2019
Torolalana manentana ny fanahy
Mey 2019


Torolalana manentana ny fanahy

Hatreto nandritra ny fotoana naha-Filoha ny Filoha Russell M. Nelson izay dia:

  • Namboarina ny rafitr’ireo kôlejin’ny Fisoronana.

  • Nosoloin’ny fanompoana ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano.

  • Misy fandaharan’asa vaovao ho fampivelarana manokana ny ankizy sy ny zatovo eo an-dalam-pandrafetana.

  • Misy edisiôna vaovaon’ny fihirana sy ny Bokin-kiran’ny ankizy eo an-dalam-panamboarana.

  • Nisy torolalana vaovao napetraka mikasika ny fanaovan’ny eveka tafa sy dinika amin’ny zatovo.

  • Nisy ny fanantitranterana ny fiantsoana ny Fiangonana amin’ny anarany feno.

  • Azo jerena en ligne ireo antso hanao asa fitoriana any Etazonia sy Kanadà.

  • Lasa nantsoina hoe Amboaram-peon’ny Tabernakely ao Temple Square ny Amboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna.

  • Nanomboka ny fandalinana ny filazantsara izay mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanovana ny fivoriana isaky ny alahady ho lasa adiny roa.

  • Tempoly miisa fito amby roapolo no nambara.

  • Fampisehoana telo lehibe sisa no hokarakarain’ny Fiangonana fa ny ambiny rehetra hatsahatra.

  • Ny fiakaran’ny Kilonga sy zatovo kilasy, ny fanomezana ny fisoronana ny zatovolahy ary ny fanomezana ny zatovo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia azo atao ny volana janoary amin’izao fotoana izao fa tsy miandry ny fitsingerenan’ny daty nahaterahana.

  • Afaka manao pataloha mihaja ny rahavavy misiônera amin’izao fotoana izao.

  • Nisy ny fanovana ireo antsipirian-javatra mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly.

  • Nisy misiôna vaovao naorina sy fanavaozana ny fanoritana ireo faritra tokony hiaraka ary nisy ivon-toerana fanofanana misiônera anankiroa notokanana.

  • Azo omena tsodrano sy atao batisa amin’izao fotoana izao ny zanak’ireo ray aman-dreny tafiditra ao anatin’ireto sokajy ireto: vehivavy tia vehivavy, lehilahy tia lehilahy, olona sady tia lehilahy no tia vehivavy, olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany. Ary nambara mazava ny foto-kevitra ijoroana mikasika ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy.

Ary nampanantena ny Filoha Nelson fa araka ny torolalana nomen’ny Tompo dia mbola betsaka ny ho avy!