Seminera sy Institiota
Lesona 17: Nijaly sy maty teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary ny Mpamonjy


Lesona 17

Nijaly sy maty teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary ny Mpamonjy

Fampidirana

Rehefa nanakaiky ny fahavitan’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany, dia “nosamborina Izy ary nohelohina tamin’ny fiampangana tsy marina, nohelohina mba hahafaly ireo fokonolona, ary nohelohina ho faty teo ambonin’ny hazofijaliana tany Kalvary” (“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 2). Ato amin’ity lesona ity isika dia hanantitrantitra ilay fahamarinana manan-danja fa i Jesoa Kristy dia namela ny Tenany hijaly sy ho faty teo am-pelatanan’ny hafa; tsy nisy olona naka ny fiainany Taminy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “None Were with Him,” Ensign na Liahona, mey 2009, 86–88.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 27:26–54; Jaona 10:11–18; 19:10–11; 1 Nefia 19:9

Nanana fahefana hanaisotra ny ainy i Jesoa Kristy

Asehoy ny sary Ny Fanomboana (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 57; jereo ihany koa ny LDS.org).

Sary
Ny Fanomboana

Rehefa mamaky mafy ny Matio 27:26–54 ianao, dia asao ireo mpianatra hanao sary an-tsaina ho anisan’ireo mpitazana mahatoky asehon’ny sary. Amporisiho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hisaintsaina ny hoe mipetraka eo amin’ny toeran’izany olona izany sy manatrika ny Fanomboana ny Mpamonjy. Rehefa vita ny vakiteny, dia asao ny mpianatra mba hilaza ny eritreriny sy ny fihetseham-pony momba an’izay mety ho tsapan’ilay olona. Rehefa nisy valinteny maromaro, dia anontanio ny mpianatra hoe:

  • Inona no zavatra tsapanareo momba ny Mpamonjy rehefa namaky sy nanao fifanakalozan-kevitra momba io tantara io ianareo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 10:11, 17–18 . Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona no ampianaran’ireo andininy ireo antsika momba ny Fanomboana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy? (Ataovy izay hahazoana antoka fa takatry ny mpianatra ny hoe i Jesoa Kristy dia nanana fahefana avy amin’ny Ray ny hanolotra ny ainy sy ny handray izany indray.)

Asehoy ity fampianarana manaraka avy amin’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Ny zavatra voa-janahary ateraky ny fiaviana tsy mety maty an’i [Jesoa], amin’ny maha-Zanakalahin’ny Ray tsy mety maty teraka teto an-tany Azy, dia ny tsy fananan’ny fahafatesana hery eo Aminy raha tsy hoe Izy no mamela izany hitranga Aminy. Ny ain’i Jesoa ilay Kristy dia tsy afaka nesorina raha tsy hoe Izy no naniry sy namela izany. Ny fahefana hanaisotra ny ainy dia efa nananany, tahaka ny fahefana handray ny vatany novonoina ho any amin’ny toetra tsy mety maty” (Jesus the Christ, ed. fahatelo [1916], 418).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:53–54 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Jaona 19:10–11 . Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny, ary hampitaha izany mba hahitana ny tsy fitoviana eo amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo.

  • Inona no fanampiana izay afaka noraisin’i Jesoa Kristy, araka ny filazan’i Matio?

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Jaona? (Na dia tsy mitovy aza ny teny mety hampiasain’ny mpianatra, dia tokony hitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Tsy misy na inona na inona afaka maka ny ain’i Jesoa Kristy; namela ny tenany hiaritra an-tsitrapo ny fahafatesana Izy.)

  • Araka ny hevitrao, inona no antony namelan’i Jesoa ny tenany ho voatomboka teo amin’ny hazofijaliana raha afaka niantso anjely maro hanavotra Azy Izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 19:9 . Asao ny mpianatra hamariparitra ny teny hoe mijaly. (Ny teny hoe mijaly eto, dia midika hoe manome lalana na mamela. Azonao atao ny manome sosokevitra ny mpianatra hanoratra eo amin’ny sisin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny 1 Nefia 19:9 ny teny hoe “mamela.”)

  • Inona no antony namelan’ny Mpamonjy ny tenany ho voatomboka teo amin’ny hazofijaliana?

Azonao atao ny mampiseho ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Alexander B. Morrison tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy ity sy manasa mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Alexander B. Morrison

“Ny fitiavana ny zanak’ Andriamanitra rehetra no namporisika an’i Jesoa, Ilay tanteraka sy tsy nanota izay tsy manam-paharoa mba hanolotra ny tenany ho vidin’ny fahotan’izao tontolo izao. … Izany, no antony lehibe nitondra an’i Jesoa teto an-tany mba ‘hijaly, hivoa-dra sy hofaty hoan’ny olona’ [“Chantons du Christ le Grand Amour!,” Cantiques, lah. 103]. Tonga Izy … mba hanonitra ny fahotantsika, mba hahafahany misintona ny olon-drehetra eo Aminy, rehefa nasandratra teo ambonin’ny hazofijaliana Izy (jereo ny 3 Ne. 27:14)” (“For This Cause Came I into the World,” Ensign, nôv. 1999, 26).

Mariho fa niaritra ny Fanomboana noho ny fitiavany lehibe ny Rainy sy noho ny fitiavany antsika i Jesoa. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia namela ny tenany ho voatomboka teo amin’ny hazofijaliana noho ny fitiavany ny Rainy sy antsika amin’ny fiatrehanao fotoan-tsarotra?

Matio 27:46; Lioka 23:34–46; Jaona 19:26–30

Namita ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany i Jesoa Kristy

Zarao ity fanazavana manaraka ity, mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny toetry ny fahafatesana amin’ny alalan’ny hazofijaliana:

“Ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fanomboana amin’ny hazofijaliana dia toa mandrakotra ny zavatra rehetra izay mety hahatsiravina sy hampihoron-koditra afaka hoentin’ny fanaintainana sy ny fahafatesana—jenjina, fivonkinan’ny hoditra, hetaheta, mosarena, tsy fahafahana matory, tazo ateraky ny ratra, tetanosy, henatra miharihary, fahoriam-be tsy mety tapitra, fanampoizana ny mahatsiravina indrindra, fery tsy voakararakara mampahalemy—izay mitombo fatratra hatramin’ny fetra hahafahan’ny olona iray miaritra izany rehetra izany, kanefa mitsahatra tampoka rehefa tsy mahatsiaro tena ilay olona ka mahatsapa fihenan’ny fijaliana. Ilay fitoerana tsy mahazatra dia mitondra fanaintainana rehefa mihetsika; ny lalan-drà trobaka sy ny hoza-be vaky dia mahatonga fijaliana tsy manam-petra; ny fery, izay mangirifiry noho ny fampiharihariany dia mihombo tsikelikely; ny lalan-drà—indrindra indrindra ny ao amin’ny loha sy ny ao amin’ny vavony—dia mivonto sy iharan’ny rà mivangongo be loatra; ary, raha mitombo tsikelikely ny karazana fijaliana rehetra, dia miampy ihany koa ny fanaintainana mafy sady tampoka izay mila tsy hozaka hoentin’ny hetaheta mandoro sy mamely mafy, izay mahatonga ny fiheverana—ny fahafatesana, ilay fahavalo mahatsiravina tsy fantatra, izay matetika mampangovitra ny ankamaroan’ny olona—ho toy ny fahafahana mamy sy mahafinaritra izay mampiala amin’ny fijaliana rehetra.

“Toy izany ny fahafatesana mahatsiravina izay niafaran’i Kristy” (Frederic W. Farrar, The Life of Christ [1964], 641).

Lazao fa niteny zavatra fito i Jesoa Kristy raha teo ambonin’ny hazofijaliana. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto (aza soratana ny fanambarana ao anaty fononteny), ary asao ny mpianatra tsirairay hikaroka ny sasany amin’izany sy hahafantatra ny zavatra notenenin’i Jesoa:

Lioka 23:34 (“Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”)

Lioka 23:43 (“Lazaiko aminao marina tokoa, Anio no hihaonanao Amiko any paradisa.”)

Jaona 19:26–27 (“Ravehivavy, indro ny zanakao! … Indro ny reninao!”)

Matio 27:46 (“Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?”)

Jaona 19:28 (“Mangetaheta Aho.”)

Jaona 19:30 (“Vita.”)

Lioka 23:46 (“Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.”)

Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty amin’ny fomba hafa eo amin’ny solaitrabe ireo fanambarana ireo eo akaikin’ny soratra masina mifandray aminy. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Manambara inona mikasika ny Mpamonjy sy mikasika ny zavatra niainany teo ambonin’ny hazofijaliana ireo fanambarana ireo?

  • Inona no zavatra tian’i Jesoa lazaina rehefa niteny Izy hoe: “Vita”? (Nanatanteraka ny fijaliana tsy manam-petra notakian’ny Sorompanavotana Izy. Azonao atao ny manamarika fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 27:54, dia manao hoe: “Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray Jesoa, nanao hoe, Raiko ô, vita, tanteraka ny sitra-ponao, dia nanolotra ny fanahiny Izy” [jereo ihany koa ny Matio 27:50, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy aao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy ny OAF]. Taorian’ny nahafantarany fa tanterany ny zavatra rehetra notakian’ny Ray Azy vao maty i Jesoa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Rehefa nanefa ny sarany lafo indrindra i Kristy, rehefa niharihary ny finiavany izay tena tsy hay nosakanana, dia tonga ihany ny fotoana farany, izay naneho famindram-po, ‘vita’ ilay izy [jereo ny Jaona 19:30]. Manoloana ny zava-drehetra sy manoloana ny tsy fisian’ny fanampiana na fanohanana Azy, i Jesoa avy any Nazareta, ilay Zanaka Velon’ny Andriamanitra Velona, dia namerina tamin’ny laoniny ny fiainana ara-batana izay nitsingevaheva noho ny fahafatesana ary nitondra fifaliana sy fanavotana ara-panahy avy amin’ny haizin’ny helo sy ny famoizam-po. Tamim-pinoana an’ Andriamanitra Izay fantany fa teo foana, no nahafahany nilaza am-pandresena hoe, ‘Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko’ [Lioka 23:46]” (“None Were with Him,” Ensign na Liahona, mey 2009, 88).

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Nisafidy ny tsy hoesorina amin’ity tontolo ity i Jesoa raha tsy hoe naharitra hatramin’ny farany sy nanatanteraka hatramin’ny farany ny iraka izay nandefasana Azy hotontosaina ho an’ny olombelona rehetra. Teo amin’ny hazofijaliana tany Kalvary no nanolorany ny ainy tamin’ny Ray, tamin’ny fanambarana tsotra nanao hoe: ‘Vita’ (Jaona 19:30). Rehefa naharitra hatramin’ny farany Izy dia nesorina tamin’ny fiainana eto ambonin’ny tany.

“Isika ihany koa dia tsy maintsy maharitra hatramin’ny farany” (“ The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 6).

  • Inona no zavatra anampian’ireo Apôstôly roa ireo antsika amin’ny fahatakarantsika ny zavatra tian’i Jesoa holazaina rehefa nilaza Izy hoe: “Vita”? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Nanatanteraka amim-pahatokiana ny zavatra rehetra izay nandidian’ny Ray any An-danitra Azy teto an-tany i Jesoa Kristy.)

  • Ahoana no fomba anampian’ny fahatsiarovana fa ny Mpamonjy dia niatrika sy naharitra amim-pahatokiana mba hahavita ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany, rehefa manoloana ny fotoan-tsarotra antsika manokana isika?

  • Ahoana no anampian’ny fahatsiarovana ny ohatran’i Jesoa anao amin’ny fanatanterahana ny zavatra izay tokony hataonao?

  • Ahoana no anehoantsika fankasitrahana ny zavatra rehetra izay nijalian’ny Mpamonjy ho antsika? (Na dia samy hafa aza ny teny mety hampiasan’ny mpianatra, dia tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Maneho ny fankasitrahantsika ny fijalian’ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana isika amin’ny fanarahana ny ohatra napetrany amin’ny faharetana hatramin’ny farany amim-pahatokiana.)

Asao ny mpianatra hizara amin’ny tambazotra hifaneraserana ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo mba hahatonga azy ireo ho marina amin’ny zavatra izay tsapan’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra