2019
Loholona Rubén V. Alliaud
Mey 2019


Loholona Rubén V. Alliaud

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Rubén V. Alliaud

14 taona i Rubén Alliaud rehefa nandao ny tokantranony tany Argentine mba ho any amin’ny dadatoany tany Etazonia mandritra ny herintaona. Maty taloha kelin’izay i Rubén Reynaldo Alliaud rainy, ka dia lasa nanana “toe-tsaina tia nikomy” i Rubén.

Nandefa azy tany Houston Texas i María reniny izay nanahy ny aminy, mba hiara-hipetraka amin’i Manuel Bustos anadahiny sy ny fianakaviany. Fepetra iray no nangatahany mba hohajain’ny fianakavian’ny anadahiny hoe: “Aza zaraina amin’ny zanako lahy ny finoanareo amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany anareo.”

Nahasarika an’ilay zatovo nanana olana ihany anefa ny fanahin’ny filazantsara. Nodinihiny ny fomba nampiraisan’ny Fiangonana ny fianakaviana Bustos tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanompoana, ary tsy nisy zavatra nanakana azy tsy hahatsikaritra ireo Bokin’i Môrmôna teo amin’ireo talantalana tao amin’ny efitranony.

Noho izy lian-kahafantatra dia nosintoniny ny boky iray ary dia hitany tao ny fampanantenana nomen’i Môrônia fa afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny vavaka izy fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

“Nahakasika ny foko ilay fampanantenana,” hoy ilay vao nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony. “Te hamaky ilay boky aho.”

Tena nino ny fampanantenana nataon’i Môrônia izy, dia nahazo valim-bavaka fa marina ilay boky, ary nilaza tamin’ny dadatoany izay tsy nanampo fa te hatao batisa izy. Nalefan’i Dadatoa Manuel niverina avy hatrany tany Argentine i Rubén mba hangataka ny fankatoavan’ny reniny. Fotoana fohy taorian’izay izy dia natao batisa. Hatramin’izay fotoana izay dia nampatanjaka ny fiainan’ny Loholona Alliaud ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Teraka tamin’ny 8 janoary 1966 tao Buenos Aires i Rubén Vicente Alliaud. Nanambady an’i Fabiana Bennett Lamas tao amin’ny tempolin’i Buenos Aires Argentine izy tamin’ny 17 desambra 1992. Manan-janaka enina izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana momba ny lalàna avy tao amin’ny oniversite an’i Belgrano ao Buenos Aires ny Loholona Alliaud ary nahazo asa isan-karazany mahakasika ny lalàna izy, izay nianatra manokana momba ny lalàna mahakasika ny heloka bevava. Nanomboka tamin’ny 1998 izy dia tale mpiara-mitantana tao amin’ny Alliaud & Asociados.

Efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy, filohan’ny Misiônan’i Argentine Córdoba, filohan’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary misiônera tao amin’ny Misiônan’i Uruguay Montevideo. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpampianatra institiota sy mpanolotsaina voalohany tao amin’ny Ivontoerana Fanofanana Misiônera tao Argentine ary tale misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany izy.