Seminera sy Institiota
Lesona 10: Avia, manaraha Ahy


Lesona 10

Avia, manaraha Ahy

Fampidirana

Nanambara i Jesoa Kristy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). “Ny lalan’i [Jesoa] no lalana mitondra mankany amin’ny fiadanana eo amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstlôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 3). Ity lesona ity dia manantintranitra ny fanasan’i Jesoa Kristy ny olona rehetra mba hanaraka Azy sy ho lasa mpianany. Ary mamakafaka ihany koa ny dikan’ny hoe mandeha amin’ny lalan’ny maha-mpianatry ny Tompo ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dieter F. Uchtdorf, “Ny lalan’ny maha mpianatra,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 75–78.

  • Joseph B. Wirthlin, “Follow Me,” Ensign, Mey 2002, 15–17.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 1:35–47; 2 Nefia 26:33; Almà 5:33–34

Manasa ny rehetra i Jesoa Kristy mba ho lasa mpianany

Asao ny mpianatra iray hitantara fohifohy ny fotoana iray izay nandehanany hankany amin’ny toerana iray ka hoe diso lalana izy na hoe nandeha tamin’ny lalana tsy izy. Avy eo dia asao ireo mpianatra hamaky ny Jaona 14:6 ka hilaza amin’ny fombany manokana ilay fotopampianarana nampianarin’i Jesoa ao amin’io andinin-tsoratra masina io. (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa tokony ho takatr’izy ireo fa ny hany fomba ahafahantsika miverina miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra dia ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.)

Lazao amin’ireo mpianatra fa taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy sy nakàna fanahy Azy tany an’efitra, dia nanasa ny hafa Izy mba hanaraka Azy. Ireo izay nanaraka ny Mpamonjy tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana izao dia antsoina hoe mpianatra. Asao ireo mpianatra hitady ao amin’ny Jaona 1:35–47 ny anaran’ny sasany amin’ireo mpianatry ny Mpamonjy voalohany sy ny zavatra nitaona azy ireo hanaraka Azy.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ny teny hoe mpianatra sy ny teny hoe mampianatra dia samy manana fototra avy amin’ny teny latina hoe —discipulus, izay midika hoe ankizy ampianarina. Manantitrantitra ny famerimberenana na fanazarana izy io. Ny fanarahana fitsipi-pifehezana ho an’ny tena sy ny fifehezan-tena dia toetra izay nananan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa hatrany. …

“Inona no atao hoe toetra maha mpianatra? Voalohany indrindra dia fankatoavana ny Mpamonjy” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 20).

  • Inona no azo tsoahina avy amin’izany famaritana izany mikasika ny mety ho endriky ny fiainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy fahiny?

Asao ireo mpianatra hamaky sy hampitaha ny 2 Nefia 26:33 sy ny Almà 5:33–34 mba hahitany hoe iza koa no nasain’i Jesoa hanatona Aminy. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fanasan’ny Mpamonjy hankany Aminy? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manasa ny olon-drehetra i Jesoa Kristy mba hankany Aminy sy ho lasa mpianany.)

  • Araka ny voalazan’i Almà, inona no nampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo izay manaiky ilay fanasana hankany Aminy?

  • Midika inona aminao ireo fampanantenana ireo?

Matio 4:18–22; Lioka 5:11; 9:57–62; 14:25–33

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy

Zarazarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo handalina ny Matio 4:18–22 sy ny Lioka 5:11 ary hitady ireo fahafoizantena izay nataon’ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy fahiny mba haneken’izy ireo ilay antso hoe hanaraka Azy. Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hamariparitanao ny fihetsik’ireo mpianatra fahiny ireo manoloana ny fandidian’ny Mpamonjy azy ireo mba hanaraka Azy? (Mifanakaloza hevitra momba ny dikan’ireo teny sy andianteny toy ny hoe “nandao ny harato niaraka tamin’izay” sy “niaraka tamin’izay” ary “nahafoy.”)

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja entin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ho fanampin’ny dikan’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Mitaky fankatoavana sy fahafoizantena izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany.)

Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka ity ireo mpianatra, fanambarana izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary angataho ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny harato mazàna dia faritana hoe fitaovana entina hisamborana zavatra. Amin’ny … heviny manan-danja kokoa, dia azontsika atao ny mamaritra ny harato hoe izay zavatra rehetra misarika antsika na misakana antsika tsy hanaraka an’ilay antson’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

“Eto amin’ity sahan-kevitra ity ny harato dia mety ho ny asantsika, ny fialambolintsika, ny fahafinaretantsika ary indrindra indrindra ireo fakampanahy mianjady amintsika sy ireo fahotantsika. Raha fintinina izany ny harato dia mety ho izay zavatra rehetra misintona antsika hihataka amin’ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra na amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. …

“Tsy ho vita ny mitanisa ireo harato maro izay mety hamandrika antsika sy hisakana antsika tsy hanaraka ny Mpamonjy. Kanefa raha toa ka amin-kitsimpo ny faniriantsika hanaraka Azy dia tokony hilaozantsika avy hatrany ireo harato mamatotr’izao tontolo izao ka hanaraka Azy.

“… Mora foana dia feno amin’ny fifanaovana fotoana sy fivoriana ary asa ny fiainantsika. Tena mora tokoa izany hoe voasambotra ao anatin’ny harato marobe izany ka indraindray na dia ny mieritreritra ny hiala amin’izy ireo aza dia toa mety hampidi-doza sy mampatahotra mihitsy.

“Indraindray isika dia mahatsapa fa arakaraky ny maha sahirana antsika no maha manan-danja antsika—toy ny hoe ny asa aman-draharahantsika no mamaritra ny maha sarobidy antsika. Ry rahalahy sy anabavy, mety handany ny androm-piainantsika isika amin’ny fanaovana tsy an-kijanona ireo zavatra marobe tokony hataontsika izay tsy tena manan-danja akory rehefa any amin’ny farany.

“Mety tsy dia tena manan-danja loatra ny hoe manao zavatra betsaka isika. Fa ny mampifantoka ny herin’ny saintsika sy ny fontsika ary ny fanahintsika amin’ireo zavatra misy vokany mandrakizay—izany no manan-danja” (“Follow Me,” Ensign, Mey 2002, 15–16).

  • Raha toa maneho ny zavatra ara-nofo izay manahirana ny sain’ireo mpanarato ny trondro sy ny harato ary ny sambo izay nilaozan’izy ireo, dia inona kosa ary ireo zavatra mety hotakian’ny Mpamonjy ny hamoizanao azy mba hanarahana Azy?

  • Nahoana no sarotra indraindray ny mamoy ireo zavatra ara-nofo izay manahirana ny saintsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray mamantatra raha toa izy ka voafandrika ao amin’ilay karazana harato mamatotra izay noresahan’ny Loholona Wirthlin?

Asao ireo mpianatra hitantara ny fotoana iray teo amin’ny fiainany izay nisafidianany hamaly ilay antson’ny Mpamonjy hoe hanaraka Azy (mety hoe amin’ny alalan’ny famoizana ireo fomba fanaony taloha na ny fanekena antso iray ao amin’ny Fiangonana). Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no fomba nitahiana ny fiainanao noho ianao namaly io antso io?

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto na soraty eny amin’ny solaitrabe:

Lioka 9:57–62—Inona no mety hanakana antsika tsy hanaraka ny Mpamonjy?

Lioka 14:25–27, 33—Inona no takian’ny Mpamonjy amin’ireo mpianany?

Lioka 14:28–32—Inona no ifandraisan’ilay teny hoe nahavita amin’ireo zavatra takiana amin’ny maha mpianatra?

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra ary angataho ny vondrona tsirairay handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina sy ny fanontaniana mifanaraka aminy. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny fomba nahazoany ny valin’ilay fanontaniana tamin’ilay andinin-tsoratra masina izay novakiany. Rehefa vita ny fifanakalozan-kevitra momba ireo andinin-tsoratra masina telo ireo, dia anontanio hoe:

  • Inona no zavatra takiana amin’ny maha mpianatra izay avoitr’ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy? (Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ireo mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny maha mpianatra dia mitaky ny fahavonona tsy tapaka hamoy ny zava-drehetra ary hanaraka an’i Jesoa Kristy.)

Hazavao fa na dia midika hoe manatevina hatrany ny fahafoizan-tenantsika sy ny fanoloran-tenantsika hanaraka ny Mpamonjy aza ny maha mpianatra, dia tsy mangataka antsika Izy hihazakazaka haingana kokoa noho izay tratry ny herintsika (jereo ny Môsià 4:27).

Omeo ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny mpianatra tsirairay, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny dingana voalohany eo amin’ilay lalan’ny maha mpianatra dia soa ihany fa manomboka amin’ny toerana izay misy antsika izao! Tsy mila miofana mialoha isika vao afaka manao izany dingana voalohany izany. Tsy maninona isika na manankarena na mahantra. Tsy takiana ny fari-pahaizana ambony, na ny fahaizana mandaha-teny, na ny maha-avara-pianarana. Tsy voatery ho tanteraka isika na ho tsara laza na koa aza ho mahalala fomba tsara.

“Azontsika sy ianao atao ny mandeha amin’ny lalan’ny maha mpianatra anio. Ndeha isika hanetry tena, ndeha isika hivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny fontsika manontolo ka hilaza ny faniriantsika hanakaiky Azy sy hianatra Aminy.

“Manàna finoana. Mitadiava dia hahita ianareo. Dondòny dia hovohana ianareo [jereo ny Matio 7:7]. Manompò ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Meteza ho mpandray anjara mavitrika ao amin’ny paroasy na sampana misy anao. Ampaherezo ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fanoloranao tena hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara. Miraisa fo sy saina ao amin’ny fanambadianao sy ny fianakavianao.

“Izao no fotoana hanitsinao ny fiainanao mba hahafahanao manana fahazoan-dalana hidirana ao amin’ny Tempoly sy mampiasa izany. Izao no fotoana hanaovana takarivan’ny mpianakavy tena misy dikany, sy hamakiana ny tenin’ Andriamanitra ary hiresahana amin’ny Raintsika any An-danitra ao anatin’ny vavaka mivaivay. Izao no fotoana hamenoana ny fontsika amin’ny fankasitrahana noho ny Famerenana ny Fiangonany amin’ny laoniny, noho ireo mpaminany velona sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny herin’ny fisoronana izay mitahy ny fiainantsika. Izao no fotoana handraisana feno ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy hahatongavana ho mpianany ary handehanana amin’ny lalany” (“Ny Lalan’ny maha mpianatra,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 77).

  • Aiza hoy ny Filoha Uchtdorf no miatomboka ny lalan’ny maha mpianatra?

  • Araka ny nolazain’ny Filoha Uchtdorf, rahoviana no fotoana hanombohana ny fandehanana amin’ny lalan’ny maha mpianatra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Izao no fotoana ahafahako …

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe ahoana no fomba ahafahan’izy ireo mameno io fehezanteny io amin’ny fomba iray izay hanaovany zavatra misy fiantraikany amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo. Amporisiho izy ireo hanatanteraka avy hatrany izay zavatra tonga ao an-tsainy, satria izany eritreritra izany dia tena mety ho bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izany dingana voalohany izany izy ireo, dia hanampy azy ireo ny Tompo mba hahatonga azy ireo ho mpianany.

Vakitenin’ny Mpianatra