2019
Hifanaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy ny fandaharam-pianaran’ny Seminera
Mey 2019


Hifanaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy ny fandaharam-pianaran’ny Seminera

Ny fianarana seminera manerana izao tontolo izao atoato dia hifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana sy ny fandaharam-potoana hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, fanovana izay hampivoatra ny rafitra handalinana ny filazantsara any an-tokantrano izay hamafisin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fandalinana zavatra mitovy any an-tokantrano, sy any amin’ny Sekoly Alahady, ary any amin’ny seminera.

Manomboka ny taona 2020, ireo kilasin’ny seminera dia handalina ny bokin-tsoratra masina ampiasaina ho an’ny Avia, hanaraka Ahy isan-taona. Hanaraka fandaharam-potoana mandritra ny taona ny fianarana seminera fa tsy hanaraka ny fandaharam-potoan’ny taom-pianarana any an-tsekoly.

Na dia hitohy hifototra amin’ny soratra masina aza ny fianarana ao amin’ny seminera, dia hifototra bebe kokoa amin’ny fotopampianarana ilay fandaharam-pianarana ary hanampy mba hanamafy orina sy hiaro ary hanomana ny zatovo hanao asa fitoriana, hanambady ary hanompo ao amin’ny Fiangonana.