2019
Mitohy ny fanompoana ataon’ny Filoha Nelson
Mey 2019


Mitohy ny fanompoana ataon’ny Filoha Nelson

Sary
Ny Filoha sy Rahavavy Nelson miarahaba ankizy

Noraisina an-tanandroa tao amin’ny fampaherezam-panahy tao Lima Pérou ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona Enrique R. Falabella.

Fotoana fohy taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018, dia nandeha tany Pérou, Bolivie, Paraguay, Uruguay, ary Chili ny Filoha Russell M. Nelson izay nitsidihany mpikambana sy misiônera ary nanaovany fampaherezam-panahy, ka anisan’izany ny fampaherezam-panahy iray ho amin’ny zatovo tao Chili izay natrehan’ny olona 1500 ary nampitaina mivantana manerana ny firenena ihany koa. Niresaka tamin’ny mpikambana tamin’ny fiteny Espaniôla izy, nitokana ny Tempolin’i Concepción Chili, ary nihaona tamin’ireo mpitarika tao amin’ny governemanta teo an-toerana.

Vehivavy an’arivony no namaly tamin’ny tambazotra ifaneraserana ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hanao tatitra momba ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fanamby miisa efatra nasainy natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018: (1) tsy mampiasa tambazotra ifaneraserana sy fampahalalam-baovao miresaka zavatra ratsy mandritra ny 10 andro, (2) mamaky ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny faran’ny taona 2018, (3) mankany amin’ny tempoly tsy tapaka, ary (4) mandray anjara feno ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. “Te hisaotra anareo rehetra aho tamin’ny famalianareo ny fanasako,” hoy ny Filoha Nelson, ary nanambara ny fanantenany izy fa “nitondra anareo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ny tsirairay avy tamin’ireo fanasana ireo.”

Ny Filoha Nelson dia niahy ny fotoam-bavaka fanaovam-beloma farany an’i Wendy Nelson Maxfield zanany vavy, izay nodimandry rehefa avy niady tamin-kerim-po tamin’ny homamiadana. “Ny ranomason’alahelonay dia hivadika ho ranomasom-panantenana rehefa manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izahay,” hoy izy. Niresaka momba ny zanany vavy izy nandritra ny fihaonambe manokana iray ho an’ny mpikambana tao amin’ny Tsatòkan’i Chico Californie, izay ahitana rantsana roa avy ao Paradise izay noravaravan’ny afo. “Mianatra ianao fa manana olana avokoa ny olona rehetra,” hoy izy. “Raha te hanana fahatsapana tsaratsara kokoa ianao dia hadinoy ny tenanao ary manompoa olona hafa.”

Tao Arizona, Etazonia ny Filoha Nelson dia nanasa mpikambana marobe miisa 65000 izay niara-nivory tao amin’ny kianja lehibe iray fanaovana fanatanjahan-tena mba “[h]anampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely avy amin’ny lafiny roa amin’ny voaly.” Ny Filoha Nelson ihany koa dia nanoratra tao amin’ny tsanganana iray ho an’ny vahiny izay navoaka tao amin’ny gazety Arizona Republic izay namporisika ny olona “hitodika any amin’[ny Tompo] ary hametraka Azy ho ivon’ny fiainanareo.” Nandray anjara tamin’ny fakana am-bavany nampitaina mivantana tao amin’ny fahitalavitry ny fanjakana izy. Nanatrika lanonana niaraka tamin’ny mpitarika eo amin’ny fiarahamonina sy ny fanabeazana ary ara-pinoana. Ary nanao fivoriana fametrahana sy famaliana fanontaniana niaraka tamin’ny tanora tokan-tena.

Hatramin’ny nanendrena azy tamin’ny 14 janoary 2018, ny Filoha Nelson dia efa nitsidika kaontinanta 5, firenena sy faritra 16, ary tanàna 24, nanao dia 88.515 km teo ho eo.