika azy handinin-tena ilay andraikiny vaovao.

“Tsy maintsy nanontany ny tenako aho hoe: -Moa ve fantatro tokoa fa marina ny Bokin’i Môrmôna?- Ahoana no ahafahako ho filohan’ny kilasin’ny seminera raha toa ka tsy fantatro akory raha marina ilay boky?”

Nalainy ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izay azy manokana ary vao voalohany tamin’izay no namakiany izany tamim-pahamatorana.

“Nandohalika aho ary nivavaka, dia fantatro tamin’izay fa marina izany,” hoy izy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitoetra ho mpitarika tena manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Loholona Alvarado.

Tamin’izy misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Tampa Floride, dia nizara mikasika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny olona rehetra nampianariny izy. Taty aoriana dia nandalina ilay boky niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany telo izy. Fony izy filohan’ny Misiônan’i San Juan Porto Rico, dia nampanao fanamby ireo misiônerany izy mba hitia sy hizara ny Bokin’i Môrmôna.

Ankehitriny amin’ny maha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy, dia mbola mazoto manasa ny hafa hahita ireo fahamarinana manova fiainana ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna foana ny Loholona Alvarado.

I Jorge Miguel Alvarado Pazo dia teraka tamin’ny 21 nôvambra 1970. Nanambady an’i Cari Lu Rios tany amin’ny Tempolin’i Washington D.C. izy tamin’ny 19 desambra 1992.

Taorian’ny fianarana mikasika ny fitantanan-draharaha tany amin’ny oniversiten’i Porto Rico, dia niasa toy ny mpitantan-draharaha tany amin’ny orinasa maro tany Porto Rico sy tany Etazonia izy. Ny vao haingana indrindra dia ny niasany tao amin’ny foiben’ny Fiangonana tany Salt Lake City ka mpitantana maneran-tany ny sampana misahana ny fizakan-tena izy.

Ny Loholona Alvarado dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny tsatòka, filankevitra avo, filohan’ny sampana ary mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy.