Seminera sy Institiota
Lesona 3: I Jehovah sy ny Asa Fanompoany Talohan’ny Nahaterahany


Lesona 3

I Jehovah sy ny Asa Fanompoany talohan’ny nahaterahany

Fampidirana

Araka ny voalazan’ireo mpaminany ankehitriny, dia “nampianatra ny fahamarinan’ny mandrakizay [i Jesoa Kristy], ny fisian’ny fiainantsika talohan’izao fiainana izao, ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny zavatra afaka tanterahin’ireo zanaka lahy sy zanaka vavin’ Andriamanitra amin’ny fiainana ho avy” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ato anatin’ity lesona ity ny mpianatra dia hianatra fa tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany, dia ny finoan’izy ireo fa hanatanteraka ny Sorompanavotana i Jehovah (Jesoa Kristy) no nahafahan’izy ireo nandresy an’i Satana tany amin’ny Ady tany An-danitra. Ho hitan’ireo mpianatra ihany koa fa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana i Jehovah dia namiratra lavitra noho ireo zanak’ Andriamanitra hafa rehetra teo amin’ireo toetra rehetra araka an’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Richard G. Scott, “ Jesus Christ, Our Redeemer,” Ensign, Mey 1997, 53–54, 59.

  • “The Father and the Son: A Doctrinal Exposition by the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” Ensign, Apr. 2002, 13–18.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apôkalypsy 12:7–11; Mosesy 4:3

Ny anjara asan’i Jehovah teo amin’ny Ady tany An-danitra

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe ady, ary anontanio ireo mpianatra hoe inona no sary tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa mieritreritra ady. Avy eo dia asao izy ireo handalina ny Apôkalypsy 12:7, 9 ary hamantatra ilay ady voafaritra ao (ilay Ady tany An-danitra). Asao ny mpianatra hanazava ny fahatakaran’izy ireo ny zavatra izay nitranga tamin’io ady io.

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Karazan’ady toy ny ahoana ny [Ady tany An-danitra]? Ilay karazany mitovy amin’izay misy eto an-tany, ilay hany karazany azon’i Satana sy ireo fanahy irotsahana—ady amin’ny teny, ady hevitra, fifandirana amin’ny foto-kevitra, ady eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 3:518).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Araka ny voalazan’ny Loholona McConkie, inona no mampitovy ny Ady tany an-danitra amin’ny ady izay ataon’i Satana amin’ireo zanak’ Andriamanitra eto amin’ny fiainana an-tany?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apôkalypsy 12:10 ary mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Mosesy 4:3. Azonao atao ny mandroso hevitra amin’ireo mpianatra mba hampifandray ireo soratra masina roa ireo amin’ny alalan’ny fanoratana hoe Mosesy 4:3 eo an-tsisin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Apôkalypsy 12:10 ary ny mifamadika amin’izany ihany koa. Hazavao fa ny hoe “mpiampanga ny rahalahintsika” (Apôkalypsy 12:10) dia i Satana. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Araka ny ao amin’ny Mosesy 4:3, ahoana no fomba nandroahana an’i Satana avy tao amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Apôkalypsy 12:11. Ampio izy ireo hilaza fitsipika iray izay ampianarina ao amin’io andininy io amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hamintinanao ny tian’ny andininy 11 ampianarina mikasika ny vokatrin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita ity fahamarinana ity ireo mpianatra: Koa satria azo antoka fa hanantanteraka ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy, dia efa nandaitra tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana sahady ny vokatr’izany. Noho izany Izy dia nantsoina hoe “ny Zanakondry izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” [Apôkalypsy 13:8; jereo ihany koa ny Môsià 4:7; Mosesy 7:47].)

  • Ahoana no fomba ampiasanao izay voasoratra ao amin’ny Apôkalypsy 12:11 mba hanampiana anao eo amin’ny adinao manokana amin’i Satana eto amin’ity fiainana ity? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity: Afaka mandresy an’i Satana isika amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy izay nanatanteraka ny Sorompanavotana, sy amin’ny fijoroana sy fijanonana ho marina amin’ny tenivavolombelontsika.)

Abrahama 3:15–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56

Mamiratra noho isika i Jehovah amin’ny lafiny rehetra

Lazao amin’ny mpianatra fa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana isika dia niomana ny ho ety an-tany. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity (1805–44), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Andriamanitra mihitsy, rehefa nahita fa teo anivon’ireo fanahy sy voninahitra izy, ary noho izy marani-tsaina kokoa, dia nahita fa mety ny hametrahana lalàna izay hahafahan’ny sisa ambiny hivoatra ho tonga tahaka azy. Ny fifandraisana izay misy eo amintsika sy Andriamanitra no mametraka antsika amin’ny toerana izay ahafahantsika mandroso amin’ny fahalalana. Manana fahefana izy hametraka lalàna izay mampianatra ireo fanahy osa kokoa, mba hahafahan’izy ireo hisandratra hiaraka aminy” ( Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 210).

Tohizo amin’ny fametrahana ity fanontaniana ity:

  • Inona no nianaranao tamin’ny fanambaran’i Joseph Smith mikasika ny fanirian’ny Ray any An-danitra amintsika? (Tian’ny Ray any An-danitra isika handroso sy hivoatra ara-panahy—ho lasa mitovy kokoa Aminy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto, ary asao ny mpianatra handalina ny Abrahama 3:24–25 mba hahitan’izy ireo ny valiny:

  • Iza ilay “anankiray nijoro teo anivony sady nitovy tamin’ Andriamanitra”? (andininy 24).

  • Inona no andraikitra nosahaniny?

  • Inona no voalazany fa ho isan’ny tanjon’ny fiainana an-tany?

Miangavia mpianatra hizara ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny kilasy rehefa avy nomena fotoana ampy. Avy eo dia asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56 ireo zavatra izay natao ho fanomanana ireo zanak’ Andriamanitra mba hahomby eto amin’ny fiainana an-tany. Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ity andininy ity amin’ny tenan’izy ireo dia anontanio hoe:

  • Araka ireo andininy ireo, dia ahoana no fomba niomanantsika mba hahatongavana eto an-tany?

Asao ny mpianatra handinika fotoana fohy ireo toetra nananan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Abrahama 3:19–21. Asao ireo mpianatra hanaraka tsara sady hitady ny zavatra izay ampianarina mikasika an’i Jesoa Kristy. Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia omeo tahadikan’ireto fanambarana ireto izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) sy ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao izy ireo hamaky ireo fanambarana ireo ary hanisy marika ireo teny na andianteny izay mampianatra mikasika ny Mpamonjy:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Eo amin’ny faharanitan-tsaina sy ny fahaizana, i [Jesoa Kristy] dia mihoatra lavitra noho ny fahaiza-manao sy ny zava-bitan’ ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra izay efa niaina, sy mbola miaina ankehitriny ary ireo mbola hiaina! (Jereo ny Abr. 3:19.)” (Neal A. Maxwell, “O, Divine Redeemer,” Ensign, Nôv. 1981, 8).

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ireo fanahin’olombelona rehetra, izay iharan’ny lalàna sy nanana ny fahafahana misafidy, raha mbola teo anatrehan’ny Mandrakizay, dia nianatra fahaizana sy talenta ary fahaiza-manao isan-karazany sy isan-tsokajiny ary isaky ny ambaratongany. Nandritra ny fiainana midadasika izay nisy tamin’izany dia talenta sy fahaiza-manao karazany tsy hita isa no lasa nisy. …

“Notafian’ny Tompo fahafahana misafidy isika rehetra. Nomeny antsika ireo lalàna izay hahafahantsika mandroso sy hivoatra ho tonga tahaka azy, ary nanoro hevitra sy nanentana antsika izy hanohy ny dia mitondra mankamin’ny voninahitra sy ny fisandratana. Izy tenany mihitsy no endrika azo tsapain-tanana sy fanomezana endrika olona ny zavatra tsara rehetra. Ny endrika sy ny toetra tsara iriana rehetra dia nitoetra tao aminy teo amin’ny fahafenoany mandrakizay. Ny zanany rehetra izay mpankato dia nanomboka nitovy taminy amin’ny fomba iray na ny fomba iray hafa. Nisy karazana talenta sy fahaiza-manao samihafa maro teo amintsika tany, tahaka ny misy eo amintsika eto. Nisy sasany izay namiratra tamin’ny lafiny iray, ary ny hafa tamin’ny lafiny hafa. Ilay Voalohanteraka dia namiratra lavitra noho isika rehetra tamin’ny lafiny rehetra” (Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 1:23).

Tohizo amin’ny fanontaniana an’ireo mpianatra hoe inona no zava-dehibe ho azy ireo tao amin’ireo fanambarana ireo. Raha ilaina dia anontanio hoe:

  • Inona no ianaranareo avy amin’ireo Apôstôly roa ireo mikasika ny toetra manokan’i Jehovah tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana? (Tokony ho takatr’ireo mpianatra fa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana i Jehovah dia nihoatra noho ny fitambaran’ny fahaiza-manao sy zava-bitan’ireo zanak’ Andriamanitra hafa rehetra.)

Omeo minitra maromaro ny mpianatra handinihan’izy ireo ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ary hanoratra izay eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo. Manasà maromaro amin’izy ireo hizara amin’ny mpianatra izay nosoratany. Farano ny lesona amin’ny fanentanana ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba ahafahana manampy azy ireo hanana fitiavana sy finoana bebe kokoa an’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahafantarana ny asa fanompoany sy toetra manokana nananany talohan’ny nahaterahany.

Vakitenin’ny Mpianatra