2019
Jan E. Newman
Mey 2019


Jan E. Newman

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Sary
Jan E. Newman

Fony izy misiônera tanora nanompo tao Strasbourg France dia nanana zavatra niainana ara-panahy miavaka i Jan E. Newman izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary namela azy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Nitranga izany zavatra niainana izany rehefa namaky ny tenin’ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy izay miresaka mikasika ny fambolena ny voan’ny filazantsara ao am-pontsika (jereo ny Almà 32:28; 33:22–23).

“Namaky aho fa raha manome toerana ho an’izany voa izany ao am-ponao ianao dia haniry izany, ary hahatsapa marina ireo fihetsika mandrobona ireo ianareo,” hoy Rahalahy Newman. “Tadidiko aho namaky izany ary dia nijoro ho vavolombelona tamiko tamin-kery lehibe tokoa ny Fanahy fa marina izany. Tsapako ireo fihetsika mandrobona ireo. Tsy hohadinoiko mandrakizay izany mandra-pahafatiko.”

Izany sy ireo zavatra niainana hafa dia nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nananan-dRahalahy Newman momba ny filazantsara ary nanomana azy ho amin’ny fanompoana mandritra ny androm-piainana amin’ny maha-vady, raim-pianakaviana, ary mpianatr’i Jesoa Kristy azy.

I Jan Eric Newman dia teraka tamin’ny 16 aprily 1960, tao Jerome, Idaho, Etazonia, ary zanak’i George Raymond sy Dora Walker Newman. Notezaina tany Overton, Nevada, Etazonia izy. Olona niova fo ny rainy ary ny reniny dia Olomasin’ny Andro Farany avy amin’ny taranaka maro nifandimby.

Nahazo fijoroana ho vavolombelona izy fony izy mbola kely ary nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany France sy Belgique. Taorian’ny asa fitoriany dia nahazo mari-pahaizana licence tamin’ny fianarana teny frantsay avy tamin’ny Oniversite Brigham Young Rahalahy Newman. Tiany ery ny mari-pahaizana azony ka dia nieritreritra ny ho lasa mpampianatra teny frantsay izy, saingy naleony kosa nisafidy hanao asa teo amin’ny sehatry ny famokarana logiciel. Entrepreneur en série nandritra ny 30 taona mahery izy, ka nanorina orinasa mpivarotra logiciel mahomby maro. Amin’izao fotoana izao dia mpiara-miasa ao amin’ny SageCreek Partners, izay orinasa mpanoro hevitra mikasika ny teknôlojia ao Alpine, Utah izy.

Nanambady an’i Lucia Price tao amin’ny tempolin’i Oakland Californie izy tamin’ny 18 aogositra 1984. Manan-janaka enina izy ireo ary mipetraka ao Elk Ridge, Utah.

Rahalahy Newman dia efa filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny Zatovolahin’ny paroasy, mpampianatra Skoto, ary mpiasan’ny tempoly. Nanomboka tamin’ny 2006 ka hatramin’ny 2009 izy dia filohan’ny Misiônan’i Nebraska Omaha.