2019
Milton Camargo
Mey 2019


Milton Camargo

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Sary
Milton Camargo

Herintaona latsaka taty aoriana i Helio da Rocha Camargo, izay mpitondra fivavahana tany amin’ny fiangonana iray hafa, vao tapa-kevitra ny hatao batisa tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Fotoana fohy taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny vadiny i Nair Belmira da Rocha Camargo, ka hatao batisa koa.

Tamin’izany fotoana izany dia bevohoka an’ilay zanakalahin’izy mivady i Nair, izay nantsoin’izy ireo hoe Milton. Ny fanapahan-kevitry ry Camargos mivady mba hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia hitahy mandrakizay ireo taranaka mifandimby ao amin’ny fianakavin’izy ireo.

Ny Rahalahy Milton da Rocha Camargo dia teraka tamin’ny 10 martsa 1958, tany São Paulo, Brésil. Ny Rahalahy Camargo, izay notohanana tamin’ny 6 aprily 2019 mba ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany dia nilaza fa voatahy izy noho ny famolavolana azy hatramin’izay naha-mpikamban’ny Fiangonana azy izay.

“Fantatry ny Tompo manokana isika,” hoy izy. “Lehibe mihoatra noho izay azontsika alaina sary an-tsaina ny drafiny ho antsika tsirairay.”

Ny Rahalahy Camargo dia nihaona tamin’i Patricia vadiny tamin’ny rainy niahy ny Misiônan’i Rio de Janeiro, Brésil tany amin’ny faramparan’ny taona 70. Nivady izy ireo tamin’ny 4 janoary 1980, herintaona teo ho eo taorian’ny niverenan-dRahalahy Camargo avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Lisbonne Portugal. Manan-janaka telo izy ireo.

Nandritra ireo taona tany amin’ny voalohandohan’ny fanambadian’izy ireo dia nipetraka tany Rio de Janeiro ry Camargos mivady izay toerana nahazoan-dRahalahy Camargo mari-pahaizana licence en génie civil avy tao amin’ny sekoly Instituto Militar de Engenharia. Taty aoriana izy dia nahazo mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Oniversite Brigham Young.

Nandritra ny fotoana niasany dia nanokana ny fotoany sy ny heriny tamin’ny fampianarana ny hafa ny Rahalahy Camargo. Niasa tany amin’ny oniversite maro izy, tafiditra tao anatin’izany ny Laureate Brazil Online Education, Universidad Tecnológica de México, ny vao haingana indrindra dia tao amin’ny BYU-Pathway Worldwide ka filoha lefitry ny fandaharam-pianarana izy tamin’izany.

Ny Rahalahy Carmargo dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, Filohan’ny Misiônan’i Porto Alegre Atsimo Brésil (1997–2000), mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny ivon-toerana fanofanana misiônera any Brésil (2002–5), eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.