Ny soratra masina
Mosesy 7


Toko 7

(Desambra 1830)

Nampianatra, nitarika ny vahoaka ary namindra Tendrombohitra i Enoka—Naorina ny tanànan’i Ziona—Hitan’i Enoka mialoha ny fiavian’ny Zanak’Olona, ny sorompanavotany ary ny fitsanganan’ireo Olomasina amin’ny maty—Hitany mialoha ny famerenana amin’ny laoniny, ny Fanangonana, ny Fiaviana Fanindroany ary ny fiverenan’i Ziona.

1 Ary ny zava-nitranga dia nanohy ny lahateniny i Enoka, nanao hoe: Indro, i Adama raintsika dia nampianatra ireo zavatra ireo ary maro no nino ka tonga zanak’ Andriamanitra ary maro no tsy nino ary efa maty tao amin’ny fahotany ka miandrandra amin’ny tahotra, ao amin’ny fijaliana, ny firehetan’ny fahaviniran’ny fisafoakan’ Andriamanitra hilatsaka aminy.

2 Ary hatramin’izay fotoana izay, dia nanomboka naminany i Enoka nanao tamin’ny vahoaka hoe: Raha nandeha aho ary nijoro teo amin’ny toeran’i Mahojà ary niantso ny Tompo, dia nisy feo nivoaka avy any an-danitra, nanao hoe:—Mitodiha ianao ary miakara eo an-tendrombohitr’i Simeona.

3 Ary ny zava-nitranga dia nitodika aho ary nandeha niakatra teo an-tendrombohitra; ary raha nijoro teo an-tendrombohitra aho dia nahatazana ny lanitra nisokatra, ary notafiana voninahitra aho;

4 Dia nahita ny Tompo aho; ary nijoro teo anoloan’ny tavako Izy ka niresaka tamiko, tahaka ny olona iray miresaka amin’ny iray hafa, mifanatrika; ary hoy Izy tamiko: Jereo dia hasehoko anao izao tontolo izao mandritra ireo taranaka maro.

5 Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny lohasahan’i Soma aho ary indro, sesehena ny vahoaka izay nitoetra tao anaty lay, izay ny vahoakan’i Soma.

6 Ary hoy indray ny Tompo tamiko: Jereo; dia nijery nianavaratra aho ka nahatazana ny vahoakan’i Kanana izay nitoetra tao anaty lay.

7 Ary hoy ny Tompo tamiko: Maminania; dia naminany aho, nanao hoe: Indro, ny vahoakan’i Kanana, izay sesehena, dia hivoaka sady hitandahatra mba hiady amin’ny vahoakan’i Soma ary handripaka azy, hany ka ho fongana tanteraka izy; ary ny vahoakan’i Kanana dia hifampizara eo amin’ny tany, ary ny tany dia ho ngazana sy tsy hahavokatra ary tsy hisy vahoaka hafa hitoetra eo afa-tsy ny vahoakan’i Kanana;

8 Fa indro, ny Tompo dia hanozona ny tany amin’ny hafanana be ary ny hangazanany dia hitohy mandrakizay; ary nisy fahamaintisana tonga tamin’ny zanak’i Kanana rehetra ka nankahalaina teo anivon’ny vahoaka rehetra izy ireo.

9 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny Tompo tamiko: Jereo; dia nijery aho ka nahatazana ny tanin’i Saroma sy ny tanin’i Enoka, ary ny tanin’i Ômnera sy ny tanin’i Heny, ary ny tanin’i Sema sy ny tanin’i Hanera, ary ny tanin’i Hananiha mbamin’ny mponiny rehetra;

10 Ary hoy ny Tompo tamiko: Mandehana any amin’ity vahoaka ity ary lazao aminy hoe—Mibebaha fandrao hivoaka Aho ka hamely azy amin’ny ozona ary ho faty izy.

11 Ary nomeny ahy ny didy fa izaho dia tokony hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka izay feno fahasoavana sy fahamarinana, ary ny an’ny Fanahy Masina izay vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka.

12 Ary ny zava-nitranga dia notohizan’i Enoka ny fiantsoana ny olona rehetra, afa-tsy ny vahoakan’i Kanana, hibebaka;

13 Ary lehibe tokoa ny finoan’i Enoka ka nitarika ny vahokan’ Andriamanitra izy ary tonga hiady amin’izy ireo ny fahavalony; ary niteny ny tenin’ny Tompo izy dia nihorohoro ny tany ary nandositra ny tendrombohitra, dia araka ny didiny izany; ary ny renirano dia nivily niala tamin’ny lalany, ary ny fieron’ny liona dia re avy any an-tany foana; ary ny firenena rehetra dia natahotra fatratra tokoa fa nahery izaitsizy ny tenin’i Enoka, ary lehibe tokoa ny herin’ny fiteny izay efa nomen’ Andriamanitra azy.

14 Nisy koa tany nivoaka avy tao amin’ny halalin’ny ranomasina, ary lehibe tokoa ny tahotry ny fahavalon’ny vahoakan’ Andriamanitra, ka nandositra izy ireo ary nijoro teny lavitra sy nandeha niakatra ny tany izay nivoaka avy tao amin’ny halalin’ny ranomasina.

15 Ary ireo lehilahy goavana teo amin’ny tany koa dia nijoro tany lavitra; ary nisy ozona nandeha teo amin’ny olon-drehetra izay niady tamin’ Andriamanitra;

16 Ary hatramin’izay fotoana izay, dia nisy ady sy fandatsahan-dra teo anivony; fa tonga ny Tompo ary niara-nonina tamin’ny vahoakany ary niaina tamim-pahamarinana izy ireo.

17 Mby teo amin’ny firenen-drehetra ny fahatahorana ny Tompo fa lehibe indrindra ny voninahitry ny Tompo, izay mby teo amin’ny vahoakany. Ary notahin’ny Tompo ny tany ary izy ireo dia notahina teny an-tendrombohitra sy teny amin’ny toerana avo ka niroborobo.

18 Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy mahantra teo anivony.

19 Ary notohizan’i Enoka ny fitoriany tamim-pahamarinana tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra. Ary ny zava-nitranga tamin’ny androny dia naoriny ny tanàna izay nantsoina hoe ny Tanànan’ny Fahamasinana, dia i Ziona.

20 Ary ny zava-nitranga dia niresaka tamin’ny Tompo i Enoka; ary hoy izy tamin’ny Tompo: Hitoetra am-pilaminana mandrakizay marina tokoa i Ziona. Nefa hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Ziona dia efa notahiko fa ny vahoaka sisa dia efa nozoniko.

21 Ary ny zava-nitranga dia nasehon’ny Tompo an’i Enoka ny mponina rehetra teto an-tany; dia nitazana izy ary indro, i Ziona, rehefa afaka elaela, fa nakarina ho any an-danitra. Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Indro ny fonenako mandrakizay.

22 Ary i Enoka dia nahatazana koa ny vahoaka sisa izay zanakalahin’i Adama; ary izy ireo dia fifangaroan’ny taranak’i Adama rehetra, afa-tsy ny taranak’i Kaina, fa ny taranak’i Kaina dia mainty ary tsy nanana toerana teo anivon’izy ireo.

23 Ary taorian’ny nampakarana an’i Ziona ho any an-danitra, dia nitazana i Enoka ary indro, ny firenena rehetra teto an-tany dia teo anoloany;

24 Dia nifandimby ireo taranaka; ary i Enoka dia ambony sy tafasondrotra ambony, dia ao an-tratran’ny Ray sy ny an’ny Zanak’Olona; ary indro ny herin’i Satana dia tambonin’ny tany manontolo.

25 Ary hitany nidina avy any an-danitra ireo anjely; ary reny ny feo mahery nanao hoe: Loza, lozan’ny mponin’ny tany.

26 Ary tazany i Satana; ary izy dia nanana rojo lehibe teny an-tanany ary izany dia nanarona ny tambonin’ny tany manontolo tamin’ny haizina; ary niandrandra izy dia nihomehy ary nifaly ny anjeliny.

27 Ary tazan’i Enoka ireo anjely nidina avy any an-danitra sady vavolombelona nanambara ny Ray sy ny Zanaka; ary nilatsaka tamin’ny maro ny Fanahy Masina ary izy ireo dia nakarin’ny herin’ny lanitra ho ao i Ziona.

28 Ary ny zava-nitranga dia nijery ny vahoaka sisa ny Andriamanitry ny lanitra ary nitomany; ary i Enoka dia vavolombelona nanambara izany, nanao hoe: Manao ahoana loatra re no dia mitomany ny lanitra ary mandrotsaka ny ranomasony toy ny orana eny an-tendrombohitra?

29 Ary hoy i Enoka tamin’ny Tompo: Manao ahoana loatra re no dia afaka mitomany Ianao, nefa Ianao dia masina ary hatrizay ka ho mandrakizay?

30 Na dia ho vitan’ny olona aza ny hanisa ny poti-tany, eny, tany an-tapitrisany tahaka ity, dia tsy mbola ny fiandohan’ny isan’ny zava-boarinao akory izany; ary ny lambam-baravaranao dia mbola mikatona; kanefa dia eo Ianao ary ny tratranao dia eto; ary Ianao koa dia marina; feno famindram-po sy tsara mandrakizay;

31 Ary efa nalainao avy teo amin’ireo zava-noharianao rehetra i Ziona mba ho eo an-tratranao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay; ary tsy misy afa-tsy fiadanana, fahitsiana ary fahamarinana no fipetrahan’ny seza fiandriananao; ary famindram-po no handeha eo anoloan’ny tavanao ka tsy hanam-pahataperana; manao ahoana loatra re Ianao no dia afaka mitomany?

32 Hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Jereo ireto rahalahinao ireto; asan’ny tanako ireo ary nomeko azy ireo ny fahalalany tamin’ny andro nahariako azy ireo; ary tao amin’ny Saha Edena no nanomezako ny olona ny safidiny;

33 Ary tamin’ny rahalahinao no efa nolazaiko, ary koa nomeko ny didy fa tokony hifankatia izy ireo ary hifidy Ahy rainy; nefa indro tsy manam-pitiavana izy ireo ary mankahala ny iray ra aminy ihany;

34 Ary ny afon’ny fahavinirako dia mirehitra aminy; ary amin’ny fisendaotrako mahamay no handefasako safodrano aminy, fa ny fahatezerako mivaivay dia mirehitra aminy.

35 Indro, Izaho no Andriamanitra; Lehilahin’ny Fahamasinana no anarako; Lehilahin’ny Torohevitra no anarako; ary Tsisy Fiafarana sy Mandrakizay dia anarako ihany koa.

36 Koa afaka maninjitra ny tanako Aho ary mihazona ny zava-boary rehetra efa nataoko; ary ny masoko dia afaka maninteraka azy koa, ary amin’ny asan’ny tanako rehetra dia tsy mbola nisy faharatsiana lehibe toy izay misy eo anivon’ny rahalahinao.

37 Nefa indro, ny fahotany dia ho eo ambonin’ny lohan’ireo rainy; Satana no ho rainy ary fahoriana no ho anjarany; ary ny lanitra manontolo dia hitomany noho ny aminy, dia ny asan’ny tanako rehetra koa tsy hitomany va ny lanitra mahita fa hijaly ireo?

38 Nefa indro, ireo, izay mby eo aminy ny masonao dia ho faty amin’ny safodrano; ary indro, hahiboko ireo; tranomaizina no efa nomaniko ho an’ireo.

39 Ary Ilay nofinidiko dia efa nitalaho teo anoloan’ny tavako. Koa Izy dia mijaly noho ny fahotan’izy ireo; raha toa izy ireo ka mibebaka amin’ny andro izay hiverenan’ny Nofinidiko Amiko, ary mandra-pahatongan’izany andro izany, dia hijaly izy ireo;

40 Koa noho izany no hitomanian’ny lanitra, eny, mbamin’ny asan’ny tanako rehetra.

41 Ary ny zava-nitranga dia niresaka tamin’i Enoka ny Tompo ary niteny tamin’i Enoka ny fanao rehetra an’ny zanak’olombelona; koa nahalala i Enoka ary nibanjina ny faharatsiany sy ny fahoriany ka nitomany sy naninjitra ny tanany, ary ny fony dia nivonto tsy nisy farany toy ny mandrakizay; ary nangotika ny kibony; ary ny mandrakizay rehetra dia nihozongozona.

42 Ary i Enoka koa dia nahita an’i Noa sy ny ankohonany; fa ny taranaky ny zanakalahin’i Noa rehetra dia hovonjena amin’ny famonjena ara-nofo;

43 Koa nahita i Enoka fa i Noa dia nanamboatra sambofiara; ary ny Tompo dia nitsiky tamin’izany ary nihazona izany tamin’ny tanany; fa tamin’ny olon-dratsy sisa no nahatongavan’ny safodrano ka nitelina azy.

44 Ary raha nahita izany i Enoka dia tojo fangidiam-panahy ka nitomany noho ny amin’ny rahalahiny ary niteny tamin’ny lanitra hoe: Holaviko ny hampiononina; fa hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Asandrato ny fonao dia mifalia ka jereo.

45 Ary ny zava-nitranga dia nijery i Enoka; ary nanomboka teo amin’i Noa dia tazany avokoa ireo fianakaviana teto an-tany; ary niantso ny Tompo izy nanao hoe: Rahoviana no ho tonga ny andron’ny Tompo? Rahoviana no halatsaka ny ran’ny Marina, ka ireo rehetra izay mitomany dia ho azo hamasinina ary hahazo ny fiainana mandrakizay?

46 Ary hoy ny Tompo: Izany dia ho amin’ny mitataovovonan’ny fotoana, amin’ny andron’ny faharatsiana sy ny famaliana.

47 Ary indro, hitan’i Enoka ny andron’ny fiavian’ny Zanak’Olona tao amin’ny nofo ary niravoravo ny fanahiny, nanao hoe: Voasandratra ny Marina ary voavono ny Zanakondry hatry ny fanorenana izao tontolo izao; ary noho ny finoana dia ao an-tratran’ny Ray aho ary indro, miaraka amiko i Ziona.

48 Ary ny zava-nitranga dia nijery ny tany i Enoka; ary nandre feo avy ao an-kibon’izany izy, izay nanao hoe: Loza, lozako, ilay renin’ny olona; ory aho, sasatra aho noho ny faharatsian’ny zanako. Rahoviana aho no hiala sasatra ary hodiovina amin’ny fahalotoana izay mivoaka avy ato amiko? Rahoviana no hanamasina ahy ny mpahary ahy mba hahazoako miala sasatra ary hitoeran’ny fahamarinana eto amboniko mandritra ny fotoana iray?

49 Ary nony nandre ny tany nitomany i Enoka dia nitomany ary niantso ny Tompo, nanao hoe: Tompo ô, tsy hanana fangorahana ny tany va Ianao? Tsy hotahinao va ny taranak’i Noa?

50 Ary ny zava-nitranga dia notohizan’i Enoka ny fiantsoany ny Tompo, nanao hoe: Mangataka Anao aho Tompo ô, amin’ny anaran’ny Lahitokanao, dia i Jesoa Kristy, mba hamindranao fo amin’i Noa sy ny taranany mba tsy hahazoan’ny safodrano mandrakotra na oviana na oviana intsony ny tany.

51 Dia tsy naharitra ny Tompo; ary nifanaiky tamin’i Enoka Izy ary nianiana taminy tamin’ny fianianana fa hajanony ny safodrano; fa hantsoiny ireo zanakalahin’i Noa;

52 Ary nandefa didy tsy azo ovaina Izy fa ny sisa tavela amin’ny taranany dia ho hita mandrakariva any anivon’ny firenen-drehetra raha mbola mitoetra koa ny tany;

53 Ary hoy ny Tompo: Hotahina anie izy izay avy amin’ny taranany no hiavian’i Mesia; fa hoy izy—Izaho no Mesia, ny mpanjakan’i Ziona, ny Vatolampin’ny Lanitra izay malalaka toy ny mandrakizay; na zovy na zovy no tonga eo amin’ny vavahady sy mianika eo Amiko dia tsy ho lavo na oviana na oviana; koa sambatra ireo izay efa noteneniko ny amin’izy ireo, fa ireo no hivoaka miaraka amin’ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay.

54 Ary ny zava-nitranga dia niantso ny Tompo i Enoka, nanao hoe: Rehefa tonga ao amin’ny nofo ny Zanak’Olona, moa va hitsahatra ny tany? Iangaviako Ianao, asehoy ahy izany zavatra izany.

55 Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Jereo, dia nijery izy ka nahatazana ny Zanak’Olona nasandratra teo amin’ny hazofijaliana, araka ny fomban’olombelona;

56 Ary nandre feo mahery izy; ary nosaronana ny lanitra; ary nitomany ny voarin’ Andriamanitra rehetra; ary nitaraina ny tany; ary nitresaka ny vatolampy; ary nitsangana ireo olomasina ka nosatrohina satroboninahitra teo an-tanana ankavanan’ny Zanak’Olona;

57 Ary ny fanahy rehetra tao an-tranomaizina dia nivoaka ary nijoro teo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary ny sisa dia natokana tao amin’ny gadran’ny haizina mandra-pahatongan’ny fitsaran’ny andro lehibe.

58 Dia nitomany indray i Enoka ka niantso ny Tompo, nanao hoe: Rahoviana vao hitsahatra ny tany?

59 Ary i Enoka nahatazana ny Zanak’Olona niakatra ho any amin’ny Ray; dia niantso ny Tompo izy, nanao hoe: Moa tsy ho avy indray eto an-tany va Ianao? Satria Andriamanitra Ianao, ary fantatro Ianao, ary efa nianiana tamiko Ianao ary nandidy ahy hangataka amin’ny anaran’ny Lahitokanao; efa nanao ahy Ianao ary nomenao ahy ny zo ho amin’ny seza fiandriananao, ary tsy avy amiko izany fa noho ny fahasoavanao; noho izany dia manontany Anao aho raha tsy ho avy indray eto an-tany Ianao.

60 Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Toy ny mahavelona Ahy, dia toy izany koa no hiaviako amin’ny andro farany, amin’ny andron’ny faharatsiana sy ny famaliana mba hanatanteraka ny fianianana izay efa nataoko taminao momba ny zanak’i Noa;

61 Ary ho avy ny andro izay hitsaharan’ny tany saingy, mialohan’izany andro izany dia hohamazinina ny lanitra ary ny voalin’ny haizina dia hanarona ny tany; ary hihozongozona ny lanitra, ary koa ny tany; ary fahoriana be no hanjo ny zanak’olombelona, fa ny oloko kosa dia hotsimbiniko;

62 Ary fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara ny Lahitokako; ny fitsanganany tamin’ny maty; eny, ary koa ny fitsanganan’ny olon-drehetra amin’ny maty, ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra ho amin’ny toerana izay homaniko, ny Tanàna Masina, mba hahazoan’ny oloko misikina ny valahany ary miandrandra ny fotoana hiaviako; fa eo no ho tabernakeliko ary hatao hoe i Ziona izany, dia Jerosalema Vaovao.

63 Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Amin’izay no hihaonanao sy ny tanànanao rehetra aminy eo ary ho raisintsika ho eo an-tratrantsika izy ireo, dia ho hitany isika; ary hofihinintsika ny vozony, dia hofihininy ny vozontsika ka hifanoroka isika;

64 Ary ho eo ny fonenako ary izany no ho Ziona izay hivoaka avy amin’ny voary rehetra izay efa nataoko; ary mandritra ny arivo taona, dia hitsahatra ny tany.

65 Ary ny zava-nitranga dia hitan’i Enoka ny andron’ny fiavian’ny Zanak’Olona amin’ny andro farany, mba hitoetra eto an-tany amim-pahamarinana mandritra ny arivo taona;

66 Saingy talohan’izany andro izany dia nahita fahoriana be teo anivon’ny olon-dratsy izy; ary nahita ny ranomasina koa izy fa nisamboaravoara izany, ary reraka ny fon’ny olona, miandrandra amin-tahotra ny famalian’ilay Andriamanitra Tsitoha, izay hihatra amin’ny olon-dratsy.

67 Ary nasehon’i Tompo an’i Enoka ny zava-drehetra, na dia hatrany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao aza; ary nahita ny andron’ny olo-marina izy, ny oran’ny fanavotana azy ireo ka nandray ny fahafenoan’ny fifaliana;

68 Ary ny andron’i Ziona rehetra tamin’ny andron’i Enoka dia dimy amby enimpolo sy telonjato taona.

69 Ary i Enoka sy ny vahoakany rehetra dia niara-nandeha tamin’ Andriamanitra, ary nitoetra teo afovoan’i Ziona Izy; ary ny zava-nitranga dia tsy teo intsony i Ziona, satria noraisin’ Andriamanitra ho eo an-tratrany izany; ary hatramin’izay fotoana izay no nielezan’ny fiteny hoe: Lasa i Ziona.