2019
Loholona James R. Rasband
Mey 2019


Loholona James R. Rasband

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona James R. Rasband

Rehefa voantso ho ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ny Loholona James R. Rasband taona maro lasa izay, dia nahatsapa ho tsy vonona izy. “Mety tena diso izao zavatra izao,” hoy ny eritreriny.

Nanana fahatsapana ho tsy ampy fahaiza-manao toy izany koa izy fony 19 taona hiditra ny Ivon-toerana fanofanana misiônera mba hiomana hanao asa fanompona amin’ny fotoana feno any amin’ny Misiônan’i Séoul, Corée Atsimo. Nanontany tena izy hoe: “Ahoana re no hanaovako an’ity e?”

Ny valinteny tao anatin’ireo toe-javatra roa ireo dia nitovy: “Aza milavo lefona. Ho avy ny fifaliana.” Na raha ny tenin-dreniny no indramina dia hoe: “Tsy manana olona tonga lafatra hirahina izany ny Tompo. Mandehana fotsiny miasa.”

Mahatsapa kely izany fisalasalana izany ny Loholona Rasband amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ilay antsony vaovao amin’ny maha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy, kanefa fantany ny valiny: “Ilain’ny Raintsika any An-danitra fotsiny isika mba handeha hiasa sy hizara ilay hafatra mitondra fahasitranana sy fifaliana momba ilay Zanakalahiny sy momba ny sorona fanavotana nataon’ny Zanakalahiny.”

Naterak’i James E. sy i Ester Rasband tany Seattle, Washington, Etazonia i James Richard Rasband tamin’ny 20 marsa 1963. Lehibe tany Pebble Beach, Californie, Etazonia izy, tao anatin’ny tokantrano iray izay teo amin’ny 180 metatra niala ny moron’ny ranomasimbe.

Nihaona tamin’i Mary Diane Williams ny Loholona Rasband fony izy mpianatra taona voalohany tao amin’ny Oniversite Brigham Young. Nifanoratra izy ireo rehefa nianatra nandritra ny dimy volana tany Israel izy ary avy eo nandritra ny asa fanompoana nataony tany amin’ny Misiônan’i Séoul Corée. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie tamin’ny 11 aogôsitra 1984 izy ireo. Manan-janaka efatra izy ireo.

Taorian’ny fahavitan’ny asa fitoriany dia nandranto fianarana ka nahazo licence en Anglais sy licence en études sur le Proche-Orient tao BYU tamin’ny 1986 izy ary nahazo mari-pahaizana doctorat tao Harvard Law School tamin’ny 1989. Rehefa avy niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna nandritra ny dimy taona tao Seattle izy, dia niverina tany BYU tamin’ny 1995, hiditra ho mpampianatra tao amin’ny J. Reuben Clark Law School. Lasa mpiandraiki-draharahan’ny sekoly fianarana lalàna izy nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2016 rehefa lasa filoha lefitry ny BYU.

Ny Loholona Rasband dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filankevitra avo, eveka ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.