Seminera sy Institiota
Lesona 22: Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka


Lesona 22

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka

Fampidirana

Ny“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia milaza hoe: “Tao amin’izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith i [Jesoa Kristy] sy ny Rainy, mba hampiditra amin’ilay ‘andro voatendry hanangonana ny zavatra rehetra’ (Efesiana 1:10) efa nampanantenaina hatramin’ny ela” (Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny anjara asa fototra nananan’ny Fahitana Voalohany ao amin’ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy amin’ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’io fahitana io. Ity lesona ity dia manamafy ihany koa fa ny fandalinana ny Fahitana Voalohany dia mampatanjaka ny finoantsika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our faith,” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 78–81.

  • Dieter F. Uchtdorf, “The Fruits of the First Vision,” Ensign na Liahona, mey 2005, 36–38.

  • Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1: 14–17

Nahita an’Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith

Ampahafantaro ny toe-javatra manodidina ity lesona ity amin’ny fanaovana famerenana ny Joseph Smith—Tantara 1:5–12. Rehefa izany dia asao ireo mpianatra hampihatra io andinin-tsoratra masina io amin’izao andro iainantsika izao amin’ny alalan’ny fanoroana ny fitoviana eo amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fikarohany ny fahamarinana sy ny zavatra iainan’ireo izay mikaroka ny fahamarinana amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. (Tokony ahitana ity manaraha ity ny valinteny: Nisy disadisa maro teo anivon’ny fiangonana isan-karazany. Tsy afaka nahafantatra ny fiangonana marina tamin’ny alalan’ny rafipisainany na ny faharanitan-tsainy i Joseph Smith. Samy hafa ny fanazavan’ireo mpitarika fivavahana ny andinin-tsoratra masina iray.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:14–15. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsy hivavaka i Satana? (Mety hahitana izao manaraka izao ny valinteny: Fantatr’i Satana i Joseph Smith hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nahafantatra izy fa voatendry mialoha hamerina fahamarinana eto an-tany i Joseph. Niezaka ny hanakana ny fitrangan’izany i Satana.)

Asao hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ny mpianatra ary soraty ny fotopampianarana izay afaka fantarina avy amin’ny tenivavolombelon’i Joseph Smith. Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hizara ny fotopampianarana izay hitany.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Christoffel Golden ao amin’ny Kolejin’ny Fitopololahy ity:

Sary
Loholona Christoffel Golden

“Nanoratra ny Mpaminany hoe: ‘Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!’ [Joseph Smith—Tantara 1:17].

“Ity zavatra niainan’ny zazalahy Joseph ity, izay narahan’ny fahitana sy fanambarana maro dia manambara fa tena misy Andriamanitra; ny Ray sy ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, dia olona roa misaraka sy miavaka tsara; ny olona dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra; ny Raintsika any An-danitra dia Rain’i Jesoa Kristy ara-bakiteny; Andriamanitra dia manohy manambara ny momba Azy amin’ny olona; Andriamanitra dia akaiky sy liana ny amintsika hatrany; ary mamaly ny vavaka ataontsika Izy” (“Ny Ray sy ny Zanaka,” Ensign na Liahona, mey 2013, 100).

  • Ahoana no hamaritanao ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany an’i Joseph Smith eo amin’ny fivavahan’ny Olomasin’ny Andro Farany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero izao manaraka izao: Ny fahitan’i Joseph Smith an’ny Ray sy ny Zanaka dia namerina tamin’ny laoniny fahamarinana manan-danja maro teto an-tany.)

  • Ahoana no hanazavanao ny maha-zavatra tokony heverina ny Fahitana Voalohany an’i Joseph Smith ho an’ireo mpikaroka fahamarinana amin’izao fotoana?

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Miankina amin’ny maha-marina ity Fahitana Voalohany feno voninahitra ity ny momba antsika rehetra amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. … Tsy misy zavatra hampiorenantsika ny fotopampianarantsika, na zavatra ampianarintsika na iainantsika izay manan-danja kokoa noho ity fanambarana voalohany ity. Manaiky aho fa raha toa ka niresaka tamin’ Andriamanitra sy ny Zanaka Malalany i Joseph Smith dia marina avokoa ny zavatra hafa rehetra resahantsika. Izany no zava-niseho izay mampisokatra ny vavahady mitondra mankany amin’ny lalan’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay” (“What Are People Asking about Us?” Ensign, nôv. 1998, 71).

  • Nahoana “ny momba antsika rehetra amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika” no miankina amin’ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany? (Tokony hahatakatra ny mpianatra fa raha diso ny tantaran’i Joseph Smith, dia tsy nitranga ny famerenana tamin’ny laoniny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; raha marina kosa anefa ny tantaran’i Joseph Smith dia nitranga ny famerenana amin’ny laoniny ary marina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.)

  • Ahoana no fomba nandraisanao fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany?

Asao ny mpianatra hanomboka hisaintsaina mikasika ny zavatra tokony hataony mba hahazo fanamafisana vaovao momba ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany. Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Fanamby voafaritra mazava tsara no omeko an’ireo tanora izay mihaino an’ireto teny ireto amin’izao fotoana izao na mamaky ireto teny ireto any aoriana: Ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenanao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith. … Vakio ny fijoroan’ny Mpaminany Joseph Smith ho vavolombelona ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. … Izy ity dia fijoroan’i Joseph ho vavolombelona mikasika izay tena niseho marina. Vakio matetika izany. Raketo amin’ny raki-peo amin’ny feonao manokana ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona, henoy matetika izany ary zarao amin’ireo namanao. Ny fihainoana ny fijoroan’ny Mpaminany ho vavolombelona amin’ny feonao manokana dia hanampy amin’ny fitondrana ilay tenivavolombelona katsahinao” (“Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 30).

Alohan’ny hanohizana ny lesona, dia hazavao amin’ny mpianatra fa tsy tamin’ny Fahitana Voalohany ihany ny Mpamonjy no namangy an’i Joseph Smith sy ny olona sasany mandritra ity fotoampitantanana ity. Niseho tamin’i Joseph Smith sy tamin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa imbetsaka ohatra i Jesoa Kristy teny am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny (jereo ohatra ny F&F 76:22–24; 110:1–10).

Joseph Smith—Tantara 1:17–20

“Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

Asao ny mpianatra hiverina hijery ny Joseph Smith—Tantara 1:17, ary anontanio izy ireo hoe inona no zavatra nataon’ny Ray any An-danitra rehefa niseho tamin’i Joseph Smith. (Nanolotra ny Zanany Izy.) Azonao atao ihany koa ny manontany ny mpianatra raha efa nieritreritra ny maha-zava-dehibe ity zava-nitranga manokana tamin’ny Fahitana Voalohany ity izy ireo? Vakio amin’ny mpianatra ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972):

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Ny fanambarana rehetra taorian’ny Fahalavoana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. … Taorian’ny Fahalavoana dia mbola tsy nifampiraharaha mivantana sy niseho manokana tamin’ny olona ny Ray, ary mbola tsy niseho tamin’iza na iza raha tsy hoe tamin’ny fanolorana sy ny fanambarana ny Zanaka Izy” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 boky. [1954–56], 1:27).

“Fony Adama tao amin’ny Sahan’i Edena, dia niaina teo anatrehan’ Andriamanitra, Ilay Raintsika Mandrakizay izy. Rehefa lavo izy, dia notsoahina teo anatrehan’ny Ray. … Araka ny voalazan’ny soratra masina, dia lasa i Jesoa Kristy, avy eo, no Mpisolovava ho an’i Adama sy ny zanany [jereo ny 1 Jaona 2:1; F&F 29:5; 110:4], sy Mpanalalana ihany koa [1 Timoty 2:5; Hebreo 9:15] Izay mitsangana eo anelanelan’ny olombelona sy ny Ray Mandrakizay, miaro antsika. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia i Jesoa Kristy no nanoro lalana ny mpanompony teto an-tany ary nanome fanambarana sy fitarihana ho an’ny mpaminany. Raha mpamitaka i Joseph Smith … dia tsy hilaza velively mihitsy izy fa ny Ray no nanolotra ny Zanaka, sy nangataka azy mba hametraka ny fanontaniny amin’ny Zanaka ary ny Zanaka no nanome valinteny” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., 5 boky. [1957–66], 3:58).

  • Tamin’ny Fahitana Voalohany, iza no nanome valinteny rehefa nanontany mikasika ny antokom-pivavahana marina i Joseph Smith?

  • Araka ny voalazan’i Joseph Fielding Smith, nahoana no zava-dehibe ho an’i Joseph Smith ny nandray an-tsoratra fa nanolotra an’i Jesoa Kristy ny Ray Mandrakizay ary i Jesoa Kristy no namaly ny fanontaniany? (Tokony hahatakatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny fanambarana rehetra taorian’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.)

  • Mampiova inona amin’ny fahatokisanao ny fahamarinan’ny fitantaran’ny Mpaminany ny fahitany ny fahatakarana an’ity fomba fahatongavan’ny fanambarana ity?

Manampy antsika hampitombo finoana amin’i Jesoa Kristy ny Fahitana Voalohany.

Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Izany no fomba hitahian’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith ny fiainantsika manokana sy ny fiainan’ny fianakaviana ary aty aoriana ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona manontolo mihitsy—lasa mino an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith. Niaina fahitana masina tahaka ny an’i Joseph ny mpaminany sy ny apôstôly maro teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. …

“… Ireo fisehoana rehetra ireo, na fahiny na amin’izao fotoana izao, dia mitarika ireo izay mino any amin’ilay loharano masin’ny fahamarinana sy fanantenana rehetra—dia Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny. …

“Amin’ny alalan’ny finoantsika an’ilay fijoroana ho vavolombelona manokan’ny Mpaminany Joseph sy ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany ary amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka, izay lalim-paka sy avy amin’ny fo dia hahazo finoana mafy orina isika an’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao izay niresaka tamin’i Joseph ‘tamin’ny marainan’ny andro tsara sady mipoaka tamin’izay, tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona roapolo sy valonjato amby arivo’ (Joseph Smith—Tantara 1:14)” (“The Fruits of the First Vision,” Ensign na Liahona, mey 2005, 38).

  • Inona ny fitahiana azo avy amin’ny fandalinana ny Fahitana Voalohany, araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf? (Na dia mampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Rehefa mandalina ny Fahitana Voalohany isika, dia mampitombo ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy.)

  • Ahoana no mahatonga ny finoantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka ho lalina kokoa rehefa mandalina ny namangian’Izy Ireo an’i Joseph Smith isika? (Tokony ho anisan’ny valinteny hita ity manaraka ity: Ny Fahitana Voalohany dia vavolombelona manambara hafa fa Velona Izy Ireo; manome toky antsika indray izany fa liana amin’ny raharahan’ny olombelona Izy Ireo; mampiseho izany fa mihaino sy mamaly vavaka Izy Ireo.)

  • Inona ny anjara asan’ny Fahitana Voalohany amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Famerenana tamin’ny laoniny?

  • Inona no zavatra azonao atao amin’ny herinandro ambony ho fankaherezana na ho fandraisana fanamafisana indray ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fahitana Voalohany?

Omeo fanamby ny mpianatra mandritra ny andro maromaro ho avy mba haka fotoana hisaintsaina sy hivavaka momba ny Fahitana Voalohany. Asao izy ireo handray an-tsoratra ny zavatra ao an-tsainy sy ny zavatra tsapany mikasika ny zavatra masina niainan’i Joseph Smith.

Vakitenin’ny Mpianatra