2019
Loholona Hans T. Boom
Mey 2019


Loholona Hans T. Boom

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Hans T. Boom

Fony valo taona ny Loholona Hans T. Boom dia nifindra avy tao Amsterdam nankany amin’ny tanànan’i Breda izay hita any amin’ny tapany atsimon’i Pays-Bas ny fianakaviany. Ny rainy izay Holandey lehibe tany Indonésie ary lasa mpikamban’ny Fiangonana, dia nahatsapa fa nila nandao ilay tanàna lehibe ny fanakaviany ary hiverina any amin’ny tanindrazany.

Ny fotoana niarahan’ny Loholona Boom tamin’ny fianakaviany tao amin’izany sampana kely izany dia toy ny toeram-panazaran-tena hanaovana asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana. Asa fanompoana izay natolony nandritra ny androm-piainany ary hotohizany hatolotra amin’ny antsony vaovao amin’ny maha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy.

“Ny maha-izy ahy rehetra sy ny zavatra rehetra ananako dia trosa mila efaiko amin’ny Tompo sy ireo fahafahana nomeny ahy mba hianarana sy hivoarana,” hoy izy.

Ny Loholona Hans Theodorus Boom, izay teraka tamin’ny 13 jolay 1963 tao Amsterdam ary zanak’i Hans sy Ankie Boom, no zoky lahiaivo amin’ireo zanaky ry Boom miisa efatra. Nampianatra ny filazantsara tao an-tokantranon’izy ireo ny ray aman-dreniny ary namporisika ireo zanany hiasa mafy.

Teo amin’ny faha-18 taonany dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i England London East ny Loholona Boom. Volana vitsivitsy taorian’ny nahavitany ny asa fitoriany dia nihaona tamin’ilay ho vadiny izy, dia i Ariena Johanna “Marjan” Broekzitter tao amin’ny fivoriamben’ny tanora tato amin’ny Fiangonana. Izy roa dia nivady tamin’ny 27 jolay 1984 tany Rhoon Pays-Bas, ary nofehezina telo andro taorian’izay tao amin’ny Tempolin’i Londres Angleterre. Manan-janaka lahy telo izy ireo.

Ny Loholona Boom dia mpitantsoratry ny talen’ny Oniversite an’i Markenhage ary mpandray mpiasa tao amin’ny Franchise Development Benelux. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Manampahefana Ambony dia tale ara-barotra tao amin’ny MacLean Agencies izy.

Ny Loholona Boom dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray, filohan’ny Zatovolahin’ny tsatòka, filohan’ny sampana, ary mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny sampana iray. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpampianatra institiota sy mpiasa mpanao ôrdônansin’ny tempoly tao amin’ny tempolin’i Hague Pays-Bas izy.