2019
Mariky ny “hoavy tsy manan-tsahala” ny fitokanana
Mey 2019


Mariky ny “hoavy tsy manan-tsahala” ny fitokanana

“Hanana hoavy tsy manan-tsahala sy tsy manam-paharoa ny Fiangonana,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fitokanana ny Tempolin’i Rome Italie tamin’ny martsa 2019. “Vao manorina ny fototry ny ho avy aoriana isika izao.”

Vao voalohany nandritra izany fitokanana izany no naha-tafavory ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tany amina toerana iray tany ivelan’i Etazonia. “Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy anay amin’izao vaninandro maoderina izao,” hoy ny Filoha Nelson, “ny hafatra zarainay anio dia hafatra mitovy amin’ilay nozarain’ny Apôstôly efa ela izay, fa velona Andriamanitra ary i Jesoa no Kristy.”

Ankoatra ny fitokanana ny tempoly, dia niresaka tamin’ireo zatovo tao amin’ny distrikan’ny tempoly ny Filoha Nelson, ary nihaona tamin’ny Papa François ary vao voalohany no nisy Filohan’ny Fiangonana afaka nihaona tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny filohan’ny Fiangonana Katôlika Romana.