2019
Nanampy olona an’arivorivony ireo asa fanampiana olona
Mey 2019


Nanampy olona an’arivorivony ireo asa fanampiana olona

Sary
Mpanampy mpitsabo iray sy vehivavy iray lasa reny tany Indonésie

Mijoro eo akaikin’ny vehivavy iray lasa reny ny mpanampy mpitsabo iray tany Indonésie. Nahavita ilay fianarana mikasika ny Fanampiana ireo zazakely mba hiaina izay sahanin’ny LDS Charities ireo mpanampy mpitsabo tao amin’ity toeram-piterahana ity.

Sary
Lehilahy iray any Ghana

Mitsiky ny tovolahy iray avy any Ghana rehefa avy napetraka teo amin’ny sezabe misy kodiarana iray niaraka tamin’ny fanampian’ny teknisiana iray avy ao amin’ny LDS Charities.

Ny fikambanana manampy olona izay an’ny Fiangonana sy ny LDS Charities dia nandray anjara tao anatin’ny tetikasa miisa 2885 tany amin’ny firenena miisa 141 tamin’ny taona lasa, ka niasa niaraka tamin’ireo fikambanana namana mpanampy olona miisa 1900. Nanomboka tamin’ny 1985, dia nanolotra fanampiana mitentina $2.2 miliara mahery ny LDS Charities, ka tafiditra tao anatin’izany izany ny fanomezana vola, zavatra fototra ilaina, ary sakafo na fitaovana tany amin’ny firenena sy faritany miisa 197, araka ny tatitra fanao isan-taona navoakan’ny LDS Charities tamin’ny 19 febroary 2019.

Ny ezaka eo amin’ny fanampiana olona ataon’ny Fiangonana dia entanin’ny fangorahana sy ny fitiavana ny zanak’Andriamanitra rehetra ary miorina eo amin’ireo fitsipika fototra telo, dia ny fikarakarana ireo izay tena sahirana, famporisihana ny fananana fizakan-tena ary fanentanana ny fanaovana asa an-tsitrapo sy asa fanompoana. Ireo fitsipika ireo izay mifototra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia manome hery ny olona sy ny fianakaviana na inona na inona firazanany, na antokom-pinoana misy azy, na fiaviany.

Mitondra anjara biriky amin’ny filana fanampiana vonjy maika ny Fiangonana (tafiditra ao anatin’izany ireo asa ataon’ny mpilatsaka an-tsitrapo), fanampiana ireo manana olana ara-pahitana, fikarakarana ny reny sy ny zaza vao teraka, fanolorana rano madio sy fitaovana fidiovana, fanaovana vaksiny, fanomezana sezabe misy kodiarana sy fitaovana ahafahana mamindra, fanampiana olona hamokatra sakafo ho an’ny tenany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vahaolana sy loharano eo an-toerana, ary fanampiana mandritra ny fotoana fohy sy maharitra an’ireo mpitsoa-ponenana. Ny Fiangonana koa dia mandray anjara amin’ireo tetikasa atao eo anivon’ny fiarahamonina any amin’ireo fanjakana sy faritany miisa 43 any Etazonia sy Kanada mba hitondrana fanampiana ho an’ireo tsy manan-kialofana sy eo amin’ny fanomezana fonenana an’ireo mpitsoa-ponenana ary eo anatrehan’ireo filana fanampiana hafa.

“Mahatsapa fankasitrahana feno sy finamanana akaiky amin’ny olona tsirairay izay nitondra anjara biriky tamin’ny fahombiazan’ny asa fanampiana olona tamin’ny 2018 izahay,” hoy ny Rahavavy Sharon Eubank, filohan’ny LDS Charities sy Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Nolazainy fa maneho ny hatsaram-panahin’ny olona an’arivorivony ilay tatitra.