Seminera sy Institiota
Lesona 20: Nanompo teo anivon’ny ‘Ondri[ny] Hafa’ ny Mpamonjy


Lesona 20:

Nanompo teo anivon’ny “Ondri[ny] Hafa” ny Mpamonjy

Fampidirana

Araka ny voalaza ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” dia “nanompo sy niasa tany amin’ireo ‘ondriny very’ (Jaona 10:16) tany Amerika taloha ny Mpamonjy” (Ensign na Liahona, apr. 2000, 3; jereo ihany koa ny 3 Nefia 11:1–17). Rehefa mandalina ny rakitsoratra momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika, dia mianatra isika fa nanompo sy niasa teo anivon’ny Mpianany avy amin’ny firenena rehetra Izy ary nikatsaka hatrany ny hankahery sy hanabe azy ireo tsirairay.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Ronald A. Rasband, “One by One,” Ensign, nôv. 2000, 29–30.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 10:14–16; 3 Nefia 15:16–21; 16:1–3

Nampianatra ny Jiosy mikasika ny “ondri[ny] hafa” i Jesoa Kristy

Sary
sarintanin’izao tontolo izao

Ampisehoy ny boriboritany na sarintanin’izao tontolo izao iray, ary asao ny mpianatra iray hamantatra ny toerana nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny asany teo anivon’ny Jiosy (ilay firenena maoderin’i Isiraely any amin’ny Faritra Atsinanana Afovoany). Asao ny mpianatra hamaky haingana ny andininy maromaro ao amin’ny Jaona 10 ary hijery ny fampianaran’i Jesoa momba ny Tenany sy ny fifandraisany amin’ny mpanara-dia Azy. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. (Tokony hizara ny mpianatra fa Izy no Mpiandry Ondry Tsara, mahafantatra ny ondriny Izy, izy ireo dia mahafantatra ny Feony, ary manangona azy ireo ao amin’ny Valany Izy, sy ny hafa tsy voatanisa). Rehefa izany dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 10:14–16 ary ny mpianatra hafa hanaraka ny vakiteny. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny “ondri[ny] hafa”?

  • Iza ireo “ondry hafa” voalazan’i Jesoa ireo?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 15:16–21. Manontania avy eo hoe:

  • Inona ny fahamarinana manan-danja nambaran’i Jesoa tamin’ny Nefita momba an’ny “Ondri[ny] hafa”? (Ny iray amin’izany dia ny hoe rehefa nilaza tamin’ny Jiosy mikasika ny “ondry hafa” i Jesoa Kristy, dia niresaka momba ny vahoaka hafa izay nanaraka Azy, anisan’izany ny taranak’i Lehia izay nonina tao amin’ny Kaontinanta Amerikanina.)

  • Nahoana ny Jiosy tany Jerosalema no tsy nahalala momba ny “Ondri[ny] hafa”?

Tondroy eo amin’ilay sarintany ny Amerika, ary avy eo, dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 16:1–3 sy ny Môsià 27:30. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Taiza ihany koa no toerana nolazain’ny Mpamonjy fa hisehoany amin’ny Olony?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Mpamonjy dia hamangy ny “Ondri[ny]” hafa avy amin’ny firenena hafa? (Omeo ny fanazavana fa na dia mety namangy mivantana vahoaka na firenena hafa aza ny Mpamonjy, dia matetika amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina Izy no maneho ny Tenany. Antitrantero amin’ny mpianatra fa rehefa nanompo ny Ondriny i Jesoa, dia nanampy ny fanatanterahana ny fanekempihavanan’ny Rainy hanangona azy ireo indray eo anivony Izy.)

Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia tia ny olon-drehetra ary hiseho amin’ny vahoaka rehetra izay voaisa ho anisan’ny ondriny Izy. Mikasa ny hanangona ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra eo anatrehany indray Izy, na aiza na aiza misy azy ireo.

3 Nefia 11:8–17

Nanompo teo anivon’ny mpanara-dia Azy tsirairay i Jesoa Kristy

Vakio mafy ny 3 Nefia 11:8–17, ary asao ny mpianatra hanaraka sy haka sary an-tsaina ny hoe manatrika mivantana any amin’ny tempolin’ny tanànan’i Soafeno. Rehefa vita ny vakiteny, dia asao ny mpianatra hilaza ny zavatra nahataitra azy ireo indrindra mikasika ny teny sy ny fihetsiky ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo. Raha ilaina izany, dia apetraho ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na apetraho ny fanontaniana manontolo:

  • Araka ny hevitrao, inona no zavatra nirian’i Jesoa Kristy hampianarina mikasika ny Tenany tamin’ny valalabemandry izay nivory tany amin’ny tempoly tamin’io andro io? (Ankoatra ny fahamarinana hafa, dia tokony hahita an’ity manaraka ity ny mpianatra: Nanompo sy niasa teo anivon’ny mpanara-dia Azy “tsirairay” ny Mpamonjy [3 Nefia 11:15; jereo ihany koa ny 3 Nefia 17:21].)

Raha toa ka nisy teo amin’ny 2.500 teo ny isan’ny valalabemandry (jereo ny 3 Nefia 17:25), dia inona no zavatra ampianarin’ny fanasan’ny Mpamonjy ny olona tsirairay hitsapa ny fery teo amin’ny lanivohany, ny tanany sy ny tongony momba ny firaharahiany antsika tsirairay avy?

  • Ahoana no ampiharantsika ny fanasan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:14 amin’ny fiainantsika tsirairay amin’izao fotoana izao?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahitana sy fitsapana ny ferin’ny Mpamonjy aminao?

Ho ohatra maneho ny firaharahian’ny Tompo antsika tsirairay, dia azonao atao ny mizara ity zavatra niainana manaraka ity, izay tantarain’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Ronald A. Rasband

“Volana vitsivitsy talohan’ny fiafaran’ny asa fitoriana izay nataonay … , dia nisy zavatra nitranga izay nampianatra indray ny fitsipika mampientana ny fo fa ny tsirairay avy amintsika dia fantatr’ Andriamanitra sy tiany.

“Ho avy any New York mba hikarakara raharahan’ny Fiangonana maromaro ny Loholona Neal A. Maxwell, ary nampahafantarina izahay fa maniry ny hanao fihaonamben’ny misiônera ihany koa izy. Tena faly tokoa izahay ny hanana fahafahana ny hihaino ny mpanompo voafidy iray an’ny Tompo. Nasaina nisafidy misiônera iray aho mba hanolotra ny vavaka fanombohan’ny fivoriana. Mety azoko natao ny nisafidy ilay misiônera tamin’ny fomba kisendrasendra, nefa nahatsapa aho fa tokony hisaintsaina sy hisafidy amin’ny alalan’ny vavaka ilay voatendrin’ny Tompo. Rehefa nijery ny lisitry ny misiônera aho, dia nisy anarana iray izay tena niavaka tamiko: Elder Joseph Appiah avy any Accra, Ghana. Tsapako fa izy no nirian’ny Tompo mba hanolotra vavaka mandritra ny fivoriana.

“Talohan’ny fihaonamben’ny misiônera, dia efa nanao dinidinika ara-potoana tamin’i Elder Appiah aho ary nilaza taminy momba ny fahatsapana nananako mikasika ilay vavaka. Nanomboka nitomany mafy izy ary nahitana fanetren-tena sy fahagagana ny masony. Taitra noho ilay fihetsiny aho, ary nolazaiko izy hoe tsy maninona fa afaka tsy manao ilay vavaka izy, fa nilaza kosa anefa izy fa tena te hanolotra ilay vavaka, fa ny fihetseham-po nasehony dia noho ny fitiavany an’ny Loholona Maxwell. Nilaza izy fa io Apôstôly io dia manana toerana manokana eo amin’ny Olomasin’ny Ghana sy ny fianakaviany manokana. Niantso ny rainy ho lasa filohan’ny distrika ao Accra ny Loholona Maxwell ary nanao ny famehezana ny rainy sy ny reniny tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake.

“Tsy nahafantatra na inona na inona mikasika an’io misiônera io na mikasika ny fianakaviany aho, fa ny Tompo kosa dia nahafantatra ary nanome aingam-panahy ny filohan’ny misiôna iray Izy ho an’ny misiônerairay mba hanomezana fahatsiarovana maharitra sy traikefa mampiorina ny fijoroana ho vavolombelona” (“One by One,” Ensign, nôv. 2000, 29–30).

Omeo fotoana ny mpianatra hiverenana hijery ny 3 Nefia 11:15–17. Manontania avy eo hoe:

  • Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahatsapa fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra anao manokana?

  • Inona no zavatra nataon’ny valalabemandry tany amin’ny tempoly taorian’ny nandraisan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona manokana ny maha-Andriamanitra an’ny Mpamonjy?

Anontanio ny mpianatra raha toa misy iray amin’izy ireo te hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy momba ny fitiavana tsapany avy Aminy. Mijoroa ho vavolombelona fa na dia tsy nitsapa ara-bakiteny ny tanana sy ny tongotry ny Mpamonjy aza isika, dia mbola manompo sy miasa amintsika amin’ny fomba manokana Izy. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hisaorany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fitiavana izay tsapany manokana avy Amin’izy Ireo.

3 Nefia 11–28

Nanompo teo anivon’ny Nefita ny Mpamonjy

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny lafiny manan-danja hafa mikasika ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, dia omeo minitra vitsivitsy izy ireo hamakiany ny lohan’ny toko ao amin’ny 3 Nefia 11–28. Asao ny mpianatra hamantatra sy hanoratra ny zavatra manan-danja momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita. Rehefa mikaroka ny mpianatra, dia mandehana manodidina ny efitra mba hijerijery ny zavatra hitan’izy ireo. Raha misy sahirana amin’ny valinteny, dia amporisiho izy ireo hitodika amin’ny andinin-tsoratra masina iray amin’ireto manaraka ireto (ny teny ao anaty fononteny dia natokana ho an’ny mpampianatra ihany):

Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany tamin’ny fikarohana nataony tao amin’ny soratra masina. Rehefa manazava ny zavatra hitany momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia ampiasao ny sasany na ireto manaraka ireto mba hitrandrahana bebe kokoa ny fifanakalozan-kevitra atao ao amin’ny kilasy:

  • Inona no fiantraikan’ity lafiny manokana iray amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy ity amin’ny vahoaka?

  • Nahoana no mety hanampy ny fahafantarana sy ny fandalinana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpitarika na mpampianatra Azy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity sy hanoratra ny zavatra ao an-tsainy.

  • Araka ny lesona anio, inona no zavatra tsapanao fa irian’ny Ray any An-danitra hataonao mba hanarahanao ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy amin’ny fomba fanompoana ny manodidina anao, anisan’izany ny olona tsy fantatra, ny fianakaviana, ny namana, na ireo izay tompoinao amin’ny antso hazoninao ao am-piangonana?

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana nianarana anio ny lesona.

Vakitenin’ny Mpianatra