2019
Manaiky amin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana i Koweit
Mey 2019


Manaiky amin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana i Koweit

Nahazo fankatoavana tamin’ny fomba ôfisialy an’ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo rafitra ao aminy avy tamin’ny fitondram-panjakana any Koweit ny Fiangonana. Mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany miisa 300 latsaka eo no mipetraka sy miasa any Koweit. Avy any amin’ny firenena maro manerana izao tontolo izao izy ireo. Ny fankatoavana tamin’ny fomba ôfisialy avy tamin’ny fitondram-panjakana dia manome fahafahana an’ireo mpitarika eo an-toerana mba hanompo tsara kokoa amin’ny fanomezana izay zavatra ilain’ireo mpikambana any Koweit.

Ny eveka Terry Harradine ao amin’ny paroasin’i Koweit, tsatòkan’i Manama Bahrain, dia naneho fankasitrahana ny fitondram-panjakana any Koweit noho ny fanomezana fahalalahana hitsaoka any Koweit, indrindra ho an’ireo miasa mpila ravin’ahitra ary noho ny fampivelarana ny fahalalahana ara-pinoana ao anatin’ilay firenena.