2019
Loholona Ricardo P. Giménez
Mey 2019


Loholona Ricardo P. Giménez

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Ricardo P. Giménez

Hotsaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana ao Antofagasta Chili mandritra ny fotoana maharitra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana aprily 2019 noho ny fanambarana mikasika ny tempoly iray izay haorina any sy ny fiantsoana zanakalahy zanatany iray, dia ny Loholona Ricardo P. Giménez ho Fitopololahy Manampahefana Ambony.

Rehefa mandinika ny andraikiny sy ny antsony vaovao ny Loholona Giménez dia mahita finoana sy herim-po ao anatin’ilay oha-pitenenana hoe: “Izay antsoin’ny Tompo dia omen’ny Tompo ny fahaizana ilaina” (Thomas S. Monson, “Duty Calls,” Ensign, May 1996, 44).

“Nampianatra izany oha-pitenenana izany im-betsaka aho taloha, ary ankehitriny aho dia miezaka mampihatra izany amin’ny tenako,” hoy izy. “Miantso anareo ny Ray any An-danitra. Fantany ianareo. Noho izany dia mandehana ary ataovy fotsiny izay tiany ataonareo, dia ho mety avokoa ny zavatra rehetra.”

I Ricardo Patricio Giménez Salazar dia teraka tamin’ny 28 nôvambra 1971, izay lahimatoa amin’ny zanaka roa naterak’i Ricardo Benjamín Giménez Gimeno sy Myrto Lucisca Amalia Salazar Signorini. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy teo amin’ny faha-11 taonany ary nifindra nankany Santiago Chili niaraka tamin-dreniny sy ny anabaviny, rehefa avy nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny.

Tamin’ny 1995 dia nihaona tamin’i Catherine Ivonne Carrazana Zúñiga tany Santiago izy rehefa nanomboka nivavaka tao amin’ny paroasiny i Catherine nandritra ny fotoana niarahany nipetraka tamin’ny dadatoany iray tany. Nofehezina tao amin’ny tempolin’i Santiago Chili izy ireo tamin’ny 12 septambra 1997, ary manan-janaka roa.

Ny Loholona Giménez dia nahazo ny diplôme de premier cycle momba ny haitoebola sy ny fanamarinana ny fampiasam-bola tao amin’ny Oniversite an’i Santiago tamin’ny 1997 ary nahazo mari-pahaizana maîtrise en adminitration d’entreprise tao amin’ny Oniversite an’i Chili tamin’ny 2003. Nanomboka ny asany tamin’ny maha-matihanina azy teo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany izy ary taty aoriana dia nivadika nankamin’ny sehatry ny teknôlojian’ny fampahalalana ka tale misahana ny fitantanana ara-bola tao amin’ny Computer Sciences Corporation tany Amerique Latine izy tamin’izany. Niverina tamin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany izy tamin’ny 2012, tao amin’ny Sierra Gorda Mining tamin’ny voalohany ary avy eo dia tao amin’ny Robinson Nevada Mining Company.

Mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray ny Loholona Giménez tamin’ny fotoana niantsoana azy. Efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tao amin’ny Vondrom-paritra Atsimo tao Amerika Atsimo izy, filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà iray sy tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahin’ny paroasy iray, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Chili Concepción.