2019
Lalàna sy lamina ary loharanom-pitaovana vaovao
Mey 2019


Lalàna sy lamina ary loharanom-pitaovana vaovao

Sary
Zatovo

Ny ankizy sy ny zatovo dia hifindra avy amin’ny kilasy na kôlejy iray ho ao amin’ny kilasy manaraka arakaraka ny sokajin-taonany rehefa Janoary fa tsy aorian’ny hitsingerenan’ny taona nahaterahany.

Fanambarana mikasika ny tempoly. Ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka fanambarana tamin’ny 2 janoary 2019 izay nilaza tamin’ny ampahany hoe: “Tao anatin’ireo taon-jato maro dia nasiam-panovana tsindraindray ireo antsipirian-javatra mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly, anisan’izany ny fiteny, ny fomba fanamboarana ny trano, ny fifandraisana, ary ny fitanana rakitsoratra. Nampianatra ireo mpaminany fa tsy hisy fiafarany ny fanovana toy izany araka izay handidian’ny Tompo ny mpanompony.”

Fampiakarana kilasy ny ankizy sy ny zatovo. Ireo ankizy izay mahavita fianarana ao amin’ny Kilonga amin’izao sy ireo zatovo dia mifindra avy amin’ny kilasy na kôlejy iray ho ao amin’ny kilasy manaraka arakaraka ny sokajin-taonany rehefa Janoary fa tsy aorian’ny hitsingerenan’ny taona nahaterahany. Izany ihany koa dia midika fa ny zatovo dia afaka mahazo voalohany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ampiasaina amin’ny fotoana voafetra ny janoary amin’ny taona mahafeno 12 taona azy ireo, ary ny zatovolahy dia azo tendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna ny janoary amin’ny taona mahafeno 12 taona azy ireo.

Fahafahana bebe kokoa hanaovana asa fanompoana. Ny LDS Charities dia nanambara ny fiarahany miasa amin’ny JustServe.org mba hanombohana ilay ezaka #YouCanDoSomething, izay manasa ny olona hanompo eo an-toerana ary hanolotra fanomezana hanaovana asa soa maneran-tany mba hanovana an’izao tontolo izao. Raha hanomboka izany dia tsidiho ny pejy “How to Help (Fomba hoenti-manampy)” ao amin’ny LDSCharities.org.

Loharanon-pitaovana vaovao momba ny asa fanompoana. Ilay tranonkala hoe This Is Ministering (Izao no atao hoe manompo) (ministering.ChurchofJesusChrist.org) dia nohavaozina tamin’ny lahatsoratra sy horonan-tsary fanampiny. Ireo loharanom-pitaovana ao amin’ilay tranonkala dia afaka manampy ny mpamaky hanolo-tanana amim-pangorahana, hanorina fifandraisana manan-danja kokoa, hanatsara ny fahaizan’izy ireo mihaino, sy ny sisa. Ireo zava-baovao hita ao dia ahitana lahatsoratra momba ny Fitsipika momba ny fanompoana izay navoaka tao amin’ny gazeitiboky Ensign sy ny Liahona, ireo rohy mitondra any amin’ireo lahateny tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mikasika ny fanompoana, sy horonan-tsary azo zaraina, teny nindramina, ary soratra masina.

Fanantenana sy fahasitranana ho an’ireo niharan’ny fanararaotana. Misy tranonkala vaovaon’ny Fiangonana hoe abuse.ChurchofJesusChrist.org, izay manolotra loharanon-kevitra sy fitaovana azo ampiasaina tsara ho an’ireo olona niharan’ny fanararaotana sy ho an’ireo izay te hanakana ny fanararaotana. Ny Fiadidiana Voalohany ihany koa dia namoaka taratasy tamin’ny 26 martsa 2019, izay mamporisika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hanolo-tanana amim-pitiavana mba hanampy ireo olona mijaly noho ny fanararaotana. Niaraka tamin’ilay taratasy ny tahirin-kevitra iray nanavao ireo torolalana mikasika ny fomba tokony hanoroan’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka hevitra an’ireo olona niharan’ny fanararaotana ara-nofo sy ny fomba tokony hitarihan’izy ireo ny dinidinika amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ny Fiangonana ihany koa dia namoaka horonan-tsary iray hoe “Protect the Child (Arovy ny zaza),” ary nanavao ilay lahatsoratra ao amin’ny Sujets de l’ évangile mikasika ny fanararaotana.

Fonctions sy applications vaovao. Ny fonction Plans d’études ao amin’ny fanavaozana farany ny application Bibliothèque de l’Évangile dia manome anao fahafahana hanamboatra fandaharam-potoana handalinana izay mety ho votoatin-javatra ao amin’ilay application. Ny Ordinances Ready (Ôrdônansy vonona) dia fitaovana vaovao ao amin’ny FamilySearch izay manamora ny fitadiavana ireo anarana hoentina any amin’ny tempoly, izay manome anao fotoana bebe kokoa hanompoana ny fianakavianao sy hianoka ireo fitahiana avy amin’ny tempoly. Ary ny FamilySearch dia manana asa atao vaovao any an-tokantrano eo ho eo amin’ny enina amby telopolo eo, toy ny “Walk Where They Walked (Mandehana amin’ny lalana nalehan’izy ireo),” mba hanampiana ireo mpikambana tanora hirotsaka amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Ireo asa atao ireo dia misy amin’ny fiteny miisa 10.

Tsy amporisihina ny fanaovana fampisehoana goavana. Raha toa ka mety hoe zavatra tsara ny fanaovana fankalazana ara-kolontsaina sy ara-tantara eo an-toerana, ny Fiangonana kosa ankehitriny dia tsy mamporisika ny hanaovana fampisehoana goavana toy ny fampisehoana ara-tantara. Fampisehoana ara-tantara anankitelo no mbola hitohy: Ny fampisehoana ara-tantara ao Nauvoo Illinois, Etazonia, izay tohanan’ny foiben’ny Fiangonana; ny fampisehoana ara-tantara ao Mesa Arizona, Etazonia, izay eo ambany fitarihan’ny vondrom-paritra; ary ny fampisehoana ara-tantara Britanika, izay eo ambany fitarihan’ny vondrom-paritra, izay hatao isaky ny efa-taona. Ny Fiangonana ihany koa dia nampitsahatra ny fankalazana ara-kolontsaina fanaon’ny zatovo izay atao mialoha ny fanokanana tempoly mba hanomezana toerana ny fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mitsidika.