Seminera sy Institiota
Lesoan 27: I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao


Lesona 27

I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao

Fampidirana

I Jesoa Kristy “no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra fa rehefa manantona an’i Kristy izy dia hahazo fanantenana bebe kokoa ny fiainana mandrakizay sy ho vonona bebe kokoa hiaritra ireo fitsapana eo amin’ny fiainana.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 1:1–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13

I Jesoa Kristy no no fahazavan’izao tontolo izao

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny toe-javatra izay mety hahatonga ny olona iray hahatsapa fa toy ny hoe hodidinin’ny haizina izy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Manana hosodoko ankamamiako izay aho ao amin’ny biraoko izay nomena ny anarana hoe Fidirana ho amin’ny Fahazavana. Namako iray izay no namorona izany, ilay mpahaikanto Danoa Johan Benthin, izay filohan’ny tsatòka voalohany tao Copenhague, Danemark.

“Maneho efitrano maizina iray ilay hosodoko ary misy varavarana misokatra mampiditra hazavana mamiratra. Mahaliana ahy ny hoe tsy manazava ilay efitrano manontolo ilay hazavana avy eo amin’ilay varavarana—ilay faritra manatrika ny varavarana raha iny vao hiditra iny ihany no mazava.

“Ny haizina sy ny hazavana ao amin’io hosodoko io amiko dia fanoharana ny fiainana. Ampahany amin’ny toe-tenantsika amin’ny maha-olona mety maty ny mahatsapa indraindray fa toy ny hoe hodidinin’ny haizina isika. Mety nodimandry ny olon-tiantsika iray, na mety nania ny zanaka iray, na mety naharay valin’ny famantarana aretina mampikorontan-tsaina isika, na mety manana olana eo amin’ny asa isika ary mety vesaran’ny ahiahy sy ny tahotra; na mety mahatsapa ho irery na tsy tiana.

“Kanefa na dia mety mahatsiaro ho very eo anivon’ireo toe-javatra iainantsika ankehitriny aza isika dia nampanantena ny fanantenana ny hazavany Andriamanitra—Nampanantena ny hanazava ny lalana eo alohantsika Izy sy ny haneho antsika ny lalana hivoahana ao amin’ny haizina” (“Ny Fanantenana ny Fahazavan’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, mey 2013, 70).

  • Inona avy ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety hahatonga ny olona hahatsapa fa toy ny hoe hodidinin’ny haizina izy?

  • Inona no nolazain’ny Filoha Uchtdorf fa afaka ataon’ Andriamanitra raha mahatsapa toy izany isika?

Aorian’ny valintenin’ny mpianatra dia hazavao fa hifantoka amin’ny fomba ahazoantsika fahazavana sy fanantenana avy amin’ Andriamanitra ity lesona ity na inona na inona toe-javatra misy antsika.

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 1:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny teny sy andian-teny nampiasain’i Jaona hamaritana ny Mpamonjy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana ity eo am-pilazan’ny mpianatra ny zavatra hitany: I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao.

Asaivo mamaky am-pahanginana ny Jaona 1:6–9 ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hahatakatra lalindalina kokoa momba io fotopampianarana io. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny andraikitr’i Jesoa Kristy amin’ny maha-fahazavan’izao tontolo izao Azy?

  • Nahoana ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho an’ny andininy 9 no manampy anao hahatakatra fa i Jesoa Kristy dia afaka ho fahazavan’izao tontolo izao ho an’ny olona tsirairay avy?

Lazao ny mpianatra fa ny hoe fahazavana “izay mahazava ny olona rehetra” (Jaona 1:9), na ny Fahazavan’i Kristy “dia matetika antsoina hoe ny Fanahin’ny Tompo, ny Fanahin’ Andriamanitra, ny Fanahin’i Kristy, na ny Fahazavan’ny Fiainana” ao amin’ny soratra masina (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 96). Voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ny Fahazavan’i Kristy.

Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13 izy ireo ary hamantatra ny maha-loharanon’ny hazavana sy fiainana an’i Jesoa Kristy. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo:

  • Ahoana no hiantefan’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny faharian’ny Ray any An-danitra rehetra?

  • Inona no ambaran’ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo momba ny fiasan’ny herin’ny Fahazavan’i Kristy eo amin’ny olona tsirairay?

  • Nahoana no ilaina ny mahatakatra fa ny fahazavana izay mitantana izao rehetra izao dia “ilay fahazavana mampahavitrika ny fahatakaranareo”? (F&F 88:11).

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tena misy ny fahazavan’ Andriamanitra. Afaka mahazo izany ny rehetra! Manome aina ny zava-drehetra izany [jereo ny F&F 88:11–13]. Manana hery izany hanalefahana ny fanaintainan’ny ratra lalina indrindra. Afaka manasitrana ny fanirery sy ny aretin’ny fanahitsika izany. Afaka mamboly ny voan’ny fanantenana mamiratra kokoa izany na dia ao anatin’ny fahadisoam-panantenana aza. Afaka manome hazavana izany na dia ao anatin’ny fahoriana lalina indrindra aza. Afaka manazava ny lalana eo alohantsika izany ary mitarika antsika ao anatin’ny alimikitroka mba ho any amin’ny fanantenan’ny maraina vao.

“Izany no ‘Fanahin’i Jesoa Kristy,’ izay manome ‘fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao.’ [F&F 84:45–46]” (“Ny Fanantenana ny Fahazavan’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, mey 2013, 75).

Manaova fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny mpianatra momba an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fahazavana izay omen’ny Ray any An-danitra antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf?

  • Oviana ianao no niaina ireo fitahiana noresahin’ny Filoha Uchtdorf ireo?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity:

Ny Fahazavan’Izao Tontolo Izao dia manome …

Asaivo vakian’ny mpianatra indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:13 hitadiavana ny andian-teny hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe. Anontanio hoe:

  • Inona no ifandraisan’ny andraikitry ny Mpamonjy amin’ny maha fahazavan’izao tontolo izao Azy amin’ny andraikiny amin’ny maha-fiainan’izao tontolo izao Azy?

  • Amin’ny toe-javatra toy inona no mifandray ny fahazavana sy ny fiainana? (Azonao atao ny manamarika fa i Jesoa no “fiainan’izao tontolo izao satria mamonjy antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy ny sorompanavotany” [Dallin H. Oaks, “The Light and Life of the World,” Ensign, nôv. 1987, 65].)

  • Inona no mety ho vokany raha tsy manohana ny zava-drehetra intsony ny fahazavana sy ny herin’ny Mpamonjy? (Tsy hisy fiainana intsony.)

Hazavao fa manome ohatra mikasika ny maha Fahazavan’Izao Tontolo Izao ara-bakiteny an’i Jesoa ny soratra masina. Tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpamonjy dia nisy haizina hateloana izay nampiseho fa nandao izao tontolo izao ny fahazavan’izao tontolo izao (jereo ny 3 Nefia 8:20–23). Etsy andanin’izay dia narahin’ny kintana sy hazavana lehibe teny amin’ny lanitra hateloana ihany koa ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Helamàna 14:3–5; 3 Nefia 1:15, 21).

Salamo 146:5; Romana 5:3–5; 15:13; Etera 12:4, 32; Môrônia 7:3, 40–41

I Jesoa Kristy no fanantenan’izao tontolo izao

Hazavao amin’ny mpianatra fa misy heviny maro ny teny hoe fanantenana. Ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny teny hoe fanantenana dia “fiandrandrana amim-pahatokiana sy faniriana ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanantenana”; scriptures.lds.org). Antsoina matetika hoe “ny fanantenan’izao tontolo izao” ny Mpamonjy satria azontsika avy amin’ny alalany ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana (“ Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3).

Asehoy ireto fanontaniana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto na soraty eo amin’ny solaitrabe:

Mifototra amin’inona ny tena fanantenana marina? (Etera 12:4, 32; Môrônia 7:3, 40–41)

Inona no entin’ny fanantenana ho antsika eto amin’ity fiainana ity? (Salamo 146:5; Romana 5:3–5; 15:13)

Zarao ho vondrona madinidinika ireo mpianatra. Asaivo mandalina ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny vondrona sy hitady ny teny na andian-teny manan-danja momba ny fanantenana ary hifanakalo hevitra mikasika ny valim-panontaninan’izy ireo. Asao ireo vondrona hamintina amin’ny fehezanteny iray na roa ny fotopampianarana na fitsipika izay nianarany mikasika ny fotopampianaran’ny fanantenana rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo. Asaivo mizara ny famintinany amin’ny mpianatra ireo vondrona. Alaivo antoka ny ahatakaran’ny mpianatra fa ny fanantenana dia fananana fahatokiana fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny didy, dia hahazo ny fitahiana nampanantenan’ Andriamanitra isika, anisan’izany ny fiainana mandrakizay. Raha mbola ampy ny fotoana dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Milaza inona aminao ny teny hoe amim-pahatokiana ao amin’ilay andian-teny manao hoe “mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa” (Etera 12:4)? (Fahatokian-tena, fahazoana toky na tsy misy isalasalana. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra io famaritana io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Etera 12:4.)

  • Ahoana no hahafahan’ny fanantenana ho “vatofantsika ho an’ny fanahin’ny olona” sy hanampy antsika ho “azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara” araka ny voafaritra ao amin’ireo andininy ireo? (Etera 12:4).

Asehoy ity fehezanteny manaraka ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Matoky ny fampanantenan’ Andriamanitra isika rehefa manana fanantenana. Manana fahatokiana anaty isika fa rehefa manao ‘ny asan’ny fahamarinana,’ dia ‘handray ny valisoa[ntsika], hatramin’ny fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo hoavy’ (F&F 59:23). Nampianatra i Môrmôna fa avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahazoana fanantenana toy izany [jereo ny Môrônia 7:41]” ( Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 85).

  • Ahoana no maha-zava-dehibe ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany eo amin’ny fampitomboana fanantenana marina? Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hahatakatra ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho fanantenan’izao tontolo izao? (Afaka ny hijery mihoatra ny fahoriana sy ny alahelo eto an-tany isika ka hifantoka amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, toy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay, rehefa manantena ao amin’i Jesoa Kristy.)

  • Inona no azonao atao mba hanana fanantenana bebe kokoa eto amin’ity fiainana ity?

Raha manentana anao ny Fanahy Masina dia azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hizara traikefa momba ny fotoana iray izay nahatonga ny fanantenany ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ho fitahiana ho an’ny tenany manokana na ho an’ny hafa.

Vakitenin’ny Mpianatra