Seminera sy Institiota
Lesona 1: I Jesoa no ilay Kristy Velona


Lesona 1

I Jesoa no ilay Kristy Velona

Fampidirana

Nanambara ireo vavolombelona ankehitriny hoe: “Mijoro ho vavolombelona izahay amin’ny maha Apôstôly voatendriny anay—fa Jesoa no ilay Kristy Velona” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 3). Tena zava-dehibe ny fananana ireo vavolombelona mahatoky an’ilay Zanaka Malalan’ny Ray satria toa tsy manam-pahalalana mikasika ny toetra marin’i Jesoa Kristy sy ny ifandraisany amin’ Andriamanitra Ray izao tontolo izao. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hamantatra io zavatra ilaina io sy hianatra ny fomba ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona tsaratsara kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ny manodidina.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ilay Kristy Velona

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Iza moa i Jesoa Kristy, ary nahoana ianao no mino Azy?

Lazao amin’ny mpianatra fa maro ny olona no mamaly an’io fanontaniana io amin’ny alalan’ny fijorona ho vavolombelona. Fijoroana ho vavolombelona iray tahaka izany no ambara tao anatin’ilay hira hoe “Velona Ilay Mpanavotra Ahy” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 76). Omano ho an’ ny mpianatra ny tonon’ity fihirana ity, dia zarao ho andiany efatra izy ireo. Zarao andininy iray avy ny vondrona tsirairay ary asao izy ireo hamaky ny tonony. Omeo fotoana ampy izy ireo ary avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo teny na andianteny izay nampiasaina ao amin’ity hira ity mba hanehoana hoe iza moa i Jesoa Kristy ary inona no ataony ho antsika? (Ny valiny dia tokony ahitana ny hoe “Mpanavotra,” “Kristy,” “Fiafarana,” “Tompo tia,” “Mpanjaka,” “Mpamonjy tsy miova.” Mankahery ny fanahy Izy, mitahy, manafaka, manampy, miaro, manome aina.)

  • Inona avy ireo teny izay nampiasaina ato amin’ity hira ity mba hilazana ny fomba ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy miantraika any amintsika? (Ny valiny dia tokony ahitana ny hoe “mankahery” sy “mampitony.”)

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara ny tenivavolombelon’izy ireo mitambatra mikasika an’i Jesoa Kristy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (jereo ny Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2–3). Omeo tahadikan’io tenivavolombelona io ny mpianatra tsirairay, ary hazavao fa avy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika izay atolotra ao anatin’io fanambarana nentanim-panahy io ny ankamaroan’ireo lohahevitra ao amin’ireo lesona ao anatin’ity fandaharam-pianarana ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy voalohany:

“Ho fankalazantsika ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ i Jesoa Kristy roa arivo taona lasa izay, dia manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ ny fisian’ ny fiainany tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ ny Sorompanavotany lehibe. Tsy nisy olona hafa nanana akony teo amin’ireo rehetra efa niaina sy mbola hiaina eto an-tany” (“Ilay Kristy Velona: Teny Vavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2)

  • Inona no tianao ho fiantraikan’ny fianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany mandrakizay eo aminao ato anatin’ity enim-bolana ity? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa ny fandalinana amin-kitsimpo mikasika ny fiainan’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hankafy ny fitaomana lalina izay nananany ary mety hananana eo amin’ny fiainantsika.)

  • Amin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny Mpamonjy nanana fiantraikany teo amin’ireo rehetra izay efa niaina na ireo izay mbola hiaina eto an-tany? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hanantitranterana ny Sorompanavotana mihatra amin’ny rehetra izay nataon’ny Mpamonjy.)

Lazao amin’ny mpianatra fa ity fandaharam-pianarana ity dia hifantoka amin’ny asa fanompoana mandrakizay nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany teto an-tany sy ny fiainana taorian’ny fiainana an-tany. Rehefa mianatra mikasika ireo andraikitra masina maro sahanin’ny Mpamonjy ireo mpianatra dia hihalalina ny fitiavan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Jaona 20:30–31; 1 Nefia 6:4; 2 Nefia 25:23, 26

Ireo soratra masina dia nosoratana mba hahafahan’ny olona hino an’i Jesoa Kristy

Anontanio ny mpianatra hoe firy ireo boky izay heverin’izy ireo fa nosoratana mikasika an’i Jesoa Kristy. Hazavao amin’ny mpianatra fa izay fandalinana tsara mety hatao momba ny fiainan’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mifantoka amin’ny soratra masina. Manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy an’ireto andinin-tsoratra masina ireto: Jaona 20:30–31; 1 Nefia 6:4; ary 2 Nefia 25:23, 26. Asaivo manaraka ireo mpianatra ary mitady ireo antony mahatonga ny soratra masina ho loharano tsara azo ampiasaina rehefa mandalina ny asa fanompoana mandrakizay nataon’ny Mpamonjy.

  • Inona no fitsipika hampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny tanjon’ny soratra masina? (Na dia mety ho samy hafa aza ny teny ampiasain’ireo mpianatra, dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina mikasika ny Mpamonjy isika, dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary hanakaiky Azy kokoa isika.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ity, izay avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka lahiny. …

“… Ny finoana dia azo avy amin’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona amin’ny fanahintsika, izany hoe Fanahy mankany amin’ny fanahy, rehefa mandre na mamaky ny tenin’ Andriamanitra isika. Ary mihamafy orina ny finoana rehefa manohy mamoky ny tenantsika amin’ny teny isika” (“Ny Fitahiana avy amin’ny Soratra Masina,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 34, 35).

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny Soratra masina manampy antsika hanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanakaikezantsika Azy?

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny finoanao an’i Jesoa Krsity sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy nihanatanjaka tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina?

Omeo iray avy amin’ireo loharanom-pahalalana voatanisa ao amin’ny fizarana Vakitenin’ny Mpianatra ho an’ity fandaharam-pianarana ity ny mpianatra tsirairay. (Azo atao amin’ny taratasy izany na azonao atao ny manazava amin’ireo mpianatra ny toerana ahitan’izy ireo izany amin’ny endrika elektrônika.) Asaivo mametraka fanamby ireo mpianatra hanao ny vakitenin’ny mpianatra ato amin’ity fandaharam-pianarana ity ho anisan’ny fandalinana ataon’izy ireo isan’andro mandritry ity enim-bolana ity. Omeo antoka ireo mpianatra fa raha mahavita izany fanamby izany izy ireo dia ho ampianarin’ny Fanahy Masina ary hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy

Hazavao amin’ny mpianatra fa tsy ampy ny mianatra fotsiny mikasika ny Mpamonjy ao amin’ny Soratra masina. Fa tsy maintsy mahazo tenivavolombelona ara-panahy ho an’ny tenantsika manokana koa isika na fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, Ilay Voahosotra, dia ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Zarao amin’ny mpianatra ity fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy afaka miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’olon-kafa isika. Mila mamantatra ho an’ny tenantsika isika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: ‘Ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay dia manana andraikitra hahafantatra ho an’ny tenany manokana amin’ny fomba azo antoka tsy amin’ahiahy fa i Jesoa no ilay Zanakalahin’ Andriamanitra velona sy nitsangana tamin’ny maty’ (“Fear Not to Do Good,” Ensign, Mey 1983, 80).

“Ny loharano ahitana io fahalalana azo antoka io sy io faharesen-dahatra mafy orina io dia fanambarana masina, ‘fa ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana’ (Apôkalypsy 19:10).

“Mandray an’io fijoroana ho vavolombelona io isika rehefa miresaka amin’ny fanahy ao anatintsika ny Fanahy Masina. …

“Ny ivon’io fijoroana ho vavolombelona io dia ny finoana an’i Jesoa Kristy hatrany sy ny fahalalana mikasika Azy sy ny asa masina nataony” (“The Power of a Personal Testimony,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 38).

  • Nahoana araka ny hevitrao no i Jesoa Kristy no tokony ho ivon’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Inona no tsapanao fa tian’i Jesoa Kristy ho ataonao amin’ny fijoroanao ho vavolombelona anananao momba Azy?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tokony hahita zavatra mitory an’i Jesoa Kristy ety amintsika ny olona. Ny fomba fihetsika, firesaka, fijery, ary na ny fomba fisainantsika aza dia ahitana taratra Azy sy ny fombany. … Na dia tsy teo aza isika nandritra ny asa fanompoana nataony, rehefa mandalina ny soratra masina isika dia mahita an’i Jesoa sy ny zavatra noteneniny sy nataony. Ary rehefa maka tahaka izany fombany izany isika dia mijoro ho vavolombelona momba Azy” (“Ho lasa vavolombelon’i Kristy,” Ensign, Mar. 2008, 60).

Tohizo izany amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

  • Ahoana ny fomba nahitanao ireo olon-kafa nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny zavatra nataon’izy ireo?

  • Rehefa mieritreritra ny tontolo izay iainanao ianao, dia inona no azontsika atao mba hahatonga ny tenivavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ny Mpamonjy hisy fiantraikany amin’ny hafa?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika, dia manana andraikitra hizara izany.

Ampanaovy fanamby ireo mpianatra mba ho vonona isan’andro ny hijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny sy ny zavatra ataon’izy ireo. Entano izy ireo ho tonga ao amin’ny kilasy ka efa nahavita vaky ireo vakitenin’ny mpianatra nomena ho vitain’izy ireo, ary miaraka amin’ny fahavononana hizara hevitra, sy hametraka fanontaniana, ary handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra.

Vakitenin’ny Mpianatra