Ny soratra masina
2 Nefia 9


Toko 9

Nanazava i Jakoba fa hangonina any amin’ny tany rehetra nampanantenaina ho azy ireo ny Jiosy—Ny Sorompanavotana no manarina ny olona avy amin’ny fahalavoana—Hivoaka avy any am-pasana ny vatan’ny maty ary avy any amin’ny helo sy ny paradisa kosa ny fanahiny—Hotsaraina izy ireo—Ny Sorompanavotana no mamonjy amin’ny fahafatesana, sy ny helo, sy ny devoly, ary ny fijaliana tsisy fiafarany—Ny marina no ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra—Nambara ny famaizana noho ny fahotana—Ilay Masin’ny Isiraely no mpiandry ny vavahady. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, novakiako ireo zavatra ireo mba hahazoanareo mahafantatra ny momba ny fanekempihavanan’ny Tompo izay efa nifanekeny tamin’ny mpianakavin’i Isiraely rehetra—

2 Izay noteneniny tamin’ny Jiosy, tamin’ny vavan’ny mpaminaniny masina na dia hatrany am-piandohana aza ka hatrizao ary hatramin’ny taranaka fara mandimby ka mandra-pahatongan’ny fotoana hampodiana azy ho ao amin’ny fiangonana marina sy ao amin’ny valan’ Andriamanitra; rehefa hangonina izy mba hody any amin’ny tany lovany sy rehefa haorina amin’ny taniny nampanantenaina rehetra.

3 Indro, ry rahalahiko malala, teneniko anareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo miravoravo sy manatraka mandrakizay ny lohanareo noho ny fitahiana izay hatolotry ny Tompo Andriamanitra ny zanakareo.

4 Satria fantatro fa ny maro taminareo dia efa nikaroka mafy ny hahalala ny zavatra ho avy; koa fantatro fa fantatrareo fa ny nofontsika dia tsy maintsy hihaosa sy ho faty; kanefa dia ao amin’ny vatantsika no hahitantsika an’ Andriamanitra.

5 Eny, fantatro fa fantatrareo fa ao amin’ny vatany no hanehoany ny tenany amin’ireo ao Jerosalema izay toerana niaviantsika; satria ilaina ny hitrangan’izany eo anivony; satria tsy maintsy nataon’ny Mpahary lehibe izay hamelany ny tenany mba hofehezin’ny olona eo amin’ny nofo sy ho faty ho an’ny olon-drehetra, mba hahatonga ny olon-drehetra kosa hofeheziny.

6 Fa satria efa nahatratra ny olon-drehetra ny fahafatesana mba hahatanteraka ny drafitra feno famindram-pon’ilay Mpahary lehibe, dia tsy maintsy ilaina ny hisian’ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy maintsy ilaina ho tonga amin’ny olona noho ny fahalavoana; ary ny fahalavoana dia vokatry ny fandikana lalàna; ary satria efa lavo ny olona dia nesorina teo anatrehan’ny Tompo izy.

7 Noho izany dia tsy maintsy ilaina ny sorompanavotana tsisy fetra—fa raha toa ka tsy sorompanavotana tsisy fetra izany, dia tsy ho afaka hitafy ny tsy fahalovana ity fahalovana ity. Noho izany, ny famaizana voalohany izay nihatra tamin’ny olona dia tsy maintsy ilaina ho tafajanona naharitra tsy nanam-piafarana. Ary raha izany no nitranga, ity nofo ity dia tsy maintsy ho nampandriana mba ho lò sy hiverina ho vovo-tany ka tsy hitsangana intsony.

8 Ô ny fahendren’ Andriamanitra, ny famindram-pony sy ny fahasoavany! Satria indro fa raha tsy mitsangana intsony ny nofo, ny fanahintsika dia tsy maintsy ho efa nofehezin’ilay anjely izay nianjera avy teo anoloan’ilay Andriamanitra Mandrakizay, ary lasa devoly ka tsy hitsangana intsony.

9 Ary ny fanahintsika dia tsy maintsy ho efa tonga toa azy, ary dia ho lasa devoly isika, anjelin’ny devoly ka dia ho nohidiana tany ivelan’ny fitoeran’ Andriamanitra ka dia ho niara-nitoetra tamin’ny rain’ny lainga, nijaly toa azy; eny, toa azy ilay nanangoly ny ray aman-drenintsika voalohany, izay manova ny tenany saika tahaka ny anjelin’ny fahazavana sy mamporisika ny zanak’olombelona ho amin’ny tsikombakomba miafina hamonoana olona sy ho amin’ny karazan’asa miafin’ny maizina rehetra.

10 Ô endrey ny halehiben’ny hatsaram-pon’ny Andriamanitsika izay manomana lalana mba hialantsika amin’ny fihazonan’io biby mahatsiravina io; eny, ilay biby, fahafatesana sy helo izay antsoiko hoe ny fahafatesan’ny vatana, ary koa ny fahafatesan’ny fanahy.

11 Ary noho ny lalam-panafahan’ Andriamanitsika, ny Iray Masin’ny Isiraely, io fahafatesana izay efa noresahiko io, izay ara-nofo, dia hamoaka ny maty ao aminy; izany fahafatesana izany dia ny fasana.

12 Ary io fahafatesana izay efa noresahiko io, izay ny fahafatesana ara-panahy, dia hanafaka ny maty ao aminy; izany fahafatesana ara-panahy izany dia ny helo; noho izany ny fahafatesana sy ny helo dia tsy maintsy samy manafaka ny maty ao aminy avy ary ny helo dia tsy maintsy manafaka ny fanahy babo ary ny fasana dia tsy maintsy manafaka ny vatana babo, ary dia haverina hitambatra ny vatana sy ny fanahin’ny olona tsirairay avy; ary izany dia noho ny herin’ny fananganana amin’ny maty an’ny Iray Masin’ny Isiraely.

13 Ô Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika! Satria eo an-kilany, ny paradisan’ Andriamanitra dia tsy maintsy manafaka ny fanahin’ny marina ary ny fasana dia manafaka ny vatan’ny marina; ary ny fanahy sy ny vatana dia haverina hitambatra indray ary ny olona rehetra dia zary tsy mety lo sy tsy mety maty ary ireo dia fanahy velona manana fahalalana tomombana toa antsika tao amin’ny nofo, saingy ho tomombana ny fahalalantsika.

14 Koa, hanana fahalalana tomombana ny amin’ny hadisoantsika rehetra isika sy ny fahalotoantsika ary ny fitanjahantsika; ary ny marina hanana fahalalana tomombana ny amin’ny firavoravoany sy ny fahamarinany, fa tafiana fahadiovana izy, eny, dia ny lamban’ny fahamarinana izany.

15 Ary ny zavatra hitranga, rehefa avy nandalo ity fahafatesana voalohany ity hankany amin’ny fiainana ny olon-drehetra, ka efa tonga tsy mety maty, dia tsy maintsy hiseho eo anoloan’ny toeram-pitsaran’ny Iray Masin’ny Isiraely izy; ary amin’izany dia tonga ny fitsarana ary amin’izany dia tsy maintsy tsaraina araka ny fitsarana masin’ Andriamanitra izy.

16 Ary raha velona marina tokoa ny Tompo, satria ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany ary izany dia teniny maharitra mandrakizay izay tsy mety levona, ireo izay marina dia ho marina hatrany ary ireo izay maloto dia haloto hatrany; koa ireo izay maloto dia ny devoly sy ny anjeliny; ary ireo dia handeha hiala hankany amin’ny afo maharitra mandrakizay voamboatra ho azy ireo; ary ny fijaliany dia ho toy ny farihy afo sy solifara izay ny lelafony dia miakatra mandrakizay mandrakizay ka tsy manam-pahataperana.

17 Endrey ny fahalehibeazana sy ny fahamarinan’ Andriamanitsika! Fa manatanteraka ny teniny rehetra Izy ary efa niloaky ny vavany ireny ary tsy maintsy tanteraka ny lalàny.

18 Nefa, indro, ny marina, ny olomasin’ny Iray Masin’ny Isiraely, ireo izay efa nino ny Iray Masin’ny Isiraely, ireo izay efa niaritra ny fanenjehan’izao tontolo izao ary efa nanao tsinontsinona ny henatra tamin’izany, ireo no handova ny fanjakan’ Andriamanitra izay voaomana ho azy ireo hatry ny fanorenana izao tontolo izao ary ho feno mandrakizay ny fifaliany.

19 Endrey ny fahalehibeazan’ny famindram-pon’ Andriamanitsika, ny Iray Masin’ny Isiraely! Fa Izy dia manafaka ny olomasiny amin’io biby mahatsiravina io, dia ny devoly sy ny fahafatesana ary ny helo, ary ny farihy afo sy solifara izay fijaliana tsisy fiafarany.

20 Endrey ny halehiben’ny fahamasinan’ Andriamanitsika! Satria mahafantatra ny zavatra rehetra Izy ary tsy misy na inona na inona izay tsy fantany.

21 Ary tonga amin’izao tontolo izao Izy hahazoany mamonjy ny olon-drehetra raha mety mihaino ny feony izy; fa indro, miaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama.

22 Ary miaritra izany Izy mba hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny olon-drehetra ka hahazoan’ny rehetra mijoro eo anoloany amin’ny andro lehibe sady fitsarana.

23 Ary mandidy ny olon-drehetra Izy ny tsy maintsy hibebahany sy hanaovana batisa azy amin’ny anarany rehefa manam-pinoana tanteraka ny Iray Masin’ny Isiraely, fa raha tsy izany dia tsy ho azo vonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.

24 Ary raha tsy mety mibebaka izy sy tsy mino ny anarany sady tsy atao batisa amin’ny anarany no tsy maharitra hatramin’ny farany, dia tsy maintsy hohelohina; satria ny Tompo Andriamanitra, ny Iray Masin’ny Isiraely no efa niteny izany.

25 Koa efa nomeny ny lalàna; ary amin’izay tsy misy lalàna nomena dia tsy misy famaizana; ary amin’izay tsy misy famaizana dia tsy misy fanamelohana; ary amin’izay tsy misy fanamelohana dia ny famindram-pon’ny Iray Masin’ny Isiraely no manan-kery aminy noho ny sorompanavotana; satria afahana amin’ny heriny izy.

26 Fa ny sorompanavotana no manefa ny fitakian’ny fahamarinany amin’ireo rehetra izay tsy manana ny lalàna nomena azy ka dia afaka amin’io biby mahatsiravina io izy, dia ny fahafatesana sy ny helo ary ny devoly ary ny farihy afo sy solifara izay fijaliana tsisy fiafarany; ary haverina ho amin’ny laoniny indray amin’io Andriamanitra io izy izay nanome azy fofon’aina, izay ny Iray Masin’ny Isiraely.

27 Nefa lozan’izay manana ny lalàna nomena azy, eny, izay manana ny didin’ Andriamanitra rehetra toa antsika ka mandika ireny ary mandanilany foana ny andro fisedrana azy, fa mahatahotra ny hanjò azy!

28 E ny hafetsen’ny tetikadin’ilay ratsy! E ny maha-tsinontsinona sy ny halemena ary ny adalan’ny olona! Rehefa mahay izy dia manao azy ho hendry ary tsy mihaino ny torohevitr’ Andriamanitra fa avelany izany noho ny fiheverana fa avy amin’ny tenany no ahafantarany, koa adalana ny fahendreny fa tsy mahasoa azy izany. Ary ho faty izy.

29 Nefa tsara ny mahay raha henoiny ny torohevitr’ Andriamanitra.

30 Nefa lozan’ny manan-karena izay manan-karena raha ny amin’ny zavatr’izao tontolo izao. Fa noho ny hareny dia manamavo ny mahantra izy ary manenjika ny malemy fanahy, ary any amin’izay misy ny hareny ny fony; koa ny hareny no andriamaniny. Ary indro fa ho fongana miaraka aminy koa ny hareny.

31 Ary lozan’ny marenina izay tsy te handre; fa ho faty izy.

32 Lozan’ny jamba izay tsy te hijery; fa ho faty koa izy.

33 Lozan’ny tsy voafora fo, fa ny fahalalana ny helony no hikapoka azy amin’ny andro farany.

34 Lozan’ny mpandainga, fa hatsipy any amin’ny helo izy.

35 Lozan’ny mpamono olona izay minia mamono, fa ho faty izy.

36 Lozan’ireo izay mijangajanga, fa hatsipy any amin’ny helo izy.

37 Eny, lozan’ireo izay manompo sampy, fa ny devoly lohan’ny devoly rehetra no finaritra aminy.

38 Ary raha fintinina, lozan’ireo rehetra izay maty ao amin’ny fahotany; fa hiverina amin’ Andriamanitra izy ary hahita ny tavany kanefa dia hijanona ao amin’ny fahotany.

39 Ry rahalahiko malala, tsarovy fa mahatahotra ny fandikana ny lalàn’ilay Andriamanitra Masina, ary mahatahotra koa ny fanekena ny fanangolen’ilay fatsora. Tsarovy fa ny fiheverana ny zavatry ny nofo dia fahafatesana ary ny fiheverana ny zava-panahy kosa dia fiainana mandrakizay.

40 Ry rahalahiko malala, atongilano amin’ny teniko ny sofinareo. Tsarovy ny fahalehibeazan’ny Iray Masin’ny Isiraely. Aza milaza hoe efa nanao teny henjana taminareo aho; fa raha milaza izany ianareo, dia maniratsira ny fahamarinana; fa efa nilaza ny tenin’ilay Mpanao anareo aho. Fantatro fa henjana amin’ny fahalotoana rehetra ny tenin’ny fahamarinana; kanefa ny marina tsy matahotra ireny satria tia ny fahamarinana izy ka tsy mihontsina.

41 Amin’izany ry rahalahiko malala, manatòna ny Tompo, Ilay Iray Masina. Tsarovy fa marina ny lalany. Indro, ety ho an’ny olona ny lalana, kanefa dia voasoritra mahitsy eo anoloany izany, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no mpiandry ny vavahady; ary tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ny vavahady; ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny vavahady; satria tsy azo fitahiana Izy, fa ny Tompo Andriamanitra no anarany.

42 Ary na zovy na zovy no handondona dia hovohany; ary ny hendry sy ny mahay ary ireo izay manan-karena izay mieboebo noho ny fahaizany sy ny fahendreny ary ny hareny—eny, ireny no halany; ary raha tsy manary ireo toetrany ireo ireny ka manao ny tenany ho bado eo anoloan’ Andriamanitra ary midina any amin’ny fanentretena lalina, dia tsy hovohany.

43 Nefa ny zavatry ny hendry sy ny malina dia hafenina aminy mandrakizay—eny, izany no fahasambarana izay efa voaomana ho an’ny olomasina.

44 Ry rahalahiko malala, tsarovy ny teniko. Indro, manala ny fitafiako aho ka manifikifika izany eo anoloanareo; mangataka ny Andriamanitry ny famonjena ahy aho mba hijereny ahy amin’ny masony mahita ny zava-drehetra; noho izany dia ho fantatrareo amin’ny andro farany, rehefa hotsaraina araka ny asany avy ny olon-drehetra, fa ny Andriamanitry ny Isiraely no vavolombelona fa efa nanifikifika ny helokareo hiala tamin’ny fanahiko aho, ary dia mijoro amim-pamirapiratana eo anoloany ary afaka amin’ny ranareo.

45 Ry rahalahiko malala, mivilia hiala amin’ny fahotanareo; akifiho hiala ny rojon’ilay mangeja mafy anareo; manatòna an’ Andriamanitra izay vatolampin’ny famonjena anareo.

46 Omano ho amin’izany andro be voninahitra izany ny fanahinareo rehefa havaly ny olo-marina ny fahamarinana, dia ny andro fitsarana izany, mba tsy hihemoranareo amin-tahotra mahatsiravina; mba tsy hahatsiarovanareo ny helokareo mahatsiravina amin’ny antsipiriany ary mba tsy ho voatery hiantsoantso ianareo hoe: Masina, masina ny fitsaranao, Ry Tompo Andriamanitra Tsitoha—nefa fantatro ny hadisoako; nandika ny lalànao aho ary ahy ny fandikana ny lalàna; ary efa nahazo ahy ny devoly hany ka zary rembiny ao amin’ny fahoriany mahatsiravina aho.

47 Nefa, indro ry rahalahiko, moa ilaina va ny hamohazako anareo ho amin’ny fisiana mahatsiravin’ireo zavatra ireo? Moa handrotidrotika ny fanahinareo va aho raha madio ny sainareo? Moa ho tsotra aminareo va aho araka ny fahatsoran’ny fahamarinana raha afaka tamin’ny fahotana ianareo?

48 Indro, raha masina ianareo dia ho niresaka fahamasinana taminareo aho; nefa, satria tsy masina ianareo sy mihevitra ahy ho toy ny mpampianatra anareo, dia mety sady tsy maintsy ilaina ny hampianarako anareo ny vokatry ny fahotana.

49 Indro, mankahala ny fahotana ny fanahiko ary finaritra amin’ny fahamarinana ny foko; ary hidera ny anarana masin’ny Andriamanitro aho.

50 Manatòna ry rahalahiko, ianareo rehetra izay mangetaheta mankanesa amin’ny rano; ary izay tsy manam-bola, avia mividia ary homàna; eny, avia mividia divay sy ronono nefa tsy amim- bola na amin-karena.

51 Koa aza mandany vola amin’izay tsy misy vidiny na miasa amin’izay tsy mety mahafa-po. Henoy amim-pahazotoana tokoa aho ary tsarovy ny teny izay efa nolazaiko; ary manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely ka mivokisa amin’izay tsy mety simba sady tsy mety lò ary aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.

52 Indro ry rahalahiko malala, tsarovy ny tenin’ny Andriamanitrareo; mivavaha Aminy lalandava mandritra ny andro ary manolòra fisaorana ny anarany masina mandritra ny alina. Aoka hifaly ny fonareo.

53 Ary indro, endrey ny halehiben’ny fanekempihavanan’ny Tompo sy ny halehiben’ny fietreny ho an’ny zanak’olombelona; ary noho ny fahalehibeazany sy ny fahasoavany ary ny famindram-pony no efa nampanantenainy antsika fa tsy ho fongana tanteraka ny taranatsika araka ny nofo fa hotehiriziny kosa izy; ary ho tonga sampana marina ho an’ny mpianakavin’i Isiraely izy ao amin’ny taranaka ho avy.

54 Ary ankehitriny ry rahalahiko, dia te hiteny misimisy aminareo aho; nefa rahampitso vao holazaiko anareo ny teniko sisa. Amena.