Seminera sy Institiota
Lesona 12: Ireo fahagagana teny amin’ny lalamben’i Palestina


Lesona 12

Ireo fahagagana teny amin’ny lalamben’i Palestina

Fampidirana

“Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina i [Jesoa Kristy], nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ampahany nanan-danja teo amin’ny asa fanompoana feno indrafo nataon’ny Mpamonjy ny fahagagana, kanefa nanaporofo ny heriny sy ny fahefany ihany koa izy ireny amin’ny fanehoana fa mitombina ny filazany fa Izy no ilay Mesia. Isika koa dia afaka miaina na mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny famindrampony ary ny heriny izay miseho amin’ny fahagagana rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dallin H. Oaks, “Miracles,” Ensign, Jona 2001, 6–17.

  • Sydney S. Reynolds, “A God of Miracles,” Ensign, Mey 2001, 12–13.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 1:39–42; 2:1–12; 5:1–8, 19, 22–43; 8:1–9; Lioka 7:11–15; 3 Nefia 17:5–9

Nanao fahagagana ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andianteny manaraka ireto: nampitony ny ranomasina, nanangana ny maty, ary nandroaka fanahy ratsy. Anontanio ireo mpianatra hoe iza amin’ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy ireo no eritreretin’izy ireo fa lehibe indrindra amin’izy telo. Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia ampio hoe nahary ny tany ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ary anontanio izy ireo hoe iza amin’ireo no lehibe indrindra. Avereno indray ilay natao teo amin’ny hoe nampiova fo ny olona ary, farany amin’ny hoe nijaly sy maty noho ny fahotantsika.

Anontanio ireo mpianatra hoe ahoana no hamaritan’izy ireo ny teny hoe fahagagana. Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia asehoy ity famaritana manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky azy mafy:

“[Ny hoe fahagagana dia] zava-mahatalanjona iray miseho noho ny herin’ Andriamanitra. Lafiny lehibe amin’ny asan’i Jesoa Kristy ny fahagagana. Ao anatin’izany ny fanasitranana, ny famelomana indray sy ny fananganana ny maty. Ampahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahagagana. Mila finoana ny fanehoana fahagagana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahagagana”; scriptures.lds.org).

  • Inona koa ireo ohatra hafan’ny fahagagana izay nataon’i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaiky hoe hatraiza no mipaka ny herin’ny Mpamonjy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto, ary asao ireo mpianatra hisafidy iray mba hohalalinina: Marka 1:40–42; Marka 5:1–8, 19; Marka 8:1–9; Lioka 7:11–15; ary 3 Nefia 17:5–9. Angataho izy ireo hitady fahagagana iray nataon’ny Mpamonjy ao amin’ilay andinin-tsoratra masina novakiany sy ny zavatra hita taratra ao amin’izany momba ny heriny. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nanome fotoana ampy tsara ho an’ireo mpianatra:

  • Mikasika ny fahagagana inona ny zavatra novakianao, ary inona no hita taratra ao amin’izany mikasika ny herin’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no fomba ahafahanao manana manana finoana kokoa an’ny Mpamonjy rehefa mhahatakatra ny hery ananany ahafahany manao fahagagana? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny manamarika fa taonjato maro talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, dia mpaminany maro no efa nahita mialoha fa hanao fahagagana Izy mandritra ny asa fanompoana ataony ety an-tany [jereo ny 1 Nefia 11:31; Môsià 3:5–6]. Io fahalalana io dia nanampy ireo olona niaina talohan’ny nahaterahany hino Azy bebe kokoa.)

Asao ireo mpianatra hamerina hijery indray ilay andinin-tsoratra masina izay nohalalininy ka hitady ny antony voalaza ao fa nanatanterahan’i Jesoa ilay fahagagana. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no antony voalaza fa nanatanterahan’ny Mpamonjy ilay fahagagana izay novakianao? (Avelao hisy mpianatra vitsivitsy hamaly. Voalaza ao amin’ny ohatra tsirairay ny indrafon’ny Mpamonjy. Lazao amin’ireo mpianatra fa rehefa mianatra ny mitady maodely sy lohahevitra toy izao ao amin’ny soratra masina izy ireo, dia hanatevina ny fahaizan’izy ireo ny soratra masina.)

  • Ahoana no fomba nanehoan’ireo fahagagana ireo ny indrafon’ny Mpamonjy?

  • Mampiova inona ny fahafantarana fa indraindray ny Mpamonjy dia nanao fahagagana noho ny famindrampo lehibe ananany? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia antintrantero ny hoe rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahazo amin’ny hery lehibe ananany sy mahatsapa ny famindrampony amintsika.)

Farano amin’ny fanasana mpianatra iray hamaky ny Asan’ny Apôstôly 10:38 ity ampahan’ny lesona ity ka ny mpianatra sisa ambiny kosa manaraka ny vakiteny. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no dikan’ny hoe nanasitrana “izay rehetra azon’ny herin’ny devoly” i Jesoa? (Io andianteny io dia mety milaza ny fahagagana nataon’i Jesoa tamin’ny fandroahana devoly ary koa ny fahagagana lehibe indrindra amin’ny rehetra—dia ny fanasitranana ara-panahy izay nentin’i Jesoa ho an’ireo izay ory noho ny fahotana. Hazavao fa na dia ampahany manan-danja teo amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy aza ny fanasitranana ara-nofo, dia mandalo fotsiny ny vokatra entin’izany. Fa ny fitahiana entin’ny fanasitranana ara-panahy dia naharitra—sy maharitra—mandrakizay.)

Marka 2:1–12; 5:22–43

Mitondra fahagagana eo amin’ny fiainantsika ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Lazao amin’ireo mpianatra fa na dia manan-danja aza ny mahafantatra fa nanao fahagagana i Jesoa rehefa “nandeha ny lalamben’i Palestina Izy” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” 2), dia mety mbola manan-danja kokoa angamba ny mahafantatra fa mbola manohy manao fahagagana izy ankehitriny. Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny Etera 12:12, 18 ary avy eo hanoratra fitsipiky ny filazantsara iray izay nianarany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao ny mpianatra maromaro hizara amin’ny mpiray kilasy ny zavatra nosoratany. (Tokony hahitana ity fahamarinana manaraka ity ireo valinteny: Rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahita maso ny heriny mahagaga eo amin’ny fiainantsika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hitrandraka io fahamarinana io, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Marka 2:1–12; Marka 5:22–24, 35–43; ary Marka 5:25–34. (Fanamarihana: Azonao atao ny manamarika fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahitana ohatra iray hafa maneho maodely na lohahevitra iray ao amin’ny soratra masina.) Zarao ho vondrona telo ireo mpianatra. Asaivo mamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny vondrona tsirairay, ka mitady ireo fomba nanehoana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona no porofon’ny finoana an’i Jesoa Kristy hitanao?

Omeo tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Manasitrana ny Marary” ny mpianatra tsirairay.

Sary
handout, Healing the Sick

Manasitrana ny Marary

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tena ilaina ny finoana mba hisian’ny fahagagana:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Tena ilaina ny finoana mba hanasitranana amin’ny alalan’ny herin’ny lanitra. Ny Bokin’i Môrmôna aza dia mampianatra mihitsy hoe ‘raha tsy misy finoana eo amin’ny zanak’olombelona dia tsy afaka manao fahagagana eo anivony Andriamanitra’ (Etera 12:12) [jereo koa ny 1 Nefia 7:12; F&F 35:9]. Tao amin’ny lahateny iray miavaka mikasika ny fametrahan-tanana amin’ny marary dia nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: ‘Matetika dia atao ambanin-javatra ny filana finoana. Matetika ilay olona marary sy ny fianakaviany dia toa miantehitra tanteraka amin’ny herin’ny fisoronana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana izay antenainy fa ananan’ireo rahalahy mametra-tanana, kanefa ny andraikitra lehibe kokoa dia an’ilay olona hametrahan-tanana. … Ny singa manan-danja indrindra dia ny finoan’ilay olona raha toa io olona io ka mahatsiaro saina sy tompon’andraikitra. Naverimberin’ny Mpampianatra matetika tokoa ny hoe “Ny finoanao no efa nahasitrana anao” [Matio 9:22] hany ka saika lasa litania’ [“President Kimball Speaks Out on Administration to the Sick,” New Era, Ôkt. 1981, 47]” (“Healing the Sick,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 49).

Nampahatsiahy antsika ihany koa ny Loholona Dallin H. Oaks fa ny fahavononana hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra dia ampahany manan-danja amin’ny fananana finoana.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa mampiasa ilay hery tsisy fisalasalan’ny fisoronan’ Andriamanitra isika sy rehefa manome lanja ny fampanantenany fa handre sy hamaly ny vavaka atao am-pinoana Izy, dia tokony hahatsiaro mandrakariva isika fa ny finoana sy ny hery manasitran’ny fisoronana dia tsy afaka ny hanome vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ilay tompon’ny fisoronana. Io fitsipika io dia ampianarina ao amin’ilay fanambarana izay manoro lalana fa ireo loholon’ny Fiangonana dia tokony hametra-tanana amin’ny marary. Ny fampanantenana nomen’ny Tompo dia hoe ‘izay manam-pinoana Ahy mba ho sitrana, ary tsy voatendry ny ho faty, dia ho sitrana’ (F&F 42:48; nampiana fanamafisana). Mitovitovy amin’izany, ao amin’ny fanambarana maoderina iray hafa dia nanambara ny Tompo fa rehefa misy olona iray ‘izay mangataka araka ny sitrapon’ Andriamanitra … izany dia to araka izay angatahiny (F&F 46:30) [jereo koa ny 1 Jaona 5:14; Helamàna 10:5].

“Mianatra isika avy amin’izany rehetra izany fa na ireo mpanompon’ny Tompo aza, izay mampiasa ny heriny avy any an-danitra amin’ny toe-javatra izay ahitana finoana ampy hahasitrana, dia tsy afaka manome tsodranon’ny fisoronana izay hahatonga ny olona iray ho sitrana raha toa ka tsy izany fahasitranana izany no sitrapon’ny Tompo.

“Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia mahatoky Azy isika noho ny fahafantarantsika ny fitiavany lehibe sy ny fahalalany amin’ny farany hoe inona no tsara indrindra mba hahasoa antsika mandrakizay. Ny fitsipika voalohany amin’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ary ny finoana dia midika hoe fitokisana. Nahatsapa izany fitokisana izany aho tamin’ny lahateny iray izay nataon’ny zanaky ny nenitoako nandritra ny fotoam-pandevenana ny zatovovavy iray izay maty noho ny aretina iray mahery vaika. Nilaza ireto teny ireto izy, izay nahagaga ahy tamin’ny voalohany kanefa nankahery ahy rehefa avy eo: ‘Fantatro fa sitrapon’ny Tompo ny nahafatesany. Nahazo fitsaboana tsara izy. Nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Nosoratana tany amin’ny lisitry ny olona entina amim-bavaka any amin’ny tempoly ny anarany. An-jatony maro ny vavaka natao mba hahasitrana azy. Ary fantatro fa ampy ny finoan’ity fianakaviana hoe ho sitrana izy raha tsy hoe sitrapon’ny Tompo ny haka azy hody any aminy amin’izao fotoana izao.’ Nahatsapa izany fitokisana izany ao tamin’ny teny nataon’ny rain’ny zazavavikely iray hafa miavaka izay namoy ny ainy noho ny homamiadana nandritra ny fahatanorany. Hoy izy: ‘Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny vokatra mitranga izany.’ Toa tena marina ho ahy ireo fampianarana ireo. Manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanasitranana ny olon-tiantsika, ary avy eo dia matoky ny Tompo ny amin’izay vokany hitranga” (“Healing the Sick,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 50).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny ny filana finoana amin’ny fanatanterahana fahagagana, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanambarana voalohany ao amin’ilay taratasy zaraina izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja nampianarin’ny Loholona Oaks mikasika ny finoana?

Mba hahazoana hevi-baovao hafa avy amin’ny Loholon Oaks, dia azo atao ny mamaky na mizara amin’ny fomba izay ilazanao azy ilay fanambarana faharoa ao amin’ilay taratasy zaraina. Azonao atao ny milaza fa tamin’ny mpihazona ny fisoronana no nilazan’ny Loholona Oaks ireo teny ireo. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nolazain’ny Loholona Oaks fa takiana amintsika rehefa mivavaka amim-pinoana isika mba hisian’ny fahagagana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny zavatra katsahintsika dia tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

Mijoroa ho vavolombelona fa mbola misy ny fahagagana ankehitriny. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Fahagagana maro no mitranga isan’andro eo amin’ny asan’ny Fiangonantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo mpikambantsika. Maro aminareo no efa nahita maso fahagagana, mety mihoatra noho izay heverinareo” (“Miracles,” Ensign, Jona 2001, 6).

  • Nahoana isika araka ny eritreritrao no tsy mahatsikaritra mandrakariva ireo fahagagana miseho eo amin’ny fiainantsika? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia azonao atao ny manamarika fa vitsy ny fahagagana izay ahitana amin’ny fomba mahatalanjona ny fisehon’ny herin’ny Tompo. Maro ny fahagagana izay azo lazaina ho kely sy mitranga ao amin’ny mangingina. [Jereo ny Sydney S. Reynolds, “A God of Miracles,” Ensign, Mey 2001, 12–13.])

  • Inona no ambaran’ireo fahagagana kely sy mangingina ireo mikasika ny firaharahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika?

  • Inona no ohatra amin’ny fahagagana izay “kely” sy “fahita andavanandro” tonga ao an-tsainao? (Raha tsy misy mamaly, dia azonao atao ny mizara ny sasantsasany amin’ireo ohatra izay voalazan’ny Rahavavy Sydney S. Reynolds ao amin’ny “A God of Miracles” [Ensign, Mey 2001, 12–13].)

Asao ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity an-tsoratra:

  • Inona no azonao hataonao mba hamantarana bebe kokoa sy hananana fankasitrahana kokoa noho ireo fahagagana—na ireo kely izany na ireo lehibe—izay ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao?

Amporisiho ireo mpianatra handinika amim-bavaka ny fomba mety hanaovany asa araka izay nosoratany. Farano ny lesona amin’ny fanontaniana sao misy amin’ireo mpianatrao maniry hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny fitiavana tsapany avy taminy ary ny fitiavan’izy ireo Azy.

Vakitenin’ny Mpianatra