Seminera sy Institiota
Lesona 6: Fambara sy Tandindona ary Sariohatra maneho an’i Jesoa ilay Kristy


Lesona 6

Fambara sy Tandindona ary Sariohatra maneho an’i Jesoa ilay Kristy

Fampidirana

Ireo Mpaminany ankehitriny dia nanambara fa i Jesoa Kristy dia “nanatanteraka ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny sorompanavotany lehibe” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ankoatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia ambaran’ny soratra masina amintsika koa ireo zava-nitranga sy toe-javatra sy zavatra ary olona marobe izay natao hampahatsiahy sy hampianatra antsika mikasika ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra handinika ny sasany amin’ireo fambara sy tandindona ary sariohatra izay mampitodika antsika any amin’ny Mpamonjy.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Russell M. Nelson, “In This Holy Land,” Tambuli, Feb. 1991, 10–19.

  • “Enrichment Section C: Symbolism and Typology in the Old Testament,” Old Testament Student Manual: Genesis–2 Samuel, 3rd ed. (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 111–15.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63

Ireo tandindon’i Kristy ao amin’ny soratra masina

Manehoa sary maromaro izay misy famantarana na sariohatra efa fanta-daza tahaka ireto aseho ireto:

Sary
sary famantarana ny sezan’olona kilemaina, fiaramanidina, tsy azo ifohana sigara, trano fivoahana

Rehefa avy mamantatra ny dikan’ny famantarana tsirairay ny mpianatra dia asaivo izy ireo mitady sary famantarana na famantarana hafa izay mora fantarina.

Zarazarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpinamana mba handalina sy hampitaha ny 2 Nefia 11:4 sy ny Mosesy 6:63. Asao izy ireo hifampiresaka mikasika ny zavatra hifandraisan’ireo andininy ireo sy ny zavatra ampianarin’izany mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny tanjon’ny faharian’ Andriamanitra. Rehefa avy nifampiresaka mikasika ny zavatra izay hitan’izy ireo ny mpinamana dia anontanio ny mpianatra hoe:

  • Ahoana no fomba hamaritanao ny fahamarinana fototra izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Tokony hahita ity fahamarinana ity ireo mpianatra: Ny zava-drehetra dia nohariana mba hijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy.)

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay “nomen’ Andriamanitra” ka “tandindona” (2 Nefia 11:4), na maneho an’i Jesoa Kristy?

Lazao amin’ny mpianatra fa ny soratra masina rehetra dia ahitana fambara, tandindona sy sariohatra ary endrik’i Jesoa Kristy. Hazavao fa ireo fambara sy tandindona sy sariohatra ary endrika ireo dia fanehoana fahamarinana manan-danja kokoa. Ny Liahona izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ohatra dia fanehoana ny tenin’i Kristy. Ato amin’ity ampahany amin’ny lesona ity isika dia hifantoka amin’ny fambara sy kisary izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny ankabeazan’ireo kisary ireo dia miendrika olona na zavatra na zava-mitranga na toe-javatra (mety hanampy ny fanoratana ireo sokajy ireo eny amin’ny solaitrabe). Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto na ataovy amin’ny taratasikely zaraina amin’ny mpianatra:

Sary
taratasy zaraina, tandindon’i Kristy

Fambara sy Tandindona ary Sariohatra maneho an’i Jesoa ilay Kristy

Fambara sy Tandindona ary Sariohatra maneho an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

Fahatanterahany teo amin’ny fiainan’i Kristy

Genesisy 22:1–14

Jaona 3:16; 19:16–18; Jakôba 4:4–5

Eksôdôsy 3:7–8, 10–12

Matio 1:21; 2 Nefia 6:17

Eksôdôsy 12:3, 5–7, 13–14, 46

Jaona 1:29; 19:14, 31–36; 1 Petera 1:18–19

Eksôdôsy 16:14–15, 18

Jaona 6:5–10, 48–51

Levitikosy 8:15, 30; 17:11

Hebreo 9:22; 13:12

Levitikosy 16:2–6, 17

Hebreo 9:6–12; 10:11–12

Levitikosy 22:19–22

Hebreo 9:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:22

Nomery 21:4–9

Jaona 3:14–15; Helamàna 8:13–15

Jona 1:17; 2:10

Matio 12:38–40

Manendre mpianatra iray na maromaro handalina ny andinin-tsoratra masina tsirairay ary hiomana hanazava ny tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny fomba hanehoan’izany an’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hilaza ny zavatra hitany.

Raha ampy ny fotoana, dia azonao atao koa ny miresaka mikasika ny tandindon’i Kristy sasantsasany izay noresahan’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny lahatsoratra nataony “In This Holy Land” (Tambuli, Feb. 1991, 10–19).

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hoe ny zavatra rehetra dia nohariana mba haneho na ho tandindon’ny Mpamonjy?

  • Inona no maha-zava-dehibe ny hoe mikatsaka lalandava ny hitady ny fomba mahatonga ny zavatra rehetra hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? (Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Afaka mianatra zavatra bebe kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy isika rehefa mhahatakatra ny kisary sy ireo fambara ary tandindona izay mijoro ho vavolombelona ny Aminy.)

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny zavatra iray izay maneho ny tandindon’i Kristy nanamafy ny finoanao Azy?

  • Inona no azonao atao hahafahanao mamantatra an’i Kristy ao anatin’ireo tandindona izay nomena antsika?

2 Nefia 11:2–6

Ireo tandindona sy sariohatra maneho an’i Kristy ao amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara

Hazavao fa ity fizarana ato amin’ity lesona ity dia hifantoka amin’ny lafiny iray hafa amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ahitana tandindona sy sarin’i Kristy. Asao ny mpianatra handalina ny 2 Nefia 11:2–6, ary hitady ireo zavatra izay nahafinaritra an’i Nefia. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no nahafinaritra an’i Nefia?

Hamafiso ny teny hoe “fanekempihavanan’ny Tompo” ao amin’ny andininy 5. Hazavao fa ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy dia ampahany manan-danja ao amin’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy. Betsaka ireo zavatra ao amin’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy izay tandindona sy mampianatra mikasika an’i Jesoa Kristy ary mitarika antsika hanatona Azy. Asehoy ity teny ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny ôrdônansy na asa masina tsirairay izay notendren’ Andriamanitra, ny fahafoizan-tena sy sariohatra ary tandindona tsirairay, ny zava-drehetra izay nomen’ Andriamanitra ho an’ny vahoakany hatrizay—izany rehetra izany dia notendren’ Andriamanitra sy naoriny tamin’ny fomba izay ahafahana mijoro ho vavolombelona momba ny Zanany Lahy sy hahatonga ny finoan’ireo olona izay mino hifantoka aminy sy amin’ny fanavotana izay voatondro mialoha fa ho ataony” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 28).

  • Inona no fotopampianarana na fitsipika nampianarina ao anatin’io fanambarana io? (Ny valiny iray azo heverina dia hoe hahita ireo tandindon’i Kristy ao anatin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara isika raha mitady azy ireny.)

  • Ahoana ny fomba ahafahan’io fahalalana io manampy antsika rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara isika?

Asao ireo mpianatra handalina mangina ny Romana 6:3–6 sy ny 3 Nefia 18:7, 11 ary hitady ireo tandindona izay maneho ny Mpamonjy. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara mampianatra mikasika ny Mpamonjy ary manampy anao hahatsiaro Azy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fianarana mamantatra ireo fambara sy tandindon’i Kristy, dia mametraha fanontaniana tahaka izao:

  • Inona no tandindon’ny Mpamonjy izay manan-danja lehibe aminao?

  • Ahoana no fomba hakanao antoka fa tsikaritrao io tandindona io?

  • Ahoana no fomba nahafahanao nandray fitahiana teo amin’ny fiainanao noho ny fandraisanao an’io ho toy ny tandindon’i Kristy?

Asao ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika tao amin’ity lesona ity amin’ny fanasana azy ireo hanoratra ny fomba ahafahan’izy ireo mamantatra tsara kokoa ireo fambara sy sariohatra ary tandindon’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara ary eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Entano izy ireo hifidy andro atsy ho atsy izay ahafahan’izy ireo hitady tsara ireo sary na zavatra na zava-mitranga izay ahatsiarovan’izy ireo ny Mpamonjy. Entano izy ireo hitazona ny lisitry ny zavatra izay hitan’izy ireo ka hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namana na koa any amin’ny fitaovan-tserasera.

Vakitenin’ny Mpianatra