2019
Loholona Alan R. Walker
Mey 2019


Loholona Alan R. Walker

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Alan R. Walker

Lasa fialamboly teo amin’ny fiainan’ny Loholona Alan R. Walker ny fianarana kolotsaina vaovao sy ny filomanosany ao anatin’izany, izay hanampy azy tsara ao anatin’ny antsony amin’ny maha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy.

Naterak’i Victor Adrian Walker sy Cristina Ofelia Sparrow Born tany Buenos Aires, Argentine, tamin’ny 2 janoary 1971 i Alan Roy Walker ary lehibe tany amin’ny toerana samihafa tany Amerika Avaratra sy Atsimo.

Nipetraka tany Argentine izy nandritra ireo taona naha-zaza azy nialoha ny nifindran’ny fianakaviany tany Boston, Massachusetts, Etazonia, ary taty aoriana nifindra tany Mexico City, Mexique, noho ny asan-drainy.

“Fitahiana lehibe ho ahy ny fahaizana ny teny Anglisy,” hoy izy. Ary noho izy lehibe tao amin’ny filazantsara dia nanana fahafahana nampivelatra ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ary niomana dieny mbola kely ny hanao asa fitoriana. Rehefa avy nianatra nandritra ny herintaona tao amin’ny Oniversite Brigham Young ny Loholona Walker, dia nanao asa fitoriana mandritra ny fotoana feno tany tamin’ny Misiônan’i Nashville Tennessee.

Mba hanampiana ny rainy ho tafarina taorin’ny loza goavana nahazo azy, dia nanemotra ny drafiny hiverina hianatra ny Loholona Walker taorian’ny asa fitoriana nataony ary niverina tany Argentine. Tamin’izay fotoana izay no nahitany an’i Ines Marcela Sulé tany amin’ny lanonam-pandihizana nokarakarain’ny institiota. Valo volana taty aoriana dia nivady tany amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine izy ireo tamin’ny 12 Aogositra 1993. Ny ampitson’io, dia nifindra tany Provo, Utah, Etazonia izy mivady kely, izay toerana nahazoany mari-pahaizana licence en économie tamin’ny 1996.

Ny Loholona Walker dia mpiasan’ny banky misahana ny fandraharahana tao amin’ny Citibank nandritra ny telo taona, mpanara-maso tao amin’ny Fiangonana nandritra ny enin-taona tany amin’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo ary nandritra ny 11 taona tany amin’ny Vondrom-paritr’i Mexique, ary talen’ny raharaha ara-nofo tany amin’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo vao haingana. Tamin’ny 2010, dia nantsoina mba hiahy ny Misiônan’i Monterrey Atsinanana Mexique ny Loholona Walker.

Ny Walker mivady miaraka amin’ny zanak’izy ireo vavy dia tia manompo, manao dia lavitra, ary mamantatra toerana sy olona vaovao.

Nialoha ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia nanompo tao anatina anjara andraikitra maro samihafa teo anivon’ny Fiangonana ny Loholona Walker, anisan’izany ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy, ny naha-mpanolotsaina azy tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ny naha-filankevitra avo azy, ny naha-eveka azy sy ny naha-mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà azy ary ny naha-mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy azy.