Seminera sy Institiota
Lesona 14: I Jesoa Kristy no ilay Mesia


Lesona 14

I Jesoa Kristy no ilay Mesia

Fampidirana

Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Mesia izay ho avy—taranak’i Davida Mpanjaka izay hanafaka ny vahoakany. I Jesoa Kristy no “ilay Jehovah Lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha, ilay Mesia ao amin’ny Testamenta Vaovao” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanadihady ny sasany amin’ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba an’i Jesoa Kristy ary hahita ny fomba fihetsiky ny olona sasany rehefa nasaina nisafidy ny hanaiky na handà an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia.

Vakiteny Enti-mandalina

  • G. Homer Durham, “Jesus the Christ: The Words and Their Meaning,” Ensign, Mey 1984, 14–16.

  • “ The Divine Mission of Jesus Christ: Messiah,” Ensign na Liahona, Aog. 2014, 7.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Isaia 61:1–2; Lioka 4:16–24

Nanambara i Jesoa fa Izy no ilay Mesia

Anontanio ireo mpianatra raha efa nahare fanambarana izay efa nandrasana ela izy ireo na nahita ny nahatongavan’ny namana na fianakaviana iray izay efa nandrandraina tokoa. Lazao ireo mpianatra fa ny lesona anio dia manadihady traikefa mitovitovy amin’izany teo anivon’ireo Jiosy taloha. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Isaia 61:1–2. Manontania avy eo hoe:

  • Mikasika an’iza io faminaniana io?

Alefaso ilay horonan-tsary hoe “Jesus Declares He Is the Messiah” (Manambara i Jesoa fa Izy no Mesia) (3:24) ao amin’ny Horonan-tsary momba ny Baiboly mikasika ny Fiainan’i Jesoa Kristy. (Alaivo sy jereo mialoha ilay horonan-tsary alohan’ny fotoam-pianarana.) Asao ireo mpianatra hanaraka ny ao amin’ny Lioka 4:16–21 rehefa mijery.

Rehefa tapitra ilay horonan-tsary dia anontanio hoe:

  • Ahoana no hamintinanareo ny hafatry ny Mpamonjy tao Nazareta tamin’io andro io? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny andininy 18 sy ny andininy 21.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ireo andianteny hoe “nanosotra ahy [Izy]” sy ny hoe “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany”? (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny teny hoe Mesia sy ny hoe Kristy dia samy midika hoe “Ilay Voahosotra,” dia asao izy ireo hijery ny teny iditra hoe “Mesia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (jereo ny scriptures.lds.org).

  • Ahoana no nanatanterahan’i Jesoa ilay faminaniana nataon’i Isaia izay nindraminy ny teniny (jereo ny andininy 18–19)?

Matio 21:1–11

Tonga i Jesoa Kristy amin’ny maha Mesia Azy

Asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andiana soratra masina manaraka ireto, ary asao ireo mpianatra hisafidy iray na roa mba hohalalinina. Rehefa mampitaha ny fahasamihafana eo amin’ireo andinin-tsoratra masina nofidiany ireo mpianatra, dia angataho izy ireo hieritreritra momba ny antony mahatonga ireo andinin-tsoratra masina ireo ho nampiarahana sy ny zavatra ampianarin’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Isaia 7:14; Matio 1:21–23

Mika 5:2; Lioka 2:4–7

Zakaria 9:9; Matio 21:6–11; Jaona 12:12–15

Salamo 22:16, 18; Matio 27:35

Isaia 53:9; Matio 27:59–60; Jaona 19:18, 38–42

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony ho takatr’izy ireo fa i Jesoa Kristy dia tonga sy niaina ary maty mba hanatanteraka ireo faminaniana momba ny Mesia. Antintrantero fa io fahamarinana io no nambaran’ny Mpamonjy tany Nazareta. Vakio mafy ny Lioka 4:28–29 . Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no fihetsik’ireo olona tao amin’ny synagoga tao Nazareta manoloana ny fanambarana nataon’i Jesoa?

Lazao ireo mpianatra fa taona vitsy taty aoriana, dia fihetsika tena samy hafa amin’izany no hitan’i Jesoa avy amin’ny olona sasany tao Jerosalema. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 21:1–11. Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra, dia amporisiho izy ireo haka sary an-tsaina hoe manatrika ilay zava-nitranga voalaza ao amin’io andinin-tsoratra masina io izy ireo. Hazavao amin’ireo mpianatra fa rehefa mianatra maka sary an-tsaina ny zava-mitranga ao amin’ny soratra masina izy ireo, dia hanome fahafahana fanampiny ho an’ny Fanahy Masina mba hampianatra azy ireo.

  • Nahoana no toy izany no fihetsik’ireo olona tao Jerosalema? (Nahafantatra izy ireo fa i Jesoa no ilay Mesia nandrasana izay ela izay.)

  • Manao ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fihetsikao raha ianao no teo?

Sariho ny sain’ny mpianatra amin’ilay teny hoe Hosana ao amin’ny andininy 9; avy eo dia zarao ity famaritana manaraka ity:

“[Ny hoe Hosana] dia teny Hebreo izay midika hoe ‘vonjeo re izahay’ ary ampiasaina ho fiderana sy fitalahoana.

“… Tamin’ny fidiran’ny Tompo nanakoako tao Jerosalema, ny valalabemandry dia nihiaka hoe ‘Hosana’ sy namelatra sampan-drofia mba hodiavin’i Jesoa ka naneho tamin’izany ny fahatakarany fa i Jesoa ihany no Ilay Tompo izay efa nanafaka ny Isiraely (Sal. 118:25–26; Mat. 21:9, 15; Marka 11:9–10; Jaona 12:13). Nahafantatra ireo olona ireo fa i Kristy no ilay Mesia nandrasana izay ela izay. Zary fankalazana ny Mesia tamin’ny taona rehetra ny teny hoe Hosana (1 Ne. 11:6; 3 Ne. 11:14–17). Tafiditra tao amin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland ny hiaka hoe Hosana (F&F 109:79) ary ankehitriny dia tafiditra amin’ny fanokanana tempoly maoderina izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hosana”; scriptures.lds.org).

Azonao atao ny mampiseho ireto tanjon’ny faminaniana momba ny mesia manaraka ireto (nalaina avy tamin’ny Bruce R. McConkie, The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 28–32):

  1. Ireo faminaniana momba ny Mesia dia nanampy ireo izay niaina talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy hino Azy, koa amin’izany dia nanampy azy ireo hahazo ny famonjena (jereo ny 1 Nefia 10:4–6; 2 Nefia 25:18–20, 26; Môsià 3:13).

  2. Ireo faminaniana momba ny Mesia dia nanampy ireo izay niaina nandritra ny andron’i Kristy hamantatra fa Izy no fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, ka noho izany dia manampy azy ireo hahazo ny famonjena (jereo Jaona 4:25, 29).

  3. Ireo faminaniana momba ny Mesia dia manampy ireo izay miaina aorian’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy tety an-tany hahafantatra fa Izy no fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, ka noho izany dia manampy azy ireo hahazo ny famonjena (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:12–18; 26:22–23).

  • Rehefa mandinika ireo tanjona telo ireo ianao, inona no mety ho tombontsoa ho anao rehefa mianatra mamantatra ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny soratra masina ianao sy rehefa mahita fa i Kristy no fahatanterahan’ireo faminaniana ireo?

Jaona 6:5–69

Manara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mesia Azy

Avereno lazaina fa ireo Jiosy tamin’ny vanimpotoan’ny Testamenta Taloha dia nino fa indray andro any ny Mesia dia ho tonga avy amin’ny taranak’i Davida mba hamonjy ny vahoakany. Maro no nino fa hanafaka azy ireo amin’ny famatoran’ny Romana Izy tahaka ny nanafahan’i Jehovah ny Isiraelita tany Egypta.

Asaivo mamaky vetivety ny tantara ao amin’ny Jaona 6:5–15 ireo mpianatra. Anontanio hoe:

  • Inona no fahagagana nataon’i Jesoa ao amin’io tantara io?

  • Ahoana no hamariparitanao ny fihetsiky ny olona ao amin’ny andininy 14–15?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no toy izany no fihetsik’izy ireo?

Zarao ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Nisy fomban-drazana nampianarin’ireo Rabbi na mpampianatra izay tafalatsaka lalina tao an-tsain’ny olona, hoe rehefa tonga ny Mesia, dia hamahana azy ireo amin’ny mofo avy any an-danitra izy” (The Mortal Messiah, boky 4 . [1979–81], 2:367).

Hazavao fa tahaka ny namahanan’i Jehovah mana an’ireo zanak’i Isiraely (jereo ny Eksôdôsy 16), rehefa namahana ny valalabemandry tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa dia maro no nandray io fahagagana nataony io ho famantarana fa Izy no ilay Mesia.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jaona 6:31–32, 49–53, 60, 66. Asaivo manaraka ny mpianatra rehetra ary mitady ny fomba fihetsiky ny olona tamin’i Jesoa ny ampitson’io sy ny fomba namaliany azy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no maro no nandà azy tamin’io andro io?

  • Inona no tsy takatr’izy ireo tamin’izany? (Jesoa no loharanon’ny fiainana ara-panahy; Izy no Mofon’Aina.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:67–69. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no ambaran’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Petera ao amin’ny andininy 69 ?

  • Ahoana no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Petera momba ny Mpamonjy teo amin’ny fiainan’i Petera?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana misy banga ireto, ary angataho ireo mpianatra hanazava ny fomba hamenoany izany: Raha manaiky an’i Jesoa Kristy ho Mesia isika, dia _________________________.

Rehefa avy nanome valiny vitsivitsy ireo mpianatra, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha David O. McKay (1873–1970):

Sary
Filoha David O. McKay

“Ny zavatra eritreretinao amin-kitsimpo ao am-ponao momba an’i Kristy no hamaritra hoe iza ianao, ary hamaritra amin’ny ankapobeny ny zavatra izay hataonao. Tsy misy olona afaka mandalina io olon’ny lanitra io sy manaiky ny fampianarany ka hoe tsy hahatsapa fitaomana mankahery sy manatsara ao anatiny” (Enseignements des Présidents de l’Église: David O. McKay [2003], 7).

Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratany ny zavatra eritreretiny momba an’i Kristy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Amporisiho ireo mpianatra handinika hoe inona no azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba hampisehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra