2019
Nanompo nanerana izao tontolo izao ireo Apôstôly
Mey 2019


Nanompo nanerana izao tontolo izao ireo Apôstôly

Vao sambany teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no niaraka tafavory amin’ny toerana iray ivelan’i Etazonia, rehefa nandeha tany Italie daholo izy rehetra hamonjy ny fanokanana ny Tempolin’i Rome, Italie tamin’ny martsa 2019. (Jereo ao amin’ny pejy xx ny tantara momba izany.)

Ireo asa fanompoana nampiandraiketina hafa nandritra izay enim-bolana lasa izay:

Rehefa avy nitsidika an’i Caroline du Nord sy Caroline du Sud, Etazonia ny Filoha Dallin H. Oaks sy ny Loholona David A. Bednar, dia niresaka tamin’ireo niharam-boina vokatr’ilay tafio-drivotra nahatrotraka tokoa, tany Tallahassee, Floride, Etazonia izy ireo. Nampahatsiahy an’ireo nihaino ny Filoha Oaks fa tafiditra ao anatin’ny fiainana eto an-tany ny fahoriana sy ny fijaliana saingy “raha mahatoky sy mivavaka lalandava isika dia hanampy antsika handresy izany ny Tompo.”

Nanoro hevitra an’ireo tanora mpikamban’ny Fiangonana manambady tany Chicago, Illinois, Etazonia ny Loholona Oaks fa ny “fiovam-po ao amin’ny Tompo no mialoha ny fiovam-po ao amin’ny Fiangonana. Ary ny fiovam-po ao amin’ny Tompo dia tonga amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ary ny asa fanompoana.” Ary rehefa niaraka tamin’ny Filoha Russell M. Nelson tany Arizona ny Filoha Oaks dia nampahatsiahy ny zatovo sy ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony fa “ny hany toetra tena tsara izay mampisongadina ny tenantsika dia ny maha-zanakalahy na ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika.”

Nanatanteraka asa nampiandraiketina fanampiny nanerana izao tontolo izao koa ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Tany Angletera, ny Loholona Jeffrey R. Holland no mpandahateny tokana nandritra ny fandaharana iray momba ny Krismasy tany amin’ny Trano Fiangonan’i Pembroke College tao amin’ny Oniversite Oxford, izay nampianarany fa ilay dikany mifono fifaliana hamaritana ny Krismasy dia tsy mifototra fotsiny amin’ny fahaterahan’i Kristy fa amin’ny fiainany sy ny fahafatesany koa, ary amin’ilay “sorona fanavotana tena mahatalanjona nataony.”

Tany São Paulo sy Salvador, Brésil ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanompo teo anivon’ny vondron’olona maro tao anatin’ireo fivoriana ary teo anivon’ny vondron’olona kely sy ny olona tsirairay koa, ka tafiditra tao anatin’izany ny fampaherezana ny fianakavian’ny misiônera iray nanompo tamin’ny fotoana feno izay nodimandry, ny fanatrehana ireo fivorian’ny Fanasan’ny Tompo sy Sekoly Alahady tany amin’ny paroasy roa, ny fiarahana tamin’ireo misiônera mpiara-mitory rehefa namangy fianakaviana izay mpikambana ny olona sasany ao aminy izy ireo, ary ny famantaran’ny mpikambana vaovao iray azy rehefa nandeha tamin’ny métro an’i São Paulo izy. Nilaza izy fa i Brésil no “toerana iray izay tena ahitana sy ampiharana ilay fisainana fa zanaky ny Ray any An-danitra daholo isika rehetra.”

Tany Émirats Arabes Unis, ny Loholona David A. Bednar dia nitarika fivoriana manokana niarahana tamin’ny zatovo sy ny tanora tokan-tena ary mpivady vao herotrerony tao amin’ny tsatòkan’i Abu Dhabi. Nitsidika ivon-toerana fianarana ho an’ireo mpitsoa-ponenana Afrikanina tany Egypta izy ary ivon-toerana iray ho an’ny olona tsy manan-kialofana eo an-toerana tany Kurdistan irakien. “Zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika rehetra,” hoy ny Loholona Bednar rehefa avy nihaona tamin’ireo mpitsoa-ponenana izy. Tany Israel, dia niahy fihaombe irain’ny Distrikan’i Jerosalema izy ary fampaherezam-panahy iray tao amin’ny Oniversite Brigham Young Jerusalem Center. Nandritra ny fihaonambe momba ny tantaram-pianakaviana RootsTech tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, ny Loholona Bednar dia nanolotra vola fanomezana mitentina roa tapitrisa dolara avy amin’ny Fiangonana ho an’ny Ivon-toeran’ny tranombakoky ny mainty hoditra Amerikana ho an’ny tantaram-pianakaviana.

Tany Ukraine, Arménie, France, Hongrie, Suisse, Roumanie, ary Tchéquie, ny Loholona Quentin L. Cook dia niresaka mikasika ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isan’andro sy ny fizarana izany amin’ny alalan’ny ohatra sy ny fanoloran-tanana ny hafa. Tany New York City, Etazonia, ny Loholona Cook dia niresaka mikasika ny fisian’ireo zavatra iraisan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny antokom-pinoana Jiosy. “Iraisantsika amin’ireo Jiosy namantsika ny ahiahy mikasika ireo olona iharan’ny tsindry hazo lena ary ireo olona izay ianjadian’ny olana manokana,” hoy izy.

Tany Mexico City, Mérida, ary Cancún, Mexique, ny Loholona Cook dia nanompo teo anivon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ireo mpikambana, ireo misiônera sy ireo antokom-pivavahana, ny fitondram-panjakana ary ireo tompon’andraikitra ambony momba ny fandraharahana. Fampaherezam-panahy iray ho an’ny zatovo izay natrehan’ny zatovo niisa 800 teo ho eo avy any amin’ireo tsatòka valo tao Mexico City no nojeren’ny zatovo miisa 38.000 manerana an’i Mexique. Ary ny Loholona Cook koa dia nandray fitenenana nandritra ny fivoriana iray tao amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona Meksikana, izay nanasany an’ireo olona manam-pinoana hijoro tsy ho azo hozongozonina ary hiray hina amin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana.

Tany Porto Rico sy République Dominicaine, ny Loholona D. Todd Christofferson dia nahita fa na teo aza ny faharavana avy amin’ireo tafio-drivotra dia miarina ireo mpikambana. Nilaza izy fa “nahazo hery” ilay faritra noho ny fahafantarana fa hisy tempoly miisa telo atsy ho atsy any amin’ny faritr’i Caraïbes (any Haiti, Porto Rico, ary any amin’ny République Dominicaine). Nandray fitenenana koa izy nandritra ny fivoriana iray mikasika ny lalàm-pitondrantena eo amin’ny fandraharahana sy fivoriana iray momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tany Washington, D.C., Etazonia, ny Loholona Christofferson dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana sy ny fahitsim-po aman-tsaina. Ary rehefa nanao asa nampiandraiketina tany Guatemala sy El Salvador, ankoatra ireo fivoriana hafa ny Loholona Christofferson, dia nandray anjara tao anatina fampitana manerana an’i Amerika Afovoany, ka namafisiny ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny filazantsara any an-tokantrano.

Tany Afrika Atsimo sy Zimbabwe, ny Loholona Neil L. Andersen dia nanoro hevitra an’ireo mpikambana mba hahatsiaro ny Mpamonjy sy hanaraka an’ilay fitsipiky ny fianarana izay mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Tany Angleterre, Pays de Galles, France, ary Autriche, izy dia nanamarika ny hery azo rehefa lasa misy taranaka mifandimby maro avy amin’ireo fianakaviana ao amin’ny Fiangonana ary nolazainy fa mitana anjara toerana lehibe foana eo amin’ny fivoaran’ny Fiangonana sy ny fahatomombanany ireo mpikambana any Eorôpa. Izy ireo, hoy izy, no mpiaro ny finoana.

Tena ifantohan’ny sain’ny Fiangonana tokoa ny famonoan’ny zatovo tena, hoy ny Loholona Ronald A. Rasband nanamafy rehefa niresaka tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota tany Salt Lake City, Utah izy. Ireo mpampianatra seminera sy institiota dia afaka manampy an’ireo izay tandindomin-doza amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana maro atolotry ny Fiangonana mikasika ny fisorohana ny famonoan-tena ary amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana ireo mpianatra fa misy fanampiana sy fanompoana masina hita amin’ny alalan’ny Mpamonjy.

Tany Rwanda, ny Loholona Gary E. Stevenson dia nitsidika toeram-pahatsiarovana ny famonoana olona maro tao amin’ilay firenena, izay toerana nilazana fa na dia teo aza ireo olana taloha dia feno “hatsaram-panahy, hamoram-panahy, fitiavana, ary famelana” ny olona any Rwanda izay maneho ireo toetra tsara indrindra ananan’ny olombelona. Nanolotra fanomezana avy amin’ny Fiangonana ho an’ilay toeram-pahatsiarovana izy. Ny Loholona Stevenson koa dia nitsidika an’i Ouganda, i Ethiopie, i Tanzanie, ary i Madagasikara, nitarika fivorian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nandritra ireo fihaonambe, niresaka tamin’ny misiônera, nandray anjara nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo sy ny tanora tokan-tena ary mpivady vao herotrerony, nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana ary namaly ny fanontanian’ireo haino aman-jery.

Ny Loholona Dale G. Renlund dia nitsidika toerana lavitra rehefa nanao asa nampiandraiketina tany Argentine sy Chili, toa an’i Antofagasta any amin’ny faritry ny tany efitra any Chili avaratra; ny fihaonambe ho an’ny Misiônan’i Comodoro Rivadavia Argentine; ny sampana El Calafate any Argentine, izay feno olona nihoatra ny 30 ka hatramin’ny 40 neritreretina ilay trano fiangonana kely; ary ny fivoriana iray tany Ushuaia, Argentine, ka ireo mpanatrika niisa 600 dia anisan’ireo mpikambana mavitrika manerana ilay faritr’i Tierra del Fuego iray manontolo. Tany amin’ireo toerana tahaka an’i Rio Gallegos, Argentine, ny Loholona Renlund dia niresaka mikasika ireo fitahiana avy amin’ilay fandaharam-pianarana mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana sy ny fitahiana ho azon’ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fanajana ny andro Sabata.

Tany Paraguay, Uruguay, Chili, ary Argentine, ny Loholona Gerrit W. Gong dia nizara fitsipika avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo fampianaran’ny Filoha Nelson, ka tafiditra ao anatin’izany ireo lohahevitra mikasika ny fanompoana, ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny anaran’ny Fiangonana, ary ny fampiasana ny filazantsara mba hahitana valiny sy handresena ireo olana sy sakantsakana.

Tany amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera tany Guatemala, ny Loholona Ulisses Soares dia nizara lesona nianarany avy amin’ny fiovam-pon’ireo ray aman-dreniny. Nampiasainy ireo lesona ireo mba hamporisihana ny misiônera hitoetra ho mahatoky sy ho mafy orina. Nitsidika an’i Costa Rica sy Panama koa izy ary nilaza fa ireo mpikambana any Amerika Afovoany dia “te hanompo ny Tompo. Te hanao izay nangatahiny mba hatao izy ireo.” Nandritra ny fitsidihana toerana taty aoriana izay nahitana ny République Dominicaine sy Trinité-et-Tobago, dia nilaza izy fa “mankafy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo ny olona ” any Caraïbes. Nanokana ny nosy Curaçao ho amin’ny fitoriana ny filazantsara koa izy. Nanampy izy hoe: “Manana hoavy tsara ny Fiangonana any Curaçao.” “Mahatoky ny olona ary vonona ny handray ny filazantsara.”