2019
Mark L. Pace
Mey 2019


Mark L. Pace

Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Sary
Mark L. Pace

Tao anatin’ny tafa sy dinika niompana tamin’ny mety ho endrik’izany antso ho Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany izany, dia naneho fanolorantena narahim-bavaka Rahalahy Mark L. Pace.

Nivavaka izy hoe: “Ry Ray any An-danitra, na inona na inona asainao ataoko dia fifaliana ho ahy ny hanao izany.” “Aoka ho fantatrao fotsiny fa tena manolo-tena aho.”

Nilaza Rahalahy Pace fa ny faniriana voalohany ao anatin’ilay antsony vaovao dia ny hitahy sy hanohana ary hamporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana. “Maniry ny hanome izay zavatra rehetra anananay izahay,” hoy izy momba ilay Fiadidian’ny Sekoly Alahady vaovao.

Naterak’i Lorin Nelson sy i Marylynn Haymore Pace tany Buenos Aires, Argentine i Mark Leonard Pace tamin’ny 1 Janoary 1957. Tamin’izany fotoana izany dia niahy ny Misiônan’i Argentine ny rain-dRahalahy Pace.

Ny Rahalahy Pace dia nihaona tamin’i Anne Marie Langeland, izay ho vadiny taty aoriana fony izy ireo mpiara-mianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra tany Salt Lake City, Utah, Etazonia. Taty aoriana rehefa samy nandeha nianatra tany amin’ny lisea samy hafa izy ireo dia nifandray indray nandritra ny fiaraha-mientana mitambatra nokarakarain’ny seminera. Nifanoratra izy ireo nandritra ny taona vitsy taorian’izay, rehefa nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany tany Norvège i Anne Marie Langeland izay toerana niahian’ny rainy ny Misiônan’i Oslo Norvège, ary ny Rahalahy Pace kosa nanompo tany amin’ny Misiônan’i Madrid Espagne. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 21 nôvambra 1978, ary manan-janaka fito.

Nahazo mari-pahazaina licence en économie avy tao amin’ny oniversite an’i Utah tamin’ny 1980 ny Loholona Pace ary mari-pahaizana maîtrise en adminitration d’entreprise avy tao amin’ny Harvard Business School tamin’ny 1982. Rehefa avy niasa nandritra ny fotoana fohy tao amin’ny Price Waterhouse tany New York City izy, dia niditra tao amin’ny Boyer Company tao Salt Lake City, niasa teo amin’ny fampivelarana ny fivarotana trano aman-tany nanomboka tamin’ny 1984 ka hatramin’ny 2012. Taorian’ny naha-filohan’ny Misiônan’i Barcelone Espagne azy nandritra ny telo taona, dia niditra tao amin’ny Gardner Company izy tamin’ny 2015, nanao fampivelarana ny fandraharahana trano aman-tany.

Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ny Rahalahy Pace tamin’ny fotoana nanomezana azy ny antsony vaovao. Ireto avy ny antsony teo aloha tao amin’ny Fiangonana: mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filankevitra avo, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy ary mpitarika ny Skoto.