2019
Vaovao momba ny asa fitoriana
Mey 2019


Vaovao momba ny asa fitoriana

Fifandraisana amin’ny olona any an-trano. Ny misiônera amin’izao dia omena lalana hifandray isan-kerinandro amin’ny fianakavian’izy ireo mandritra ny andro fiomanana, amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra, hafatra amin’ny alalan’ny fampiasana internet, antso an-telefaonina, ary fifampitafana mivantana amin’ny alalan’ny fampiasana solosaina ho fanampin’ireo taratasy sy email.

Fitaovana fandaminana fotoana ho an’ireo olona azo haroso ho misiônera. Misy fitaovana vaovao fandaminana fotoana mahakasika ny fitoriana ny filazantsara ao amin’ny internet avy amin’ny Departemantan’ny asa fitorian’ny Fiangonana, izay afaka hanampy ireo azo haroso ho misiônera handeha amin’ny nahim-pony sy hieritreritra tsara kokoa rehefa manapa-kevitra ny fotoana mahavonona azy ireo indrindra hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera azy.

Asa fanompoana fanasoavana. Nanomboka tamin’ny janoary 2019, ireo misiônera tanora mpanao asa fanompoana fanasoavana eto amin’ ny Fiangonana dia antsoina hoe “misiônera mpanao asa soa.” Ny tanora olon-dehibe rehetra izay mirotsaka hanao asa fanompoana fanasoavana dia manao izany amin’ny fomba mitovy, amin’ny alalan’ny fidirana en-ligne, ary ireo fiantsoana hanao asa fitoriana rehetra, na hanao asa fitoriana ny filazantsara na asa fanompoana fanasoavana, dia avy amin’ny mpaminany. Ireo tanora olon-dehibe mendrika izay tsy afaka manao asa fitoriana ny filazantsara noho ny antony samihafa dia azo antsoina hanao asa fanompoana fanasoavana.

Afaka manao pataloha ny Rahavavy misiônera. Amin’izao ny Rahavavy misiônera dia manana safidy ny hanao pataloha mandritra asa ataony andavanandro, kanefa ireo rahavavy dia tokony hanohy hanao ankanjo lava na zipo rehefa mankany amin’ny tempoly sy mandritra ireo fotoam-bavaka amin’ny andro Alahady, fivoriam-piofanan’ireo mpitarika sy fihaonambem-paritra, fotoana fanaovana batisa, ary mandritra ireo fampaherezam-panahy any amin’ny foibe fiofanana ho misiônera. Ny fanaovana pataloha dia afaka miaro ireo rahavavy amin’ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny moka, miaro ireo rahavavy mba hafana amin’ny toetrandro mangatsiaka, ary manamora ny fahafahan’ireo rahavavy mitaingina bisikileta.

Misiôna naorina, fetran’ny faritra hiasana namboarina. Nisy misiôna efatra vaovao naorina ary misiôna roa ambin’ny folo no ho ampidirina ao anatin’ireo misiôna efa misy. Ny fiovana toy izany dia mitranga tsindraindray mba hampifanarahana ny zava-misy amin’ny isan’ireo misiônera manompo. Ireo misiôna vaovao dia ny Republique Democratique du Congo Kinshasa Est, Guatemala Antigua, Pérou Limatambo, ary Philippines Antipolo. Ny ray aman-drenin’ireo misiônera manompo any amin’ireo misiôna voakasik’izany, na naorina na nofoanana, dia handray fampahalalana fanampiny avy amin’ireo filohan’ny misiônan’izy ireo.

Fanamboarana ny isan’ireo ivontoerana fanofanana misiônera. Mba hampiasana tsara araka ny tokony ho izy ireo ivontoerana fanofanana misiônera maneran-tany dia misy ivontoerana eo an-dala-pikatonana any Argentine, Espagne, Chili, ary ny République Dominicaine. Noho izany fikatonana izany dia hampiasa ivontoerana fanofanana misiônera miisa 11 ny Fiangonana, izay hita any Brésil, Colombie, Angletera, Ghana, Guatemala, Mexique, Nouvelle Zélande, Pérou, Philippines, Provo Utah Etazonia, ary Afrika Atsimo.

Horonan-tsary mahakasika ny fiarovana. Ilay andiana horonan-tsary misy fizarana 12 vaovao hoe The Safety Zone (Ny faritra misy ny fiarovana) dia natao mba hampitomboana ny fiarovana ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno miisa 65000 amin’izao fotoana izao sy ireo izay mbola hanompo. Ny horonan-tsary voalohany dia natao mba hojeren’ireo azo haroso ho misiônera miaraka amin’ny ray aman-dreniny rehefa avy mandray antso hanao asa fitoriana izy ary mialoha ny hidirany ao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera. Hamerina hijery ilay horonan-tsary voalohany ary hijery ihany koa ireo 11 hafa ilay misiônera rehefa tonga any amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera. Hisy fampahatsiahivana tsindraindray mahakasika ny fiarovana amin’ny loza izay homena ihany koa an’ireo misiônera manerana ny misiônan’izy ireo.