2019
Loholona L. Todd Budge
Mey 2019


Loholona L. Todd Budge

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona L. Todd Budge

Fony i Todd Budge tovolahy kely dia nampianatra azy ny fomba hikatsahana ny sitrapon’ny Tompo ny ray aman-dreniny. Nandritra ny fiainany dia niezaka nampihatra izany fomba izany tao anatin’ny fanapahan-kevitra rehetra noraisiny izy.

Taona maro taty aoriana, rehefa avy nanorina tokantrano iray nahitana zanaka dimy izy mivady, dia nahazo fahatsapana ara-panahy izy fa tokony hiala amin’ny asany teo amin’ny sehatry ny banky sy ny fandraharaham-bola izy. Nitaky fahafoizan-tena lehibe avy aminy ny hiasa any amin’ny sehatr’asa vaovao iray.

Taorin’ny ezaka sy fiomanana maro natao mba hiovana sehatr’asa dia nihaona tamin’ny olona iray manan-traikefa miavaka ny Loholona Budge mba hanome torohevitra azy. Nanoro hevitra ny Loholona Budge io olona io mba hijanona hiasa eo amin’ny sehatry ny banky ihany ary nampahatsiahy azy fa hanana tombontsoa maro hanoro hevitra sy hanampy olona izy. “Mila olona mahitsy fo aman-tsaina isika ao anatin’ny asa fandraharahana,” hoy ilay olona taminy.

Noraisin’ny Loholona Budge ho famindram-po lehibe avy amin’ny Tompo izany fihaonana izany. “Tiany ho fantatra ny toerana nisy ny foko, araka ny eritreritro,” hoy izy. “Rehefa fantatry ny Tompo ny tao am-poko dia tsy nitaky fahafoizan-tena avy tamiko Izy ary natoky Azy aho fa afaka mampiasa ahy amin’ny fanatrarana ireo tanjony Izy ka tsy nilana fanovana asa aman-draharaha izany.”

Tena nanome fahafahana azy ho mpitarika amin’ny tsara teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ilay asany, ary nanome fahafahana hizara ny filazantsara tany Japon mihitsy aza.

Naterak’i Lowell Jensen sy Deanna Price Budge tany Pittsburg, Californie, Etazonia i Lawrence Todd Budge tamin’ny 29 desambra 1959. Nihaona tamin’i Lori Capener izy fony mpianatra taona voalohany tao amin’ny Oniversite Brigham Young. Valo volana taorian’ny niverenany avy nanompo tany amin’ny Misiônan’i Fukuoka Japon, dia nivady tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah izy. Manan-janaka enina izy ireo.

Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana licence en économie tao BYU tamin’ny 1984, dia niasa tao amin’ny orinasa Bain & Company Japan; Citibank, N.A.; ary GE Capital izy. Lasa filoha sy tale jeneralin’ny Tokyo Star Bank Limited izy tamin’ny 2003, ary filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2011.

Ny Loholona Budge dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny Misiônan’i Tokyo Japon, filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka.